“Namangy an’i Jesoa zazakely ireo mpiandry ondry,” Namana, Des. 2023, 46–47.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, desambra 2023
Namangy an’i Jesoa zazakely ireo mpiandry ondry
Indray alina, nisy anjely namangy mpiandry ondry tany an-tsaha. Nolazain’ilay anjely tamin’izy ireo fa nisy zazakely tena manan-danja teraka. Jesoa Kristy no anarany. Izy no ho Mpamonjy ny olona rehetra manerana an’izao tontolo izao. Nisy anjely maro fanampiny tonga. Nihira izy ireo hoe “Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.”
Nandeha faingana ireo mpiandry ondry hamangy an’i Jesoa zazakely. Faly be tokoa izy ireo nahita azy!
Nambaran’ireo mpiandry ondry tamin’ireo hafa ny momba an’i Jesoa Kristy. Tian’izy ireo ho ren’ny rehetra ilay vaovao mahafaly.
Pejy holokoina
Afaka mihira momba an’i Jesoa Kristy aho
Sary nataon’i Apryl Stott
Afaka mihira hira momba an’i Jesoa Kristy aho hankalazana ny nahaterahany.
© 2023 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, August 2023.Language.19049 654