“Tanteraka ny fampanantenana nataon’i Ezekiela,” Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, ôktôbra 2022
“Tanteraka ny fampanantenana nataon’i Ezekiela”
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, ôktôbra 2022
Tanteraka ny fampanantenana nataon’i Ezekiela
Mpaminany i Ezekiela. Nampiseho azy zavatra maro amin’ny hoavy izay tsy mbola nitranga Andriamanitra. Nosoratan’i Ezekiela izany.
Nanoratra mikasika boky anankiroa izay havoaka printy indray andro any i Ezekiela. Ny Baiboly ilay boky iray. Ny Bokin’i Môrmôna ilay boky iray hafa.
Taona maro taty aoriana dia natonta printy ny Baiboly.
Taona maro kokoa noho izany taty aoriana dia nandika ny Bokin’i Môrmôna i Joseph Smith. Tanteraka ny fahitana hitan’i Ezekiela!
Afaka mamaky ny Baiboly sy ny Bokin’i Môrmôna isika ankehitriny. Miara-miasa izy ireo ankehitriny mba hampianatra momba an’i Jesoa Kristy.
Rehefa mamaky ny soratra masina aho dia mianatra momba an’i Jesoa Kristy.
© 2022 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, October 2022. Malagasy. 18317 654