I Kristy ilay Mpanavotra
Nitahy ny olona rehetra nanomboka tamin’i Adama ilay olombelona voalohany ka hatramin’ny olona farany indrindra amin’ny olombelona rehetra ny sorona nataon[’ny Mpanavotra].
Teraka sy maty tao anatin’ny toe-javatra tena niavaka i Jesoa Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra. Niaina sy lehibe tao anatin’ny toe-piainana tsotra Izy ary tsy mba nanana harena. Toy izao no nolazainy mikasika ny tenany: “Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voromanidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany” (Lioka 9:58).
Tsy mba nomena mari-boninahitra na tombontsoa na mari-pankasitrahana manokana Izy na nahazo fikarakarana manokana avy tamin’ireo mpitarika ankolafy pôlitika teto an-tany na avy tamin’ireo mpitondra fivavahana tamin’ny androny. Tsy mbola nipetraka teny amin’ireo fipetrahana aloha indrindra tao amin’ny synagoga mihitsy Izy.
Tsotra ny fomba nitoriany ny filazantsara ary na dia olona maro be aza no nanaraka Azy, dia niompana foana tamin’ny fitahiana ny olona tsirairay ny asa fanompoana nataony. Nanatanteraka fahagagana maro tsy tambo ho isaina Izy teo anivon’ireo izay nanaiky Azy ho toy Ilay nirahin’Andriamanitra.
Nomeny fahefana sy hery hanatanterahana fahagagana “sy asa lehibe” noho izay nataony (Jaona 14:12)ny Apôstôliny, saingy tsy nomeny azy ireo velively ny fahafahana mamela fahotana. Tena tafintohina ny fahavalony rehefa nandre Azy niteny hoe: “Mandehana, ary aza manota intsony” (Jaona 8:11) na hoe: “Voavela ny helokao” (Lioka 7:48). Izy irery ihany no nanana izany zo izany satria zanak’Andriamanitra Izy ary satria hanonitra ireo fahotana ireo amin’ny alalan’ilay Sorompanavotany Izy.
Ny Hery Nananany Nandresena ny Fahafatesana
Ny hery nananany nandresena ny fahafatesana dia fahefana masina iray hafa. I Jaїro izay mpanapaka ny synagoga ary nanana ny naha-izy azy dia niangavy taminy mba “hiditra ao an-tranony fa nanana zanakavavy tokana tokony ho roa ambin’ny folo taona izy, ary efa ho faty razazavavy” (Lioka 8:41–42). Henon’ny Mpampianatra ny fiangaviany ary rehefa teny an-dalana ho any izy ireo dia indro tamy ny mpanompon’i Jaїro anankiray nilaza taminy hoe: “Maty ny zanakao vavy; aza manahirana ny Mpampianatra” (Lioka 8:49). Rehefa tafiditra tao an-trano i Jesoa dia nangataka ny olona rehetra hivoaka ary tonga dia noraisiny tamin’ny tanany ilay zazavavy ka hoy Izy hoe: “Miarena!” (Lioka 8:54).
Tao anatin’ny fotoana iray hafa, raha teny an-dalana ho any amin’ny tanànan’i Naina Izy dia nifanena tamin’ny andian’olona nidonam-pahoriana handeha handevina ary nitomany tao anatin’izany ilay vehivavy mpitondratena noho ny fahafatesan’ilay zanany lahitokana. Nanendry ilay tranovorona tamim-pamindram-po tanteraka Izy ary nilaza hoe: “Ry zatovo, hoy Izaho aminao: Miarena” (Lioka 7:14). Rehefa nahita ilay fahagagana ny olona dia nihiaka hoe: “Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika; ary … Andriamanitra efa nitsinjo ny olony” (Lioka 7:16). Tena niavaka mihitsy aza ity fahagagana iray ity satria efa nambara ho tena maty io zatovolahy io ary handeha halevina. Rehefa hita fa zatovo roa no velona indray dia nahatalanjona ireo mpino sy nampatahotra ireo mpanala baraka ny fibaribarian’ny fahefany sy ny hery nananany handresena ny fahafatesana.
Ilay toe-javatra fahatelo no tena nahatalanjona indrindra. I Marta sy i Maria ary i Lazarosy dia olona mpiray tampo izay famangin’i Kristy matetika. Rehefa nolazain’ny olona taminy fa narary i Lazarosy dia mbola nijanona roa andro izy talohan’ny nandehanany tany amin’ilay fianakaviana. Rehefa nampionona an’i Marta Izy taorian’ny fahafatesan’ny anadahiny dia nijoro ho vavolombelona tamin’ny fomba mazava taminy hoe: “Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray” (Jaona 11:25).
Rehefa nangatahan’ny Mpamonjy ireo tompom-pahoriana mba hanaisotra ny vato teo amin’ny fasana, dia nibitsika taminy i Marta sady sadaikatra hoe: “Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.” (Jaona 11:39).
Dia nampahatsiahy azy tamim-pitiavana i Jesoa hoe: “Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’Andriamanitra?” (Jaona 11:40). Ary rehefa avy niteny izany Izy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe:
“Ry Lazarosy, mivoaha.
“Dia nivoaka ny maty” (Jaona 11:43–44).
Taorian’ny nilevenan’i Lazarosy hefarana tao am-pasana dia teo anatrehan’ny porofo mivaingana tsy azony ihodivirana na hamaivanina na ovaina ireo fahavalon’ny Zanak’Andriamanitra, ary “hatramin’izany andro izany dia nihendry [tamin’ny fomba tsy voasaina sy tamin-kasomparana] hahafaty Azy ireo” (Jaona 11:53).
Ilay Didy Vaovao
Taty aoriana i Kristy velona dia nankalaza niaraka tamin’ireo Apôstôliny ny andro firavoravoana farany natrehany tamin’ny Paska ka nanao ny ôrdônansin’ny fanasan’ny Tompo ary nanome didy azy ireo mba hifankatia amin’ny alalan’ny fifanompoana amin-kitsimpo.
Ny Fijaliany tao Getsemane
Taorian’izany dia tao anatin’ny fampisehoana faratampony ny fitiavany ny olombelona sy ny fandraisana andraikitra mifanaraka tanteraka amin’ny sitrapony no nandehanany tamin-kerimpo sy tamim-pahavononana hiatrika ilay fitsapana goavana. Tao amin’ny Sahan’i Getsemane ary tao anatin’ny fanirery tanteraka no nizakany ilay fijaliana faran’izay lehibe indrindra ka nivoa-dra ny mason-kodiny. Tao anatin’ny fanoavany tanteraka ny Rainy no nanaovany sorona ho an’ny fahotantsika ary nitondrany teny Aminy koa ny aretintsika sy ny fahoriantsika mba hahafantarana ny fomba hanampiana antsika (jereo ny Almà 7:11–13).
Manana trosa aloa Aminy sy amin’ny Raintsika any an-danitra isika satria nitahy ny olona rehetra nanomboka tamin’i Adama ilay olombelona voalohany ka hatramin’ny olona farany indrindra amin’ny olombelona rehetra ny sorona nataony.
Fanamelohana sy Fanomboana Mpamonjy
Rehefa nitsahatra ny fijaliany tao Getsemane dia nitolo-tena an-tsitrapo tamin’ireo mpanaratsy azy Izy. Rehefa namadika azy ny iray tamin’ireo mpanara-dia Azy dia nomelohina haingana dia haingana tamin’ny fomba sady tsy ara-drariny no tsy ara-dalàna izy teo anatrehan’ny fitsarana izay sady nisy mpibaiko ambadika no tsy araka ny tokony ho izy. Tamin’io alina io ihany Izy dia nampangaina hoe nanao faniratsirana ary nohelohina ho faty. Tao anatin’ny fankahalany sy ny faniriany hamaly faty no nanaovan’ireo fahavalony teti-dratsy mba hanaovana an’izay hanamelohan’i Pilato Azy satria nijoro ho vavolombelona tamin’izy ireo izy fa Zanak’Andriamanitra. Mba hanatanterahana izany dia novain’izy ireo ho fikomiana fa tsy faniratsirana ilay zavatra niampangana azy mba ho amin’ny alalan’ny fanomboana eo amin’ny hazo fijaliana no hahafaty Azy.
Mbola loza bebe kokoa noho izany aza ny fanamelohana Azy teo anivon’ny Romana: fampitandremana mazava avokoa ho an’ny olona rehetra izay sahy manambara ny tenany fa mpianany ny fandrabirabiana sy ny fanaratsiana natao taminy mikasika ilay fanjakany ara-panahy, ilay fametrahana satro-boninahitra vita tamin’ny tsilo teo amin’ny lohany tamin’ny fomba feno fanambaniana, ny fikaravasiana izay nampitaraina Azy, ary ilay fijaliana naharitra nandritra ilay Fanomboana Azy ampahibemaso.
Naneho fifehezan-tena tamin’ny fomba tena niavaka ny Mpanavotra tao anatin’ny fotoana tsirairay nijaliany. Nieritreritra ny hitahy ny hafa foana Izy. Niangavy tamin-katsaram-panahy sy tamim-pitiavana an’i Jaona Izy mba hikarakara an’i Maria reniny. Nangataka ny Ray any an-danitra Izy mba hamela ireo nomena baiko mba hanombo Azy. Rehefa tanteraka ny asa tokony hataony teto an-tany dia nanolotra ny fanahiny tamin’Andriamanitra Izy ary niala aina. Nentina tany am-pasana ny vatan’i Kristy ary nitoetra tao nandritra ny telo andro.
Ny Asa Nataon’ny Mpanavotra teo anivon’ny Maty
Raha mbola tao anatin’ny fijaliana ireo mpianany noho ny alahelo sy ny hakiviana ary ny fisalasalana, dia nampivelatra kosa tamin’ny fomba vaovao ny asa fanompoana nataony ny Mpamonjy antsika. Niasa tsy an-kitsahatra mba handrindra ilay asa famonjena goavana teo anivon’ny maty Izy tao anatin’ny telo andro, izay fotoana fohy. Lasa fotoana nitondra fanantenana be dia be ho an’ny fianakavian’Andriamanitra ireo andro ireo. Nandritra io famangiany io dia nandrindra ireo mpanara-dia mahatoky azy Izy mba hilaza ny teny mahafaly amin’ireo izay tsy nahafantatra mikasika ilay drafitra lehibe na nandà izany nandritra ny fiainana teto an-tany. Manana fahafahana izy ireo ankehitriny mba ho afaka amin’ny fahababoana ary mba havotan’ilay Andriamanitry ny velona sy ny maty (jereo ny F&F 138:19, 30–31).
Ilay Santatr’izay Nodimandry
Rehefa tontosa ny asany tany amin’ny tontolon’ny fanahy dia niverina teto an-tany Izy—mba hampitambatra mandrakizay ny fanahiny sy ny vatany. Na dia nasehony tanteraka aza ny hery ananany handresena ny fahafatesana dia asehon’ireo tantara ao amin’ny soratra masina mikasika an’ireo izay novelominy indray talohan’ny Fitsanganany tamin’ny maty, fa ireo olona ireo dia tena novelomina indray tokoa saingy nampitomboina tamin’ny fomba mahagaga fotsiny ny fotoana iainany fa mbola ho faty izy ireo.
I Kristy no voalohany nitsangana tamin’ ny maty ary tsy ho faty intsony, ary Izy no voalohany manana vatana tonga lafatra sy maharitra mandrakizay. Niseho tamin’i Maria Izy tao anatin’ilay toe-batany efa nitsangana tamin’ny maty ary raha vao nahafantatra Azy i Maria dia nanomboka nitsaoka Azy. Nampitandrina azy tamim-pitiavana ilay Mpanavotra antsika mikasika ilay toe-batany vaovao sy be voninahitra hoe: “Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ny Ray aho” (Jaona 20:17)—ary porofo fanampiny izany izay mampiseho fa tena nisy ary tanteraka ilay asa fanompoana nataony tany amin’ny tontolon’ny fanahy. Taty aoriana dia hoy Izy rehefa nampiasa teny izay nanamafy ny Fitsanganany tamin’ny maty marina hoe: “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17). Taorian’ny nandehanany tany amin’ny Rainy dia niverina indray Izy ary niseho tamin’ny Apôstôliny. “Nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra raha nahita ny Tompo” (Jaona 20:20).
Hiverina ny Mpanavotra
Mijoro ho vavolombelona aho fa i Kristy dia hiverina amin’ny fomba tena samy hafa tokoa amin’ilay fiaviany voalohany. Ho avy amin-kery sy amim-boninahitra Izy miaraka amin’ireo olo-marina sy mahatoky rehetra. Ho tonga amin’ny maha-Mpanjakan’ny Mpanjaka sy Tompon’ny Tompo azy Izy sy amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fiadanana sy ilay Mesia nampanantenaina ary Mpamonjy sy Mpanavotra Azy mba hitsara ny velona sy ny maty. Enga anie isika ka ho mendrika ny hiaraka hiaina Aminy sy ho afaka ny hiaraka hanompo Aminy amim-pifaliana sy amim-panoloran-tena ary ho afaka ny haneho fahatokiana lalandava eo anatrehany hatramin’ny farany. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.