Niresaka Tamiko ny Bokin’i Môrmôna
Gina Baird, Utah, Etazonia
Rehefa voalaza fa voan’ny homamiadan’ny rà ny zanakay farany, Amanda, izay roa taona, dia sarotra ny nahazo azy, satria tsy sitrana ny homamiadana nahazo azy taorian’ny fanaovana “chimiothérapie.” Dia nanaovana famindrana tsokan’ny taolana izy.
Raha toa ka nipetraka tany an-tranonay tany Utah ny vadiko sy ny zanakay roalahy, dia izaho kosa nipetraka niaraka tamin’i Amanda tany amin’ny faritany hafa nanomboka ny Septambra hatramin’ny tapany voalohan’ny volana Janoary. Tsy nankalaza ny Krismasy niaraka izahay, kanefa rehefa nifarana ny fanaraha-maso ara-pahasalamana dia niverina tany an-tokantranonay izahay.
Tamin’ny fanaraha-maso voalohany nataonay tany amin’ny hôpitaly taorian’ny niverenanay tany an-trano dia mbola nahita homamiadan’ny rà tany amin’ny selan’i Amanda indray ny dokotera. Tsy nahomby ilay famindrana tsoka natao. Rehefa nandre izany vaovao izany aho dia tahak’ireny nilentika tao anaty gorodona ireny. Efa nisedra fiahiahiana, asa, fisarahana ary fotoan-tsarotra maro ny fianakavianay. Nefa ankehitriny dia handao anay ihany ny zanakay vavy.
Niverina tany amin’ny zanako lahy roa tany an-trano aho taorian’izay. Mandram-piandrasanay ny vadiko ho tonga ao an-trano dia samy naka ny Bokin’i Môrmôna anay izahay ary nanomboka namaky izany. Teo amin’ny 2 Nefia 9 izahay. Teo am-pamakiana dia nahakasika ny foko ireto teny manaraka ireto:
“Teneniko anareo ireo zavatra ireo mba hahazoanareo miravoravo sy manatraka mandrakizay ny lohanareo noho ny fitahiana izay hatolotry ny Tompo Andriamanitra ny zanakareo.
“Satria fantatro fa ny maro taminareo dia efa nikaroka mafy ny hahalala ny zavatra ho avy; koa fantatro fa fantatrareo fa ny nofontsika dia tsy maintsy hihaosa sy ho faty; kanefa dia ao amin’ ny vatantsika no hahitantsika an’ Andriamanitra. …
“Fa satria efa nahatratra ny olon-drehetra ny fahafatesana mba hahatanteraka ny drafitra feno famindram-pon’ Ilay Mpahary lehibe, dia tsy maintsy ilaina ny hisian’ ny herin’ ny fitsanganana amin’ ny maty. …
“Ô endrey ny halehiben’ ny hatsaram-pon’ ny Andriamanitsika izay manomana lalana mba hialantsika amin’ ny fihazonan’ io biby mahatsiravina io; eny, ilay biby, fahafatesana. …
“Ary tonga amin’ izao tontolo izao Izy hahazoany mamonjy ny olon-drehetra raha mety mihaino ny feony izy; fa indro, miaritra ny fijalian’ ny olon-drehetra Izy, eny, ny fijalian’ ny manan’ aina tsirairay, na lehilahy na vehivavy na ankizy, izay isan’ ny fianakavian’ i Adama.
“Ary miaritra izany Izy mba hahatanteraka ny fitsanganana amin’ ny maty amin’ ny olon-drehetra ka hahazoan’ ny rehetra mijoro eo anoloany amin’ ny andro lehibe sady fitsarana” (2 Nefia 9:3–4, 6, 10, 21–22).
Teo am-pamakiana ireo teny ireo aho dia nanenika ny efitrano ny Fanahy Masina. Tsapako fa fantatry ny Raiko any an-danitra ny vaovao voaraiko tamin’izany andro izany. Tsapako fa ireo tenin’ny mpaminany Jakoba izay nosoratany mihoatra ny 2.000 taona lasa dia nosoratana ho ahy ary avy tamin’ny Mpamonjy mivantana. Fantany ny fijaliana sy ny alahelo tsapako taorian’ny fandrenesana fa ho faty ny zanako. Ary dia teo Izy nampionona ny fianakaviako tamin’ny Fampanantenany fa nanomana lalana Izy ary indray andro any, amin’ny alalan’ny herin’ny Fitsanganana amin’ny maty, “ao amin’ ny vatantsika no hahitantsika an’ Andriamanitra.”
Mbola niaina taona iray fanampiny i Amanda, saingy tsy adinoko velively ny andro izay nikasihan’ny Bokin’i Môrmôna ahy tao anatin’ny fotoan-tsarotra ary nanomezan’ny Tompo ahy fanantenana, fampiononana ary fahatakarana ny Drafiny.