2023
Hafatra farany: Mikatsaka fahatakarana
Aogositra 2023


“Mikatsaka fahatakarana,” Ho zatovo mahery!, aog. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! , Aogositra 2023

Mikatsaka fahatakarana

Sary
vehivavy mitazona fanala mirehitra amin’ny solika

Sary nataon’i Emily Jones

Ny tanjontsika eo am-pikatsahana fahatakarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia tsy maintsy hoe ny hampitombo finoana an’ Andriamanitra sy ny drafiny masina ho an’ny fahasambarana ary koa an’i Jesoa Kristy sy ny sorona fanavotany ary ny hahazoana fiovam-pomaharitra. Izany fitomboana finoana sy fiovam-po izany dia hanampy antsika hanao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra sy hitandrina izany, ka hampatanjaka ny faniriantsika hanaraka an’i Jesoa Kristy ary hiteraka fiovana ara-panahy tena izy ao amintsika. Izany fiovana izany dia hanome antsika fiainana sambatra sy mamokatra ary mahasoa kokoa, ary hanampy antsika hanana fomba fijery mifantoka amin’ny mandrakizay hatrany.

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Mba hanatrarana izany, dia mila isika mitoetra ao amin’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny firobohana ao amin’ny soratra masina, mifaly amin’izany, mianatra ny fotopampianarany ary miezaka miaina araka ny fomba niainany. Amin’izay fotoana izay ihany no ahafantarantsika Azy sy ahafantarantsika ny feony, satria fantatsika fa rehefa manatona Azy sy mino Azy isika dia tsy ho noana na hangetaheta na oviana na oviana (jereo ny Jaona 6:35).

Sary
zatovolahy iray mivavaka

Tsy kisendrasendra no hahatanteraka izany. Tsy mora ny mampitovy ny tadin-dokangantsika amin’ireo fitaomana avo indrindra an’ny maha-Andriamanitra; mitaky ny fiantsoana an’ Andriamanitra izany ary fianarana mametraka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho ivon’ny fiainantsika.

Sary
zatovovavy mametraka ny tanany eo amin’ny fony

Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa rehefa mikatsaka amim-pahamatorana, amin’ny fo, miorina tsara, ary amin-kitsimpo ny hahatakatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ary hifampianatra izany omban’ny tanjona tena marina ary eo ambany fanentanan’ny Fanahy isika, dia afaka hanova fo sy hitaona faniriana hiaina araka ireo fahamarinan’ Andriamanitra ireo fampianarana ireo.

Hamoaka printy