“Nitsodrano azy ireo tsirairay i Jesoa”, Namana, ôktôbra 2024, 26–27.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, ôktôbra 2024
Nitsodrano azy ireo tsirairay i Jesoa
Nampianatra ny Nefita mikasika ireo famantarana ny fahafatesan’i Jesoa Kristy ireo mpaminany. Rehefa maty Izy dia nisy haizina teo amin’ny tany nandritra ny telo andro. Taty aoriana dia nandre ny feon’ny Ray any An-danitra niteny avy any an-danitra ny vahoaka.
Hoy ny Ray any An-danitra hoe: “Indro ny Zanako Malalako” (3 Nefia 11:7). Niseho tamin’ireo Nefita i Jesoa. Nitsangana tamin’ny maty Izy! Nampianatra zavatra maro an’ireo Nefita izy. Nolazainy izy ireo mba hibebaka sy hanaraka Azy.
Nangataka ny olona izy mba hitondra ireo izay narary ho eo Aminy mba ho sitrana. Notsofiny rano izy ireo.
Notsofiny rano ny ankizy tsirairay rehetra. Nanodidina ireo ankizy ireo ny anjely.
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, October 2024. Malagasy. 19291 654