Fihaonamben’ny Fiangonana Maneran-tany
Notsapaina, nosedraina ary notefena
Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ôktôbra 2020


15:59

Notsapaina, nosedraina ary notefena

Ny fitahiana lehibe indrindra ho avy rehefa mampiseho isika fa mahatoky ao amin’ny fanekempihavanantsika mandritra ny fisedrana antsika dia ny fiovan’ny tenantsika.

Ry rahalahy sy ranabavy malalako, feno fankasitrahana aho afaka miresaka aminareo anio. Ny fanantenako dia ny hitondra fankaherezana indrindra rehefa toa sarotra sy maloka ny fiainana. Ho an’ny sasany aminareo dia amin’izao fotoana izao izany. Raha tsy izany no izy dia mbola ho avy ny fotoana toy izany.

Tsy hoe fomba fijery mahakivy izany. Fa izany no zava-misy—izay mankahery ihany koa anefa—noho ny tanjon’ Andriamanitra amin’ny Fahariana ity izao tontolo izao ity. Izany tanjona izany dia ny hanome ny zanany ny fahafahana haneho ny fahatokiany ka ho afaka ary ho vonona ny hisafidy ny marina rehefa sarotra ny fanaovana izany. Hiova izy ireo amin’ny alalan’ny fanaovana izany ary ho lasa tahaka Azy kokoa. Fantany fa hitaky finoana tsy azo hozongozonina Azy izany.

Ny ankabeazan’ny zavatra fantatro dia avy amin’ny fianakaviako. Fony aho valo taona dia nangataka ahy sy ny rahalahiko ny reninay feno fahendrena hanongotra ahidratsy miaraka aminy ao amin’ny zaridainan’ny fianakaviana ao ambadiky ny tranonay. Toa azo lazaina hoe asa tsotra izany, saingy tany New Jersey izahay no nipetraka. Avy matetika ny orana. Feno fotaka ny tany. Naniry haingana kokoa noho ny legioma ny ahidratsy.

Tsaroako ny fahasorenako rehefa tapaka tao amin’ny tanako ny ahidratsy, ny fakany tafalentika mafy ao amin’ilay fotaka matevina. Vetivety foana dia nahavita betsaka lavitra amin’ny anjarany ny reniko sy ny rahalahiko. Arakaraka ny niezahako mafy no nahataraiky ahy.

“Mafy loatra ity!” Hoy aho nitaraina.

Tsy naneho fitserana tamiko ny reniko fa nitsiky tamiko kosa ary niteny hoe: “Ô ry Hal a, mazava ho azy fa sarotra ilay izy. Natao ho sarotra ilay izy. Fisedrana ny fiainana.”

Tamin’io fotoana io dia fantatro fa marina ny teniny ary ho marina foana amin’ny ho avy.

Ny anton’ny tsikitsiky feno fitiavan’i Neny dia lasa nazava tamiko kokoa taona maro taty aoriana rehefa namaky momba ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malala niresaka momba ny tanjon’ Izy Ireo tamin’ny fahariana ity tontolo ity sy ny fanomezana ireo zanaka fanahy fahafahana hitoetra ety an-tany aho:

“Dia hosedraintsika amin’izany izy ireo, hahitana raha toa izy ireo ka hanao ny zava-drehetra handidian’ny Tompo Andriamaniny azy ireo;

“Ary ireo izay mitana ny toetrany voalohany no homena fanampiny; ary ireo izay tsy mitana ny toetrany voalohany dia tsy hanana voninahitra ao amin’ny fanjakana iraisana amin’ireo izay mitana ny toetrany voalohany; ary ireo izay mitana ny toetrany faharoa dia hanana voninahitra anampy eo ambony lohany mandrakizay mandrakizay.” 1

Izaho sy ianao dia nanaiky izany fanasana hitsapana sy hisedrana ny hisafidianantsika ny hitandrina ny didin’ Andriamanitra rehefa tsy ho eo anatrehan’ny Raintsika any An-danitra izany.

Na dia nisy aza izany fanasana feno fitiavana avy amin’ny Raintsika any An-danitra izany dia nandresy lahatra ny iray ampahatelon’ny zanaka fanahy mba hanaraka azy sy hitsipaka ny drafitry ny Ray ho an’ny fivoarana sy fahasambarana mandrakizaintsika i Losifera. Vokatry ny fikomian’i Satana dia noroahina niaraka tamin’ireo mpanara-dia azy izy. Izao izy dia miezaka hampivily lalana olona maro indrindra araka izay tratrany mba hivadika amin’ Andriamanitra mandritra ity fiainana an-tany ity.

Ireo tamintsika izay nanaiky ilay drafitra dia nanaiky izany noho ny finoantsika an’i Jesoa Kristy, izay nanolo-tena ny ho lasa Mpamonjy sy Mpanavotra antsika. Tsy maintsy hoe nino isika tamin’izany fa ho lehibe kokoa foana ny herin’ny tsara, na inona na inona fahalemena mety ho ananantsika ety an-tany, ary na inona na inona herin’ny ratsy hifanehitra amintsika.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia mahafantatra sy tia anao. Tian’ Izy Ireo ianao hiverina any amin’ Izy Ireo ary ho lasa tahaka Azy Ireo. Ny fahombiazanao no fahombiazan’ Izy Ireo. Tsapanao ny fanamafisan’ny Fanahy Masina izany fitiavana izany rehefa namaky na nahare ireto teny ireto ianao: “Fa indro izao no asako sy voninahitro—ny manatanteraka ny tsy fahafatesana sy ny fiainana mandrakizain’ny olona.” 2

Andriamanitra dia manana ny hery hahatonga ny lalantsika ho mora diavina. Nanome mana ny zanak’i Isiraely Izy rehefa nirenireny nihazo ny tany nampanantenaina izy ireo. Nandritra ny asa fanompoana nataony tety an-tany ny Tompo dia nanasitrana ny marary, nampitsangana ny maty, ary nampitony ny ranomasina. Taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty dia nanokatra ny “[t]ao an-tranomaizina ho an’ireo izay nifatotra” Izy. 3

Na dia ny Mpaminany Joseph Smith, iray amin’ireo mpaminaniny lehibe indrindra aza dia nijaly tao an-tranomaizina ary nampianarina ilay lesona izay nahazoantsika rehetra tombontsoa sy ilaintsika mandritra ireo fisedrana ny finoantsika izay mitranga tsy tapaka : “Ary raha hatsipy any an-davaka ianao na eo an-tanan’ireo mpamono olona, ary handalo aminao ny fanamelohana ho faty; raha hatsipy any amin’ny lalina ianao; raha mikomy aminao ny alon-drano misamboaravoara; raha manjary fahavalonao ny rivotra mahery; raha manangona haizina ny lanitra, ary miray tsikombakomba ny singa rehetra mba hamefy ny lalana; ary ambonin’izany rehetra izany, raha ireo valanoranon’ny helo no hampitanatana ny vavany mba hitelina anao, dia fantaro anaka, fa ireo zavatra rehetra ireo dia hanome anao traikefa ary ho soa ho anao izany.” 4

Ary ho rariny ianao raha hanontany tena hoe nahoana ny Andriamanitra be fitiavana sy mahefan’ny zava-drehetra no mamela ny fisedrana antsika ety an-tany ho tena mafy tokoa. Izany no izy satria fantany fa tsy maintsy mitombo ao amin’ny fahadiovana sy tanjaka ara-panahy isika vao afaka miaina eo anatrehany ao anaty fianakaviana mandrakizay. Mba hahatanteraka izany, ny Ray any An-danitra dia nanome antsika Mpamonjy ary ny hery mba hisafidy ho an’ny tenantsika amin’ny alalan’ny finoana ny hitandrina ireo didiny ary ny hibebaka ka hanatona Azy avy amin’izany.

Ny ivon’ny drafitry ny Ray ho an’ny fahasambarana dia ny hahalasa antsika bebe kokoa hatrany tahaka an’i Jesoa Kristy Zanany Malala. Amin’ny zava-drehetra dia ny ohatry ny Mpamonjy no tari-dalana tsara indrindra ho antsika. Tsy navahana Izy fa nila nosedraina ihany koa. Niaritra ho an’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra Izy, nanefa ny saran’ny fahotantsika rehetra. Nahatsapa ny fijalian’izay rehetra niaina sy mbola hiaina ety an-tany Izy.

Rehefa manontany tena ianao hoe hatraiza ny fanaintainana azonao zakaina dia tsarovy Izy. Niaritra ny zavatra ijalianao Izy mba hahafahany mahafantatra ny fomba hankaherezana anao. Mety tsy hanaisotra ilay enta-mavesatra Izy fa hanome anao kosa tanjaka, fampiononana ary fanantenana. Fantany ny lalana. Nisotro ilay kapoaka mangidy Izy. Niaritra ny fijalian’ny rehetra Izy.

Voakolokolo sy ampiononin’ny Mpamonjy be fitiavana mahafantatra ny fomba hamonjena anao amin’izay mety ho fisedrana atrehanao ianao. Nampianatra i Almà hoe:

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany; ary izany dia ny mba hahatanteraka ny teny izay milaza fa hitondra eo Aminy ny fanaintainana sy ny aretin’ny olony Izy.

“Ary haka ny fahafatesana ho eo Aminy Izy, mba hahazoany mamaha ny famatoran’ny fahafatesana izay mamatotra ny olony; ary haka ny rofiny ho eo Aminy Izy mba hahatonga ny ao anatiny ho feno famindram-po araka ny nofo, mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny.” 5

Ny fomba iray hamonjeny anao dia ny manasa anao hatrany hahatsiaro Azy lalandava sy hanatona Azy. Namporisika antsika Izy tamin’ny alalan’ilay hoe:

“Mankanesa aty amiko, hianareo izay mavesatra entana, fa Izaho hanome anareo fitsaharana.

“Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho: dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” 6

Ny fomba hanatonana Azy dia ny mivoky amin’ny teniny, mampihatra finoana mitondra ho amin’ny fibebahana, misafidy ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana amin’ny alalan’ireo mpanompony nahazo fahefana, ary ny mitandrina ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ Andriamanitra. Mandefa ny Fanahy Masina Izy mba ho namanao, mpampionona anao, ary mpitari-dalana anao.

Rehefa miaina mba ho mendrika ny fanomezana ny Fanahy Masina ianao dia hitarika anao amin’ny lalana azo antoka ny Tompo na dia rehefa tsy afaka mahita ny lalana tokony haleha aza ianao. Ho ahy manokana dia matetika Izy no nampiseho ny dingana iray na roa manaraka tokony nodiavina. Mahalana no hanomezany ahy topimaso ny amin’ny hoavy rahatrizay, nefa na dia ireo topimaso tsindraindray ireo aza dia mibaiko ny safidiko eo amin’ny andavanandrom-piainana.

Nanazava ny Tompo hoe:

“Tsy hainareo jerena amin’ny masonareo voajanahary amin’izao fotoana izao ny fikasan’ Andriamanitrareo momba ireo zavatra izay ho avy rahatrizay ireo, ary ny voninahitra izay hanaraka aorian’ny … fahoriana be.

“Fa tonga aorian’ny fahoriana be ny fitahiana.” 7

Ny fitahiana lehibe indrindra ho avy rehefa mampiseho isika fa mahatoky ao amin’ny fanekempihavanantsika mandritra ny fisedrana antsika dia ny fiovan’ny tenantsika. Amin’ny alalan’ny fisafidianantsika ny hitandrina ny fanekempihavanantsika dia afaka miasa ao amintsika ny herin’i Jesoa Kristy sy ireo fitahian’ny Sorompanavotany. Azo alefahina ny fontsika ka hitia sy hamela ary hanasa ny hafa hanatona ny Mpamonjy. Hitombo ny fahatokiantsika ny Tompo. Ary hihena ny tahotra ao amintsika.

Fa izao, na dia eo aza ny fitahiana lehibe toy izany izay ampanantenaina aorian’ny fisedrana dia tsy mitady fahoriana isika. Mandritra ny fiainana an-tany dia hanana fahafahana ampy isika ny haneho ny fahatokiantsika, hisedra fitsapana mafy ary ampy mba hahatonga antsika ho lasa tahaka ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra kokoa hatrany.

Ankoatra izany dia tsy maintsy mahatsikaritra ny fisedrana mahazo ny hafa isika ary miezaka manampy. Ho sarotra tokoa izany indrindra indrindra rehefa mahamay izaitsizy ny fisedrana mahazo antsika. Saingy ho hitantsika fa rehefa milanja ny enta-mavesatry ny hafa isika, na dia kely fotsiny aza dia ho ampatanjahana ny lamosintsika ary hahatsapa fahazavana ao amin’ny haizina isika.

Ny Tompo no Ohatra ho antsika momba izany. Teo ambony hazofijaliana tao Golgota, taorian’ny niaretany fanaintainana tena mafy izay ho nahafaty Azy raha tsy Izy no Zanaka Lahitokan’ Andriamanitra, dia nijery ireo mpamono Azy Izy ary nilaza tamin’ny Rainy hoe: “Mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony.” 8 Teo am-pijaliana ho an’ireo olona rehetra izay niaina sy mbola hiaina dia nijery an’i Jaona sy ilay reniny vonton’alahelo avy teo amin’ny hazofijaliana Izy ka nanompo azy tao amin’ny fisedrana nahazo azy:

“Ary nony hitan’i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!

“Dia hoy koa Izy tamin’ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’izany ora izany dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy.” 9

Tamin’ny alalan’ny zavatra nataony tamin’izany fotoana masina indrindra izany dia nanolo-tena hanolotra ny ainy ho antsika tsirairay avy Izy, tsy famonjena ho an’ity fiainana ity ihany no natolony fa fiainana mandrakizay ho an’ny fiainan-koavy ihany koa.

Izaho dia nahita olona nasandratra avo tokoa noho ny fahatokian’izy ireo tamin’ny fisedrana mahatsiravina nahazo azy ireo. Ankehitriny dia ahitana ohatra maro amin’izany manerana ny Fiangonana. Mitolefika ao anatin’ny fahoriana mahazo azy ireo ny olona. Fa avy amin’ny faharetana sy ezaka ataon’izy ireo amim-pahatokiana dia lasa mitovy kokoa amin’ny Mpamonjy sy ny Raintsika any An-danitra izy ireo.

Nianatra lesona iray hafa aho avy amin’ny reniko. Fony izy zazavavy dia voan’ny difiteria ary efa saika maty. Taty aoriana dia voan’ny méningite tao amin’ny hazondamosina izy. Mbola tanora dia maty ny rainy, ka ny reniko sy ireo anadahiny dia nanampy tamin’ny famelomana ny renin’izy ireo.

Ny fiainany manontolo dia nahatsapany ny vokatry ny fisedran’ny aretina. Nandritra ireo 10 taona farany teo amin’ny fiainany dia tsy maintsy nandalo fandidiana imbetsaka izy. Saingy tao anatin’izany rehetra izany dia naneho ny fahatokiany tamin’ny Tompo izy, na dia rehefa lasa narary mafy tsy tafatsangana am-pandriana intsony aza. Ny hany sary teo amin’ny rindrin’ny efitra fatoriany dia ny sarin’ny Mpamonjy. Izao no teny farany nolazainy tamiko teo am-pandriany talohan’ny nahafatesany: “Hal a! Ohatra an’ny voan’ny gripa ianao izany. Mila mitandrin-tena tsara ianao.”

Tamin’ny fivoriam-bavaka fanaovam-beloma farany azy dia ny Loholona Spencer W. Kimball no mpandahateny farany. Taorian’ny firesahana momba ny fahoriany sy ny fahatokiany dia izao no zavatra tena nolazainy: “Ny sasany aminareo dia mety hanontany tena hoe nahoana i Mildred no tsy maintsy nijaly mafy nandritra ny fotoana ela. Holazaiko anareo ny antony. Satria tian’ny Tompo hotefena misimisy kokoa izy.”

Maneho fankasitrahana aho noho ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy maro izay mizaka enta-mavesatra amin’ny finoana matanjaka ary manampy ny hafa hizaka ny azy eo am-pikatsahan’ny Tompo ny hanefy azy ireo misimisy kokoa. Maneho fitiavana sy fiderana ho an’ireo izay mikarakara sy ireo mpitarika manerana izao tontolo izao ihany koa aho, ireo izay manampy ny hafa ao anatin’ny fanefena azy ireo sy ny fianakaviany amin’ny fisedrana.

Mijoro ho vavolombelona aho fa isika dia zanaky ny Ray any An-danitra tia antsika. Tsapako ny fitiavan’ny Filoha Russell M. Nelson antsika rehetra. Izy no mpaminanin’ny Tompo eto amin’izao tontolo izao ankehitriny. Izany no ijoroako ho vavolombelona amin’ny anarana masin’i Jesoa Kristy Tompo, amena.