2000–2009
Ary na dia tsy izany aza …
Aprily 2004


Ary na dia tsy izany aza …

Mahavita zavatra mahatalanjona ny olona amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, dia amin’ny alalan’ny fampiharana finoana na dia amin’ny fotoana tsy ahafantaran’izy ireo ny fomba hamolavolan’ny Tompo azy ireo aza.

Fony aho zatovolahy, dia nody tao an-trano avy nanao fifaninanana basket-ball ho an’ny kilasy fahavalo tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa tao anatin’ny fahakiviana sy fahadisoam-panantenana ary fisafotofotoan-tsaina aho. Nivazavaza tamin’ny reniko aho hoe: “Tsy fantatro izay antony naharesy anay. Nanana finoana anefa aho fa handresy izahay!”

Tsapako amin’izao fotoana izao fa tsy nahafantatra ny dikan’ny hoe finoana aho tamin’izany fotoana izany.

Ny finoana dia tsy fahasahiana alaina sary an-tsaina fotsiny, tsy fananana faniriana fotsiny ary tsy fananana fanantenana fotsiny. Ny finoana marina dia ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, fahatokiana an’i Jesoa Kristy izay mitarika ny olona hankatò Azy.1

Taonjato maro lasa izay dia nesorina tampoka avy tao amin’ilay toerana feno filaminana nankany amin’izao tontolo izao, dia tontolo iray vaovao sy mampatahotra i Daniela sy ireo tanora mpiara-dia taminy. Rehefa nanda tsy hiankohoka sy hivavaka tamin’ilay sariolona volamena namboarin’ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego, dia nolazain’i Nebokadnezara izay feno hatezerana izy ireo fa raha tsy mivavaka araka ny nandidiana azy ireo izy ireo dia hatsipy avy hatrany ao anaty lafaoro misy afo mirehitra. “Ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tànako izany?”2

Novalin’ireto tovolahy telo haingana sy tamim-pahatokian-tena izany nanao hoe: “Indro [raha atsipinao ao anatin’ny lafaoro izahay], Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin’ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin’ny tànanao.” Tahaka an’ilay karazana finoana nananako fony aho tany amin’ny kilasy fahavalo tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa izany. Saingy nasehon’izy ireo avy eo fa takatr’izy ireo tanteraka ny atao hoe finoana. Notohizan’izy ireo izany hoe: “Ary na dia tsy izany aza, … ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.”3 Fanambarana iray maneho ilay finoana marina izany.

Fantatr’izy ireo fa afaka natoky an’ Andriamanitra izy ireo. Eny, na dia tsy araka ny nantenain’izy ireo aza ny zavatra nitranga.4 Fantatr’izy ireo fa ny finoana dia mihoatra noho ny faneken’ny saina zavatra iray fotsiny sy mihoatra noho ny fahalalana fa velona Andriamanitra. Ny finoana dia fahatokiana tanteraka Azy.

Ny finoana dia midika hoe, mino isika fa na dia tsy takatsika aza ny zava-drehetra dia takany izany. Ny finoana dia fahafantarana fa na dia voafetra aza ny herintsika, dia tsy voafetra kosa ny Azy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mifototra amin’ny fianteherana tanteraka Aminy.

Fantatr’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego fa afaka miantehitra lalandava Aminy izy ireo satria fantatr’izy ireo ilay drafiny ary fantany fa tsy miova Izy.5 Fantatr’izy ireo toy ny ahafantarantsika azy fa tsy kisendrasendra ny fiainana an-tany. Ampahany iray manokana fohy ao anatin’ilay drafitra lehibe6 an’ilay Raintsika any An-danitra be fitiavana izany mba hanomezana fahafahana antsika zanakalahiny sy zanakavaviny, hahazo ireo fitahiana mitovy amin’ireo izay efa azony ihany, raha manaiky isika.

Fantatr’izy ireo toy ny ahafantarantsika izany fa tany amin’ny tontolo talohan’ny fiainana an-tany nisy antsika, dia nampianariny antsika ny mikasika ny tanjon’ny fiainana an-tany: “Hanao tany iray izay hahazoan’ireto mitoetra Isika; dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo.”7

Dia izao hitantsika izao fa fisedrana ny eto. Izao tontolo izao dia toeram-pisedrana ho an’ny lehilahy sy vehivavy mety maty. Rehefa takatsika fa izao rehetra izao dia fisedrana eo ambany fitarihan’ilay Raintsika any An-danitra, izay maniry ny mba hitokiantsika Aminy sy ny hanomezantsika fahafahana Azy mba hanampy antsika, dia afaka mahita mazava kokoa ny zavatra rehetra isika.

Ny asany sy ny voninahiny araka ny nolazainy antsika dia “ny hanatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.”8 Efa nahavita ireo dingana hahazoana ireo toetoetra maha-Andriamanitra Izy. Ankehitriny ny hany tanjony dia ny hanampy antsika, mba hanome fahafahana antsika hiverina any Aminy sy ho tonga tahaka Azy ary hiaina ilay karazam-piainany mandrakizay.

Tsy sarotra ho an’ireo tovolahy Hebreo telo ireo ny nandray ny fanapahan-kevitr’izy ireo noho ny fahafantarana an’ireo zavatra rehetra ireo. Hanaraka an’ Andriamanitra izy ireo. Hampihatra ny finoana Azy izy ireo. Havotany izy ireo, ary na dia tsy izany aza, …dia fantatsika ny tohin’ny tantara.

Nomen’ny Tompo ny fahafahana misafidy isika, dia ny fananana zo sy andraikitra mba hanapa-kevitra izany.9 Sedrainy isika amin’ny alalan’ny famelana antsika hiatrika olana. Nomeny toky isika fa tsy hamela antsika halaim-panahy mihoatra noho izay zakantsika Izy.10 Kanefa tokony ho takatsika fa ny fiatrehana olana lehibe dia mahatonga ny olona hanana toetra tsaratsara kokoa. Tsy mitady fahoriana isika, saingy rehefa miatrika izany amim-pinoana, dia hampahery antsika ny Tompo. Afaka ny ho lasa fitahiana miavaka ireo fotoana hisehoan’ny Ary na dia tsy izany aza .

Nianatra an’io lesona manan-danja io ny Apôstôly Paoly ary taona maro taorian’ny nanaovana asa fitoriana tamim-pahafoizantena dia nanambara an’izao izy: “Aoka isika hifaly amin’ny fahoriana … satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra.”11

Nomen’ny Mpamonjy toky izy hoe: “Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin’ny fahalemena.”12

Namaly i Paoly hoe: “Koa maika sitrako ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. … Koa dia finaritra aho amin’ny fahalemena, amin’ny fampahoriana, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana noho ny amin’i Kristy; fa ny fahalemeko no fahatanjahako.”13 Rehefa niatrika ireo olany tamin’ny fomban’ny Tompo i Paoly dia nitombo ny finoany.

Finoana no nanateran’i Abraham an’i Isaka raha nizahan-toetra izy.”14 Nampanantenaina i Abrahama, noho ny finoana lehibe nananany, fa hanana taranaka maro kokoa noho ny kintana eny amin’ny lanitra izy ary amin’ny alalan’i Isaka no hahatongavan’izany taranaka izany. Saingy avy hatrany dia nankatò ny didin’ny Tompo i Abrahama. Nitana ny fampanantenany Andriamanitra, ary na dia tsy araka ny fomba nantenain’i Abrahama aza izany, dia mbola natoky tanteraka azy Izy.

Mahavita zavatra mahatalanjona ny olona amin’ny alalan’ny fianteherana amin’ny Tompo sy amin’ny alalan’ny fitandremana ny didiny, dia amin’ny alalan’ny fampiharana finoana na dia amin’ny fotoana tsy ahafantaran’izy ireo ny fomba hamolavolan’ny Tompo azy ireo aza.

Finoana no nandavan’i Mosesy tsy hatao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao … ;

“Nifidy mantsy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’ Andriamanitra toy izay hanana fifaliana vetivety amin’ny fahotana;

“Nanao ny fanaratsiana an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zava-tsoan’i Egypta, satria nijery ny famalian-tsoa izy. …

Finoana no nandaovany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka. …

Finoana no nitana ny Ranomasina Mena toy ny mandia tany maina. …

Finoana no nampirodana ny màndan’i Jeriko.”15

Ny hafa dia “nandresy fanjakana tamin’ny finoana, … nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona,

“Namono ny fidedadedan’ny afo, afaka tamin’ny lelan-tsabatra, raha namely dia nampahatanjahina, tonga nahery tamin’ny ady.”16

Saingy tao anatin’ireo vokany tena tsara izay nantenaina sy nandrandrain’ireo izay nandray anjara tao anatin’ireo zavatra ireo dia nisy foana ny fotoana nisehoan’ireo Ary na dia tsy izany aza:

“Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa.

“Notoraham-bato izy, notsofana, nalaim-panahy, novonoina tamin’ny sabatra dia nirenireny … efa lao, ory, fadiranovana … 17

“Andriamanitra namboatra izay tsara lavitra ho an’izy ireo tamin’ny alalan’ny fijalian’izy ireo, fa raha tsy mijaly izy ireo dia tsy azo hatao tanteraka.”18

Ny soratra masintsika sy ny tantarantsika dia feno tantara momba ireo lehilahy sy vehivavin’ Andriamanitra nanana ny naha-izy azy izay nino fa havotany izy ireo, ary na dia tsy izany aza, dia nasehon’izy ireo fa hanana fahatokiana izy ireo ary tsy hivadika.

Ananany ilay hery, saingy ilaintsika lalovana ilay fisedrana.

Inona no zavatra andrasan’ny Tompo amintsika eo anatrehan’ireo olana atrehantsika? Manantena antsika Izy hanao izay rehetra azontsika atao. Izy no manao ny ambiny. Hoy i Nefia hoe: “Satria fantatsika fa noho ny fahasoavany no hamonjena antsika rehefa ataontsika ny zavatra rehetra azontsika atao.”19

Tsy maintsy manana ilay finoana nananan’i Sadraka sy i Mesaka ary i Abednego isika.

Hanavotra antsika amin’ny fandrabirabiana sy fanenjehana ilay Andriamanitsika, ary na dia tsy izany aza. … Hanavotra antsika amin’ny aretina ilay Andriamanitsika, ary na dia tsy izany aza … . Hanavotra antsika amin’ny fanirery na ny harerahan-tsaina amam-panahy na ny tahotra Izy, ary na dia tsy izany aza … Hanavotra antsika amin’ny fampihorohoroana sy ny fanendrikendrehena ary ny tsy fandriampahalemana ilay Andriamanitsika, ary na dia tsy izany aza … Hanavotra antsika amin’ny fahafatesana na ny fahosan’ireo olona akaikin’ny fontsika isika Izy, ary na dia tsy izany aza … dia hatoky ny Tompo [isika].

Hataon’ilay Andriamanitsika izay hahazoantsika ny rariny, ary na dia tsy izany aza … Hataony izay hahazoantsika fitiavana sy fanohanana, ary na dia tsy izany aza … Hahazo namana tena tsara sy marin-toetra ary zanaka mankatò isika, ary na dia tsy izany aza …dia hanana finoana an’i Jesoa Kristy Tompo isika noho ny fahafantarana fa rehefa manao izay azontsika atao isika dia hanavotra antsika sy hahazo izay Azy rehetra isika amin’ny fotoany sy amin’ny fombany.20 Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.