“I Rota sy i Naomy,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana , Jona 2022
“I Rota sy i Naomy”
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, Jona 2022
I Rota sy i Naomy
Tonga tao amin’ny tany vaovao iray i Naomy sy ny fianakaviany noho ny mosary. Nifanena tamina zatovovavy iray nantsoina hoe Rota izy ireo. Nanambady ny zanakalahin’i Naomy i Rota.
Avy eo dia maty ny vadin’i Rota. Tena nalahelo i Rota.
Tena nalahelo koa i Naomy. Tsy nanana fianakaviana nikarakara azy intsony izy. Nanapa-kevitra ny hiverina tany amin’ny tany niaviany izy.
Nilaza tamin’i Rota izy mba hiverina any amin’ny fianakaviany. Tia an’i Naomy anefa i Rota. Nampanantena anefa izy fa hiaraka amin’i Naomy sy hikarakara azy.
Nahantra i Rota sy i Naomy. Noho izany dia niasa mafy i Rota mba hitadiavana sakafo ho azy ireo.
Indray andro dia nahita an’i Rota nanangona ireo ambina voa teny amin’ny sahany ny lehilahy iray nantsoina hoe Boaza.
Tsara fanahy i Boaza. Nasainy namela sakafo misimisy kokoa ho an’i Rota ireo mpanompony.
Nivady i Rota sy i Boaza taty aoriana. Nanan-janaka lahy kely izy ireo. Nanampy nitaiza azy i Naomy.
Afaka manampy mikarakara ny hafa aho. Afaka maneho hatsaram-panahy amin’ireo sahirana aho.
© 2022 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, June 2022. Malagasy. 18315 654