2014
Ilay Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpiandry Ondry Tsara
Febroary 2014


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Febroary 2014

Ilay Asa Masina Nanirahana an’i Jesoa Kristy: Mpiandry Ondry Tsara

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ilay fahatakarana ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy mampitombo ny finoanao Azy sy mitahy ny fiainan’ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Nampianatra i Jesoa Kristy, ilay Mpiandry Ondry Tsara hoe:

“Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? …

“Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin’ny mpanota iray izay mibebaka” (Lioka 15:4, 7).

Rehefa takatsika fa i Jesoa Kristy no ilay Mpiandry Ondry Tsara dia hitombo ny faniriantsika hanaraka ny ohatra nasehony sy hanompo ireo izay mila fanampiana. Hoy Jesoa: “Izaho no Mpiandry Tsara, ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho. … Ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry” (Jaona 10:14–15). Noho ny Sorompanavotan’i Kristy dia tsy hisy amintsika ho tena very ka tsy hahita ny lalana mody any an-trano (jereo ny Lioka 15).

Hoy ny Filoha Thomas S. Monson hoe: “Antsika ny andraikitra mba hikarakara ny andian’ondry. … Enga anie isika tsirairay mba handray ilay fahafahana mba hanompo.”1

Avy ao min’ny Soratra Masina

Salamo 23; Isaià 40:11; Môsià 26:21

Avy amin’ny Tantarantsika

I Elizabeth Ann Whitney, izay sambany vao nanatrika ny fivorian’ny Fikambanana Ifanampiana dia niresaka ny amin’ny fiovam-pony tamin’ny 1830: “Raha vantany vao naheno ny Filazantsara araka ny nitorian’ireo misiônera lehilahy azy aho dia fantatro fa feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara izany.”2 Nanaraka ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara i Elizabeth ary natao batisa sy noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana.

Isika ihany koa dia afaka maheno ny feon’ilay Mpiandry Ondry Tsara sy mizara ny fampianarany amin’ny hafa. Hoy ny Filoha Monson hoe: “Isika no tanan’ny Tompo ety an-tany, ary nodidiana mba hanompo sy hampitraka ireo zanany.”3

Toy ireo mpiandry ondry izay mitady ondry very iray dia mety mitady zanaka iray izay mirenireny koa ny ray aman-dreny. Nilaza ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolo-tsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Ho an’ireo ray aman-dreny manana fo maratra izay nahatoky sy nazoto ary nivavaka matetika tamin’ny fampianarana ireo zanaka tsy mpankatò dia hoy izahay aminareo hoe, miaro azy ireo ilay Mpiandry Ondry Tsara. Fantatr’ Andriamanitra sy takany ny alahelo lalina anananareo. Misy ny fanantenana.”4

Fanamarihana

  1. Thomas S. Monson, “Heavenly Homes, Forever Families,” Liahona, Jona 2006, 70.

  2. Elizabeth Ann Whitney, in Filles dans Mon Royaume: L’histoire et l’oeuvre de la Société de Secours (2011), 128.

  3. Thomas S. Monson, “Inona no Zavatra Nataoko ho an’ny Hafa Androany?” Liahona, Nôv. 2009, 86.

  4. James E. Faust, “Dear Are the Sheep That Have Wandered,” Liahona, Mey 2003, 68.

Inona no Azoko Atao?

  1. Ahoana no fomba hitondran’ny fahafantarana fa ny Mpamonjy no ilay Mpiandry Ondry Tsara fiadanana eo amin’ny fiainantsika?

  2. Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika manompo ireo izay “very” amin’ny fahazotoana ao am-piangonana na ireo izay tsy mitovy finoana amintsika?

  3. Ahoana no ahafahako manohana ireo ray aman-dreny izay manana zanaka nivily lalana tamin’ny fiainana ny filazantsara?

Hamoaka printy