Fivavaky ny finoana
Rehefa mivavaka amim-pinoana isika dia ho lasa ampahany manan-danja eo amin’ny asan’ny Tompo, eo am-panomanany an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany fanindroany.
Nivaly ny vavaka nataon’ny Loholona Maynes teny am-piandohan’ity fivoriana voalohany amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ity. Nentanim-panahy isika tamin’ny alalan’ireo hafatra mahafinaritra sy ireo hira kanto. Ny fampanantenan’ny Filoha Russell M. Nelson fa ity fihaonambe ity dia tsy ho hay hadinoina dia efa manomboka ho tanteraka sahady.
Nanondro ity taona ity ny Filoha Nelson ho “faha-roanjato taona ankalazana ny nisehoan’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanaka Malalany tamin’i Joseph Smith tao anaty fahitana.” Nanasa antsika ny Filoha Nelson hanao drafitra ho an’ny tenantsika manokana mba hiomanana ho amin’ity fihaonambe manan-tantara ity, ka ny fankalazana izany hoy izy dia ho “kihon-dalana lehibe eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana, ary ny anjara birikinao dia tena ilaina.”1
Mety nahare ny hafany ianao angamba, tahaka ny tenako, ka nanontany tena hoe, “Amin’ny fomba ahoana moa no maha-tena ilaina ny anjara biriky entiko?” Mety namaky sy nivavaka momba ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny ianao. Na angamba, mihoatra noho ny hatramin’izay, namaky ny fitantarana ireo fotoana vitsivitsy nampahafantaran’ Andriamanitra Ray ny Zanaka Malalany ianao. Na koa, namaky ireo fotoana izay niresahan’ny Mpamonjy tamin’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra ianao. Fantatro fa izaho dia nanao an’ireo zavatra rehetra ireo ary zavatra hafa koa.
Nahita filazana aho momba ny fisoronan’ Andriamanitra sy ny fanokafana fotoampitantanana. Naetry aho rehefa nahatsapa fa ny fiomanako ho amin’ity fihaonambe ity dia kihon-dalana eo amin’ny tantarako manokana. Nahatsapa fiovana tato am-poko aho. Nahatsapa fankasitrahana vaovao aho. Nahatsiaro ho heniky ny fifaliana aho hoe voasa handray anjara amin’ny fankalazana ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana.
Azoko an-tsaina fa misy hafa mahatsapa, noho ny fiomanany tsara, fifaliana bebe kokoa, fibanjinana amin’ny lafy tsaran-javatra kokoa, ary vonona kokoa hanompo amin’izay ilan’ny Tompo azy.
Ireo tranga tsy manam-paharoa ankalazaintsika no fiatombohan’ny fotoampitantanana farany efa nambara tamin’ny faminaniana, izay hanomanan’ny Tompo ny Fiangonany sy ny vahoakany, ireo izay mitondra ny anarany, mba ho vonona handray Azy. Ao anatin’ny fiomanantsika amin’ny fiaviany dia hanandratra antsika tsirairay Izy mba hahafahantsika miatrika olana sy fahafahana manao zavatra ara-panahy izay tsy mbola hita teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao.
Tamin’ny septambra 1840 ny Mpaminany Joseph Smith sy ireo mpanolotsainy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nanambara izao manaraka izao: “Ny asan’ny Tompo amin’izao andro farany izao dia asa iray midadasika ary mila tsy ho takatry ny sain’olombelona. Tsy hay fariparitana ny voninahiny, ary tsy misy lehibe toy izany. Io no lohahevitra namelombelona ny tao am-pon’ireo mpaminany sy olo-marina teto an-tany nanomboka tamin’ny nahariana izao tontolo izao ka hatramin’ireo taranaka nifandimby rehetra ary hatramin’izao fotoana ankehitriny izao; ary ity tokoa no fitantanana ny fotoam-pahafenoana, ka ny zava-drehetra izay ao amin’i Kristy Jesoa, na any an-danitra na ety an-tany, dia hangonina ao Aminy, ary ny zava-drehetra dia haverina amin’ny laoniny, araka ny voalazan’ny mpaminany masina rehetra hatry ny fiantombohan’izao tontolo izao; satria ao amin’izany no hahatanteraka amim-boninahitra ny fampanantenana natao tamin’ireo ray, eo am-pitrangan’ireo fanehoana ny herin’ilay Avo Indrindra izay ho lehibe sy feno voninahitra ary ho tena tsara.”
Notohizan’izy ireo hoe: “Mahatsapa ho vonona izahay handroso ary hampiray ny herinay hananganana ny Fanjakana, ary hanorenana ny Fisoronana amin’ny fahafenoany sy ny voninahiny. Ny asa izay tsy maintsy tanterahina amin’ny andro farany dia asa tena manan-danja izaitsizy, ka hitaky ny hampiasana ny hery, sy fahaiza-manao, sy talenta, ary fahaizan’ireo Olomasina, mba hahafahan’izany hikodiadia araka ilay voninahitra sy halehibe voasoritry ny mpaminany [Daniela] [jereo ny Daniela 2:34–35, 44–45]; ary noho izany dia hitaky ny fifantohan’ny Olomasina, mba hanatontosana asa lehibe sy mahatalanjona toy izany.”2
Maro amin’ireo antsipirian’ireo zavatra ho ataontsika sy ny fotoana hanaovana izany ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny izay an-dalam-pitohizana no mbola tsy nambara. Kanefa ny Fiadidiana Voalohany na dia tamin’izany andro voalohandohany izany aza dia nahafantatra ny sasany amin’ireo asa napetraky ny Tompo eo anoloantsika. Ireto misy ohatra vitsivitsy amin’ny zavatra izay fantatsika fa hitranga:
Ny Tompo, amin’ny alalan’ireo Olomasiny dia hanolotra ny fanomezan’ny filazantsarany amin’ny “firenena, ny foko, ny samy hafa fiteny ary ny mponina rehetra.”3 Hitohy handray anjara ihany ny teknôlôjia sy ny fahagagana—torak’izany koa ireo “mpanarato olona”4 izay hanompo amin-kery sy finoana tsy mitsaha-mitombo.
Isika vahoaka dia hiray hina kokoa eo anivon’ny fifandirana izay tsy hitsahatra hitombo. Ho tafangona isika ao amin’ny hery ara-panahin’ny vondrona sy ny fianakaviana heniky ny fahazavan’ny filazantsara.
Na ny tontolo tsy mpino aza dia hiaiky Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ary hahita ny herin’ Andriamanitra ao aminy. Ireo mpanaradia mahatoky sy be herim-po dia hitondra tsy am-pihambahambana sy amim-panetrentena ary ampahibemaso ny anaran’i Kristy eo amin’izy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro.
Ahoana ary izany no hahafahantsika tsirairay mandray anjara amin’ny asa sady lehibe no avo indrindra tahaka izany? Ny Filoha Nelson dia nampianatra antsika ny fomba hitomboana eo amin’ny hery ara-panahy. Rehefa raisintsika ho toy ny fahafahana hahazoana fifaliana ny fibebahana noho ny finoantsika mitombo fa i Jesoa no Kristy, rehefa mahatakatra sy mino isika fa mihaino ny vavaka rehetra ataontsika ny Ray any An-danitra, rehefa miezaka mankatò sy miaina ireo didy isika, dia hitombo ny herintsika handraisana fanambarana tsy tapaka. Afaka ny ho lasa namantsika mandrakariva ny Fanahy Masina. Hijanona ao anatintsika ny fahatsapana fahazavana na dia mihamaizina aza ny tontolo manodidina antsika.
I Joseph Smith dia ohatra amin’ny fomba hitomboana amin’izany karazana hery ara-panahy izany. Nampiseho antsika izy fa ny fivavaky ny finoana no fanalahidin’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra. Nivavaka tamim-pinoana izy, nino fa Andriamanitra Ray dia hamaly ny vavaka ataony. Nivavaka tamim-pinoana izy, nino fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no hahafahany ho afaka amin’ny nenina tsapany noho ny fahotany. Ary dia nivavaka tamim-pinoana izy, nino fa nila nahita ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy mba hahazoana izany famelan-keloka izany.
Nandritra ny fanompoany manontolo tamin’ny naha-mpaminany azy dia nampiasa ny fivavaky ny finoana i Joseph Smith mba hahazoana fanambarana tsy tapaka. Eo am-piatrehantsika ireo olana amin’izao andro izao sy ireo izay mbola ho avy, isika koa dia mila mampiasa izany lamina izany. Nilaza ny Filoha Brigham Young hoe: “Tsy mahafantatra fomba hafa aho ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ankoatra ny hoe ny fofonaina rehetra dia tokony ho toy ny vavaka mba hitarihan’ Andriamanitra sy hitantanany ny olony.”5
Dia tokony hamariparitra ny fiainantsika andavanandro ireo teny ao amin’ny vavaky ny fanasan’ny Tompo: “Mahatsiaro Azy mandrakariva.” Ny hoe “Azy” dia hoe an’i Jesoa Kristy. Ireo teny manaraka hoe “ary ny hitandrina ny didiny,” dia mandroso ny hevitry ny hoe mahatsiaro Azy amintsika.6 Rehefa mahatsiaro an’i Jesoa Kristy mandrakariva isika dia mety hanontany amin’ny alalan’ny vavaka mangina hoe “Inona no tiany ho ataoko?”
Ny fivavaka tahaka izany, izay atolotra amim-pinoana an’i Jesoa Kristy, no nanokatra ity fotoampitantanana farany ity. Ary ho votoatin’ny fandraisantsika tsirairay anjara eo amin’ny fitohizan’ny fivelaran’ity fotoampitantanana ity izany. Nahita aho, tahaka ny tenanao, ohatra mahatalanjona ny amin’izany fivavaka izany.
Voalohany, i Joseph Smith. Nangatahiny tamin’ny alalan’ny finoana toy ny an’ny ankizy kely ny zavatra tian’ny Tompo hataony. Ny valiny azony dia nanova ny tantaran’izao tontolo izao.
Amiko, dia misy lesona manan-danja sintonina avy amin’ny fihetsik’i Joseph teo anatrehan’ny fanafihan’i Satana raha nandohalika hivavaka i Joseph.
Fantatro avy amin’ireo zavatra niainako fa i Satana sy ny mpanompony dia miezaka hanao izay hahatsapantsika fa tsy tokony hivavaka isika. Rehefa nampiasa ny heriny rehetra i Joseph Smith hiantsoana an’ Andriamanitra mba hanafaka azy amin’ilay hery izay niezaka ny hamatotra azy, dia novaliana ny vavaka fangataham-panampiana nataony ka niseho taminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ny ezaka nataon’i Satana hampandamòka ny fiatombohan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia tena mafy tokoa satria tena nanan-danja ilay vavaka nataon’i Joseph. Izaho sy ianao dia hanana anjara asa kelikely kokoa ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny eo an-dalam-pitohizana. Ilay fahavalon’ny Famerenana amin’ny laoniny anefa dia hiezaka hanakana antsika tsy hivavaka. Ny ohatry ny finoan’i Joseph sy ny fahavononany dia afaka mankahery antsika eo amin’ny fahavononantsika. Izany no anisan’ireo antony maro hampidirako ao amin’ireo vavaka ataoko ny fisaorana ny Ray any An-danitra noho ny Mpaminany Joseph.
I Enôsa ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia maodely iray hafa amin’ny fivavaky ny finoana eo am-piezahako hanatontosa ny anjarako eo amin’ny Famerenana amin’ny laoniny an-dalam-pitohizana. Na inona na inona anjaranao dia azonao raisina ho mpampianatrao manokana i Enôsa.
Tahaka an’i Joseph dia nivavaka tamim-pinoana i Enôsa. Toy izao no namariparitany ny zavatra niainany:
“Dia mosarena ny fanahiko; ary nandohalika teo anoloan’ny Mpanao ahy aho ary nitalaho taminy sady nahery nivavaka no nitaraina ho an’ny fanahiko ihany; ary nandritra ny manontolo andro no nitalahoako taminy; eny, ary rehefa tonga ny alina dia mbola nanandratra avo ny feoko aho ka nahatakatra ny lanitra izany.
“Ary nisy feo tonga tamiko, nanao hoe: Ry Enôsa, voavela ny fahotanao ary hotahiana ianao.
“Ary izaho Enôsa dia nahafantatra fa tsy afaka mandainga Andriamanitra; noho izany, dia nofafana ny hadisoako.
“Ary hoy aho: Ahoana no mahatò izany, Tompo ô?
“Ary hoy Izy tamiko: Noho ny finoanao an’i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana. Ary taona maro no ho lasana mialoha ny hanehoany ny tenany ao amin’ny nofo; koa mandehana, ny finoanao no efa namonjy anao.”7
Ny lesona izay nitondra fitahiana ho ahy dia ao anatin’ireto teny ireto: “Noho ny finoanao an’i Kristy izay tsy mbola henonao na hitanao na oviana na oviana.”
Nanam-pinoana an’i Kristy i Joseph handehanana any amin’ilay alakely ary koa hivavahana mba hamotsorana azy amin’ny herin’i Satana. Tsy mbola nahita ny Ray sy ny Zanaka izy saingy nivavaka tamim-pinoana tamin’ny herin’ny fony manontolo.
Ny zavatra niainan’i Enôsa dia nampianatra ahy lesona sarobidy mitovy amin’izany. Rehefa mivavaka amim-pinoana aho dia manana ny Mpamonjy ho mpanelanelana ahy amin’ny Ray ary afaka mahatsapa aho fa mahatakatra ny lanitra ny vavaka ataoko. Tonga ny valiny. Ary voaray ny fitahiana. Misy fiadanana sy fifaliana na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.
Tsaroako, fony mbola izaho no mpikambana vaovao indrindra tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ny nandohalihako nivavaka niaraka tamin’ny Loholona David B. Haight. Teo ho eo amin’ny taonako misy ahy amin’izao izy tamin’izany, miaraka amin’ireo olana sy fanamby iainako amin’izao fotoana izao. Tsaroako ny feony raha nivavaka izy. Tsy nanokatra ny masoko hijerena azy aho, saingy tsapako fa toy ny hoe nitsiky izany izy. Niresaka tamin’ny Ray any An-danitra izy amin’ny feo feno fifaliana.
Henoko ato an-tsaiko izany ny fahasambarany rehefa niteny izy hoe: “Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.” Ny fahenoko azy dia toy ny hoe tsapan’ny Loholona Haight ny fanamafisan’ny Mpamonjy tamin’io fotoana io ny hafatra izay nivavahany tamin’ny Ray. Ary azoko antoka fa ho voaray amin’ny tsikitsiky izany.
Ny fahafahantsika mitondra ny anjara birikintsika manan-danja ao amin’ny Famerenana amin’ny laoniny mahatalanjona izay an-dalam-pitohizana dia hitombo rehefa mitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy ho Mpamonjy antsika sy ny Raintsika any An-danitra ho Raintsika be fitiavana. Rehefa mivavaka amim-pinoana isika dia ho lasa ampahany manan-danja eo amin’ny asan’ny Tompo, eo am-panomanany an’izao tontolo izao ho amin’ny Fiaviany fanindroany. Mivavaka aho ny mba hahitantsika rehetra fifaliana amin’ny fanaovana ny asa izay asainy ataontsika tsirairay avy.
Mijoro ho vavolombelona aho fa velona i Jesoa Kristy. Ity no Fiangonany sy fanjakany ety an-tany. I Joseph Smith no mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ny Filoha Russell M. Nelson no mpaminanin’ny Tompo eto an-tany amin’izao fotoana izao. Mihazona ny fanalahidin’ny fisoronana rehetra ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany izy. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.