Namana
Nafahan’ Andriamanitra i Almà sy i Amioleka
Jona 2024


“Nafahan’ Andriamanitra i Almà sy i Amioleka,” Namana, Jona 2024, 26–27.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, Jona 2024

Nafahan’ Andriamanitra i Almà sy i Amioleka

Sary
I Almà sy i Amioleka mitory ny filazantsara

Sary nataon’i Andrew Bosley

Nandeha tany amin’ny tanàna iray nantsoina hoe Amônihà i Almà sy i Amioleka. Nampianatra an’ny olona momba an’i Jesoa Kristy izy ireo. Tezitra tamin’ny zavatra nampianarin’izy ireo anefa ny olona. Nampidirin’izy ireo tany am-ponja i Almà sy i Amioleka.

Sary
I Almà sy i Amioleka mifatotra tao am-ponja.

Novonovonoin’ny olona i Almà sy i Amioleka. Nijanona tao am-ponja nandritra ny andro maro izy ireo.

Sary
Nirodana ny rindrin’ny fonja nanodidina an’i Almà sy i Amioleka.

Nivavaka sy nangataka hery i Almà sy i Amioleka. Nanana finoana an’ Andriamanitra izy ireo. Nomeny hery hanapatapahana ny tady teny amin’ny hatotanany izy ireo.

Sary
I Alma sy i Amioleka tsy misy tady mamatotra azy intsony mijoro ao anatin’ireo korontan-trano rava.

Nihozongozona ny tany avy eo. Nirodana ny rindrin’ny fonja! Nanampy an’i Almà sy i Amioleka Andriamanitra mba ho afaka. Niala tao Amônihà izy ireo mba hampianatra olona hafa momba an’i Jesoa Kristy.

Pejy holokoina

Fantatro fa tia ahy i Jesoa

Sary
Ankizy anankiroa voahodidin’ny zavaboary sy soratra masina ary tempoly iray

Sary nataon’i Adam Koford

Inona ireo zavatra mampahatsiahy anao ny fitiavan’i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy