Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty
I Jesoa avy any Nazareta no ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty, ary ambarako fa marina ny zavatra rehetra izay vokatry ny fisian’ ny Fitsanganany tamin’ny Maty.
Fahatsapana faharesena sy fahakiviana tanteraka no nahazo ny mpianany rehefa nijaly ka maty teo amin’ny hazofijaliana i Jesoa ka napetraka tao am-pasana ny vata-mangatsiakany. Na dia teo aza izay nambaran’ny Mpamonjy ombieny ombieny mikasika ny Fahafatesany sy ny fitsanganany indray aorian’izany, dia tsy nahatakatra izy ireo. Ilay takariva maizin-kitroka tamin’ny Fanomboana Azy anefa, vetivety foana teo dia narahan’ilay maraim-pifalian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Saingy tsy tonga izany fifaliana izany raha tsy nony lasa vavolombelona nanatri-maso ny Fitsanganany ireo mpianany, ka na dia tsy hay notakarina aza tamin’ny voalohany ny fanambaran’ireo anjely hoe efa nitsangana Izy dia—zavatra tsy nampoizina tokoa izany.
Tonga vao maraina teny amin’ny fasan’ny Mpamonjy i Maria Magdalena sy vehivavy mahatoky vitsivitsy hafa io Alahady maraina io, nitondra zava-manitra sy emboka mba hamitana ny fanosora-menaka izay natomboka tamin’ny fotoana nametrahana maimaika tao am-pasana ny vata-mangatsiakan’ny Tompo mialohan’ny hahatongavan’ny Sabata. Tamin’io maraina lehibe io, dia fasana nivoha no nitsena azy ireo, fa efa voakodia ny vato nanarona, ary anjely roa no nanambara hoe:
“Nahoana no ato amin’ny maty no itadiavanareo ny velona?
“Tsy ato Izy, fa efa nitsangana; tsarovy ny teny izay nataony taminareo, fony Izy mbola tany Galilia hoe:
“Ny zanak’olona tsy maintsy atolotra eo an-tanan’ny mpanota, ka hohomboana amin’ny hazofijaliana ary hitsangana amin’ny andro fahatelo.”1
“Avia ka jereo fa tao no nandrian’ny Tompo.
“Ary mandehana faingana, ka lazao amin’ny mpianany fa efa nitsangana tamin’ny maty Izy.”2
Araka ny nandidian’ireo anjely dia nijery tao am-pasana i Maria Magdalena, saingy ny hany tsikariny dia ny hoe tsy ao ny vatan’ny Tompo. Nandeha faingana izy hitatitra tamin’ireo Apôstôly, ary rehefa nahita an’i Petera sy Jaona izy dia nilaza tamin’izy ireo hoe “Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.”3 Nihazakazaka teny an-toerana i Petera sy Jaona ary nanamarina fa tena foana tokoa ny fasana, ary nahita “ny lamba-paty nipetraka teo … ary ny mosara izay nafehy ny lohany, … [dia] voavalona mitokana.”4 Toa i Jaona no voalohany nahatakatra ny hafatra mahatalanjon’ny fitsanganana amin’ny maty. Nanoratra izy fa “nahita ka nino,” raha ny hafa kosa hatreo dia “tsy mbola [nahafantatra] ny soratra masina fa tsy maintsy hitsangana amin’ny maty Jesosy.”5
Lasa i Petera sy i Jaona, fa i Maria kosa mbola nijanona teo ivelany sady mbola nalahelo. Tamin’izay fotoana izay dia niverina ireo anjely ka nanontany azy moramora hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Ary hoy izy tamin’izy ireo, Satria nalain’olona ny Tompoko ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.”6 Tamin’izay fotoana izay indrindra no niteny ny Mpamonjy izay efa tafatsangana ary nijoro tao aoriany nanao hoe: “Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy ka hoy izy taminy, Tompoko, raha ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.”7
Nanoratra toy izao ny Loholona James E. Talmage hoe: “I Jesoa Kristy, ilay Tompo malalany, no nifampiresaka taminy, kanefa tsy fantany izany. Teny iray monja avy teo imolotr’Ilay efa nitsangana no nanova ny alahelo nampahory azy ho lasa fifaliana tsy misy ohatr’izany. ‘Hoy Jesoa taminy, Ry Maria!’ Ilay feo sy ny filantony malefaka izay henony sy nankamamiany tamin’ireo andro fahiny no nampitraka azy avy tao amin’ny fahadisoam-panantenana lalina izay nilentehany. Nitodika izy ary nahita ny Tompo. Nentin’ny hafaliana mitafotafo izy ka nanolotra ny tanany mba hamihina Azy, tsy nahateny afa-tsy ilay teny mamy sy feno fanajana hoe: ‘Rabôny,’ izay midika hoe Ry Mpampianatra Malalako.”8
Ary arak’izany, ity vehivavy voatahy ity no tonga olona voalohany izay nahita sy niresaka tamin’ilay Kristy nitsangan-ko velona. Taty aoriana kely tamin’io andro io ihany dia niseho tamin’i Petera Izy tao Jerosalema na tsy lavitra teo;9 tamin’ny mpianatra roalahy teny an-dalana ho any Emaosy;10 ary ny alin’iny tamin’ny 10 tamin’ireo Apôstôly sy ireo hafa, niseho tampoka teo anivony ka niteny hoe: “Izahao ny tanako sy ny tongotro fa Izaho no Izy; tsapao Aho, ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba manana nofo sy taolana, tahaka izao ahitanareo Ahy izao.”11 Ary mba handresena lahatra azy ireo bebe kokoa “raha mbola tsy nino ihany izy ireo noho ny hafaliana, sady mbola talanjona,”12 dia nihinana hazandrano voatono sy tantely teo anatrehan’izy ireo Izy.13 Taty aoriana kely Izy dia nanome torolalana azy ireo nanao hoe: “Ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy Samaria ary hatrany amin’ny faran’ny tany [ianareo].”14
Ankoatran’ireo vavolombelona izay voamarina tao Jerosalema ireo, dia ananantsika ny asa fanompoana tsy manam-paharoa nataon’ny Tompo izay efa nitsangana tamin’ny maty teo anivon’ireo mponina fahiny tany amin’ny Ilam-bolantany Andrefana. Tao an-tanin’i Soafeno Izy no nidina avy tany an-danitra ary nanasa ny valalabemandry izay tafavory, sahabo ho 2.500 teo, mba hanatona tsirairay, ambara-pandroson’izy rehetra, nampitehaka ny tanan’izy ireo teo amin’ny lanivoany, sy nitsapa ny diam-pantsika tamin’ny tanany sy ny tongony.15
“Ary nony efa nandroso izy rehetra ary efa nijoro ho vavolombelona ho an’ny tenany, dia niantso tamin’ny feo tokana izy ireo nanao hoe:
“Hosana! Hotahiana anie ny anaran’Andriamanitra Avo Indrindra! Ary lavo teo an-tongotr’i Jesoa izy ireo sy nitsaoka Azy.”16
Ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty dia maneho fa tsy miankina na amin’inona na amin’inona ny Fiainany sady maharitra mandrakizay. “Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy.”17 Hoy Jesoa hoe:
“Ary izany no hitiavan’ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
“Tsy misy manaisotra ny aiko Amiko, fa ny tenako ihany no manaisotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray.”18
Tsy miankina amin’ny sakafo na ny rano na ny oksizena ny Mpamonjy, na amin’ny akora na hery na ny olona hafa ho an’ny fiainany. Amin’ny maha sady Mesia no Jehovah Azy, dia Izy no ilay Izaho Lehibe sy ilay hany Andriamanitra misy.19 Misy tsotra izao Izy, ary hisy mandrakizay.
Tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty no nandresen’i Jesoa Kristy ny lafiny rehetra amin’ny Fahalavoana. Ho fotoana fohy ihany ny fahafatesan’ny vatana, ary na dia ny fahafatesam-panahy aza dia hanam-petra satria ny rehetra dia hiverina ho eo anatrehan’Andriamanitra, farafahakeliny mandritra ny fotoana fohy, mba ho tsaraina. Afaka manana fahatokiana lalina isika ny amin’ny Heriny izay mahatohitra ny zava-drehetra ary afaka manolotra fiainana tsy manam-petra ho antsika.
“Ary satria ny olona iray no nisehoan’ny fahafatesana, dia ny Olona iray kosa no nisehoan’ny Fitsanganana amin’ny maty.
“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”20
Araka ny tenin’ny Loholona Neal A. Maxwell hoe: “Ny fandresen’i Kristy ny fahafatesana dia namarana ny toe-javatra mahatsiravina izay niainan’ny olombelona. Ankehitriny dia tsy misy afa-tsy ny toe-javatra mahatsiravina izay iainan’ny olona manokana, ary afaka ny ho voavonjy amin’izany koa isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampianaran’ilay namonjy antsika mba tsy hiharan’ny faharinganana faobe.”21
Rehefa nanome fahafaham-po ny fitakian’ny fahamarinana i Kristy, dia mandroso ho ao amin’ny toeran’ny fahamarinana Izy ankehitriny, na azontsika lazaina hoe Izy no Fahamarinana, tsy misy hafa amin’ny hoe Izy dia fitiavana.22 Tahaka izany ihany koa, ankoatra ny maha “Andriamanitra marina sy lafatra” Azy, dia Andriamanitra mpamindra fo tanteraka ihany koa Izy.23 Noho izany, ny Mpamonjy no manao izay hahalasa marina ny zava-drehetra. Tsy misy tsy fahamarinana eto amin’ity tany ity ka haharitra, eny fa na dia ny fahafatesana aza satria namerina ny fiainana indray Izy. Tsy misy ratra na kilema na fitaka na fanararaotana izay tsy ho voahonitra any amin’ny farany noho ny famindram-pony sy ny fahamarinany faratampony.
Torak’izany koa, isika rehetra dia tompon’andraikitra eo anatrehany noho ny fiainantsika sy ny safidintsika ary ny zavatra ataontsika, eny fa na dia ny eritreritsika aza. Satria nanavotra antsika tamin’ny Fahalavoana Izy, dia Azy ny fiainantsika raha ny marina. Nanambara Izy hoe:
“Indro, efa nomeko anareo ny filazantsarako, ary izao no filazantsara izay efa nomeko anareo—fa tonga teo amin’izao tontolo izao Aho mba hanao ny sitrapon’ny Raiko, satria ny Raiko no naniraka Ahy.
“Ary naniraka Ahy ny Raiko mba hahazoana manandratra Ahy eo amin’ny hazofijaliana, ary taorian’ny efa nanandratana Ahy teo amin’ny hazofijaliana; dia ny mba hahazoako misintona ny olon-drehetra aty Amiko, ka toy ny efa nanandratan’ny olona Ahy, dia toy izany koa no hanandratan’ny Ray ny olona hijoro eo anoloako, mba ho tsaraina amin’ny asany, na tsara izany na ratsy.”24
Eritrereto vetivety ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay, ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo adihevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray izay andriamanitra Izy. Tsy misy olona tsotra mety maty ka hanana fahefana avy amin’ny tenany hiverina ho amin’ny fiainana indray rehefa avy maty. Koa satria Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.
Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.25
Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.26
Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.27
Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novangiany taorian’ny nahafatesany.28
Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely,29 ary “hanjaka eto an-tany mihitsy.”30
Noho izany, dia misy ny Fitsanganana amin’ny maty sy ny Fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra.31
Noho ny fisian’ny Fitsanganan’i Kristy amin’ny maty dia tsy mitombina ireo ahiahy momba ny fahatanterahan’ny hery sy ny fahalalana ary ny hatsaram-pon’Andriamanitra Ray—izay nanolotra ny Zanany Lahitokana mba ho fanavotana an’izao tontolo izao. Tsy marim-pototra ireo ahiahy mahakasika ny dikan’ny fiainana sy ny tanjony. Jesoa Kristy raha ny marina no hany anarana na fomba izay ahafahan’ny famonjena ho tonga amin’ny zanak’olombelona. Teny marina ny fahasoavan’i Kristy, izay manolotra ny famelan-keloka sy ny fanadiovana ho an’ny mpanota mibebaka. Ny finoana dia tena mihoatra noho ny zavatra heverin’ny saina na ny zavatra foronin’ny saina. Misy ny fahamarinana faratampony sy ho an’ny rehetra, ary misy ny fenitra ara-pitondrantena tsy mitongilana ary tsy miovaova araka izay nampianariny.
Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny Maty dia sady azo tanterahina no tena maika ny fibebahana amin’izay mety ho fandikana ny Lalàny sy ny Didiny. Tena misy ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy, toy izany koa ny fampanantenany tamin’ireo mpianany fa hoe afaka manao izany koa izy ireo ary asa lehibe kokoa noho izany mihitsy aza.32 Tsy maintsy hery tena misy ny Fisoronany, izay “mitantana ny filazantsara sy mihazona ny fanalahidin’ny misterin’ny fanjakana, dia ny fanalahidin’ny fahalalana an’Andriamanitra. Koa miharihary ao amin’ny ôrdônansiny ny herin’ny toetra araka an’Andriamanitra.”33 Noho ny maha-tena nisy ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty, dia tsy ny fahafatesana no hiafarantsika, ary na dia “rehefa levona ny hodi[tsika], izao simba izao, sady afaka amin’ny nofo[ntsika] [isika], dia hahita an’Andriamanitra.”34
Noresahan’ny Filoha Thomas S. Monson ny momba ny lehilahy iray nantsoina hoe Robert Blatchford, izay nanenjika tamin’ny fomba nahery vaika, 100 taona lasa izay, “tao anatin’ilay boky nosoratany hoe Andriamanitra sy ny namako, ireo zavatra izay mazàna inoan’ny Kristianina, toy ny hoe Andriamanitra, Kristy, ny vavaka ary ny tsy fahafatesana. Nilaza tamim-pahasahiana izy hoe: ‘Ambarako fa noporofoiko tamin’ny fomba feno sy mazava tokoa ny zavatra rehetra nokasaiko hoporofoina ka dia tsy misy Kristianina, na lehibe sy mahavita azy tahaka ny inona aza, ka afaka mahatohitra na manozongozona ny zavatra hitako.’ Nanangana rindrin’ny tsy finoana manodidina azy izy. Kanjo nitranga ny tsy nampoizina. Nirodana tampoka ilay rindrina natsangany. … Nanomboka nahatsapa tsikelikely izy fa nitombo tao aminy ilay finoana izay nolaviny sy norabirabiany teo aloha. Inona ary no nahatonga izany fiovana lalina izany teo amin’ny fomba fijeriny? Maty ny vadiny. Tamin’ny fo feno ratra no nidirany tao amin’ilay efitrano izay nandrian’ny vata-mangatsiakany. Niverina nijery ilay endrika izay notiaviny tokoa izy. Nony nivoaka avy tao izy dia hoy izy tamin’ny namana iray hoe: ‘Izy io kanefa toa tsy izy. Niova daholo ny zava-drehetra. Nisy zavatra izay teo taloha kanefa niala tao. Tsy mitovy amin’ny taloha izy. Inona no mety ho lasa raha tsy ny fanahiny?’”35
Moa ve tena maty ny Tompo ary nitsangana indray? Eny. “Ireo fitsipika fototry ny fivavahantsika dia ny fijoroan’ireo Apôstôly sy Mpaminany ho vavolombelona mahakasika an’i Jesoa Kristy fa maty Izy ka nalevina ary nitsangana indray tamin’ny andro fahatelo, ary niakatra ho any an-danitra; ary ny zavatra hafa rehetra mahakasika ny fivavahantsika dia tovana napetaka amin’izany.”36
Rehefa nanakaiky ilay fahaterahan’i Jesoa izay nambaran’ireo mpaminany dia nisy teo anivon’ireo vahoaka Nefita sy Lamanita fahiny no nino, saingy tsy nino ny ankamaroany. Tonga tamin’ny fotoany ary ilay famantarana ny fahaterahany—andro iray sy alina iray ary andro iray tsy misy haizina—ary dia nahafantatra ny rehetra.37 Tahaka izany ihany ankehitriny, misy ny mino ny Fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ara-bakiteny, ary misy ny miahiahy na tsy mino. Saingy misy ny mahafantatra. Ary amin’ny farany dia samy hahita daholo ary samy hahafantatra; eny tokoa, “ny lohalika tsirairay dia hitsaoka ary ny lela tsirairay hiaiky eo anoloany.”38
Mandra-pahatonga an’izany, izaho dia mino ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty, izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ny zavatra niainan’izy ireo sy ny fijoroany ho vavolombelona—i Petera sy ireo namany tao amin’ny Roambinifololahy, ary i Maria Magdalena malala sy madio, ankoatra ny hafa. Mino ireo fijoroana ho vavolombelona hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna aho—ny an’i Nefia ilay Apôstôly niaraka tamin’ny valalabemandry tsy voalaza anarana tao amin’ny tanin’i Soafeno, ankoatra ny hafa. Ary mino ny fijoroan’i Joseph Smith sy i Sidney Rigdon ho vavolombelona aho, izay taorian’ireo tenivavolombelona maro, nanambara ilay fijoroana ho vavolombelona lehibe an’izao fotoampitantanana izao manao hoe “Fa velona Izy! Fa hitanay Izy.”39 Eo ambany fijerin’ny maso matsilony, dia mijoro ho vavolombelona koa aho fa Jesoa avy any Nazareta no ilay Mpanavotra nitsangana tamin’ny maty, ary ambarako fa marina ny zavatra rehetra izay vokatry ny fisian’ny Fitsanganany tamin’ny Maty. Enga anie ianareo hahazo faharesen-dahatra matanjaka sy mitombina noho ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona toy izany, izany no vavaka ataoko amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.