“Ny Liahônà,” Namana, feb. 2024, 26–27.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, febroary 2024
Ny Liahônà
Nasain’ny Tompo i Lehia handeha any amin’ny tany nampanantenana niaraka tamin’ny fianakaviany. Saingy tsy tena hain’izy ireo ny fomba handehanana any.
Nomen’ny Tompo fitaovana manokana i Lehia. Toy ny kômpà izy io. Ary nanondro ny lalana tokony handehanan’izy ireo. Nantsoin’izy ireo hoe ilay Liahona izany.
Rehefa nitandrina ny didy izy ireo dia nandeha ilay Liahona. Nanoro azy ireo ny toerana hahitana hanina sy fiarovana. Fa rehefa nifanditra izy ireo na tsy nankatò, dia nitsahatra tsy nandeha ilay izy.
Nanaraka an’ilay Liahona ny fianakavian’i Lehia ka tonga tany amin’ny tany nampanatenana. Raha mifidy ny tsara isika dia hitarika antsika koa ny Ray any An-danitra.
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, February 2024. Language. 19276 654