2022
Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo
Aogositra 2022


“Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo,” hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2022

“Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo”

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2022

Mampianatra momba an’i Jesoa Kristy ny Salamo

Sary
I Davida miaraka amin’ny harpa

Sary nataon’i Apryl Stott

Ny Salamo dia hira masina. Nosoratan’ireo olona tao amin’ny Baiboly ny Salamo mba hiderana an’ Andriamanitra. Maro amin’ny salamo nataon’izy ireo no mampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Indro ny zavatra ampianarin’ireo Salamo sasany ao amin’ny Baiboly.

Sary
I Jesoa Kristy eo ambony vatolampy

Tiako ny Tompo. Izy no harambatoko sy vatolampy ialofako. Hatoky Azy aho. Hidera Azy aho.

Sary
I Jesoa Kristy mitrotro ondry

Jehovah no Mpiandry ahy. Mitarika ahy ho amin’ny ahi-maitso Izy. Mitondra ahy eo amin’ny rano fialan-tsasatra Izy. Tsy hatahotra aho.

Sary
I Jesoa Kristy mihazona fanala

Jehovah no fahazavako. Tsy hatahotra aho. Hahery aho. Hampahery ny foko Izy.

Sary
olona any am-piangonana

Tiako i Jesoa Kristy, ary tia ahy Izy. Afaka midera Azy aho rehefa mianatra sy mihira momba Azy.

Pejy lokoina

Jehovah no Mpiandry ahy

Sary
I Jesoa Kristy mivimbina zanak’ondry iray

Tsindrio eo amin’ilay sary raha hisintona.

Sary nataon’i Apryl Stott

Ahoana no ahatsapanao ny fitiavan’i Jesoa?

Hamoaka printy