2013
Niova fo ho an’ny Tompo
Febroary 2013


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2013

Niova Fo ho an’ny Tompo

Halalino amim-bavaka ity hafatra ity ary raha ilaina dia ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny rahavavy izay vangianao. Ampiasao ireo fanontaniana mba hanampy anao hampatanjaka ireo rahavavy sy hahatonga ny Fikambanana Ifanampiana hanana toerana lehibe eo amin’ny fiainanao. Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Mila ny fanohanana sy ny finamanan’ireo mpamangy isan-tokantrano ireo rahavavy vaovao ao amin’ny Fiangonana—anisan’izany ireo Zatovovavy miakatra ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, sy ireo rahavavy izay niverina ho mazoto, ary ireo vao niova fo—. “Ny fandraisan’anjaran’ny mpikambana no hery iankinan’ny fitazonana ireo niova fo, sy ny fitondrana ireo mpikambana malaindaina hiverina amin’ny fahavitrihana tanteraka,” hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Alaivo sary an-tsaina ny fahitana fa ny Fikambanana Ifanampiana … dia afaka ho tonga [iray amin’ireo] loharanon’ny finamanana matanjaka indrindra izay ananantsika ao amin’ny Fiangonana. Tolory tànana avy hatrany ireo izay nampianarina sy naverina nampahavitrihana, ary tiavo izy ireo ao am-piangonana amin’ny alalan’ny fikambananareo.”1

Amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana, dia afaka manampy ireo mpikambana vaovao isika mba hianatra ireo zavatra fototra fanao ao am-piangonana toy ny:

  • Fanaovana Lahateny.

  • Fijoroana ho vavolombelona.

  • Fiainana ny lalàn’ny fifadian-kanina.

  • Ny fandoavana ny fahafolonkarena sy ireo fanatitra hafa.

  • Fandraisana anjara amin’ny asa fanaovana ny tantaram-pianakaviana.

  • Fanaovana batisa sy fandraisana ho mpikambana ireo razamben’izy ireo izay efa maty.

“Tena namana tia mikarakara no ilaina mba hahatonga ireo mpikambana vaovao hahatsapa ho mahazo aina sy voaray tsara ao amin’ny Fiangonana,” hoy ny Loholona Ballard.2 Isika rehetra, fa indrindra ireo mpamangy isan-tokantrano dia manana andraikitra manan-danja hanorina finamanana amin’ireo mpikambana vaovao, ho toy ny fomba iray hanampiana azy ireo ho lasa mafy orina amin’ny “[fiovam-po] ho an’ny Tompo” (Almà 23:6).

Avy amin’ny Soratra Masina

2 Nefia 31:19–20; Môrônia 6:4

Avy amin’ny Tantarantsika

“Manoloana ny fitomboan’ny isan’ny mpikambana vaovao izay tsy mitsaha-mitombo,” hoy ny Filoha Gordon B. Hinckley (1910–2008), “dia tokony hanao ezaka miavosa hatrany hatrany isika mba hanampiana azy ireo hahita ny lalan-kizorany. Mila zavatra telo ny tsirairay avy amin’izy ireo dia: namana, sy andraikitra, ary ny famahanana azy ireo amin’ny ‘teny soan’Andriamanitra’ (Môrônia 6:4).”3

Ireo mpamangy isan-tokantrano dia tokony ho vonona ny hanampy ireo izay olona iandraiketany. Mazàna dia atomboka amin’ny finamanana aloha izany, toy izay nitranga tamin’ny rahavavy tanora iray ao amin’ny Fikambanana Ifananmpiana izay mpamangy isan-tokantranon’ny rahavavy izay efa zokinjokiny. Nanorina finamanana tsikelikely izy ireo mandra-pahatonga azy ireo niara-niasa tamin’ny tetikasa fanadiovana iray. Lasa mpinamana izy ireo, ary nony niresaka mikasika ny Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano izy ireo dia samy voafahana tamin’ny “teny soan’Andriamanitra.”

Ny Filoha Joseph Fielding Smith (1876–1972) dia nilaza fa ny Fikambanana Ifanampiana “no anisan’ny hery iankinanin’ny fanjakan’Andriamanitra eto an-tany ary … manampy ireo mpikambana mahatoky ao mba hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny fanjakan’ny Raintsika.”4

Fanamarihana

  1. M. Russell Ballard, “Members Are the Key,” Liahona, Sept. 2000, 18.

  2. M. Russell Ballard, Liahona, Sept. 2000, 17.

  3. Gordon B. Hinckley, “Every Convert Is Precious,” Liahona, Feb. 1999, 9.

  4. Joseph Fielding Smith, ao amin’ny Filles dans mon royaume: L’histoire et l’œuvre de la Société de Secours (2011), 97.

Inona no Azoko Hatao?

  1. Moa ve aho mivavaka ho an’ny namana mpiara-mamangy amiko sy mangataka mba hahafahan’ny Fanahy hitarika anay rehefa manompo ireo rahavavinay izahay?

  2. Ahoana no fomba ahafahantsika manompo ny rahavavy tsirairay izay iandraiketantsika mba hahafahan’izy ireo mahafantatra fa tena mikarakara azy ireo marina isika?