“Ny fanasan’ny Tompo voalohany,” Namana, Jona 2023, 46–47.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana Jona 2023
Tantara ao amin’ny soratra masina
Ilay Fanasan’ny Tompo voalohany
Talohan’ny nahafatesany dia nihaona tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa Kristy. Nomeny azy ireo ny fanasan’ny Tompo.
Novakian’i Jesoa ny mofo ary nomeny azy ireo. Nasainy nohanin’izy ireo izany mba ahafahan’izany manampy azy ireo hahatsiaro fa natolony ho azy ireo ny ainy.
Avy eo dia nomen’i Jesoa azy ireo ilay kaopy. Nasainy nisotro tamin’izany izy ireo. Hanampy azy ireo ihany koa izany hahatsiaro Azy.
Na dia tsy niaraka tamin’ireo Apôstôliny intsony aza i Jesoa dia nanampy azy ireo hisaintsaina momba azy ny fanasan’ny Tompo. Afaka ny hahatsapa ny fitiavany sy hahatsiaro ny hitandrina ny didy izy ireo.
© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, Jona 2023. Language. 19006 654