Tazony ny fiovana
Omena antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny hery hanaovantsika fiovana maharitra. Rehefa mitodika Aminy amim-panetren-tena isika dia hampitomboiny ny fahafahantsika miova.
Rahavavy isany, tena fifaliana ho ahy ny miaraka aminareo.
Eritrereto hoe misy olona iray mankany an-tsena hividy zavatra iray. Raha omeny vola mihoatra ny vidin’ilay entana ilay olona handoavam-bola, dia hanome azy fameriny izy.
Nampianarin’ i Benjamina Mpanjaka ny olony tany Amerika fahiny ireo fitahiana goavana raisintsika avy amin’ny Mpamonjintsika Jesoa Kristy. Nahary ny lanitra, sy ny tany, ary ny zavatra kanto rehetra izay ankafizintsika Izy. 1 Manolotra fomba iray ho antsika Izy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany be fitiavana mba hanavotana antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. 2 Rehefa maneho fankasitrahana Aminy isika amin’ny fiainana amim-pahazotoana ireo didiny, dia mitahy antsika avy hatrany Izy ka lasa raiki-trosa Aminy mandrakariva isika.
Nanome antsika zavatra betsaka Izy, betsaka lavitra noho ny tombam-bidin’izay azontsika averina Aminy. Koa inona ary no azontsika omena Azy izay nanefa ilay sarany tsy hay sandaina noho ny fahotantsika? Azontsika omena Azy ny famerim-bola. Azontsika omena Azy ny fiovantsika. Mety ho fiovan’ny fisainana izany, fiovan’ny fahazarana na fanovana ny lalana izay hizorantsika. Ho valin’ny fanefany ilay sarany tsy hay sandaina ho antsika tsirairay avy, dia mangataka antsika hiova fo ny Tompo. Tsy ho tombontsoa ho Azy ilay fiovana angatahiny fa ho antsika. Noho izany, ny Mpamonjintsika be fahasoavana, izay tsy mitovy amin’ilay mpividy izay handray ny famerim-bola omentsika, dia maneho amintsika amin’ny fihetsika hoe tazony ho anao ny famerim-bola.
Rehefa avy nandre ny teny nolazain’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany dia nihiaka ary nanambara fa niova ny fon’izy ireo ka nilaza hoe: “Noho ny amin’ny Fanahin’ny Tompo Tsitoha izay efa nahatonga fiovana mahery vaika tao aminay, … tsy manana fironana hanao ratsy intsony izahay fa ny hanao soa lalandava kosa.” 3 Tsy milaza ny soratra masina hoe avy hatrany dia lasa tonga lafatra izy ireo, ny fanirian’izy ireo hiova no nanosika azy hanao asa. Ny fiovam-pon’izy ireo dia nidika ho fialana tamin’ny maha-lehilahy na vehivavy araka ny nofo sy fihainoana ny Fanahy teo am-piezahan’izy ireo hitovy kokoa amin’i Jesoa Kristy.
Mampianatra ny Loholona Henry B. Eyring fa: “Ny fiovam-po marina dia miankina amin’ny fikatsahana amin-pahalalahana ao anatin’ny finoana, omban’ny ezaka lehibe sy fanaintainana. Ary avy eo dia ny Tompo no afaka manome … ny fahagagan’ny fanadiovana sy ny fiovana.” 4 Rehefa manambatra ny ezaka ataontsika amin’ny fahafahan’ny Mpamonjy hanova antsika isika dia tonga olom-baovao.
Fony aho mbola tanora kokoa dia naka sary an-tsaina ny tenako mandeha manaraka lalana mahitsy miakatra, mizotra mankamin’ny tanjoko ho any amin’ny fiainana mandrakizay. Isaky ny nanao na niteny zavatra ratsy aho dia nahatsapa ny tenako ho nibolisatra aty ambany mba hanomboka ny diako indray. Toy ireny tafapetraka eo amin’ilay dingana iray ao anatin’ilay kilalaon’ankizy antsoina hoe Migorisa sy Mianika ireny ilay izy, dingana izay mampigorisa anao avy eny an-tampony ka miverina any amin’ny fiaingain’ilay lalao indray! Tena nahakivy izany! Saingy rehefa nanomboka takatro ny fotopampianaran’i Kristy 5 sy ny fomba hampiharana izany teo amin’ny fiainako andavanandro dia nahazo fanantenana aho.
Nomen’i Jesoa Kristy lamina mitohy ho an’ny fiovana isika. Manasa antsika Izy mba hampiharantsika finoana Azy, izay mitaona antsika hibebaka—“dia finoana sy fibebahana mitondra fiovam-po.” 6 Rehefa mibebaka isika ary mampitodika ny fontsika Aminy, dia mahazo faniriana lehibe kokoa ny hanao sy hiaina fanekempihavanana masina. Maharitra hatramin’ny farany isika amin’ny alalan’ny fanohizana mampihatra ireo fitsipika ireo mandritra ny androm-piainantsika sy ny fanasana ny Tompo hanova antsika. Ny hoe maharitra hatramin’ny farany dia midika ho fiovana hatramin’ny farany. Ankehitriny dia takatro fa tsy miverina hatrany amboalohany aho isaky ny manandrana ka tsy mahomby, fa ao anatin’ny andrana tsirairay dia mitohy ny fizotry ny fiovako.
Misy andinin-teny iray nentanim-panahy ao amin’ny Fanevan’ny ny Zatovovavy izay milaza hoe: “Mankamamy ny fanomezana, dia ny fahafahana mibebaka aho, ary mikatsaka ny hivoatra isan’andro.” 7 Mivavaka aho mba tena hankamamy an’io fanomezana kanto io isika ary tena hanam-piniavana hikatsaka fiovana. Indraindray ny fiovana mila ataontsika dia mifandraika amin’ireo fahotana goavana. Saingy matetika dia miezaka isika manantsara ny toetrantsika mba hifanaraka amin’ireo toetra ananan’i Jesoa Kristy. Ny safidy ataontsika isan’andro dia na hanampy na hanakana ny fivoarantsika. Ireo fiovana iniana atao, kely nefa maharitra dia hanampy antsika hivoatra. Aza mora kivy. Dingana atao mandritra ny androm-piainana manontolo ny fiovana. Feno fankasitrahana aho fa manam-paharetana amintsika ny Tompo ao anatin’ireo tolona ataontsika mba hiova.
Omena antsika amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ny hery hanaovantsika fiovana maharitra. Rehefa mitodika Aminy amim-panetren-tena isika dia hampitomboiny ny fahafahantsika miova.
Ho fanampin’ny hery manova entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjintsika dia hanohana antsika ny Fanahy Masina sy hitarika antsika rehefa miezaka isika. Afaka mihitsy aza Izy manampy antsika hahafantatra ireo fiovana ilaintsika atao. Afaka mahazo fanampiana sy fampaherezana isika amin’ny alalan’ireo tsodranon’ny fisoronana, ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary ny fankanesana any amin’ny Tempoly.
Tahaka izany ihany koa ireo olona mahatoky ao amin’ny fianakaviana, ireo mpitarika, ary ireo namana dia mety hanampy ao anatin’ireo ezaka ataontsika mba hiova. Fony aho 8 taona dia niaraka tamin’ireo namanay izaho sy i Lee zokiko lahy mba hilalao teny ambony hazon’olona mpiray monina aminay. Tinay ny niaraka tao anatin’ny firaisankinan’ny maha-mpinamana anay teo amin’ny alokalok’izany hazo izany. Indray andro dia nianjera avy teny ambony hazo i Lee ary tapaka ny tanany. Noho izy tapa-tanana dia sarotra taminy ny niakatra irery teo ambonin’ny hazo. Saingy tsy nitovy tamin’ny teo aloha ny fiainana teo ambony hazo tsy nisy azy. Noho izany ny sasany taminay dia nanohana azy avy ato aoriana raha ny sasany kosa nisintona azy tamin’ilay tanany tsy tapaka, dia tafaverina teny ambonin’ilay hazo izy na tsy nanao ezaka firy aza. Mbola tapaka ilay tanany, saingy tafaraka taminay indray izy nankafy ny finamananay sady nihasitrana ihany.
Nieritreritra matetika mikasika an’io zavatra niainako momba ny filalaovana teny ambony hazo io aho ho toy ny karazan’ny zavatra ataontsika eo amin’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Mankafy ireo fitahiana maro izay mifanjohy amin’ireo fanekempihavanana isika eo ambany alokaloky ny rantsan-kazon’ny filazantsara. Ny sasany da mety nianjera avy teo amin’ny fiarovan’ny fanekempihavanan’izy ireo ary mila ny fanampiantsika hiakatra indray ho ao anatin’ny fiarovan’ireo rantsan’ny filazantsara. Mety sarotra ho azy ireo ny miverina irery. Azontsika atao ve ny misintona kely etsy na manosika kely eroa mba hanampiana azy ireo ho sitrana eo am-pankafizan’izy ireo ny finamanantsika?
Raha toa ianao ka tratran’ny ratra vokatry ny fianjerana, dia avelao ny hafa hanampy anao hiverina amin’ny fanekempihavananao sy ireo fitahiana atolotr’izy ireny. Afaka manampy anao ho sitrana sy hiova ny Mpamonjy sady hanotrona anao ireo olona tia anao.
Indraindray aho no mifanena amin’ireo namako izay tsy hitako efa an-taonany maro. Indraindray izy ireo miteny hoe: “Tena tsy miova mihitsy ianao!” Isaky ny maheno izany aho dia sadaikatra kely satria nantenaiko fa niova aho tao anatin’ireo taona maro. Nantenaiko fa efa niova aho hatramin’ny omaly! Nantenaiko fa efa nihatsara fanahy kely kokoa aho, tsy dia nitsaratsara olona ary mangoraka kokoa. Nantenaiko fa haingana kokoa aho mamaly ireo hafa izay mila fanampiana ary nantenaiko fa nitombo kely ny faharetana nananako.
Tiako ny mihanika tendrombohitra eo akaikin’ny tranonay. Mazàna no misy vato kely tafiditra anaty kiraroko rehefa mandeha amin’ilay lalana. Mijanona aho nony farany dia manintsana ny kiraroko. Saingy mahagaga ahy ny faharetan’ny fotoana hamelako ny tenako hianika amim-panaintainana alohan’ny hijanonako ka hanalako ilay vatokely.
Rehefa mandeha amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika,dia misy vato tafiditra ao anaty kirarontsika indraindray, ary izany dia miseho amin’ny endrika fahazaran-dratsy, na fahotana, na toetra ratsy. Rehefa ahintsantsika haingana hiala amin’ny fiainantsika izy ireny dia hahafinaritra kokoa ny diantsika eto an-tany.
Mila ezaka ny fihazonana ny fiovana. Tsy vitako ny mieritreritra ahy mijanona eny an-dalana mba hanofoka fotsiny ao anaty kiraroko indray ilay vato mahasorena sy mampanaintaina izay vao avy nalako. Tsy te hanao izany intsony aho, tahaka ny tsy hitiavan’ny lolo tsara tarehy iray hiverina ao anatin’ny akorany.
Mijoro ho vavolombelona aho fa noho i Jesoa Kristy dia afaka miova isika. Afaka manamboatra ny fahazarantsika isika sy manova ny eritreritsika ary manatsara ny toetratsika mba hitovy kokoa Aminy. Ary noho ny fanampiany dia afaka ny hitazona ny fiovana isika. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.