2011
Sehatra Iray Lehibe Hanaovana Asa
Desambra 2011


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Desambra 2011

Sehatra Iray Lehibe Hanaovana Asa

Halalino ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao.

Finoana • Fianakaviana • Fanampiana

Ny Tompo, sy ny Fiangonany, sy ny fianakaviana, ary ny fiaraha-monina dia mila ny hery mitarika avy amin’ny vehivavy marina. Ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa: “Ny rahavavy tsirairay ato am-piangonana izay nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo dia manana andraikitra masina hanampy amin’ny fanavotana ny fanahy, hitarika ireo vehivavin’izao tontolo izao, hanamafy orina ireo tokantranon’i Ziona, ary hanorina ny fanjakan’Andriamanitra.”1

Ny rahavavy sasany dia mety manontany tena raha afaka manatanteraka tanjona ambony tahaka izany. Kanefa tahaka ny nazavain’i Eliza R. Snow (1804–87), Filoha faharoan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany hoe: “Tsy misy rahavavy mitokantokana loatra, na voafetra loatra fahafahany mivelatra ka tsy afaka hanao na inona na inona mikasika ny fananganana ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany.”2 Nampianatra koa ny Rahavavy Snow fa natsangana ny Fikambanana Ifanampiana mba “ho fanatontosana asa tsara sy mendri-kaja.”3

Ny fandraisana anjara ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana dia mampitombo ny sehatry ny fampiasantsika ilay hery mitarika eo amintsika amin’ny alalan’ny fanomezana ny rahavavy tsirairay fahafahana hanorina finoana, hanamafy orina ny fianakaviana sy ny tokantrano, ary hanao asa fanompoana na ao an-tokantrano izany na manerana an’izao tontolo izao. Ary soa ihany, fa ny ezaka ataon’ny tsirairay sy ny Fikambanana Ifanampiana dia tsy voatery hoe goavana sy mavesatra, fa tokony hatao an-tsitrapo sy tsy tapaka fotsiny. Ny fanaovan-javatra tsara toy ny vavaka manokana sy ny vavaky ny mpianakavy isan’andro, ny fandalinana ny soratra masina isan’andro, ary ny fanatanterahana tsy tapaka ny antso ao am-piangonana dia hanampy hampitombo ny finoana sy hanorina ny fanjakan’ny Tompo.

Nanambara an’izao ny Loholona Ballard ho an’ireo rahavavy izay manontany tena hoe tena hanova zavatra ve ireo fandraisana anjara mangingina ireo: “Ny rahavavy rehetra izay mijoro amin’ny fahamarinana dia mampihena ny fitarihan’ny ratsy. Ny rahavavy rehetra izay manamafy orina sy miaro ny fianakaviany dia manao ny Asan’Andriamanitra. Ny rahavavy rehetra izay miaina tahaka ny vehivavin’Andriamanitra dia lasa fanilo arahan’ny hafa ary mamafy voan’ny fitarihana ho amin’ny tsara izay hojinjaina ho an’ny folo taona maro hifandimby ho avy.”4

Avy amin’ny Soratra Masina

1 Korintiana 12:4–18; 1 Timoty 6:18–19; Mosià 4:27; Fanekem-pinoana 1:13

Avy amin’ny Tantarantsika

I Eliza R. Snow, izay mpitantsoratra rehefa naorina tao Nauvoo ny Fikambanana Ifanampiana, dia nantsoin’ny Filoha Brigham Young (1801–77) mba handeha manerana ny Fiangonana, hanampy ny eveka hanangana ny Fikambanana Ifanampiana any amin’ny paroasin’izy ireo.

Nampianatra ny Rahavavy Snow hoe: “Raha toa ka misy zanakavavy na reny ao Isiraely mahatsapa fa voafetra na dia kely fotsina aza ny sehatra ahafahany miasa dia hanana hery sy tanjaka bebe kokoa izy ireo ankehitriny hanaovana zavatra tsara amin’ny alalan’izay tena ananany be dia be tokoa. … Ny Filoha Young dia nanokatra ny varavaran’ny fahafahana hanana sehatra midadasika sy lehibe hanaovana asa sy zavatra mahasoa.”5

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Women of Righteousness,” Liahona, Des. 2002, 39.

  2. Eliza R. Snow, “An Address,” Woman’s Exponent, Sept. 15, 1873, 62.

  3. Eliza R. Snow, “Female Relief Society,” Deseret News, 22 Apr. 1868, 81.

  4. M. Russell Ballard, Liahona, Des. 2002, 39.

  5. Eliza R. Snow, Deseret News, Apr. 22, 1868, 81.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no ahafahako manampy ireo rahavavy izay tsidihiko hahafantatra sy hampiasa ny fahafahany ho tonga hery mitarika ho amin’ny tsara?

  2. Ahoana no ahafahako mampiasa ireo fanomezam-pahasoavako sy ireo talentako mba hitahiana ny hafa?

Hamoaka printy