Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020


2:3

Fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainana

Rehefa manamaizina ny lalantsika ireo olan’ny tena manokana na ny zava-misy eo amin’izao tontolo izao izay tsy azontsika fehezina, dia toy ny vato mamiratra izay manazava ny lalan-kaleha ireo fahatsiarovana ara-panahy nanamarika ny fiainantsika ao amin’ny bokin’ny fiainantsika.

Valo ambin’ny folo taona taorian’ny Fahitana Voalohany dia nanoratra tamin’ny antsipirihany ny zavatra niainany ny Mpaminany Joseph Smith. Niatrika fanoherana, fanenjehana, sotasota, fandrahonana ary fanafihana tamin-kerisetra izy.1 Kanefa dia nanohy nijoro ho vavolombelona tamim-pahasahiana izy momba ny Fahitana Voalohany: “Nahita hazavana marina tokoa aho, ary teo afovoan’izany hazavana izany, dia nahita Olona roa aho ary niteny tamiko marina tokoa Izy ireo; ary na dia nankahalaina sy nenjehina aza aho noho ny filazana fa nahita fahitana dia izany anefa no marina. … Nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra ary tsy afaka mandà izany aho.”2

Tao anatin’ny fotoana tena mafy dia niverina nahatsiaro ny efa ho roapolo taona lasa ny sain’i Joseph, mikasika ny maha azo antoka ny fitiavan’ Andriamanitra azy sy ireo zava-nitranga izay nanokatra ny Famerenana amin’ny laoniny efa nambara hatry ny ela. Raha nisaintsaina ny diany ara-panahy i Joseph dia hoy izy: “Tsy manome tsiny an’iza na iza aho raha tsy mino ny tantarako. Raha tsy niaina ny zavatra niainako aho dia mba tsy ho nino izany koa.”3

Saingy tena nisy ireo zavatra ireo, ary tsy nanadino na nandà azy ireo mihitsy izy, izay nanamafy mangiana ny fijoroany ho vavolombelona raha nifindra ho any Carthage. “Mandeha tahaka ny zanak’ondry ho any amin’ny mpamono azy aho,” hoy izy, “saingy tony toy ny marainam-pahavaratra; madio ny fieritreretako ary tsy meloka amin’ Andriamanitra sy amin’ny olon-drehetra aho.”4

Ireo zavatra niainana ara-panahy izay manamarika antsika

Misy lesona ho antsika ao amin’ny ohatra nasehon’ny Mpaminany Joseph. Ankoatra ny fitarihana mitondra fiadanana azontsika avy amin’ny Fanahy Masina, dia indraindray Andriamanitra mankahery manokana antsika tsirairay amin-kery fa hoe mahafantatra antsika Izy sady tia antsika ary mitahy antsika manokana sy mivantana. Avy eo, rehefa tonga ny fotoan-tsarotra dia mampitamberina ireo zavatra niainana ireo ao an-tsaintsika ny Mpamonjy.

Diniho anie ny fiainanao manokana. Nandritra izay taona maro izay aho dia naheno zavatra niainana an’arivony izay ara-panahy lalina avy amin’ Olomasin’ny Andro Farany manerana an’izao tontolo izao, izay manamafy amiko ka tsy misy isalasalana fa hoe mahafantatra sy tia antsika tsirairay Andriamanitra ary maniry mafy Izy ny hanambara ny Tenany amintsika. Ireo zavatra niainana ireo dia mety ho tonga amin’ny fotoana miavaka eo amin’ny fiainantsika, na koa amin’ny fotoana izay noheverintsika tamin’ny voalohany fa tsy miala amin’ny mahazatra, saingy izy ireny dia miaraka foana amin’ny fanamafisana ara-panahy tena matanjaka tsy toy ny mahazatra ny amin’ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ny fahatsiarovana ireny zavatra niainana ara-panahy nanamarika antsika ireny dia mahatonga antsika handohalika ka hanambara tahaka ny Mpaminany Joseph hoe: “Izany zavatra azoko izany dia avy amin’ny lanitra. Fantatro izany, ary mahafantatra aho fa mahafantatra izany Andriamanitra ary tsy afaka mandà izany aho.”5

Ohatra efatra

Saintsaino ireo fahatsiarovana ara-panahy izay nanefy anao eto am-pizarako ohatra vitsy avy amin’ny hafa.

Dokotera Russell M. Nelson

Taona maro lasa izay nisy patriariky ny tsatòka iray efa nahazo taona izay tsy niasa tsara intsony ny valviolan’ny fony ka nitalaho tamin’ny Dr. Russell M. Nelson tamin’izany mba handidy azy, na dia mbola tsy nisy vahaolana ara-pandidiana fantatra aza tamin’izany andro izany ny fahasimban’ilay valviola faharoa. Nanaiky hanao ny fandidiana ihany i Dr. Nelson nony farany. Toy izao ny tenin’ny Filoha Nelson:

“Taorian’ny nanesoranay ny zavatra nahatsentsina ilay valviola voalohany dia narantinay ilay valviola faharoa. Hitanay fa tsy nisy fahasimbana ilay izy saingy nalalaka be loatra ka tsy hahavita intsony ny asa tokony hataony. Teo am-pandinihana io valviola io aho dia nisy hafatra mazava tsara tonga tato an-tsaiko: Ahenao ny refin’ny manodidina ny mason’ilay valviola. Nolazaiko tamin’ny mpanampiko io hafatra io. ‘Ho ampy ny nofotr’ilay valviola raha vitantsika tsara ny mampihena ny refin’ny manodidina ny masony ho amin’ny tokony ho izy.’

“Saingy ahoana no hanaovana azy? … Nisy sary mazava tsara tonga tato an-tsaiko, nampiseho ny toerana azo asiana zaitra—ahafahana mamoritra kely etsy na misintona kely ery. … Mbola tsaroako foana io sary tao an-tsaiko io—miaraka amin’ireo teboteboka maneho hoe aiza no tokony hisy ireo zaitra. Natao araka ilay sary voasoritra tao an-tsaiko ny fandidiana. Nandramanay ilay valviola ary dia hitanay fa nihena be mihitsy ilay tsy fahatomombanany. Hoy ilay mpanampiko hoe: ‘Fahagagana ity.’”6 Mbola afaka niaina taona maro ilay patriarika.

Nisy nitarika i Dr. Nelson. Ary fantany fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarany hoe notarihana izy.

Beatrice Magré

Tany Frantsa 30 taona lasa izay no sambany nihaonanay sy i Kathy tamin’i Beatrice Magré. Vao tsy ela izay i Beatrice no nilaza tamiko ny zavatra iray niainany izay nisy fiantraikany tamin’ny fiainany ara-panahy fotoana fohy taorian’ny batisany fony izy zatovovavy. Toy izao ny teniny:

“Ireo zatovo tao amin’ny sampana nisy ahy dia nandeha tany amin’ny torapasik’i Lacanau, adiny iray sy sasany miala an’i Bordeaux.

“Mialoha ny hiverenana any an-trano dia nanapa-kevitra ny hilomano farany ny mpitarika iray ka dia nisitrika tao anatin’ireo onja niaraka tamin’ny solomasony. Rehefa nipoitra avy tao anaty rano izy dia tsy hita ny solomasony. … Very tany anaty ranomasimbe izany.

“Ny fahaverezan’ny solomasony dia tsy hahafahany hitondra ny fiarany. Ka ho tafahitsoka lavitry ny fonenanay izahay.

“Rahavavy iray vontom-pinoana no nandroso ny tokony hivavahanay.

“Nimonomonona aho hoe tsy hampiova na inona na inona izany ny vavaka, fa nanaiky tsy fidiny ny hiaraka amin’ilay vondrona aho hivavaka mafy teo am-pijoroana tao anaty rano mikorontana hatreny am-balahana.

“Vao vita ilay vavaka dia naninjitra ny tanako aho handena ny rehetra. Teo am-pisafoako ny ranon’ilay ranomasimbe dia nankeo amin’ny tanako ilay solomaso. Fahatsapana mahery vaika no nanindrona ny foko, hoe Andriamanitra dia mihaino sy mamaly ny vavaka ataontsika.”7

Dimy amby efa-polo taona aty aoriana dia mbola tsaroany tsara toy ireny vao nitranga omaly ireny ilay izy. Notahiana i Beatrice ary nahafantatra izy fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarany hoe voatahy izy.

Tena samy hafa be ny zavatra niainan’ny Filoha Nelson sy Rahavavy Magré, kanefa ho an’izy roa dia nisy fahatsiarovana ara-panahy nanamarika azy ireo izay tsy hay hadinoina momba ny fitiavan’ Andriamanitra niraiki-tampisaka tao am-pon’izy ireo.

Ireo zava-nitranga manamarika ireo dia matetika tonga rehefa mianatra momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Floripes Luzia Damasio sy i Neil L. Andersen

Ity sary ity dia nalaina tany Sao Paulo, Brésil tamin’ny taona 2004. I Floripes Luzia Damasio avy ao amin’ny tsatòkan’i Ipatinga Brésil dia 114 taona tamin’izany. Raha niresaka momba ny fiovam-pony Rahavavy Damasio dia nilaza tamiko fa ireo misiônera tao amin’ny tanàna kely nisy azy dia nanome tsodranon’ny fisoronana ho an’ny zazakely iray izay narary mafy ary sitrana tamin’ny fomba nahagaga. Naniry ny hahalala misimisy kokoa izy. Rehefa nivavaka momba ny hafatra nozarain’izy ireo taminy izy dia nanamafy taminy ny vavolombelona tsy azo lavina avy tamin’ny Fanahy fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Natao batisa izy tamin’izy 103 taona ary nandray fanafiana masina tamin’izy 104 taona. Isan-taona taorian’izay dia nanao ny dia amin’ny fiara fitateram-bahoaka maharitra 14 ora izy hijanonana herinandro any amin’ny tempoly. Nandray fanamafisana avy any an-danitra Rahavavy Damasio ary nahafantatra izy fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarany hoe marina ilay vavolombelona.

Ity indray dia fahatsiarovana ara-panahy avy amin’ny asa fitoriana voalohany nataoko tany Frantsa 48 taona lasa izay.

Raha nandondom-baravarana izaho sy ny namako dia namela Bokin’i Môrmôna tamina ramatoa iray efa zokiolona. Rehefa niverina tany amin’ilay ramatoa izahay herinandro teo ho eo taty aoriana dia nosokafany ny varavarana. Mbola tsy nisy niloa-bava akory dia nahatsapa hery ara-panahy tena azo notsapain-tanana aho. Mbola nitohy ilay fahatsapana mahery vaika raha nanasa anay handroso Ramatoa Alice Audubert ka nilaza taminay fa namaky ny Bokin’i Môrmôna ary fantany fa marina ilay izy. Rehefa nandao ny tranony izahay tamin’io andro io dia nivavaka aho hoe, “Ry Ray any An-danitra ô, ampio aho mba tsy hanadino ny zavatra tsapako vao teo na oviana na oviana.” Ary tsy mbola hadinoko mihitsy ilay izy.

Ny Loholona Andersen fony izy misiônera

Tamin’ny fotoana iray izay azo lazaina fa tsy niavaka loatra, tao amin’ny varavarana iray izay mitovy amin’ireo varavarana hafa ihany no nahatsapako ny herin’ny lanitra. Ary nahafantatra aho fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarako fa nosokafana ny varavaran’ny lanitra.

Sahaza ho an’ny tsirairay ary tsy azo lavina

Ireo fotoana ara-panahy manamarika antsika ireo dia tonga amin’ny fotoana samihafa sy amin’ny fomba isan-karazany, ary natao sahaza ho antsika tsirairay manokana.

Eritrereto ireo ohatra tianareo indrindra ao amin’ny soratra masina. Ireo izay nihaino ny Apôstôly Petera dia “voatsindrona tam-pony.”8 I Abisa ilay vehivavy Lamanita dia nino ny “fahitana mahagaga an-drainy.”9 Ary nisy feo tonga tao an-tsain’i Enôsa.10

I Clayton Christensen namako dia namariparitra ny zavatra niainany nandritra ny namakiany ny Bokin’i Môrmôna tamim-bavaka araka izao manaraka izao: “Nisy Fanahy tsara sy nanafana ary feno fitiavana … nanodidina ahy sy nanenika ny fanahiko ka nanarona ahy tao anaty fahatsapana fitiavana izay tsy neritreretiko ho tsapa, ary ireo fahatsapana ireo dia nitohy isak’alina isak’alina.”11

Misy fotoana midina ao am-pontsika ny fahatsapana ara-panahy, tahaka ny afo, manazava ny fanahintsika. Nanazava i Joseph Smith fa indraindray isika dia mandray “hevitra mitsiry tampoka” ary tsindraindray “faharanitan-tsaina madio mikoriana.”12

Ny Filoha Dallin H. Oaks, raha namaly ny lehilahy iray izay nilaza tamim-pahatsorana fa mbola tsy niaina zavatra toy izany mihitsy, dia nanome torohevitra hoe: “Angamba efa novaliana im-betsaka ny vavaka nataonao, saingy ianao dia nifantoka tamina famantarana lehibe tokoa na feo tena mafy tokoa ka dia nino ianao hoe mbola tsy nahazo valiny.”13 Ny Mpamonjy mihitsy no niresaka momba ny finoana lehiben’ny vahoaka iray izay “[notahiana] tamin’ny afo sy ny Fanahy Masina … [saingy] tsy fantany izany.”14

Ahoana no fomba hahenoanareo Azy?

Vao tsy ela mihitsy isika no naheno ny Filoha Russell M. Nelson niteny hoe: “Manasa anareo aho hieritreritra lalina sy matetika an’ity fanontaniana tena manan-danja ity: Ahoana no hahenoanareo Azy? Manasa anareo ihany koa aho hanao ireo dingana ilaina hahenoana Azy tsaratsara kokoa sy matetitetika kokoa.”15 Namerina io fanasana io izy aninkeo maraina.

Maheno Azy isika ao amin’ny vavaka ataontsika, any an-tokantrano, ao anatin’ny soratra masina, rehefa mihira ny hira ao anatin’ireo boky fihirana, rehefa mandray amim-pahamendrehana ny fanasan’ny Tompo, rehefa manambara ny finoantsika, rehefa manompo ny hafa, ary rehefa mankany amin’ny tempoly miaraka amin’ireo mpiray finoana amintsika. Tonga ireo fotoana ara-panahy izay hanamarika antsika rehefa mihaino ny fihaonambe maneran-tany ao anatin’ny fanahin’ny vavaka isika ary rehefa mitandrina tsara kokoa ny didy. Ry ankizy, natao ho anareo ihany koa ireo zavatra iainana ara-panahy ireo. Tsarovy fa “nampianarin’[i Jesoa] sy notompoiny ny zanaky ny valalabemandry … ary [ireo ankizy ireo] dia niteny … zavatra lehibe sy mahatalanjona.”16 Hoy ny Tompo:

“[Ity fahalalana ity dia] omena anareo amin’ny alalan’ny Fanahiko, … ary raha tsy noho ny heriko dia tsy ho nanana azy ireto ianareo;

“Koa afaka mijoro ho vavolombelona ianareo fa efa nahare ny feoko sy mahafantatra ny teniko.”17

Afaka “mandre Azy” isika noho ny fitahiana tsy manam-paharoan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Na dia tsy afaka misafidy ny fotoana hitrangan’ireo zavatra iainana ara-panahy hanamarika antsika ireo aza isika dia nanome ity torohevitra ity ny Filoha Henry B. Eyring nandritra ny fiomananay: “Anio hariva sy rahampitso hariva dia mety hivavaka sy hisaintsaina ianareo, ary hametraka ilay fanontaniana hoe: Nandefa hafatra natao ho ahy manokana ve Andriamanitra? Moa ve aho nahita ny tanany teo amin’ny fiainako na ny fiainan’ny fianakaviako?”18 Ny finoana, fankatoavana, fanetrentena, ary finiavana tena izy dia manokatra ny varavaran’ny lanitra.19

Sary

1:19
Mamakivaky ny fiainana
Manome hazavana ireo fahatsiarovana ara-panahy
Manampy ny hafa hahita fahazavana ara-panahy indray

Eritrereto araka izao manaraka izao ny zavatra niainanao ara-panahy. Mamakivaky ny fiainana isika ao anatin’ny vavaka tsy tapaka, tapa-kevitra ny hitandrina hatrany ny fanekempihavanana nataontsika, ary miaraka amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina. Rehefa manamaloka ny diantsika ny fotoan-tsarotra, na ny ahiahy, na ny hakiviana, na rehefa mahatonga antsika ho sahiran-tsaina amin’ny hoavy ny toe-draharaha ao amin’izao tontolo izao izay tsy azontsika fehezina, ireo fahatsiarovana ara-panahy nanamarika avy amin’ny bokin’ny fiainantsika dia toy ny vato mamirapiratra manampy manazava ny lalana eo anoloana, manome antoka antsika fa mahafantatra antsika Andriamanitra, sy tia antsika, ary nandefa an’i Jesoa Kristy Zanany hanampy antsika hiverina any an-tranontsika. Ary rehefa misy olona somary manadino ireo fahatsiarovana izay nanamarika azy ka very na mikorontan-tsaina, dia mampitodika azy amin’ny Mpamonjy isika rehefa mizara ny finoantsika sy ny fahatsiarovantsika aminy, ka manampy azy hankamamy indray ireo fotoana ara-panahy sarobidy izay nanefy azy.

Misy zavatra niainana sasany anefa tena masina loatra ka tahirizintsika ao amin’ny fahatsiarovantsika ara-panahy ka tsy zaraintsika.20

“Miteny amin’ny herin’ny Fanahy Masina ny anjely; noho izany dia manambara ny tenin’i Kristy izy.”21

“Sady tsy [n]itsahatra ny [h]anompo ny zanak’olombelona ireo anjely.

“Fa indro, izy ireo dia manoa [an’i Kristy] mba hanompo araka … ny fandidiany, amin’ny fanehoan’izy ireo ny tenany amin’ireo izay mahery finoana sy mitombin-tsaina ao amin’ny endriky ny toe-panahy rehetra araka an’ Andriamanitra.”22

Ary ny Fanahy Masina no “Mpananatra, … [izay] hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra”23

Ankamamio ireo fahatsiarovana masinareo. Inoy izy ireny. Soraty izy reny. Zarao amin’ny fianakavianareo izy ireny. Matokia fa avy amin’ny Rainareo any An-danitra sy ny Zanaka Malalany izy ireny no tonga ao aminareo.24 Avelao izy ireny hitondra faharetana rehefa miahiahy ianareo ary fahatakarana mandritra ny fotoan-tsarotra.25 Mampanantena anareo aho fa rehefa manaiky an-tsitrapo sy mankamamy tsara ireo zava-nitranga ara-panahy nanamarika anareo teo amin’ny fiainanareo ianareo, dia mbola ho maro dia maro tokoa no ho azonareo. Mahafantatra sy tia anareo ny Ray any An-danitra.

I Jesoa no Kristy, naverina tamin’ny laoniny ny filazantsarany, ary raha mijanona ho mahatoky isika dia mijoro ho vavolombelona aho fa ho Azy mandrakizay isika, amin’ny anaran’i Jesoa Krisy, amena.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Saints: The Story of the Church of Jesus Christ in the Latter Days, vol. 1, The Standard of Truth, 1815–1846 (2018), 150–53; jereo ihany koa ny Joseph Smith, “History, 1838–1856, volume A-1 [23 December 1805–30 August 1834],” 205–9, josephsmithpapers.org; Saints, 1:365–66.

  2. Joseph Smith—Tantara 1:25.

  3. Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith (2007), 525.

  4. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:4.

  5. Nanaitra ahy foana ireo teny ao amin’ny Joseph Smith—Tantara hoe: “Fa efa nahita fahitana aho; nahafantatra izany aho, ary nahafantatra aho fa nahafantatra izany Andriamanitra” (Joseph Smith—Tantara 1:25). Tsy maintsy hijoro eo anatrehan’ Andriamanitra izy hanamarina fa ireo zava-nitranga tao amin’ny Alakely Masina ireo dia tena nitranga marina tokoa teo amin’ny fiainany, ary tsy ho tahaka ny tany aloha intsony ny fiainany noho io zavatra io. Teo amin’ny 25 taona lasa teo izay dia sambako nahare endrik’io andian-teny io amin’ny fomba hafa avy tamin’ny Loholona Neal A. Maxwell. Nanome ity ohatra ity izy: “Fotoana efa ela izay tamin’ny mey 1945 dia nisy zava-nitranga tamiko toy izany tany amin’ny nosin’i Okinawa fony aho valo ambin’ny folo taona. Tsy nisy hoe herim-po avy amiko akory saingy fitahiana ho ahy sy ho an’ny hafa kosa no nitranga rehefa nodarofan’ny tafika Japôney baomba ny toerana nisy anay. Rehefa avy imbetsaka nitifitra baomba izay nilatsaka tany ankoatran’ny toerana nitobianay ny tafiky ny fahavalo dia nahavoa anay amin’izay nony farany. Tokony ho azon’izy ireo natao ny nikendry tsara anay amin’izay, saingy novalian’ny lanitra anefa fara faharatsiny ny vavaka iray feno tahotra sy fitiavantena. Nitsahatra ny fandatsahana baomba. … Notahiana aho ary nahafantatra aho fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarako izany” (“Becoming a Disciple,” Ensign, June 1996, 19).

    Tsy nampian’ny Loholona Maxwell fotsiny hoe fantany ilay izy, ary tsy hoe nahafantatra fotsiny Andriamanitra, fa hoe fantatr’ Andriamanitra fa nahafantatra izy fa notahiana. Izany amiko dia mampiseho ny vao mainka tokony haha tompon’andraikitra kokoa. Indraindray ny Raintsika any An-danitra dia manome miaraka amin’ny fitahiana omena antsika fanamafisana ara-panahy mahery vaika hoe niditra an-tsehatra ho antsika ny lanitra. Tsy misy fandavana ao amin’izany. Hitoetra ato anatintsika izany, ary raha marin-toetra sy mahatoky isika dia hanefy ny fiainantsika izany mandritra ireo taona ho avy. “Notahiana aho ary nahafantatra aho fa Andriamanitra dia nahafantatra ny fahafantarako ho voatahy.”

  6. Russell M. Nelson, “Sweet Power of Prayer,” Liahona, mey 2003, 8.

  7. Tantaran’ny tena manokana tany amin’i Béatrice Magré nozaraina tamin’ny Loholona Andersen tamin’ny 29 ôktôbra 2019; e-mail nanohizana resaka tamin’ny 24 janoary 2020.

  8. Asan’ny Apostoly 2:37.

  9. Almà 19:16.

  10. Jereo ny Enôsa 1:5.

  11. Clayton M. Christensen, “The Most Useful Piece of Knowledge,” Liahona, jan. 2009, 23.

  12. Jereo ny Teachings: Joseph Smith, 132.

  13. Dallin H. Oaks, Life’s Lessons Learned: Personal Reflections (2011), 116.

  14. 3 Nefia 9:20.

  15. Russell M. Nelson, “‘How Do You #HearHim?’ A Special Invitation,” 26 feb. 2020, blog.ChurchofJesusChrist.org.

  16. 3 Nefia 26:14.

  17. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 18:35–36. Ny fahatsapana rehetra dia tsy maintsy miaraka amina fahalalana ara-panahy. “Mailaka ianareo amin’ny fanaovana heloka fa mitaredretra kosa amin’ny fahatsiarovana ny Tompo Andriamanitrareo. Efa nahita anjely iray ianareo, ary niteny taminareo izy; eny, efa nandre ny feony ombieny ombieny ianareo; ary niteny taminareo tamin’ny feo tony sy malefaka izy, saingy efa donto ianareo, hany ka tsy nahatsapa ny teniny” (1 Nefia 17:45).

  18. Henry B. Eyring, “O Remember, Remember,” Liahona, nôv. 2007, 69.

  19. Jereo ny 2 Nefia 31:13; Môrônia 10:4. Nitsidika ny misiônanay tany Bordeaux France ny Filoha Dallin H. Oaks tamin’ny 1991. Nohazavainy tamin’ireo misiôneranay fa ny finiavana tena izy dia midika fa ilay olona mivavaka dia miteny amin’ny Tompo zavatra mitovitovy amin’izao: “Tsy hoe manontanitany foana mba te-hahalala fotsiny aho fa tena avy amin’ny foko tokoa ka vonona handray andraikitra manoloana ny valin’ny vavako. Raha homenao valiny aho dia hanao zavatra hanovana ny fiainako. Handray andraikitra aho.”

  20. “Efa nomena ny maro ny hahalala ny misterin’ Andriamanitra; kanefa nofeperana tamin’ny didy henjana ireo ny tsy hizara raha tsy arakaraka ny ampahany amin’ny teniny izay omeny ho an’ny zanak’olombelona, araka ny fitandremana sy ny fahazotoana izay asehony Azy” (Almà 12:9).

    Nilaza ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Mitaky fitaomam-panahy ny fahafantarana ny fotoana tokony hizarana [zavatra niainana ara-panahy]. Tsaroako ny Filoha Marion G. Romney, izay sady hendry no nanam-panahy, niteny hoe: -Ho nanana zavatra iainana ara-panahy maromaro kokoa isika raha tsy noresadresahantsika be ohatr’izao ny momba azy ireny” (“Called to Serve” [Brigham Young University devotional, Mar. 27, 1994], 9, speeches.byu.edu).

  21. 2 Nefia 32:3.

  22. Môrônia 7:29–30.

  23. Jaona 14:26.

  24. Afaka mahazo ireo fahamarinan’ny filazantsara ny olona rehetra. Ny herinandro mialohan’ny fihaonambe, raha efa vita iny ny lahateniko, dia voasarika ny fanahiko ho amin’ny boky iray antsoina hoe Divine Signatures: The Confirming Hand of God (2010), (dian-tanan’ Andriamanitra: Ilay tanan’ Andriamanitra izay manamafy), nosoratan’i Gerald N. Lund, izay Fitopololahy Manampahefana Ambony teo anelanelan’ny 2002 sy 2008. Nahafaly ahy fa ireo tenin-dRahalahy Lund dia vavolombelona faharoa tena kanto ny amin’ireo fitsipika nozaraina tamin’ity lahatenin’ny fihaonambe ity, ary azon’iza n’iza ankafizina raha maniry handalina misimisy kokoa mikasika ireo fahatsiarovana ara-panahy izay manamarika ny fiainana.

  25. Isan’ny teny nindramina ankafizin’ny Filoha Thomas S. Monson indrindra ny teny avy amin’ilay poeta Ekôsey James M. Barrie hoe: “Nomen’ Andriamanitra fahatsiarovana isika mba hahazoantsika raozin-dohataona amin’ny ririnin’ny fiainantsika” (jereo ny Thomas S. Monson, “Think to Thank,” Liahona, jan. 1999,22). Marina ihany koa izany ho an’ireo fahatsiarovana ara-panahy. Hanampy antsika indrindra izy ireny mandritra ireo andro mangatsiaka sy sarotra eo amin’ny fiainantsika, rehefa mila an’ireo fahatsiarovana ara-panahy “feno hafanana” ireo isika.