Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! desambra 2024
Ny nahaterahan’i Jesoa Kristy
Ianaro ity seho Krismasy mahazatra ity sy ny fomba hanampian’izany antsika hifantoka amin’ny Mpamonjy.
Betlehema
Ny hoe Betlehema dia midika hoe “tranon’ny mofo” amin’ny teny Hebreo. Indraindray izy io dia antsoina hoe ny tanànan’i Davida, izay naminaniana fa avy amin’ny taranany no hahatongavan’ilay Mesia (jereo ny Jeremia 23:5; Jaona 7:42). Nanosotra an’i Davida ho mpanjaka tao Betlehema i Samoela (jereo ny 1 Samoela 16:1–13). Naminaniana fa ho teraka ao ny Mesia (jereo ny Mika 5:2).
Tranom-bahiny
Ny teny Grika ilazana ny hoe tranom-bahiny dia mety midika hoe fialofana mandritra ny fotoana fohy, anisan’izany ny efitranom-bahiny. “Nampandrian’i [Maria] teo amin’ny fihinanam-bilona i [Kristy Zazakely] fa tsy nisy itoerany tao an-tranom-bahiny” (Lioka 2:7). (Ny Dikantenin’i Joseph Smith dia milaza hoe “ireo tranom-bahiny.”) Ny hoe “tsy nisy itoerana” dia mety midika hoe nolavina izy ireo na hoe tsy nisy azo nampiterahana zazakely tamin’ireo toerana izay mety ho nijanonany. Na izany na tsy izany dia nandeha tamin’ny toerana iray izay nisy fihinanam-bilona izy ireo.
Fihinanam-bilona
Ny fihinanam-bilona dia toy ny kesika na tavy miavoavo izay fasiana sakafo ho an’ny biby. Tany Jodia fahiny dia natao tamin’ny vato ny ankabeazan’izy ireny. Nisy tokontany anatiny misy fihinanam-bilona ireo tranom-bahiny tamin’izany, ary maro koa ireo trano fonenana izay nisy fihinanam-bilona ao an’efitrano lehibe indrindra mba hahafahana mihazona ireo biby fiompy mandritra ny alina.
Lamban-jaza
Ny reny dia mandrakotra ireo zaza vao teraka (mamono azy ireo amin’ ny bodofotsy na lamba) efa an’arivo taona izay. Mampitony sy mampahazo aina azy ireo izany aorian’ilay fiovana tampoka tamin’ny fialana tao an-kibo. Mety ho nisy famantarana manokana mampiavaka ny fianakaviana ilay lamba izay nampiasain’i Maria.
I Maria sy i Josefa
Olona tsara sy marina izy ireo, ary samy taranak’i Davida. Samy novangian’ny anjely iray izy ireo ho fiomanana amin’ny fahaterahan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 1:18–25; Lioka 1:26–38). Nanao dia 100–140 km nankany Betlehema izy ireo. Bevohoka i Maria nandritra ilay dia.
Mpiandry ondry
Niandry ny ondry teo akaikin’i Betlehema ireo mpiandry ondry. Araka ny voalazan’ireo manam-pahaizana sasantsasany dia ny ondry natao ho an’ny sorona fanao any amin’ny tempoly ihany no azo nompiana manakaiky ny tanàna. Koa ireo mpiandry ondry ireo dia mety niandry ondry izay haneho ny sorona nataon’i Jesoa Kristy ho antsika (jereo ny Mosesy 5:6–7). Nandao ny andian’ondriny izy ireo mba hahitana ny Mesia izay ny sorompanavoatana ataony no hanafoana ny sorona biby.
I Kristy Zazakely
I Jesoa Kristy no ivon’ny zava-niseho tamin’ny Fahaterahan’i Jesoa Kristy—sy eo amin’ny fiainantsika.
© 2024 by Intellectual Reserve, Inc. All right reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, December 2024. Malagasy. 19346 654