2022
Aza miandry! Manaova toa an’ireo mpiandry ondry
Desambra 2022


“Aza miandry! Manaova toa an’ireo mpiandry ondry,” Ho zatovo mahery!, des. 2022.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery!, desambara 2022

Lioka 2:8–20

Aza miandry! Manaova toa an’ireo mpiandry ondry

Sary
Mpiandry ondry

Indray alina mangina taloha ela be dia nazoto niambina ny ondriny ireo mpiandry ondry.

Sary
ondry

Nanana asa manan-danja ny mpiandry ondry. Nila sakafo sy rano ary fiarovana amin’ny loza ny ondry.

Sary
anjely

Tampoka teo dia nisy anjely niseho!

“Aza matahotra; fa, indro, milaza teny soa mahafaly aminareo aho, dia fifaliana lehibe. … Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio …, dia Kristy Tompo.”

Sary
anjely

Nilaza tamin’ireo mpiandry ondry ilay anjely fa ho hitan’izy ireo mifono lamaban-jaza ilay zazakely, mandry ao anaty fihinanam-bilona any Betlehema.

Sary
Amboarampeon’anjely

Feno andian’anjely teny amin’ny lanitra ary nanatona ilay anjely nidera an’ Andriamanitra.

“Voninahitra any amin’ny avo Indrindra ho an’ Andriamanitra! Ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.”

Sary
Mpiandry ondry

“Andeha isika hankany Betlehema ka hizaha izany zavatra vao tonga izany, izay nampahafantarin’ny Tompo antsika.”

Sary
Mpiandry ondry manaraka kintana

Tsy niandry ireo mpiandry ondry. Zava-dehibe loatra izany! “Nandeha faingana” tany Betlehema izy ireo.

Sary
Mpiandry ondry ao amin’ny fihinanam-bilona

Hitan’ireo mpiandry ondry i Jesoa mifono lamban-jaza, mandry ao anaty fihinanam-bilona, araka ny nolazain’ilay anjely.

Sary
Jesoa zazakely

Io ilay Mesia nampanantenaina izay tonga mba ho Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao ary hitondra tena fifaliana!

Sary
Mpiandry ondry

Faly ery ireo mpiandry ondry! Nizara ny zavatra reny sy hitany izy ireo.

“Teraka ilay Mpanavotra izao tontolo izao!”

“Tonga ihany ilay Mesia!”

Sary
Zatovolahy mandalina ny soratra masina

“Nandeha faingana” tany amin’i Jesoa ireo mpiandry ondry. Afaka miaina izany koa ianao!

Afaka mianatra Aminy ianao.

Sary
Zatovolahy manapaka bozaka

Afaka manompo Azy ianao amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa.

Sary
Zatovovavy mizara Bokin’i Môrmôna amin’ny zatovolahy

Afaka mijoro ho vavolombelona momba Azy ianao.

Hamoaka printy