Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2020


2:3

Fanantenana mamirapiratra tonga lafatra

Satria ny famerenana amin’ny laoniny dia nanamafy ilay fahamarinana fototra hoe miasa eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia afaka manana fanantenana isika, ary tokony hanantena, na dia rehefa miatrika ireo zava-tsarotra tsy hay zakaina mihitsy aza.

Tamin’ny ôktôbra lasa teo ny Filoha Russell M. Nelson dia nanasa antsika mba hiomana ho amin’ity fihaonamben’ny volana aprily 2020 ity amin’ny fanaovantsika tsirairay jery todika ny lasa amin’ny fombantsika manokana mba hahitana ny halehiben’ny tanan’ Andriamanitra tamin’ny famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Noraisainay sy Rahavavy Holland tamim-pahamatorana izany fanasana mifono faminaniana izany. Nalainay sary an-tsaina hoe niaina tany amin’ny voalohandohan’ny taonjato faha-19 tany izahay ary nandinika ireo antokom-pivavahana tamin’izany fotoana izany. Tao anatin’izany toerana nalaina sary an-tsaina izany dia nanontany tena izahay hoe: “Inona no tsy ampy eto? Inona no rarintsika ho nananantsika? Inona no antenaintsika fa homen’ Andriamanitra noho ny faniriantsika ara-panahy?

Amin’ny lafiny iray dia nahatsikaritra izahay fa raha tamin’ny roanjato taona lasa dia ho tena nanantena famerenana amin’ny laoniny ny foto-kevitra marina kokoa momba an’ Andriamanitra mihoatra ny nanan’ny ankamaroan’ny olona tamin’izany andro izany izahay izay matetika toa takona tao ambadiky ny fahadisoana sy ny tsy fahatakarana. Raha indramiko ny tenin’i William Ellery Channing, olo-malaza ara-pivavahana tamin’izany andro izany, dia ho nitady ny “toetra maha-ray an’ Andriamanitra” izahay izay nosokajian’i Channing ho “ny fotopampianarana lehibe indrindran’ny Kristiana.”1 Ny fotopampianarana toy izany dia handray an’ Andriamanitra ho toy ny Ray any An-danitra mpitsinjo, fa tsy mpitsara masiaka mpanome sazy an’izay manao ny tsy mety na toy ny tompon-tany tsy eo mihitsy ka tsy mba mitsidika ny tany amidiny na ampanofainy satria sahirana amin-javatra hafa.

Eny, ny ho fanantenanay tamin’ny 1820 dia ny hitady an’ Andriamanitra, izay miresaka sy mitarika malalaka amin’izao fotoana izao tahaka ny nataony tamin’ny lasa, dia ilay tena Ray amin’ny hevitra feno fitiavana indrindra izay fonosin’izany teny izany. Mazava ho azy fa tsy ho mpanao didy jadona tsy misy indra fo izay nisafidy olom-bitsy mialoha mba hahazo ny famonjena ary avy eo dia haniboka ny fianakaviamben’ny olona sisa ho any amin’ny fahaverezana Izy. Tsia, Izy no ilay isaky ny manao zavatra, amin’ny alalan’ny teny masina ambarany, dia “ho tombontsoan’izao tontolo izao; satria tia izao tontolo izao Izy”2 sy ny mponina rehetra eo aminy. Izany fitiavana izany no ho tena antony nandefasany an’i Jesoa Kristy, ilay Zananilahy Tokana, ho ety an-tany.3

Eto am-piresahana momba an’i Jesoa, raha niaina nandritra ireo taona voalohany tamin’ny taonjato faha-19 izahay dia ho hitanay sady hampatahotra fa nanomboka nahazo vahana teo amin’ny Kristiana ny fisalasalana mikasika ny maha-tena nisy ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty. Noho izany dia mety ho nanantena porofo hitranga eo amin’izao tontolo izao manontolo izahay izay hanamafy ny tenivavolombelon’ny Baiboly fa i Jesoa no Kristy, ilay Zanakalahy ara-bakitenin’ Andriamanitra, ny Alfa sy Omega, ary ilay hany Mpamonjy izay ho fantatra eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ho anisan’ny fanantenanay lehibe indrindra ny hivoahan’ny porofo hafa ara-tsoratra masina, zavatra izay afaka ny ho testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy, izay hampivelatra sy hampitombo ny fahalalanay momba ny fahaterahany mahagaga, ny asa fanompoana mahatalanjona nataony, ny sorompanavotany, ary ny Fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra. Tena “fahamarinana … [naidina] avy any an-danitra; … [sy] marina … [nalefa] avy eto an-tany”4 tokoa ny antontan-taratasy toy izany.

Raha nandinika ny tontolo kristiana tamin’izany andro izany izahay dia ho nanantena izahay ny hahita olona nahazo lalana avy tamin’ Andriamanitra, manana ny fahefan’ny fisoronana izay afaka manao batisa anay, sy manome ny fanomezan’ny Fanahy Masina, ary manatanteraka ireo ôrdônansy rehetran’ny filazantsara izay ilaina amin’ny fisandratana. Raha tamin’ny 1820 dia ho nanantena izahay ny hahita ny fahatanterahan’ilay fampanantenana mahery vaika an’i Isaia sy i Mika ary ireo mpaminany hafa fahiny momba ny fiverenan’ilay tranon’ny Tompo be voninahitra.5 Ho faly ery izahay hahita ny voninahitry ny tempoly masina izay hitsangana indray, miaraka amin’ny Fanahy, ireo ôrdônansy, ny hery, ary ny fahefana hampianatra ireo fahamarinana mandrakizay sy hanasitrana ireo ratran’ny tena manokana ary hampifamatotra ny fianakaviana ho mandrakizay. Ho notadiaviko hatraiza hatraiza ny olona nahazo lalana hilaza amiko sy i Patricia malalako fa ny fanambadianay tao anatin’izany toerana izany dia voafehy ho amin’izao fotoana izao sy ho amin’ny mandrakizay, ka tsy handre mihitsy na ho voatery hiaritra ilay ozona hanalokaloka ny fiainanay manao hoe: “faty no isarahana.” Fantatro fa “ao an-tranon’ny [Ray dia] misy fitoerana maro,”6 saingy amiko manokana, raha izaho no tsara vintana ka handova ny iray amin’ireo fitoerana tsara be ireo dia ho toy ny trano bongo izany amiko raha tsy miaraka mandova izany amiko i Pat sy ireo zanakay. Ary ny amin’ireo razambenay, izay niaina ary maty tsy nahare akory ny anaran’i Jesoa Kristy ny sasany tamin’izy ireo, dia ho nanantena izahay ny hamerenana amin’ny laoniny izany foto-kevitry ny baiboly izay marina sy feno famindram-po izany, dia ilay fombafomban’ny velona izay manolotra ôrdônansin’ny famonjena eo amin’ny toeran’ireo havany efa maty.7 Tsy misy fombafomba azoko eritreretina ka haneho amim-boninahitra mihoatra izany ny fitiavan’ny Ray be fitiavana iray ny zanany tsirairay eto an-tany na oviana na oviana fotoana niainany ary na taiza na taiza toerana nahafatesany.

Eny, azoko tohizana izany lisitry ny zavatra ho nantenainay tamin’ny 1820 izany, fa angamba ny tena hafatra manan-danjan’ny Famerenana amin’ny laoniny dia hoe tsy ho zava-poana ny fanantenana tahaka izany. Nanomboka tao amin’ilay ala masina ka mitohy mandrak’ankehitriny dia nanomboka tanteraka ireo faniriana ireo, araka ny nampianarin’i Paoly Apôstôly sy ny hafa hoe, tena vatofantsika ho an’ny fanahin’ny olona, azo antoka sy mifototra tsara.8 Ny zavatra izay nantenaina fotsiny fahiny dia lasa tantara ankehitriny.

Izany no mahatonga antsika manao jery todika ny 200 taona nanaovan’ Andriamanitra soa ho an’izao tontolo izao. Fa inona ary no antenaintsika hitranga amin’ny ho avy? Mbola manana fanantenana izay mbola tsy tanteraka isika. Amin’izao fotoana iresahantsika izao dia mifarimbona miady amin’ny COVID-19 isika, fampahatsiahivana miezinezina fa tsimokaretina iray9 izay kely avo 1000 heny noho ny voam-pasika iray10 dia afaka mampitolefika ny mponina rehetra sy ny toe-karena maneran-tany. Mivavaka ho an’ireo izay namoy ireo olon-tiany tamin’ity valanaretina maoderina ity izahay, ary ho an’ireo izay voan’izany amin’izao fotoana izao ihany koa na tandindomin-doza ho voan’izany. Mazava ho azy fa mivavaka ho an’ireo izay manolotra fikarakarana ara-pahasalamana lehibe tokoa izahay. Rehefa maharesy izany isika, ary tsy maintsy ho resintsika izany, dia enga anie isika hanana fanoloran-tena mitovy lanja eo amin’ny fanafahana izao tontolo izao amin’ny tsimokaretin’ny hanoanana, ny fanafahana ny fiaraha-monina sy firenena amin’ny tsimokaretin’ny fahantrana. Enga anie isika hanantena sekoly izay ampianarana ny mpianatra fa tsy hoe hampihorohoro azy ireo sao voatifitra, ary hanantena ny fanomezam-pahasoavan’ny fahamendrehana manokana ho an’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay izay tsy voaloton’izao karazana fironan-tsaina ara-poko sy ara-pirazanana ary ara-pivavahana rehetra izao. Ny fototr’izany rehetra izany dia ilay fanantenantsika tsy an-kiato hanolo-tena bebe kokoa amin’ireo didy roa lehibe indrindra dia: ny mitia an’ Andriamanitra amin’ny fitandremana ny toroheviny sy hitia ny namantsika amin’ny alalan’ny fanehoana hatsaram-panahy sy fangorahana, faharetana sy famelan-keloka.11 Ireo toromarika roa avy amin’ Andriamanitra ireo no mbola hany tena fanantenana ananantsika, ary mbola ho izany mandrakizay, amin’ny fanomezana ny zanantsika tontolo tsaratsara kokoa mihoatra izay efa fantany amin’izao.12

Ankoatra ny fananana ireo faniriana lehibe ireo dia maro amin’ireo izay mihaino androany no manana fanantenana lalina manokana: fanantenana ny fivoaran’ny fiainam-panambadiana, na indraindray fanantenana hiroso ho amin’ny fanambadiana fotsiny, fanantenana ny handresy fiankinan-doha, fanantenana ny hiverenan’ny zanaka maditra iray, fanantenana ny hitsaharan’ny fanaintainana ara-batana sy ara-pihetseham-po maro karazana. Satria ny famerenana amin’ny laoniny dia nanamafy ilay fahamarinana fototra hoe miasa eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra, dia afaka manana fanantenana isika, ary tokony hanantena, na dia rehefa miatrika ireo zava-tsarotra tsy hay zakaina mihitsy aza. Izany no tian’ny soratra masina holazaina rehefa afaka nanantena ihany i Abrahama na dia efa tsy nisy fanantenana aza,13izany hoe mbola afaka nino izy na dia efa tsy nisy antony tokony hinoana intsony aza, hoe afaka ny hanan-janaka izy sy i Sara na dia toa tsy ho mety mihitsy aza izany. Koa apetrako ary ny fanontaniana: “Raha toa ka ireo fanantenana maro be mety ho nananantsika tamin’ny 1820 ireo no nanomboka tanteraka tamin’ny tselatra hazavana masina iray tamin’ny zazalahy tsotra iray izay nandohalika tao anaty alakely tany avaratr’i New York, dia nahoana isika no tsy hanantena fa ireo faniriantsika marina sy araka an’i Kristy dia ho valian’ilay Andriamanitry ny fanantenana amin’ny fomba mahatalanjona sy mahagaga?” Mila mino isika rehetra fa izay irintsika ao anatin’ny fahamarinana dia afaka ny ho azontsika indray andro any na ahoana na ahoana.

Ry rahalahy sy anabavy, fantatsika ny sasany amin’ireo zavatra tsy ampy tamin’ny fivavahana tany am-piandohan’ny taonjato faha-19. Ankoatra izany dia mahafantatra zavatra banga amin’ny fivavahana ankehitriny isika izay mbola mamela ilay mosary sy fanantenana zavatra tsy tanteraka. Fantatsika fa ny ankamaroan’ireo tsy fahafaham-po ireo dia mitarika ny sasany hiala amin’ny antokom-pivavahana nentim-paharazana. Fantatsika ihany koa araka ny nosoratan’ny mpanoratra iray izay diso fanantenana ny hoe “mpitondra fivavahana maro [tamin’izany andro izany] no toa tsy mahay” rehefa miresaka momba io karazana fitotonganana io, ka rehefa mamaly izy dia valiany amin’ny “sakafom-panahy izay heveriny fa mahasoa, zavatra atao tsy misy lanjany, lainga tsara lahatra, [na indraindray zavatra] tsy misy dikany akory,”14ary izany rehetra izany dia amin’ny fotoana izay ilavan’izao tontolo izao zavatra misimisy kokoa, izay tokony hanomezana zavatra betsaka kokoa ny taranaka vao misondrotra, ary raha tamin’ny andron’i Jesoa dia nanome betsaka kokoa Izy. Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia afaka ny hiavaka amin’ireo Isiraelita izay nitoloko hoe: “Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay”15isika amin’izao. Eny tokoa, raha very fanantenana isika amin’ny farany dia ho very ny fananantsika farany izay manohana antsika. Tao ambadiky ny varavaran’ny helo i Dante no nanoratra fampitandremana ho an’ireo rehetra izay mandalo ao amin’ilay tononkalony hoe Divina Commedia: “Aza manantena intsony,” hoy izy, “ianareo izay miditra ato.”16 Marina tokoa fa rehefa tsy misy intsony ny fanantenana dia ny afon’ilay helo izay mandrava ny lafiny rehetra sisa no eo.

Koa rehefa tapi-dalan-kaleha isika, araka ny voalazan’ilay fihirana hoe tsy misy fanantenana intsony,17 dia anisan’ny toetra tsara izay tena ilaintsika io fanomezana sarobidin’ny fanantenana io izay mifamatotra tsy afa-misaraka amin’ny finoantsika an’ Andriamanitra sy ny fiantrantsika ny hafa.

Amin’izao faha-200 taona izao, rehefa manao jery todika isika mijery ny zavatra rehetra izay nomena antsika sy mifaly amin’ny fahatanterahan’ireo fanantenana maro be izay tanteraka, dia averiko lazaina ilay fahatsapan’ny rahavavy misiônera tafaverina iray izay nilaza taminay vao volana vitsy lasa tao Johannesburg hoe: “Efa lasa lavitra isika ka tokony handroso hatrany.”18

Raha lazaiko amin’ny fombako manokana ny fanaovam-beloma izay manentana fanahy indrindra ao amin’ny soratra masina dia hoy aho miaraka amin’i Nefia sy io rahavavy tanora io hoe:

“Ry rahalahiko [sy anabaviko] malala, rehefa [nandray ireo vokatra voalohan’ny famerenana amin’ny laoniny ianareo] dia mba te hanontany anareo aho raha toa ka efa vita ny zava-drehetra. Indro, lazaiko aminareo, Tsia. …

“… Tsy maintsy mibosesika handroso amin’ny fiorenana ao amin’i Kristy ianareo, amin’ny fanananareo fanantenana mamirapiratra sy lavorary omban’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny olon-drehetra. … Raha [manao izany ianareo dia] … izao no lazain’ny Ray: Hahazo ny fiainana mandrakizay ianareo.”19

Manolotra fisaorana aho ry rahalahy sy anabaviko noho izay rehetra nomena antsika tamin’ity fotoampitantanana farany sy lehibe indrindra ity, dia ny fotoampitantanan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tafaverina tamin’ny laoniny. Ireo fanomezam-pahasoavana sy fitahiana avy amin’izany filazantsara izany dia zava-dehibe amiko, tena zava-dehibe, koa mba hisaorana ny Raiko any An-danitra noho izany rehetra izany dia manana “fampanantenana tokony hotandremana, sy lalana lava tokony haleha mialoha ny handriako, lalana lava tokony haleha mialoha ny handriako”20aho. Enga anie isika hibosesika handroso am-pitiavana ao am-pontsika, sady handeha amin’ny “fanantenana mamirapiratra”21 izay manazava ity lalana masina manomana antsika amin’ny hoavy ity izay efa nodiavintsika nandritra 200 taona izao. Mijoro ho vavolombelona aho fa mbola ho feno fahagagana sy ho heniky ny fitahiana toy ny taloha ny ho avy. Manana ny antony rehetra tokony hanantenana fitahiana isika, fitahiana lehibe mihoatra noho izay efa azontsika satria asan’ilay Andriamanitra Tsitoha ity, Fiangonan’ny fanambarana mitohy ity, ity no filazantsaran’ny fahasoavana sy hatsaram-panahy tsy misy fetra an’i Kristy. Mijoro ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana ireo sy ny amin’ny maro be ankoatra izany aho amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.

Fanamarihana

  1. “The Essence of the Christian Religion,” in The Works of William E. Channing (1888), 1004.

  2. 2 Nefia 26:24.

  3. Jereo ny Jaona 3:16–17.

  4. Mosesy 7:62.

  5. Jereo ny Isaia 2:1–3; Ezekiela 37:26; Mika 4:1–3; Malakia 3:1.

  6. Jaona 14:2.

  7. Jereo ny 1 Korintiana 15:29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:15–17.

  8. Jereo ny Hebreo 6:19; Etera 12:4.

  9. Jereo ny Na Zhu and others, “A Novel Coronavirus from Patients with Pneumonia in China, 2019,” New England Journal of Medicine, Feb. 20, 2020, 727–33.

  10. Jereo ny “Examination and Description of Soil Profiles,” ao amin’ny Soil Survey Manual, ed. C. Ditzler, K. Scheffe, and H. C. Monger (2017), nrcs.usda.gov.

  11. Jereo ny Matio 22:36–40; Marka 12:29–33; jereo ihany koa ny Levitikosy 19:18; Deoteronomia 6:1–6.

  12. Jereo ny Etera 12:4.

  13. Jereo ny Romana 4:18.

  14. R. J. Snell, “Quiet Hope: A New Year’s Resolution,” Public Discourse: The Journal of the Witherspoon Institute, Dec. 31, 2019, thepublicdiscourse.com.

  15. Ezekiela 37:11.

  16. Ity no fandikana ilay fehezan-teny izay tena nalaza. Fa ny tena fandikana azy ara-bakiteny dia: “Hadinoy ny fanantenana rehetra, ho anareo izay miditra eto” (Dante Alighieri, “The Vision of Hell,” in Divine Comedy, trans. Henry Francis Cary [1892], canto III, line 9).

  17. “Reste avec nous, Seigneur” Cantiques, no. 92.

  18. Judith Mahlangu (fihaonambe iraisan’ny tsatoka maro tao akaikin’i Johannesburg, Afrika Atsimo, 10 nôv, 2019), ao amin’ny Sydney Walker, “Elder Holland Visits Southeast Africa during ‘Remarkable Time of Growth,’” Church News, Nov. 27, 2019, thechurchnews.com.

  19. 2 Nefia 31:19–20; nampiana fanamafisana.

  20. “Stopping by Woods on a Snowy Evening,” lines 14–16, ao amin’ny The Poetry of Robert Frost: The Collected Poems, ed. Edward Connery Lathem (1969), 225.

  21. 2 Nefia 31:20.