Matokia
Ny finoantsika tsy voahozongozona momba ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina amin’ny laoniny dia mitarika ny dingana ataontsika ary manome fifaliana ho antsika.
Rehefa nifaramparana ny fiainany tety an-tany dia nilaza tamin’ireo Apôstôliny ny amin’ireo fanenjehana sy fotoan-tsarotra hianjady amin’izy ireo i Jesoa Kristy. 1 Nofaranany tamin’ity fanomezan-toky tena tsara ity izany: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao” (Jaona 16:33). Izany no hafatry ny Mpamonjy ho an’ireo zanaky ny Raintsika any An-danitra rehetra. Izany no vaovao tsara indrindra ho antsika amin’izao fiainantsika ety an-tany izao.
Ny hoe “matokia” dia fanomezan-toky nilaina ihany koa tao amin’ilay tontolo izay nandefasan’i Kristy efa tafatsangana tamin’ny maty an’ireo Apôstôliny. “Voageja manodidina izahay,” hoy i Paoly Apôstôly tamin’ireo Korintiana taty aoriana, “nefa tsy tery; very hevitra, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty” (2 Korintiana 4:8–9).
Roa arivo taona taty aoriana dia “voageja manodidina” ihany koa isika, ary mila izany hafatra hoe aza mamoy fo fa matokia izany ihany koa isika. Manana fitiavana sy fiahiana manokana ho an’ireo zanakavavy sarobidiny ny Tompo. Fantany ny zavatra irinareo, ilainareo ary atahoranareo. Manana ny hery rehetra ny Tompo. Matokia Azy.
Nampianarina ny Mpaminany Joseph Smith fa “ny asa sy ny fikasana ary ny zava-kendren’ Andriamanitra dia tsy azo sakanana ary tsy azo foanana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 3:1). Ho an’ireo zanany ianjadian’ny olana dia nanome ireto fanomezan-toky tena tsara ireto ny Tompo:
“Indro, izany no fampanantenan’ny Tompo ho anareo, ô ianareo ry mpanompoko isany.
“Koa mahereza, ary aza matahotra, fa Izaho Tompo dia momba anareo, ka hijoro eo anilanareo; ary ianareo dia ho vavolombelona hanambara Ahy, Jesoa Kristy, fa Izaho no Zanak’ilay Andriamanitra velona” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 68:5–6).
Mijoro eo anilantsika ny Tompo, ary efa niteny Izy hoe:
“Izay lazaiko amin’ny anankiray dia lazaiko amin’ny rehetra, mahereza rankizy madinika; fa eo afovoanareo Aho ary tsy nahafoy anareo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 61:36).
“Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:4).
Ranabavy isany, mijoro ho vavolombelona aho fa ireo fampanantenana ireo, izay nomena tao anaty fanenjehana sy zava-mahory niainan’ny olona iray manokana, dia mihatra amin’ny tsirairay aminareo ao amin’ny toe-java-mahory misy anareo ankehitriny. Sarobidy izy ireo ary mampahatsiahy antsika tsirairay avy mba hatoky sy hanana fifaliana ao amin’ny fahafenoan’ny filazantsara eo am-pibosesehantsika mandroso eo anatrehan’ireo olana eo amin’ny fiainana ety an-tany.
Ny fitsapana sy olana dia zavatra tsy maintsy iainan’ny rehetra mandritra ny fiainana an-tany. Ny fanoherana dia ilaina ao amin’ny drafitra masina hanampiana antsika hivoatra, 2 ary ao anatin’izany lamina izany dia manana ny fanomezan-tokin’ Andriamanitra isika fa rehefa banjinina lavitra ny mandrakizay dia tsy havela handresy antsika ny fanoherana. Noho ny fanampiany sy noho ny fahatokisana sy faharetantsika dia handresy isika. Ireo fitsapana rehetra dia mandalo fotsiny ihany, tahaka ilay fiainana an-tany izay hitrangan’izy ireny. Nandritra ireo fifanolanana izay nialoha ny ady nitera-doza iray dia nampahatsiahy tamim-pahendrena ilay fahendrena fahiny i Abraham Lincoln filohan’i Etazonia fa “ity ihany koa dia mandalo fotsiny.” 3
Araka ny fantatrareo, ny fisedrana amin’ny fiainana ety an-tany resahako eto—izay manasarotra ny hananana fatokiana—dia indraindray tonga amintsika tahaka ny amin’ny olona maro, tahaka ireo olona an-tapitrisany amin’izao izay miady mafy amin’ireo vokadratsy mandrava naterak’ilay valanaretina COVID-19. Toy izany ihany, dia olona maro eto Etazonia no mijaly noho ny fifankahalana sy fifandirana izay toa mitranga foana rehefa misy fifidianana filoham-pirenena, fa saingy tamin’ity izany no tena nahakivy indrindra raha izay tsaroan’ireo efa nahazoazo taona toa anay.
Raha ny isam-batan’olona kosa no resahina, dia mianjady amintsika tsirairay avy ny sasany amin’ireo fisedrana maro amin’ny fiainana an-tany, toy ny fahantrana, ny fanavakavahana, ny tsy fahasalamana, ny fahaverezan’ny asa na fahakiviana amin’izany, ny zanaka mania, ny fanambadiana mikorontana na ny tsy fanambadiana, ary ny vokadratsin’ny fahotana—na ny antsika izany na ny an’ny hafa.
Ao anatin’izany rehetra izany anefa dia manana ilay torohehitra avy amin’ Andriamanitra mba hatoky ary hahita fifaliana ao amin’ireo fitsipika sy fampanantenan’ny filazantsara ary ny voka-tsoan’ireo asantsika isika. 4 Izany torohevitra izany dia efa toy izany hatramin’izay, na ho an’ireo mpaminany izany na ho antsika rehetra. Fantatsika avy amin’ny traikefan’ireo olona nialoha antsika sy ny zavatra notenenin’ny Tompo azy ireo izany.
Tadidio ny toe-javatra niainan’ny Mpaminany Joseph Smith. Raha ny fisedrana nahazo azy no dinihina akaiky dia fiainam-pahantrana, fanenjehana, fahasorenana, alahelo ao amin’ny fianakaviana, ary fahafatesana ho maritiora no fiainany. Raha niaritra fanagadrana izy dia nisedra fahoriana tsy mampino ihany koa ny vady aman-janany ary ireo Olomasina hafa rehefa noroahina hiala an’i Missouri izy ireo.
Rehefa nitalaho fanamaivanana ny enta-mavesany i Joseph dia namaly ny Tompo hoe:
“Anaka, fiadanana anie ho an’ny fanahinao; ny fahorianao sy ny fijalianao dia tsy haharitra afa-tsy fotoana fohy;
“Ary rehefa izany, raha iaretanao tsara izany, dia hanandratra anao ho amin’ny avo Andriamanitra; ary ho resinao avokoa ny fahavalonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:7–8).
Izany no torohevitra manokana sy mandrakizay nanampy ny Mpaminany Joseph hihazona ilay toetra ravoravo ahafantarana azy sy ny fitiavana sy tsy fivadihan’ireo olony. Ireo toetra ireo ihany no nampatanjaka ireo mpitarika sy mpamaky lay taty aoriana, ary izany dia afaka mampatanjaka anao ihany koa.
Eritrereto ny momba ireo mpikambana tany aloha ireo! Voaroaka avy tamin’ireo toerana nisy azy ireo ombieny ombieny izy ireo. Tamin’ny farany izy ireo dia niatrika ny fanamby hanorina ny fonenany sy ny Fiangonana ao amin’ny tany karakaina. 5 Roa taona taorian’ny nahatongavan’ny andiana mpamaky lay voalohany tao amin’ny lemak’i Salt Lake lehibe dia mbola sarotra be ho an’ireo mpamaky lay ny nivelona tao amin’izany toerana sarotra iainana izany. Ny ankabeazan’ireo mpikambana dia mbola teny an-dalana namakivaky ny lohasaha na sahirana tamin’ny fitadiavana vatsy mba hanaovana izany. Na dia izany aza dia mbola nanana fanantenana sy natoky ireo mpitarika sy mpikambana.
Na dia mbola tsy tafapetraka tsara tao amin’ny fonenany vaovao aza ireo Olomasina, dia nisy andiana misiônera vaovao nalefa tany Skandinavia, Frantsa, Alemana, Italia, ary Pasifika Atsimo tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ny taona 1849. 6 Tamin’ny fotoana izay noheverina fa naha fadiranovana azy ireo indrindra dia nahavita zavatra tena mahatalanjona ireo mpamaky lay. Ary telo taona monja taty aoriana dia 98 hafa no voantso ihany koa hanomboka ny fanangonana an’i Isiraely naely patrana. Nanazava ny iray tamin’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana fa ireo dia fitoriana ireo “amin’ny ankapobeny dia tsy dia naharitra ela loatra; mety hoe eo amin’ny 3 ka hatramin’ny 7 taona eo raha naharitra indrindra ny lehilahy iray no tsy eo akaikin’ny fianakaviany.” 7
Ranabavy isany, manahy ny amin’ireo olana atrehanareo ny Fiadidiana Voalohany. Tia anareo izahay ary mivavaka ho anareo. Velom-pankasitrahana matetika ihany koa izahay satria ireo fisedrana ara-batana mahazo antsika—ankoatra ireo horohoron-tany, dorotanety, tondra-drano, ary rivo-doza—dia tsy mafy noho ny nahazo an’ireo izay nialoha antsika amin’ny ankapobeny.
Rehefa ao anatin’ny fisedrana, ny fanomezan-toky avy amin’ Andriamanitra dia izao foana hoe “matokia fa hitari-dalana anareo Aho. Anareo ny fanjakana, ary anareo ny fitahiany, ary anareo ny haren’ny mandrakizay” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 78:18). Ahoana no hitrangan’izany? Ahoana no nitrangan’izany tamin’ireo mpamaky lay? Ahoana no hitrangan’izany amin’ireo vehivavin’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao? Amin’ny alalan’ny fanarahantsika ny fitarihan’ny mpaminany hoy ny Tompo tao amin’ny fanambarana tamin’ny aprily 1830, “ny vavahadin’ny helo dia tsy haharesy [antsika].” “Eny,” hoy Izy, “… ny Tompo Andriamanitra dia hampihahaka ny herin’ny haizina eo anoloanareo ary hampihozongozona ny lanitra mba ho soa ho anareo sy ho voninahitry ny anarany” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:6). “Koa aza matahotra ry ondry vitsy; manaova soa; avelao hitambatra ny tany sy ny helo hanohitra anareo, fa raha miorina amin’ny vatolampiko ianareo, dia tsy afaka mandresy izy ireo” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:34).
Omban’ny fampanantenan’ny Tompo dia “[manandratra] ny fon[tsika] ary mifal[y]” isika (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:13), ary “amin’ny fo falifaly sy ny tarehy miramirana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:15) no handrosoantsika eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Ny ankamaroantsika dia tsy miatrika fanapahan-kevitra goavana toy ny hoe mandao ny tokantranontsika mba ho mpamaky lay ao amin’ny tany tsy fantatra. Ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra raisintsika dia eo amin’ireo zavatra fanao amin’ny fiainana andavanan’andro, saingy ny Tompo dia nilaza hoe, “Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa fa mandatsaka ny fanorenan’ny asa lehibe ianareo. Ary avy amin’ny zavatra madinika no hivoahan’izay lehibe” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 64:33).
Misy hery tsy manam-petra ao amin’ny fotopampianaran’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny. Ny finoantsika tsy voahozongozona momba izany fotopampianarana izany dia mitarika ny dingana ataontsika ary manome fifaliana ho antsika. Manazava ny saintsika izany ary manone hery sy fahatokiana eo amin’ny asa ataontsika. Izany fitarihana sy fanazavana sy hery izany dia fanomezana nampanantenaina nomen’ny Raintsika any An-danitra. Rehefa mahatakatra sy mampifanaraka ny fiainantsika amin’izany fotopampianarana izany isika, ka tafiditra ao anatin’izany ny fanomezam-pahasoavana masin’ny fibebahana, dia afaka hatoky isika eo am-pijanonantsika eo amin’ny lalana mankany amin’ny tanjontsika mandrakizay—dia ny fihaonana indray sy ny fisandratana miaraka amin’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra be fitiavana izany.
“Mety miatrika olana toa tsy hay zakaina ianao,” hoy ny Loholona Richard G. Scott nampianatra. “Indraindray izy ireny dia tena mafy be, tena mampivarahontsana, hany ka mety hahatsapa ianao fa tsy mahavita mifehy azy ireny. Aza atrehana irery izao tontolo izao. –Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin’ny fahalalanao– [Ohabolana 3:5]. … Natao ho mafy ny fiainana, tsy hoe mba tsy hahombiazanao, fa mba hahitanao fahombiazana kosa rehefa mandresy ianao.” 8
Ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Zanany avokoa izany, izay ijoroako ho vavolombelona, sady mivavaka aho ny mba haharetantsika rehetra amin’ny diantsika mankany an-danitra, amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.