Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Fitsanganana amin’ny maty
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020


2:3

Mizara ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy ny Fitsanganana amin’ny maty

Ny Famerenana amin’ny laoniny dia an’izao tontolo izao, ary tena laharampahamehana ny hafatr’izany ankehitriny.

Nandritra ity fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity isika dia niresaka sy nihira tamim-pifaliana momba ny fahatanterahan’ilay efa nambara mialoha hoe “fampodiana ny zavatra rehetra,”1 momba ny fanangonana “ny zavatra rehetra ho iray ao amin’ i Kristy,”2 momba ny fiverenan’ny fahafenoan’ny filazantsara sy ny fisoronana ary ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto an-tany. Ireo rehetra ireo no antsointsika amin’ilay lohateny hoe “ny Famerenana amin’ny laoniny.”

Saingy ny Famerenana amin’ny laoniny anefa dia tsy natao irery ihany ho antska izay mifaly amin’izany ankehitriny. Ny fanambarana ny Fahitana Voalohany dia tsy natao ho an’i Joseph Smith irery ihany fa nomena mba ho fanilo sy fahamarinana ho an’ireo izay “tsy manam-pahendrena.”3 Ny Bokin’i Môrmôna dia fananan’ny olona rehetra. Ireo ôrdônansin’ny fisoronana ho an’ny famonjena sy ny fanavotana dia nomanina ho an’ny olona tsirairay, hatramin’ireo izay efa tsy miaina eto an-tany intsony. Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany sy ireo fitahiana ao aminy dia natao ho an’ireo rehetra izay mila izany. Ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina dia natao ho an’ny olona rehetra. Ny Famerenana amin’ny laoniny dia an’izao tontolo izao, ary tena laharampahamehana ny hafatr’izany ankehitriny.

“Noho izany, dia manan-danja lehibe ery ny fampahafantarana ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo mba hahafantarany fa tsy misy nofo izay afaka mitoetra eo anatrehan’ Andriamanitra raha tsy noho ny fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ny Mesia Masina izay manolotra ny ainy araka ny nofo sy maka izany indray amin’ny herin’ny Fanahy mba hahazoany manatanteraka ny fitsanganana amin’ny maty.”4

Nanomboka tamin’ny andro izay namenoan’i Samuel Smith rahalahin’ny mpaminany ny kitapony tamin’ireo tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna vao vita printy ka nanombohany ny dia an-tongotra mba hizara ilay soratra masina vaovao dia tsy nitsahatra niasa ny Olomasina mba “[hampahafantatra] ny mponina eto an-tany ireo zavatra ireo.”

Tamin’ny 1920 ny Loholona David O. McKay tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany dia nanomboka nanao fitsidihana naharitra iray taona an’ireo misiônan’ny Fiangonana. Tamin’ny volana mey 1921 izy dia nijoro tao amin’ny toeram-pandevenana kely iray tao Fagali’i, Samoa, nanoloana ny fasana tsara karakara an’ankizy kely anankitelo, dia ny zanakavavy iray sy zanakalahy anankiroan’i Thomas sy i Sarah Hilton. Ireo ankizy kely ireo, izay roa taona ny zokiny indrindra, dia maty nandritra ny fotoana naha-mpivady misiônera zandriny an’i Thomas sy i Sarah tany amin’ny faramparan’ny taonjato faha-19 tany.

Mialoha ny niaingany avy tao Utah ny Loholona McKay dia nampanantena an’i Sarah, izay efa maty vady, fa hitsidika ny fasan’ireo zanany any Samoa izy satria tsy nanana fahafahana niverenana tany mihitsy i Sarah. Nanoratra taminy ny Loholona McKay hoe: “Ireo zanakao, ry rahavavy Hilton, ao am-pasana mangina nefa mandresy lahatra … dia manohy ny asa fitoriana ny filazantsara izay natombokao efa ho telopolo taona lasa izay.” Dia nampiany andininy izay noforoniny avy eo manao hoe:

Tanan’olona be fitia no nanirina ny masony,

Tanan’olona be fitia no nanitrika ny vatany,

Tanana tsy fantatra no nandravaka ny fasany,

Olona tsy fantatra no nidera, nitomany.5

Ity tantara ity dia iray monja amin’ireo tantara an’arivony maro miresaka momba ny fotoana sy harena ary aina nafoy tao anatin’ny 200 taona lasa mba hizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny. Tsy nihena ankehitriny ilay faniriantsika ho tody any amin’ny firenena, ny foko sy ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra araka izay hitan’ireo tovolahy sy vehivavy ary mpivady an’aliny izay manompo ao anatin’ny antso hitory amin’ny fotoana feno amin’izao fotoana izao, sy ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’ny ankapobeny, izay mamerina ny fanasan’i Filipo mba handeha ka hizaha;6 ary ireo vola an-tapitrisany lany isan-taona hanohanana io ezaka io manerana izao tontolo izao.

Na dia tsy misy fanerena aza ny fanasana ataontsika dia manantena isika fa haharesy lahatra ny olona izany. Mba hahatonga izany dia mino aho fa misy zavatra anankitelo farafahakeliny no takiana: ny voalohany dia ny fitiavanao, ny faharoa dia ny ohatra asehonao, ary ny fahatelo dia ny fampiasanao ny Bokin’i Môrmôna.

Ny fanasana ataontsika dia tsy tokony hisy tombontsoan’ny tena manokana fa tokony ho fanehoana fitiavana tsy mihatsaravelatsihy kosa.7 Io fitiavana io, izay fantatra amin’ny hoe fiantrana, ny fitiavana madion’i Kristy, dia azontsika rehefa mangataka izany isika. Asaina isika, ary didina mihitsy aza mba “hivavaka amin’ ny Ray amin’ ny herin’ ny fo manontolo mba hahazoana mameno antsika amin’ izany fitiavana izany.”8

Ho ohatra amin’izany dia hizara zavatra niainana iray aho izay notantarain-dRahavavy Lanett Ho Ching izay miara-manompo amin’ny vadiny, ny Filoha Francis Ho Ching, miahy ny misiônan’i Samoa Apia, amin’izao. Toy izao ny notantarain-dRahavavy Ho Ching:

“Taona maro lasa izay dia nifindra tao amina trano kely tao Laie, Hawaii ny finakaviana kelinay. Ny trano fialofana ho an’ny fiara teo amin’ny tranonay dia namboarina ho efitra kely izay nipetrahan’ny lehilahy iray antsoina hoe Jonathan. Efa mpiray vodirindrina taminay i Jonathan tany an-toeran-kafa. Raha tsapanay fa tsy tongatonga ho azy ny nampiarahan’ny Tompo anay dia nanapa-kevitra izahay ny hiresaka kokoa momba ny zavatra ataonay sy ny amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana anay. Nankamamian’i Jonathan ny finamananay ary tiany ny mandany fotoana miaraka amin’ny fianakavianay. Tiany ny nianatra ny filazantsara, saingy tsy nahaliana azy ny ho lasa mpikamban’ny Fiangonana.

“Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa -Dadatoa Jonathan- no fiantson’ireo zanakay an’i Jonathan. Rehefa nihanitombo ny fianakavianay dia nitombo torak’izany koa ny fahalianan’i Jonathan amin’ireo zava-nitranga teo amin’ny fiainam-pianakavianay. Ireo fanasanay hanatrika ireo fety mandritra ny andro tsy fiasana, ny tsingerintaona nahaterahana, ireo hetsika any an-tsekoly, ary ireo fiaraha-mientana any am-piangonana dia nihitatra ho amin’ny takarivan’ny mpianakavy sy ny batisan’ireo ankizy.

“Indray andro dia naharay antso an-telefaonina avy tamin’i Jonathan aho. Nila fanampiana izy. Voan’ny diabeta izy ary nisy fery lehibe teo amin’ny tongony izay nila notapahana. Nanohana azy nandritra izany fotoam-pisedrana izany ny fianakavianay sy ireo mpikambana nipetraka manodidina anay. Nifandimby niambina azy tany amin’ny hôpitaly izahay, ary nomena tsodranon’ny fisoronana izy. Raha teo an-dalam-pihatsarana i Jonathan dia nanadio ny efitranony izahay, niaraka tamin’ny fanampian’ny Fikambanana Ifanampiana. Nanamboatra lalana fidirana mankeo amin’ny varavarany ary fihazonan’ny tanana tao amin’ny efitrano fidiovana ireo rahalahy ao amin’ny fisoronana. Rehefa nody i Jonathan dia heniky ny fihetseham-po.

“Nanomboka nandray ireo leson’ny misiônera indray i Jonathan. Ny herinandro mialoha ny taom-baovao dia niantso ahy izy ary nanontany hoe: -Inona no hataonao amin’ny faran’ny taona?- Nampahatsiahiviko azy ny fety fanaon’ny fianakavianay isan-taona. Saingy namaly izy hoe: -Tiako mba ho tonga amin’ny batisako ianao! Tiako ny hanomboka tsara ity taona vaovao ity.- Taorian’ny 20 taona nanaovana hoe -avia, fa ho hitanareo,- sy hoe -avia dia manampia,- ary hoe -avia dia mijanòna,- dia vonona ny hatao batisa ity fanahy sarobidy ity.

Tamin’ny 2018 rehefa nantsoina ho filohan’ny misiôna sy ho mpiara-miasa izahay dia niharatsy ny fahasalaman’i Jonathan. Niangavianay izy mba hahery foana eo am-piandrasana ny fiverenanay. Mbola naharitra saika ho herintaona izy, saingy efa nomanin’ny Tompo hody. Nody mandry tamim-piadanana izy tamin’ny aprily 2019. Nanatrika ny fandevenana an’i “Dadatoa Jonathan” ireo zanakay vavy ary nihira ilay hira nohiraina tamin’ny batisany izahay.

Hilaza zavatra faharoa takina mba hampahomby ny fizarana ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny aho amin’ny alalan’ity fanontaniana ity: inona no mahatonga ny fanasana ataonao hisarika olona iray? Tsy ianao ihany ve, ny ohatra asehonao amin’ny fiainanao? Maro amin’ireo izay nandre sy nandray ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny no voasariky ny zavatra hitany tamin’ny mpikambana ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy tamin’ny voalohany. Mety ho tamin’ny fomba nandraisany ny hafa, na ny zavatra nolazainy na ny tsy nolazainy, na ny fahatoniana nasehony tao anatin’ny toe-javatra sarotra, na ny endriny fotsiny izany.9

Na ahoana na ahoana dia tsy afa-miala amin’ilay fahamarinana isika hoe mila mahatakatra sy miaina tsara ireo fitsipiky ny filazantsara tafaverina amin’ny laoniny araka izay tsara vitantsika isika mba hahatonga ny fanasantsika hitaona olona. Zavatra izay antsoina matetika ankehitriny hoe maha-tena izy izany. Raha mitoetra ao anatintsika ny fitiavan’i Kristy dia ho fantatry ny hafa fa tena izy ny fitiavantsika azy ireo. Raha mirehitra ao anatintsika ny fahazavan’ny Fanahy Masina dia hampirehitra ny fahazavan’i Kristy ao amin’izy ireo izany.10 Ny toetranao no miteraka ny fahatsapana fa tena marina ny fanasanao mba ho tonga hiaina ny fifaliana avy amin’ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Ny zavatra takina fahatelo dia ny fampiasana matetika ilay fitaovana mampiova fo izay nataon’ Andriamanitra ho an’ity fotoampitantanana faran’ny filazantsara ity, dia ny Bokin’i Môrmôna. Porofo mivaingana amin’ny antso maha-mpaminany an’i Joseph Smith izany ary porofo mandresy lahatra ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Tsy manam-paharoa ny fanazavany ny drafitry ny fanavotan’ny Ray any An-danitra. Rehefa mizara ny Bokin’i Môrmôna ianao dia mizara ny Famerenana amin’ny laoniny.

Fony i Jason Olson mbola zatovo dia nampitandreman’ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy ny hafa ombieny ombieny izy mba tsy ho lasa Kristiana. Nanana namana tsara anankiroa anefa izy izay mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ary niresaka matetika momba ny fivavahany izy ireo. Nanohitra tamim-panajana ny fandresen-dahatry ny hafa an’i Jason mba tsy hino an’i Jesoa Kristy ireo namany ireo, dia i Shea sy i Dave. Farany dia nomen’izy ireo tahadika irain’ny Bokin’i Môrmôna izy, sady nolazainy hoe: “Hamaly ny fanontanianao ity boky ity. Mba vakio izany.” Somary nisalasala izy nanaiky ilay boky sy nampiditra izany tao anaty kitapony, ka tsy nihetsika tao amam-bolana maro. Tsy tiany najanona tany an-trano izany sao mety ho hitan’ny fianakaviany, ary tsy te handiso fanantenana an’i Shea sy i Dave izy raha hamerina izany. Farany dia nisafidy ny vahaolana handoro ilay boky izy.

Indray alina, niraka tamin’ny afo pika teny an-tanany ilany ary ilay Bokin’i Môrmôna teny amin’ny ilany, raha iny izy handrehitra ilay boky iny no nandre feo tao an-tsainy nilaza hoe: “Aza dorana ny bokiko.” Gaga izy dia nijanona. Avy eo noeritreretiny fa fisainany fotsiny ilay feo dia nanandrana nandrehitra ilay boky indray izy. Dia tonga tao an-tsainy indray ilay feo: “Mandehana ao an’efitrao dia vakio ny bokiko.” Napetrak’i Jason ilay afo pika, dia niverina tao an’efitrano fandriany izy, nanokatra ny Bokin’i Môrmôna, ary nanomboka namaky. Notohizany isan’andro izany, matetika vao maraina be. Rehefa tonga tamin’ny farany i Jason ka nivavaka dia toy izao no nosoratany: “Heniky ny Fanahy hatrany an-tampon-dohako ka hatrany am-paladiako aho. … Nahatsapa ho feno hazavana aho. … Izany no zavatra niainana tena nahafinaritra ahy indrindra teo amin’ny fiainako.” Nangataka ny hatao batisa izy ary lasa misiônera.

Matetika na dia efa maneho fitiavana tena izy sy fahatsoram-po aza isika dia maro raha tsy ny ankamaroan’ireo fanasana ataontsika hizarana ny hafatry ny famerenana amin’ny laoniny no lavin’ny olona. Saingy tsarovy izao: mendrika izany fanasana izany ny olona rehetra, “ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra”,11 mahafaly ny Tompo ny ezaka rehetra ataontsika, na inona na inona vokany. Tsy tokony hampitsahatra ny fifandraisantsika amin’ny hafa mihitsy ny fanasana nolavina iray, ary ny tsy firaharahiana androany dia mety hiova ho fahalianana rahampitso. Na eo aza izany dia tsy miova ny fitiavantsika.

Aoka tsy hoadinointsika mihitsy fa ny Famerenana amin’ny laoniny dia nivoaka avy tamin’ny fotoam-pahoriana sy fahafoizana tena lehibe. Lohahevitra horesahina amin’ny andro hafa izany. Mioty am-pifaliana ireo vokatry ny Famerenana amin’ny laoniny isika ankehitriny, ny iray tena lehibe indrindra dia ilay hery ahafahana mamatotra indray eto an-tany sy any an-danitra.12 Araka ny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley taona maro lasa izay hoe: “Raha tsy nisy afa-tsy ny hery famehezan’ny fisoronana masina hampifamatotra mandrakizay ny fianakaviana ny vokatry ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fanaintainana tamin’ny famerenana amin’ny laoniny dia ho mendrika azy izany.”13

Ny tena fampanantenana avy amin’ny Famerenana amin’ny laoniny dia ny fanavotana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty no porofo fa raha ny marina dia manana ny hery hanavotana ny rehetra izay hanatona Azy Izy, hanavotra azy ireo amin’ny alahelo, sy ny tsy rariny, sy ny nenina, sy ny ota, ary ny fahafatesana mihitsy aza. Alahadin’ny sampan-kazo androany, amin’ny herin’ny androany ny Paska. Tsaroantsika, ary tsaroantsika lalandava, ny fijalian’i Kristy sy ny fahafatesany hanonitra ny fahotantsika, ary ankalazaintsika izany alahady mahatalanjona indrindra izany, ny andron’ny Tompo, izay nitsanganany tamin’ny maty. Noho ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia misy lanjany ny Famerenana amin’ny laoniny, ary indrindra indrindra ny fisiantsika dia misy dikany.

I Joseph Smith, ilay mpaminany lehiben’ny Famerenana amin’ny laoniny, dia nanolotra ny fijoroana ho vavolombelona lehibe indrindra ho an’ny androntsika ny amin’ilay Kristy tafatsangana tamin’ny maty. Hoy izy: “Fa velona Izy! Fa hitanay Izy, eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.”14 Ampiako amim-panetrentena amin’ny an’i Joseph sy amin’ny an’ireo apôstôly sy mpaminany nialoha azy ary ireo apôstôly sy mpaminany nandimby azy ny fijoroana ho vavolombelona ananako fa i Jesoa avy ao Nazareta no ilay Mesia nampanantenaina, ilay Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, ary ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty ny olombelona rehetra.

“Mijoro ho vavolombelona izahay fa ireo izay mandalina ombam-bavaka ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny sy manao asa amim-pinoana dia ho voatahy amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona an’ny tenan’izy ireo manokana manokana momba ny maha-avy amin’ Andriamanitra izany sy ny tanjon’izany, dia ny manomana an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiavian’ny Tompo sy Mpamonjintsika, Jesoa Kristy, fanindroany izay efa nampanantenaina.”15 Ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty no maha-azo antoka ny fampanantenany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.