Tomoera amin’ny toerana nanendrena anao
Manantena aho fa hanampy sy hanavotra ireo izay efa lavo tao anatin’ny fahotana isika, mba tsy hisy fanahy sarobidy ho very na iray aza.
Anio hariva dia tafavory eto amin’ny Foiben’ny Fihaonambe isika sy any amin’ireo toerana maro manerana izao tontolo izao amin’ny maha-vondrona matanjaky ny fisoronana antsika. Mihazona ny Fisoronana Aharôna ny sasany amintsika raha toa ka mihazona ny Fisoronana Melkizedeka kosa ny hafa.
Ny Filoha Stephen L Richards, izay nanompo ho mpanolotsaina an’i Filoha David O. McKay dia nanambara fa “Ny Fisoronana dia matetika no faritana tsotra ho toy –ny herin’ Andriamanitra nomena ny lehilahy.–” Dia tohizany hoe: “Izany famaritana izany raha ny fahitako azy dia marina. Fa noho ny antony fampiharana dia tiako ny mamaritra ny fisoronana amin’ny lafiny fanompoana ary matetika aho no miantso izany hoe –ilay drafitra tonga lafatry ny fanompoana.– … Fitaovana enti-manompo izy io … ary ny lehilahy izay tsy mampiasa izany dia mety hanary izany, fa efa nolazaina tamintsika mazava tsara tamin’ny alalan’ny fanambarana fa izay manao tsinotsinona izany –dia tsy hisaina ho mendrika ny hitoetra.–”1
Tao amin’ny Tsatòkan’i Pioneer, ao Salt Lake City, izay nahazoako ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka dia nampianarina izahay ny hankamamy ireo soratra masina, tao anatin’izany ireo fizarana 20 sy 84 ary 107 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana. Ao amin’ireo fizarana ireo no ianarantsika momba ny Fisoronana sy ny fitantanana ny Fiangonana.
Anio hariva aho dia te-hanamafy andininy iray ao amin’ny fizarana 107 manao hoe: “Koa ankehitriny, aoka ny olona tsirairay hianatra ny andraikiny ary hiasa amin’ny zotom-po rehetra ao amin’ny anjara fanompoana izay anendrena azy.”2
Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra matetika hoe: “Rehefa lasa mpihazona ny fisoronana ny olona iray dia lasa solontenan’ ny Tompo nahazo lalana izy. Tokony hoe eo am-panaovana ny raharahan’ ny Tompo no fandraisany ny antsony.”3
Ianarantsika avy ao amin’ireo fizarana ireo ihany koa ny andraikitr’ireo fiadidian’ny kolejy sy ny maha-tompon’andraikitra antsika manoloana ny hafa ankoatra ny amin’ny tenantsika.
Tena mino tanteraka aho fa ny Fiangonana ankehitriny dia matanjaka kokoa noho ny hatrizay. Ny taham-pahavitrihan’ireo tanorantsika dia vavolombelona manambara fa ity dia taranaka feno finoana sy fanoloran-tena ho amin’ny fahamarinana. Na dia izany aza dia mbola misy ireo sasany izay lavo, izay mahita zavatra hafa mahavariana ka mandresy lahatra azy ireo hanao ambanin-javatra ny andraikiny ao am-piangonana. Tsy tokony hariantsika ireny fanahy sarobidy ireny.
Mitombo ny isan’ireo lehilahy tokony haroso ho loholona izay tsy tonga amin’ireo fivoriam-piangonana na mitana andraikitra ato am-piangonana. Azo arenina ary tokony harenina io toe-javatra io. Andraikitsika izany. Mila zaraina ny andraikitra ary tsy tokony hangatahana andro ny fanaovana ezaka.
Ny fiadidian’ny kôlejin’ny fisoronana Aharôna, eo ambany fitarihan’ny episkôpà sy ireo mpanoro hevitra ao amin’ny kôlejy dia afaka mahazo hery mba hitaona sy hanavotra.
Nilaza ny Tompo hoe: “Tadidio fa lehibe ny hasarobidin’ny olona eo imason’ Andriamanitra; … ary akory ny halehiben’ny fifaliany amin’ny olona izay mibebaka!”4
Indraindray dia mahatsapa tena ho tototra amin’ity andraikitra ity isika. Afaka maka herim-po vaovao isika avy amin’ny traikefan’i Gideona fahiny, izay tamin’ny tafika kely izay nananany, dia nila nandeha niady tamin’ireo Midianita sy ny Amalekita. Ho tsaroanao ny fomba niatrehan’i Gideona sy ny miaramilany ny tafika lehibe izay nanana isa sy fitaovana nihoatra dia nihoatra tokoa. Ny bokin’ny Mpitsara ao amin’ny Testamenta Taloha dia mirakitra fa ilay fahavalo niray hina, dia ny Midianita sy ireo Amalekita, “dia nitoetra nanaraka ny lohasaha tahaka ny valala ny hamarony.”5 Nandeha tany amin’ Andriamanitra Tsitoha i Gideona mba hahazoany ny heriny.
Akory ny hagagany fa nampahafantarin’ny Tompo an’i Gideona fa maro an’isa loatra amin’ny Tompo ny miaramilany hanomezany ilay fahavalo ho eo am-pelatanan’izy ireo, fandrao hiteny izy ireo hoe: “Ny tanako ihany no namonjy ahy.”6 Nomena torolalana i Gideona mba hanambara amin’ny vahoakany hoe: “Na iza na iza no matahotra sy mangovitra, aoka izy hiverina … ka hiala ny tany havoan’i Gileada. Dia niverina ny olona roa arivo sy roa alina; fa ny iray alina no sisa.”7
Dia nilaza ny Tompo avy eo: “Mbola maro ihany ny olona.”8 Nilaza tamin’i Gideona Izy mba hitondra ireo lehilahy eny amin’ny rano mba hijerena ny fomba tokony hisotroan’izy ireo rano. Ireo izay nilelaka ny rano dia napetraka tao anatin’ny vondrona iray, ary ireo izay nandohalika mba hisotro dia napetraka tao anatin’ny iray hafa. Nilaza tamin’i Gideona ny Tompo hoe: “Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao: fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ny fonenany avy.”9
Niverina tany amin’ireo miaramilany i Gideona ary nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mitsangàna, fa efa natolotr’ i Jehovah eo an-tànanareo ny tobin’i Midiana.”10 Dia nozarainy ho andiany telo ireo telon-jato lahy, ary nasiany anjomara iray avy teny an-tanan’ny lehilahy tsirairay avy, ary siny tsy nisy rano sy fanilo tao anatin’ny siny. Ary hoy izy tamin’izy ireo:
“Mijere ahy ianareo, ka manaova araka izay ataoko: ary, indro, raha mankany any amin’ny sisin’ny toby aho, dia izay ataoko ihany no mba ataovinareo koa.”
“Raha mitsoka ny anjomara izaho sy izay miaraka amiko, dia mba mitsofa ny anjomara manodidina ny toby rehetra koa ianareo … ka miantsoa hoe, ny sabatr’i Gideona sy i Jehovah.” Dia niteny izy avy teo hoe, “Araho aho.” Toy izao no teny izay nolazainy: “Dia izay ataoko ihany no mba hataovinareo koa.”11
Rehefa nanome ny toromarika ilay mpitarika, dia nitsoka ny anjomara ny miaramilan’i Gideona sy namaky ireo siny ary nikiakiaka hoe: “Ny sabatr’ i Jehovah sy Gideona.” Ny soratra masina dia mirakitra ny vokatr’io ady mafy io: “Ary samy nijanona teo amin’ny fitoerany avy manodidina ny toby izy rehetra,” ary dia azo ny fandresena.12
Ny fampianarana isan-tokantrano dia anisan’ny drafitra fanavotana amin’izao fotoana izao. Rehefa nampahafantarin’ny Filoha David O. McKay an’ireo Manampahefana Ambony rehetra izany dia hoy izy hoe: “Ny fampianarana isan-tokantrano no anisan’ny laharam-pahamehana indrindra sy mitondra valisoa indrindra amin’ireo fomba ahafahantsika mikolokolo sy mitaona fanahy, manoro hevitra sy mitarika ireo zanaky ny Raintsika. … Asa fanompoana masina [izany], antso masina. Adidintsika amin’ny maha-mpampianatra isan-tokantrano antsika ny mitondra ny Fanahy ho ao amin’ny tokantrano sy ny fo tsirairay.”13
Any amin’ny faritra sasantsany izay tsy ahitana ny tanjaky ny Fisoronana Melkizedeka araka ny tokony ho izy dia mety hampiasa ireo misiônera amin’ny fotoana feno ireo filohan’ny tsatòka sy ireo eveka, miara-miasa amin’ny filohan’ny misiôna mba hamangy ireo izay tsy dia mazoto sy ireo fianakaviana izay ny olona sasany ao aminy ihany no mpikambana. Tsy hoe mamelona fotsiny ny fanahin’ny asa fitoriana ao an-tokantrano izany, fa manome fahafahana ihany koa mba hahazoana olona tsara hampianarina.
Tao anatin’ireo taona izay namangiako tsatòka maro manerana izao tontolo izao dia nisy ireo tsatòka izay nahitana mpitarika ao amin’ny paroasy sy tsatòka izay noho ny filàna na noho ny famaliana adidy, dia tsy namehy ny tanan’izy ireo intsony, fa nampiakatra ny tanan’akanjony, ary niaraka tamin’ny fanampian’ny Tompo dia nandeha niasa ary dia nitondra lehilahy sarobidy mba ho mendrika ny Fisoronana Melkizedeka sy hiditra ny tempoly masina miaraka amin’ny vady aman-janany ho amin’ny fanafiana masina sy ny famehezana azy ireo.
Amin’ny endrika fohy dia hanonona ohatra maromaro aho:
Taona maro lasa izay raha nitsidika ny tsatòkan’i Millcreek ao Salt Lake City aho dia nahafantatra fa rahalahy tokony haroso ho loholona mihoatra kelin’ny zato teo ho eo no notendrena ho loholona nandritry ireo taona nialoha izany. Nanontaniako ny Filoha James Clegg ny tsiambaratelon’ny fahombiazany. Na dia tsy be rehareha aza izy ny hitonon-tena dia namboraka ny iray tamin’ireo mpanolotsainy fa ny Filoha Clegg, rehefa nahafantatra ilay fanamby, dia nandray andraikitra ny hiantso manokana ireo rahalahy tsirairay tokony haroso ho loholona sy handamina fihaonana mitokana niaraka tamin’izy ireo. Nandritra ilay fihaonana ny Filoha Clegg dia nilaza ny tempolin’ny Tompo, ireo ôrdônansin’ny famonjena sy ireo fanekempihavanana hamafisina amin’izany, ary namarana tamin’izao fanontaniana izao: “Tsy irianao ve ny hitondra ny vady malalanao sy ireo zanakareo sarobidy ho any amin’ny tranon’ny Tompo, mba hahafahanareo ho lasa fianakaviana mandrakizay sy haharitra mandrakizay?” Nanaiky ireo rahalahy tokony haroso ho mpisorona, nitohy ny famerenana ireo nalaindaina, ary dia tratra ny tanjona.
Tamin’ny 1952, ny ankabetsahan’ny fianakaviana tao amin’ny Paroasy fahatelo tao Rose Park dia mpikambana izay nanana ray na vady izay nihazona ny Fisoronana Aharôna fotsiny fa tsy nanana ny Fisoronana Melkizedeka. Nantsoina ny hanompo mba ho eveka ny rahalahy L. Brent Goates. Nanasa rahalahy tsy dia navitrika loatra tao amin’ny paroasy izy, dia i Ernest Skinner, mba hanampy amin’ny fanatanjahana ireo rahalahy olon-dehibe miisa 29 tao amin’ilay paroasy izay nihazona ny anjara fanompoan’ny mpampianatra ao amin’ny Fisoronana Aharôna ary hanampy ireo rahalahy ireo sy ny fianakaviany ho any amin’ny tempoly. Amin’ny maha-mpikambana malaindaina ny tenany, dia nisalasala rahalahy Skinner tamin’ny voalohany saingy nilaza izy tamin’ny farany fa hataony izay azony atao. Nanomboka namangy niaraka tamin’ireo olon-dehibe mpampianatra izay nalaindaina izy sady niezaka nanampy azy ireo hahita ny andraikitr’izy ireo amin’ny maha-mpitarika ao amin’ny Fisoronana azy ireo ao an-tokantranony sy amin’ny maha-vady sy raim-pianakaviana azy ireo. Tsy ela dia nataony lisitra ny sasany amin’ireo rahalahy malaindaina mba hanampy azy amin’ny andraikiny. Lasa nazoto tanteraka tsirairay avy izy ireo ary nitondra ny fianakaviany tany amin’ny tempoly.
Indray andro dia niala avy teo amin’ny filaharana fandoavam-bola tao amin’ny toeram-pivarotana iray ny mpitambokin’ny paroasy mba hiarahaba ny farany tamin’ireo rahalahy ireo izay handeha ho any amin’ny tempoly. Raha niresaka momba ny maha-farany azy ilay lehilahy dia hoy izy: “Nijoro teny aho ary nijery an’ireo rehetra tao amin’io vondrona io lasa nazoto tao amin’ny paroasinay ary nandeha tany amin’ny tempoly. Raha mba nahazo sary an-tsaina aho hoe toy ny ahoana ny hatsaran’izany ao amin’ny tempoly izany, sy ny fomba hanovan’izany ny fiainako mandrakizay, dia tsy ho farany tamin’ireo olona 29 mba ho fehezina tao amin’ny tempoly aho.”
Tao amin’ireo tantara tsirairay ireo, dia nisy singa efatra nahatonga ny fahombiazana:
-
Teny anivon’ny paroasy no nanatanterahana ny famerenana ireo nalaindaina.
-
Niditra an-tsehatra ny evekan’ny paroasy.
-
Mpampianatra mahay sy feno aingam-panahy no nomena.
-
Ny isam-batan’olona tsirairay no nifantohana.
Ry rahalahy, aoka ho tsaroantsika ny torohevitry ny Mpanjaka Benjamina: “Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”14
Andeha isika hamonjy ireo tena mila ny fanampiantsika ary hampiakatra azy ireo eo amin’ny lalana ambonimbony kokoa sy tsaratsara kokoa. Aoka ny fifantohantsika ho amin’ny filàn’ireo mpihazona ny fisoronana sy ny vady aman-janany izay efa solafaka tamin’ny lalan’ny fahazotoana. Aoka isika hihaino ireo hafatra izay tsy voateny avy ao am-pon’izy ireo:
Ny asa fampahavitrihana dia tsy andraikitr’ireo izay kamo na be nofinofy. Mitombo ireo zaza, sy ny taonan’ireo ray aman-dreny ary ny fotoana dia tsy miandry an’iza na iza. Aza manemotra ny bitsika iray, fa kosa araho izany, dia hanokatra ny lalana ny Tompo.
Matetika dia ho takiana ilay toetra tsara avy any an-danitra, dia ny faharetana. Tamin’izaho eveka dia nahatsapa ny hiantso lehilahy iray izay nanana vady sy zanaka nazoto aho. Tsy namaly mihitsy anefa io lehilahy io. Andro nafana irain’ny fahavaratra tamin’izay raha nandondona teo amin’ny fitaratry ny varavaran’i Harold G. Gallacher aho. Tazako Rahalahy Gallacher nipetraka teo amin’ny sezany namaky gazety. “Iza izao?” hoy izy sady tsy niandrandra akory.
“Ny evekanao,” hoy ny navaliko. “Tonga aho mba hifankahafantatra sy hanentana anao mba hanatrika miaraka amin’ny fianakavianao ny fivoriantsika.”
“Tsia, be atao loatra aho,” hoy ilay valinteny tsy ampy fanajana. Tsy niandrandra mihitsy izy. Nisaorako izy tamin’ny firesahany tamiko dia nandao ilay tokonam-baravarana aho.
Nifindra tany Californie ny fianakaviana Gallacher fotoana fohy taorian’izay. Nandeha teny ny taona. Avy eo, rehefa mpikambana ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo aho, dia niasa tao amin’ny biraoko aho indray andro raha niantso ny mpitan-tsoratro sy nilaza hoe: “Misy rahalahy Gallacher izay efa nipetraka tao amin’ny paroasy nisy anao fahiny te hiresaka aminao.” Ato amin’ny biraoko ato izy.”
Dia namaly aho hoe: “Anontanio izy raha toa ka Harold G. Gallacher no anarany, izay nipetraka tao Vissing Place teo amin’ny West Temple sy Fifth South niaraka tamin’ny fianakaviany.”
“Izy indrindra no ato” hoy izy.
Nasaiko nampidiriny izy. Nahafinaritra ny resaka nifanaovanay mikasika ny fianakaviany. Nilaza tamiko izy hoe: “Tonga aho mba hiala tsiny noho ny tsy nihetsehako teo amin’ny sezako sy nampandrosoako anao teo amin’ny varavarana tamin’iny andro iray tamin’ny fotoam-pahavaratra iny taona maro lasa izay.” Nanontany azy aho raha nazoto ato amin’ny Fiangonana izy. Tamin’ny tsiky iray manaraby izy no namaly hoe: “Amin’izao fotoana izao aho dia mpanolotsaina faharoa ao amin’ny episkôpà an’ny paroasy misy ahy. Nanenjika mafy ny eritreritro ilay fanasanao mba handeha ho any am-piangonana sy ilay fandavako tamin’izany, ka dia nanapaka hevitra aho ny hanao zavatra araka izany.”
Iimbetsaka izaho sy i Harold no nihaona talohan’ny nahalasana azy. Ny fianakaviana Gallacher sy ny zanak’izy ireo dia nanana antso be dia be tao am-piangonana. Ankehitriny ny iray amin’ireo zafikely zandriny indrindra dia manao asa fitoriana amin’ny fotoana feno.
Ho an’ireo misionera maro be izay mety mihaino izao hariva izao, dia zaraiko fa ny voan’ny fijoroana ho vavolombelona dia mety tsy mitsimoka sy misy fakany ary hisy voniny avy hatrany. Ny hanina atsipinao eny ambonin’ ny rano indraidray dia tsy ho hitanao raha tsy efa ela. Saingy miverina foana izany.
Raha namaly ny antso tamin’ny telefaoniko aho indray hariva dia nahare feo iray nanontany hoe: “Havan’ny Elder Monson izay nanompo tao amin’ny misiônan’ny New England taona maro lasa ve ianao?”
Namaly aho hoe tsia. Nampahafantatra ny tenany ilay mpiantso ka nilaza fa izy no Rahalahy Leonardo Gambardella ary avy eo dia nilaza fa nisy Elder Monson sy Elder Bonner niantso tao an-tranony efa ela be izay ary nizara taminy sy ny vadiny ny fijoroana ho vavolombelona nananan’izy ireo. Nihaino izy ireo saingy tsy nanao na inona na inona mba hampiharana ny fampianaran’izy ireo. Avy eo dia nifindra tany Californie izy ireo, izay nahitan’izy ireo indray ny fahamarinana, 13 taona taty aoriana, ka nampiova fo sy nanaovana batisa azy ireo. Dia nanontany avy eo rahalahy Gambardella raha toa ka nisy fomba hahafahany mahazo ireo misionera izay namangy azy ireo voalohany, mba hahafahany maneho ny fankasitrahany lalina noho ny fijoroana ho vavolombelona nataon’izy ireo, izay nitoetra tao aminy sy tao amin’ny vadiny foana.
Nojereko ireo firaketana. Dia hitako ireo misionera. Azonareo sary an-tsaina ve ny hafalian’izy ireo ankehitriny, samy miaraka amin’ny fianakaviany avy, dia nantsoiko tamin’ny telefaonina ary nolazaiko azy ireo ilay vaovao tsara, dia ny vokatry ny ezaka izay nataon’izy ireo fahiny. Tonga dia tsaroan’izy ireo avy hatrany ny fianakaviana Gambardella. Nampanaoviko tafatafa an-tariby niaraka izy ireo mba hahafahan’izy ireo niarahaba sy naneho ny fifaliany nandray azy ireo tonga soa ato am-piangonana. Nataon’izy ireo izany. Nisy ny ranomaso, saingy ranomasom-pifaliana.
Nanoratra izao manaraka izao i Edwin Markham:
Misy ny anjara izay mahatonga antsika ho mpirahalahy.
Tsy misy olona mandeha irery izany:
Izay rehetra omentsika ho an’ny hafa ihany
No miverina amintsika.16
Anio hariva, dia mivavaka aho mba hahatsapantsika rehetra izay mihazona ny fisoronana ireo andraikitsika, mba hahafahantsika ho tahaka an’i Gideona fahiny, hampitoetra ny lehilahy tsirairay eo amin’ny toerana izay nanendrena azy sy hiray hina hanaraka ny mpitarika antsika, dia ny Tompo Jesoa Kristy, sy ny mpaminaniny, dia ny Filoha Gordon B. Hinckley. Manantena aho fa hanampy sy hanavotra ireo izay efa lavo tao anatin’ny fahotana isika, mba tsy hisy fanahy sarobidy iray ho very na iray aza.
Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.