2022
Fidio
Jona 2022


“Fidio,” Ho zatovo mahery! Jona 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, Jona 2022

Fidio

Namporisika ny vahoakany i Josoa mba hanao safidy tsara—dia ny hanaraka ny Tompo.

fidio

Antsoina hoe fahafahana misafidy ny fahafahantsika misafidy sy manao asa amin’ny alalan’ny tena manokana. Ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izany. Tanjona iray amin’ity fiainana ity ny hanehoana fa hisafidy ny hankatò ny didin’ Andriamanitra isika mba hahafahantsika ho tonga tahaka Azy bebe kokoa. Hotsaraina araka ny safidintsika isika. (Jereo ny 2 Nefia 2:27; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:78; Abrahama 3:25.)

anio

Nandrisika ny vahoakany i Josoa mba hanao safidy “anio,” na izao dia izao. Afaka manao safidy manan-danja indray mandeha isika ary avy eo miezaka ny mitoetra ho manolo-tena amin’izany. (Jereo ny Salamo 37:5.)

manompo

Ao amin’io andininy io, ny hoe manompo dia midika hoe mitsaoka, manampy, mankatò, ary manokan-tena ho an’olona iray. Tokony hanompo ny Tompo isika (jereo ny Mosesy 1:15).

ireo andriamanitra

Nodidiana ny Isiraely mba tsy hanompo afa-tsy ilay Andriamanitra marina sy velona, ​​dia i Jesosy Kristy (jereo ny Eksodosy 20:2–5). Nanome ohatra momba ireo andriamani-kafa izay tsy tokony hotompoin’ny vahoakany i Josoa. Tafiditra anatin’ireo andriamanitra hafa eo amin’ny fiainantsika ny fananana, ny hevitry ny hafa, ny tombontsoa hafa—izay rehetra manalavitra antsika amin’ny Tompo.

izaho sy ny ankohonako

Niteny ho an’ny tenany sy ny ankohonany i Josoa. Nolazainy fa hanompo ny Tompo izy ireo. Te hitarika ny fianakaviany amim-pahamarinana sy hampianatra azy ireo hanaraka ny Tompo izy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 93:40).

Hamoaka printy