2010
Fahatazanana avy eny amin’ny Toerana Avo kokoa
Aogositra 2010


Ho an’ny Tanora

Fahatazanana avy eny amin’ny Toerana Avo Kokoa

Nandritra ny fahatanorako dia nanana fahafahana im-betsaka aho nanao batisa ho an’ny maty tao amin’ny Tempolin’i San Diego Californie. Na dia nanana traikefa tsara hatrany aza aho, dia nisy dia iray tena niavaka izay nijanona tao an-tsaiko.

16 taona aho tamin’izay ary ny zandriko vavy dia vao feno 12 taona, ary teo am-panaovana ny diany voalohany hanaovana batisa ho an’ny maty izy. Ary satria moa vao sambany ho azy izany, dia nanapa-kevitra izahay ny handehandeha manodidina ny eo ivelan’ny tempoly taorian’ny nahavitanay izany.

Ny tokontanin’ny tempoly dia misy toerana fitazatazanana anankiroa eo amin’ny lafiny ilany, ary dia nandeha niakatra teny izahay. Satria moa ny Tempolin’i San Diego dia eo akaikin’ny lalambe roazotra izay feno fiara mifamoivoy foana, dia rehefa mijoro eo amin’ny toerana fitazatazanana ianao dia raha ny marina ilay lalambe roazotra no tazanao.

Ny fitsanganana teo amin’ny toerana avon’ny tempoly tamin’izany andro izany dia nanome ahy fomba fijery vaovao mikasika ny fiainana. Niondrika nijery an’izao tontolo izao miaraka amin’ireto fiarany miriotra mafy aho, sy ireo toeram-pivarotana feno olona, ary ireo mari-pamantaran-dalàna voarakotra kisarisary miloko maro.

Tamin’io fotoana io no tonga tao an-tsaiko ilay heritreritra hoe: “Tsy te ho isan’izao ianao, tsy izao no tena fiainana.” Nampianarina hatrany aho fa ny tanjon’ny fiainana dia ny hiverina hiaina hiaraka amin’ny Raintsika any an-danitra ary ho tonga tahaka Azy. Fantatro fa tsy mila ny zavatr’izao tontolo izao aho raha hanatratra izany tanjona izany.

Nihodina aho ary nijery ity tempoly mahafinaritra, ary feno fankasitrahana noho ny fahafantarana ny filazantsara sy ny fomba fijery nomen’izany ahy. Fantatro fa teo am-povoan’ny tontolo mikorontana sy feno fitaka, dia nahita toerana avo hitsanganana aho.

Tamin’io andro tany amin’ny tempoly io aho no nampanantena ny Raiko any an-danitra fa hijoro eo anilany hatrany fa tsy eo anilan’izao tontolo izao. Na inona na inona zavatra atolotr’izao tontolo izao amintsika, dia azontsika resena izany amin’ny alalan’ny fanajana ireo fanekempihavanana nataontsika sy ny fijoroana eo amin’ny fitoerana masina (jereo F&F 87:8).

Hamoaka printy