2022
Abrahama sy Saraha
Febroary 2022


“Abrahama sy Saraha,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , febroary 2022

“Abrahama sy Saraha”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , febroary 2022

Abrahama sy Saraha

Sary
Abrahama sy i Saraha ao anaty lay

Sary nataon’i Apryl Stott

Mpaminany i Abrahama. Nanao fanekempihavanana tamin’i Abrahama sy i Saraha vadiny Andriamanitra.

Sary
Malahelo i Abrahama sy i Saraha

Mampanantena ny hitahy azy ireo Andriamanitra. Nolazainy azy ireo fa hanan-janaka izy ireo. Nampanantena ny hanaraka an’ Andriamanitra i Abrahama sy i Saraha.

Sary
Abrahama sy Saraha

Nitandrina ireo fampanantenana nataony i Abrahama sy i Saraha. Saingy tsy nanan-janaka nandritra ny fotoana ela izy ireo. Nihanandroso taona izy ireo.

Sary
Abrahama sy i Saraha miaraka amin’i Isaka zazakely

Nony farany rehefa feno 100 taona i Abrahama ary 90 taona i Saraha dia nanan-janakalahy izy ireo. Nantsoin’izy ireo hoe Isaka izany. Fantatr’izy ireo fa notahian’ Andriamanitra izy ireo.

Sary
zazakely mamboly masomboly

Afaka matoky an’ Andriamanitr aho. Indraindray dia tsy tonga eo no ho eo ny fitahiana. Saingy mitandrina mandrakariva ireo fampanantenany Andriamanitra.

Pejy lokoina

Afaka matoky an’ Andriamanitr aho

Sary
ankizy mivavaka

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no fomba nanampian’ny Ray any An-danitra anao rehefa natahotra na nalahelo ianao?

Hamoaka printy