2000–2009
Fitsipika roa ho an’ny toekarena rehetra
Ôktôbra 2009


2:3

Fitsipika roa ho an’ny toekarena rehetra

Matetika amin’ny alalan’ny fitsapana avy amin’ny fisedrana no ianarantsika ireo lesona manan-danja indrindra izay hanefy ny toetrantsika ary hamaritra amin’ny hoavintsika.

Amin’ny alalan’ireo dia itsidihana ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao sy ireo fantsona ao amin’ny fisoronana efa tafaorina no andraisanay fampahalalana mivantana momba ny toe-javatra iainana sy ny olana atrehan’ireo mpikambana ao amintsika. Nandritra ny taona maro dia mpikambana betsaka ao amintsika no voakasik’ireo loza maneran-tany, na izany voajanahary na ateraky ny olombelona. Takatray ihany koa fa fianakaviana maro no nila niafy ary sahiran-tsaina ny amin’ny fiatrehana ireo fotoan-tsarotra.

Ry rahalahy, tena akaiky be anareo izahay. Tianay ianareo ary mivavaka ho anareo lalandava izahay. Efa niaina ny mamy sy ny mangidy aho nandritra ny fiainako ka mahafantatra fa ny ririnina dia hisinda ary hamela toerana ny hafanana sy ny fanantenan’ny lohataona vaovao. Velom-panantenana ny amin’ny hoavy aho. Ry rahalahy, raha ny anjarantsika dia tsy maintsy mijanona miorim-paka ao amin’ny fanantenana isika, miasa amin’ny tanjatsika manontolo, ary matoky an’ Andriamanitra.

Tato ho ato aho dia nieritreritra momba ny fotoana teo amin’ny fiainako izay toa nisian’ny vesatry ny fiahiahiana sy ny fahasahiranana momba ny hoavy izay tsy fantatra foana. Iraika ambiny folo taona aho tamin’izany ary nipetraka niaraka tamin’ny fianakaviako tao amin’ny efitra ambanin’ny tafon’ny toeram-pambolena sy fiompiana iray akaikin’i Francfort, Alemana. Efa indroa izahay tamin’io no mpitsoa-ponenana tao anatin’ny taona vitsivitsy monja, ary sahirana izahay nanorim-ponenana tamina toerana vaovao izay lavitry ny tranonay teo aloha. Azo lazaina fa nahantra izahay, nefa mbola tsy ampy hilazana ny nahazo anay izany. Efitra tokana no natorianay rehetra ary izany dia tena tery ka zara raha afaka nandehanana teny anelanelan’ireo fandriana. Tao amin’ilay efitra iray hafa izahay dia nanana fanaka tena tsotra sy fatana iray izay nampiasain’i Neny amin’ny fahandroana sakafo. Mba hankanesana avy amin’ny efitra iray mankany amin’ilay efitra iray hafa dia tsy maintsy nandalo toerana fanatobiana entana izay nitahirizan’ilay tantsaha ny fitaovany sy ny fiasany izahay, ary nisy hena sy saosisy isan-karazany nahantona tao amin’izany. Nampanoana be ahy foana ny fofona avy amin’ilay izy. Tsy nanana efitra fidiovana izahay, saingy nanana tranokely fidiovana tany ivelany kosa—izay tany ambany rihana sy 15 metatra niala ny trano, ka izany dia toa lavitra be rehefa ririnina ny andro.

Koa satria mpitsoa-ponenana aho ary noho ny fomba fiteniko amin’ny fiteny Alemana tatsinanana dia matetika ireo ankizy hafa no maneso ahy ary miantso ahy amina anarana izay tena mandratra tokoa. Tamin’ny fotoan’ny ny fahatanorako rehetra dia azo inoana fa io no fotoana nahakivy ahy indrindra.

Ankehitriny, taona maro aty aoriana, dia afaka manao jery todika ireo andro ireo aho ka manana fahatakarana kokoa noho ny traikefa. Na dia mbola tsaroako aza ny ratra sy fahakiviana dia hitako amin’izao ny zavatra izay tsy hitako tamin’izany, dia ny hoe: fotoana nivoarana tena tsara ny tamin’ireny. Nandritra ireny fotoana ireny dia tena lasa nifanakaiky ny fianakavianay. Nandinika sy nianatra avy tamin’ny ray aman-dreniko aho. Nahafinaritra ahy ny fahazotoan’izy ireo sy ny fanantenana tao amin’izy ireo. Nianatra tamin’izy ireo aho fa ny fisedrana, rehefa atrehana amin’ny finoana sy ny herim-po ary ny fikirizana, dia azo resena.

Noho ny fahafantarana fa ny sasany aminareo dia miaina ny fotoam-piahiahiana sy fahakiviana anareo manokana, dia maniry ny hiresaka aminareo momba ny fitsipika manan-danja roa izay nanohana ahy tao anatin’ireny fotoana nianarako teo amin’ny fiainako ireny aho anio.

Ny fitsipika voalohany: Miasa

Hatramin’izao aho dia mbola talanjona izaitsizy foana amin’ny fomba niasan’ny fianakaviako taorian’ny tsy nanananay na inona na inona intsony taorian’ny Ady lehibe faharoa! Tsaroako ny raiko—izay mpiasa-panjakana no traikefa nananany ary mahakasika izany no fianarana nataony—nanaiky hanao asa sarotra isan-karazany, isan’izany ny fitrandrahana arintany, ny fitrandrahana uranium, ny fikirakirana fiara, ary ny familiana kamiao. Mba hamelomana ny fianakavianay dia vao maraina izy no niainga hiasa ary matetika dia alina be foana no niverenany. Nanomboka nanao fanasan-damba ny reniko ary nanao asa heverina hoe ambany nandritra ny ora maro. Nalainy hanampy azy amin’izany fanasan-damba izany ny anabaviko. Nanana bisikileta aho ka izaho no mpaka sy mpanatitra ny lamba hosasana. Faly aho afaka nanampy ny fianakaviako tamin’ny fomba kely, ary na dia tsy fantatro aza tamin’izany fotoana izany dia lasa nivadika ho fitahiana ho an’ny fahasalamako ihany koa ilay fampiasam-batana.

Tsy mora ilay izy saingy ilay asa dia nahatonga anay tsy hivalapatra be loatra amin’ireo fahasarotan’ny fiainana sy ny toe-javatra niainanay. Na dia tsy niova tao anatin’ny indray mipi-maso aza ny toe-javatra nisy anay dia niova izany. Izay no maha-tsara ny asa. Raha manao azy foana fotsiny isika—tsy an-kiato ary amim-pahazotoana—dia tena hihatsara ny toe-draharaha.

Tena deraiko ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy mahalala ny hoe mila miasa! Ary tena derain’ny Tompo ny mpiasa! Nilaza Izy hoe, “Ny fahatsembohan’ny tavanao no hahazoanao hanina,”1 ary “Mendrika ny karamany ny mpiasa.”2 Izy ihany koa dia nanome ny fampanantenana hoe: “Fa arosoy amin’ny fanahinao rehetra ny antsimbilonao, ary voavela ny fahotanao.”3 Ireo izay tsy mihambahamba hamoritra ny tanan’akanjony ary milofo amin’ny fanatrarana tanjona mendrika dia fitahiana ho an’ny fianakaviany, ny fiaraha-monina, ny firenena, ary ho an’ny Fiangonana.

Tsy miandry ny hiasantsika mafy noho ny vitantsika ny Tompo. Tsy mampitaha (ary isika koa dia tsy tokony hampitaha) ny ezaka ataontsika amin’ny an’ny hafa Izy. Fa ny Raintsika any An-danitra dia mangataka fotsiny ny hanaovantsika ny tsara indrindra avy amintsika—izany hoe ny hiasantsika amin’ny fahafahantsika manontolo, na kely izany na lehibe.

Ny asa dia vahaolana amin’ny adintsaina, fanafana amin’ny alahelo, ary varavarana hisokafan’ny fitahiana. Na inona na inona toe-javatra iainantsika amin’ny fiainana ry rahalahiko malala, dia aoka isika hanao izay tsara indrindra vitantsika ary hanao izay hananana laza tsara amin’ny zavatra rehetra izay ataontsika. Aoka isika hanokana ny saintsika sy ny vatantsika amin’ireo fahafaha-manao asa izay atolotry ny andro vaovao tsirairay.

Rehefa mihitsoka ao anaty fotaka ny saretintsika dia azo inoana fa hanampy kokoa ny lehilahy izay mivoaka ary manosika Andriamanitra, fa tsy ny lehilahy izay manandratra ny feony amin’ny vavaka fotsiny, na mahay mivavaka be aza izany olona izany. Toy izao no nilazan’ny Filoha Thomas S. Monson izany: “Tsy ampy ny faniriana hiezaka ary ny milaza fa hiezaka isika. … Ao amin’ny fanaovana, fa tsy ny fikasana fotsiny no hahafahantsika manatanteraka ny tanjontsika. Raha manemotra ireo tanjontsika foana isika dia tsy hahita izany ho tanteraka mihitsy.”4

Afaka hitondra haja sy fahasambarana ny asa, saingy tsarovy ny fampitandreman’i Jakôba ny tsy “handany … [ny asanao] amin’izay tsy mety mahafa-po.”5 Raha manolo-tena amin’ny fanatrarana haren’izao tontolo izao sy ny laza amam-boninahitra isika ka atakalontsika ny fianakaviantsika sy ny fivoarantsika ara-panahy izany dia vetivety ihany isika dia hahita fa very maina isika. Ny asam-pahamarinana ataontsika eo anivon’ny tokantranontsika no asa masina indrindra; ny tombontsoa avy amin’izany dia mandrakizay. Tsy azo ailika amin’ny hafa izany andraikitra izany. Izany no fototry ny asantsika mpihazona ny fisoronana.

Tsarovy fa mpandalo fotsiny eto amin’ity izao tontolo izao ity isika. Aoka isika tsy hanokana ny talenta nomen’ Andriamanitra sy ny tanjatsika mba hiroboroboana eto amin’izao tontolo izao fotsiny, fa aoka kosa isika handany ny androntsika amin’ny fivoarana ara-panahy. Satria, amin’ny maha-zanakalahin’ Andriamanitra Avo Indrindra antsika, dia nohariana mba hikatsaka ny avo sy ny masina kokoa isika.

Indro misy teny kely ho an’ireo rahalahy efa nahazoazo taona: tsy ao anatin’ny drafitry ny famonjen’ny Tompo ny hoe efa misotro ronono. Tsy misy izany hoe fiatoana kely na fisotroan-dronono izany ao amin’ny andraikitra ao amin’ny fisoronana—na inona na inona taona na fahafahanao eo amin’ny lafiny ara-batana. Ny andian-teny hoe “efa nataoko izany” dia mety azo ampiasaina ho fialan-tsiny mba hialana amin’ny fanaovana planche à roulette, handavana fanasana hitaingina môtô, na handavana ny fihinanana ilay sakafo be sakay ao amin’ilay hanim-pitoloha, saingy tsy fialan-tsiny azo ekena kosa izany hialana amin’ireo andraikitra ao amin’ny fanekempihavanana ny hanokana ny fotoantsika sy ny talentantsika ary ny fananantsika amin’ny asa ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra.

Misy ireo izay mino, rehefa nanompo taona maro tato amin’ny Fiangonana, fa manan-jo hiala sasatra kely izy fa ny hafa no hiantsoroka ny asa. Raha lazaina amin’ny fomba mivantana dia tsy mendrika ny maha-mpianatr’i Kristy ny fisainana toy izany. Ampahany lehibe amin’ny fiainantsika ety an-tany ny maharitra hatramin’ny farany amim-pifaliana—isan’andro eo amin’ny fiainana.

Indro misy teny kely ihany koa ho an’ireo rahalahy tanora ao amin’ny Fisoronana Melkizedeka izay milofo amin’ny fanatrarana ireo tanjona tena tsaran’ny fandratoana fianarana sy ny fitadiavana ilay ho vady mandrakizay. Ireo dia tanjona tena tsara ry rahalahy, saingy tsarovy ity: ny fiasana amim-pahazotoana ao amin’ny tanim-boaloboky ny Tompo dia hampitombo be ireo fahafahana eo amin’ny lalanao ary hampahomby anao kokoa amin’ny fanatrarana ireo tanjona mendrika ireo.

Na diakona zandriny, na mpisorona avo efa antitra ianao dia misy foana ny asa!

Ny fitsipika faharoa: Mianatra

Nandritra ny toe-draharaha ara-toekarena sarotra taorian’ny ady tany Alemana dia tsy dia betsaka toy ny amin’izao fotoana ny fahafahana handrantoana fianarana. Na dia voafetra aza ireo safidy dia nangetaheta fianarana hatrany aho. Tsaroako indray andro izay, raha nitondra ny bisikiletako nitatitra lamba nosasana aho, dia niditra ny tranon’ny mpiara-mianatra tamiko. Tao amin’ny efitrano iray dia nisy dabilio kely roa niankina tamin’ny rindrina. Nahafinaritra ahy ery ny nijery an’izany! Tena sambatra ireo ankizy ireo nanana dabilio azy ireo manokana! Nalaiko sary an-tsaina izy ireo nipetraka mianatra lesona miaraka amin’ny bokiny misokatra ary manao entimody. Noheveriko fa ny fananana dabilio ahy manokana no ho zavatra mahasambatra indrindra eto amin’izao tontolo izao.

Voatery niandry fotoana ela aho fa tanteraka ilay faniriako. Taona maro taty aoriana dia nahita asa tamina toeram-pikarohana izay nanana tranomboky lehibe aho. Tsaroako ny nandaniako ny ankamaroan’ny fotoako malalaka tao amin’io tranomboky io. Tao aho dia afaka ihany nony farany nipetraka tamina dabilio—izay ahy manokana—ary nigoka ny fahalalana sy fampianarana entin’ireo boky. Tena tiako ny mamaky boky sy mianatra! Tamin’izany no nahatakarako mivantana ny hevitr’ilay fitenenana tranainy manao hoe: Ny fianarana dia tsy ny fanangonana fahalalana fotsiny fa ny fahaizana mampiasa izany fahalalana izany ihany koa.

Ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana dia tsy hoe zavatra tsara azo atao fotsiny ny fianarana—didy izany. Mila mianatra “ny amin’ny zavatra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany; zavatra izay efa nisy, zavatra izay misy, ary zavatra izay tsy maintsy ho avy tsy ho ela; zavatra izay eo an-toerana, zavatra izay any ivelany” isika.6

Tia nianatra i Joseph Smith na dia tsy nanana fahafahana firy handrantoana fianarana araka ny tokony ho izy aza izy. Tao amin’ny diariny dia niresaka tamim-pifaliana mikasika ny fandaniany andro amin’ny fianarana izy, ary matetika izy no naneho ny fitiavany mianatra.7

Nampianatra ny Olomasina i Joseph fa ilaina amin’ny diantsika ety an-tany ny fahaizana, fa “ny olona voavonjy dia olona nianatra,”8 ary “na toy inona na toy inona ny faharanitan-tsaina tratrantsika eto amin’izao fiainana izao, dia hiara-hitsangana amintsika izany amin’ny fitsanganana amin’ny maty.”9 Mandritra ireo fotoan-tsarotra dia vao mainka tena manan-danja ny fianarana. Nampianatra i Joseph Mpaminany hoe: “Ny fahalalana dia mandroaka ny haizina, ny tebiteby sy ny fisalasalana; satria ireny dia tsy afaka ho hita amin’izay toerana misy ny fahalalana.”10

Ry rahalahy, manana ny adidy hianatra araka izay tratranareo ianareo. Mba amporisiho ny fianakavianareo, ny olona ao amin’ny kôlejinareo, ny rehetra, hianatra sy ho lasa olona nahita fianarana. Raha tsy misy ny rafi-pampianarana dia aza avela hanakana anao tsy hanovo ny fahalalana rehetra irianao izany. Raha izany no toe-javatra misy anao dia azo laizana fa ny boky tsara indrindra no lasa “sekolinao”—ka izany dia azo sokafana foana ary mandray izay rehetra misoratra anarana ao aminy. Miezaha mampitombo ny fahalalanao amin’izay zavatra rehetra “mendrika, maha-te ho tia, tsara na mendri-piderana.”11 Mikatsaha fianarana “amin’ny alalan’ny fandinihana ary koa amin’ny alalan’ny finoana.”12 Mikatsaha amin’ny fanahy feno fanetren-tena sy ny fo torotoro.13 Rehefa mampihatra ny lafiny ara-panahin’ny finoanareo amin’ny fianaranareo ianareo—na dia ireo zavatra ara-nofo aza—dia afaka hanatsara lavitra ny fahaizanareo mahatakatra, satria “raha tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr[’ Andriamanitra] ny masonareo, dia ho feno fahazavana ny vatanareo manontolo … izay … mahatakatra ny zava-drehetra.”14

Rehefa mianatra isika dia aoka tsy hanao tsinontsinona ny loharanon’ny fanambarana. Ny soratra masina sy ny tenin’ireo apôstôly sy mpaminany maoderina no loharanon’ny fahendrena sy ny fahalalana avy amin’ Andriamanitra ary ny fanambarana manokana izay hanampy antsika hahita ny vahaolan’ny olana rehetra eo amin’ny fiainana. Aoka isika hianatra momba an’i Kristy; aoka isika hikatsaka ny fahalalana izay mitondra amin’ny fiadanana, ny fahamarinana, ary ny zava-miafina tena fatratry ny mandrakizay.15

Fehin-kevitra

Ry rahalahy, mahatsiaro an’ilay zazalahy 11 taona tany Francfort Alemana izay niahiahy ny amin’ny hoaviny sy naratra ela noho ireo teny feno esoeso natao taminy aho. Sahala amin’ny hoe sady mamy no mangidy amiko izany fahatsiarovana izany. Na dia tsy maniry ny hiaina indray ireny androm-pisedrana sy fahoriana ireny aza aho dia tena mazava ato amiko fa ireo lesona nianarako dia fiomanana nilaina ho amin’ireo fahafahana niseho taty aoriana. Ankehitriny dia fantatro tanteraka, taona maro taty aoriana fa: Amin’ny alalan’ny fitsapana avy amin’ny fisedrana matetika no ianarantsika ireo lesona manan-danja indrindra izay hanefy ny toetrantsika ary hamaritra amin’ny hoavintsika.

Mivavaka aho ny mba ho feno asam-pahamarinana ny ora sy androntsika mandritra ireo volana ho avy. Mivavaka aho ny mba hikatsahantsika ny hianatra sy hampivoatra ny ara-tsaina ary ny fontsika amin’ny alalan’ny fitrandrahana lalina ireo loharanon’ny fahamarinana. Apetrako aminareo ny fitiavako sy ny tsodranoko, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.