Nosoratan’i LaRene Porter Gaunt sy Linda Dekker Lopez
Gazetibokin’ ny Fiangonana
Ny misiônera rehetra na taloha na amin’izao fotoana izao dia manompo miaraka amin’ny fanantenana hanatsara kokoa ny fiainan’ny olona hafa.
Ireo misiônera ankehitriny dia mbola manohy mitondra ilay lova lehibe hoe hameno ny tany amin’ny fahalalana ny Tompo (jereo ny Isaia 11:9). Ireo misiônera ao amin’ny soratra masina sy ny tantaran’ny Fiangonana manomboka any amin’i Abrahama, i Paoly, i Amôna ka hatramin’i Wilford Woodruff dia manome ohatra tena tsara alain-tahaka ho an’ireo misiônera amin’izao fotoana izao.
Na mpikambana mitory filazantsara isika, na miomana hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno, na am-perinasa manao asa fitoriana, na niverina avy nanao asa fitoriana, dia afaka mahazo herim-po sy fitaomam-panahy avy amin’ireo ohatra ireo.
Ireo lovantsika momba ny asa fitoriana ao amin’ny Baiboly sy ny Voahangy lafo Vidy
Ireo misiônera ao amin’ny testamenta Taloha toa an’i Jona dia nantsoina mba hampiely feo fampitandremana ho an’ny olona (jereo ny Ezekiela 3:17–19). Hitantsika avy amin’ny ohatra nasehon’i Jona ny maha zava-dehibe ny fibebahana sy ny fankatoavana. Ny tantaran’i Abrahama dia mampianatra antsika mikasika ny loharano niavian’ny Fisoronana Melkizedeka sy ny fahefany.
Ireo misiônera ao amin’ny Testamenta Vaovao toa an’i Petera sy Paoly dia niasa mba hiarovana ireo fampianaran’i Jesoa Kristy. Na dia izany aza dia tafalatsaka tao anatin’ny apôstazia izao tontolo izao rehefa nandeha ny fotoana. Namerina ny filazantsara tamin’ny laoniny Andriamanitra tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith. Miasa toy ny nataon’ireo misiônera ireo isika ankehitriny mba hiaro sy hizara ireo fampianaran’i Jesoa Kristy.
Ireo lovantsika momba ny asa fitoriana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna
I Almà, i Amioleka sy ireo zanakalahin’i Môsia ary i Samoela ilay Lamanita dia vitsivitsy fotsiny amin’ireo misiônera lehibe tsara alain-tahaka izay hitantsika ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy amin’izy ireo no ahitantsika ohatra mikasika ny fibebahana, ny finoana, ny fankatoavana ary ny fananana herimpo. Afaka miantehitra amin’ny fitaomam-panahy sy ny fanambarana avy amin’Andriamanitra toa azy ireo isika mba hitantanana ny asa fitoriana ataontsika.
Ny lovantsika momba ny asa fitoriana hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana
Tena nilaina ireo misiônera taorian’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Nizara ny Bokin’i Môrmôna sy ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ireo misiônera toa an-dry Dan Jones, Orson Hyde, ary Parley P. Pratt. Ny sasany toa an’i Samuel rahalahin’ny mpaminany Joseph dia nanompo tany akaikin’ny toeram-ponenany. Ny sasany dia nanao dia lavitra mba hizara ny filazantsara tany amin’ny toerana toa an’i Thaïlande, sy ireo Nosy Sandwich (Hawai), sy Danemark ary Angleterre.
Ireo misiônera tany am-piandohana ireo matetika dia nanompo nandritra ny fotoana ela be ary nanao asa fitoriana im-betsaka. Nilaozan’izy ireo ny ray aman-dreny, ny olon-tiana, ny vady, ny zanaka ary ny zafikely toy ny ataontsika koa. Izy ireo dia ohatra ho antsika ankehitriny eo amin’ny lafin’ny finoana, ny fananana herimpo, ny fankatoavana, ny faharetana ary ny fahavitrihana.
Manorina eo ambonin’ny Lovantsika avy amin’ny Asa Fitoriana
Olomasin’ny Andro Farany an’alin-kisa no efa lasa misiônera nanomboka tamin’ny fotoana nanambaran’ny Filoha Thomas S. Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Ôktôbra 2012 fa afaka mandeha manao asa fitoriana amin’ny taona latsaka kely amin’ilay teo aloha ny zatovolahy sy ny zatovovavy.
Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny Aprily 2013 dia nizara ny fijoroany ho vavolombelona momba ny asa fitoriana ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly ary namporisika antsika tsirairay mba hitana toerana manan-danja eo amin’ity fahagagana mihatanteraka ity amin’ny alalan’ny fitondrana fanampiana eo amin’ny fitadiavana ireo izay vonona hihaino ny filazantsara: “Tahaka ny maha azo antoka ny nanentanan’ny Tompo ny fanahin’ireo misiônera betsaka kokoa mba hanompo no hamohazana ihany koa ny saina sy hanokafany ny fon’ny olon-tsara sy marin-toetra maro kokoa mba handray ireo misiônerany. Efa fantatrao izy ireo na mbola ho fantatrao. Ao amin’ny fianakavianao izy ireo ary mipetraka ao amin’ny manodidina anao. Mandalo eo amin’ny lalanao izy ireny, mipetraka eo akaikinao any am-pianarana ary mifanerasera aminao amin’ny Internet” (“Fahagagana Izany,” Liahona, Mey 2013, 78).