Loholona Richard G. Scott: Nanolotra ny tsara indrindra avy aminy ho an’ny Asan’ny Tompo
“Amin’ny maha-iray amin’ireo Apôstôliny nomena lalana mba hijoro ho vavolombelona momba Azy, dia mijoro ho vavolombelona aho fa fantatro fa velona ny Mpamonjy, ary olona nitsangana tamin’ny maty sy be voninahitra izay manam-pitiavana lavorary Izy.”1
Hatramin’ny fahakeliny dia efa nanana faniriana ny hanao ny tsara ny Loholona Richard G. Scott, na dia amin’ny sarotra aza. “Fony aho mbola kely,” hoy ny Loholona Scott, “dia efa nanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo fa hanolotra ny heriko rehetra ho an’ny asany.”2 Nitarika ny fanapaha-keviny nandritra ny fiainany ny fihazonany izany fanekempihavanana izany. Nanao asa fitoriana tamin’ny fotoana feno izy, efa filohan’ny misiona, efa mpikambana tao amin’ny Fitopololahy ary avy eo Apôstôlin’ny Tompo.
Teraka tany Pocatello, Idaho, Etazonia tamin’ny 7 nôvambra 1928 i Richard Gordon Scott. Nifindra tany Washington, D.C., izy sy ny fianakaviany tamin’ny faha dimy taonany, rehefa niasa tao amin’ny Departemantan’ny Fambolena sy Fiompiana an’i Etazonia ny rainy teo ambany fitarihan’ny Loholona Ezra Taft Benson tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, izay sekreteram-panjakan’ny Fambolena sy Fiompiana.
Tsy dia nivavaka ara-dalàna ny fianakavian’i Richard fony izy zatovolahy. Nampianatra azy soatoavina tsara ny ray aman-dreniny, Kenneth sy Mary, kanefa tsy mpikamban’ny Fiangonana i Kenneth tamin’izany ary i Mary kosa dia nalaindaina. (Tonga mpikamban’ny Fiangonana i Kenneth taty aoriana ary lasa nazoto izy mivady, nanompo tao amin’ny Tempolin’i Washington D.C. nandritra ny taona maro.) Nanatrika fiangonana tsindraindray i Richard, vokatry ny fankaherezan’ireo namana tsara, eveka ary mpampianatra isan-tokantrano.
Zatovolahy tena nisokatra ara-pisainana tokoa i Richard tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa nisy azy. Voafidy ho filohan’ny kilasy izy, nilalao clarinette tamin’ny vondrona iray ary mpively amponga tompon-toerana tao amin’ny vondrona mpanao matso. Na dia nahay aza izy tany an-tsekoly ary nanana namana maro dia nahatsiaro ho irery sy tsy natoky tena. Takany taty aoriana rehefa misiônera izy “fa tsy tokony ho nisy teo amin’ny fiainany ireo fahatsapana ireo raha toa ka nahafantatra ny filazantsara izy tany aloha.”3
Rehefa miala sasatra ny mpianatra mandritra ny fahavaratra dia manao karazana asa hitadiavam-bola hidirany ny sekoly ambaratonga ambony i Richard. Indray fotoam-pahavaratra dia niasa tamin’ny sambo mpaka huitre tany amorontsirak’i Long Island, New York izy. Ny fotoam-pahavaratra iray hafa dia nandeha tany Utah izy mba hiasa ho mpanapaka hazo ao amin’ny sampan-draharaha misahana ny ala. Nanamboatra fiara koa izy. Tamin’ny fotoam-pahavaratra hafa koa dia nangataka asa tao amin’ny Utah Parks Company izy, na dia efa nilaza aza ireo fa tsy misy toerana. Nanolo-tena hanasa lovia izy nandritra ny roa herinandro izay tsy handraisany karama. Tsapany tamin’izay fa mba nahazoany toerana ipetrahana sy sakafo hohanina izany farafaharatsiny. Voaray niasa izy avy eo rehefa naneho ny fahavononany hahandro sy hanasa lovia koa.4
Taorian’ny sekoly ambaratonga farany dia niditra tao amin’ny Oniversiten’i George Washington tao Washington, D.C. i Richard, ary nahazo ny maîtrise tamin’ny seha-pianarana Génie mecanique tamin’ny 1950.
Nieritreritra hanao asa fitoriana
Tsy dia nanana eritreritra ny hitory ny filazantsara loatra izy teo amin’ny faha 22 taonany. Kanefa nanomboka nisaintsaina izany izy taorian’ny nahafantarany tovovavy iray dia i Jeanene Watkins, izay nilaza taminy fa “Rehefa hanambady aho dia any amin’ny tempoly izany miaraka amin’ny lehilahy efa nanao asa fitoriana.”5 Nanomboka nivavaka mikasika ny asa fitoriana izy ary dia nihaona tamin’ny evekany mikasika izany. Voantso hitory tany Uruguay izy, ny taona 1950 ka hatramin’ny 1953.
Nianatra dihy maoderina sy ny sôsiôlojia tao amin’ny Oniversiten’i George Washington i Jeanene. Nahavita fianarana izy ny 1951 ary nitory ny filazantsara tany amin’ny faritra avaratra andrefan’i Etazonia. Roa herinandro taorian’ny niverenan’ny Loholona Scott dia vita fifamatorana tao amin’ny Tempolin’i Manti Utah tamin’ny jolay 1953 izy sy i Jeanene. Nizara zavatra toy izao izy nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana, mahakasika io fifamatorana io: “Izaho dia tsy manana hery hamaritana ny fiadanana sy ny fahatoniana avy amin’ny fahatokiana fa raha manohy miaina ao anatin’ny fahamendrehana aho dia ho afaka ny hiaraka mandrakizay amin’i Jeanene malalako sy amin’ireo zanakay noho ilay ôrdônansy masina izay notanterahana tamin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana marina tao amin’ny tranon’ny Tompo.”6
Imbetsaka teo amin’ny fiainany no nandray fanapahan-kevitra tsara hatrany ny Loholona Scott na dia teo aza ny fanoherana sy ny fanerena avy tamin’ireo olona niaraka taminy. Toy izany no nitranga tamin’ny fanekeny hitory ny filazantsara. Notantarainy hoe: “Nanandrana nanova ny fisainako tamin’ny fanekeko ny antso hanao misiôna ireo prôfesora mpampianatra sy namana, tamin’ny filazana fa hananosarotra eo amin’ny asako vao manomboka eo amin’ny sehatra ingénierie izany. Kanefa fotoana fohy taorian’ny misiônako dia voafantina ho tanora manana ny maha izy azy tao amin’ny fandaharan’asa Atômikan’ny Tafika An-dranomasina aho. … Hitako nandritra ny fivoriana iray izay nasaina notarihiko ny iray tamin’ireo prôfesora mpampianatra ahy izay nanohitra ny fandehanako hitory ny filazantsara ary tamin’ny fandaharan’asa ambany dia ambany mihoatra noho ny nohazoniko. Fijoroana ho vavolombelona mahery ho ahy tamin’ny fomba nitahian’ny Tompo ahy izany rehefa nanatontosa ny laharampahamehana ho ahy aho.”7
Dimy taona taorian’ny fanambadian’izy ireo dia nandalo araka ny niantsoan’izy ireo azy ho “traikefam-piainana mampivotra”—fotoan-tsarotra iray izay niafara ho fitahiana ho an’ny fiainam-pianakaviany, ny Loholona sy Rahavavy Scott. Nanan-janaka vavy sy lahy izy ireo tamin’izany fotoana izany, izay telo sy roa taona. Bevohoka vavikely i Rahavavy Scott. Nampalahelo fa maty teo am-piterahana ilay zaza.
Enina herinandro monja taty aoriana dia nodimandry taorian’ny fandidiana azy noho ny tsy fahatomombanan’ny fo i Richard, zanakalahin’izy ireo izay roa taona. Nozarain’ny Loholona Scott hoe:
“Ny raiko, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana tamin’izany fotoana izany, dia tena tia an’i Richard tokoa. Nilaza tamin’ny reniko, izay mpikambana nalaindaina izy hoe: ‘Tsy takatro mihitsy hoe maninona i Richard sy i Jeanene no manana hery hanekena ny fahafatesan’ireo zanany.’
“Namaly i Neny, rehefa nanaraka ny bitsika, ka niteny hoe: ‘Kenneth a! Efa vita fifamatorana tany amin’ny tempoly izy ireo. Fantany fa hiaraka amin’izy ireo any amin’ny mandrakizay ireo zanany raha toa ka miaina amim-pahamarinana izy ireo. Fa izaho sy ianao kosa dia tsy hanana ireo zanakalahintsika dimy satria tsy mba nanao izany fanekempihavanana izany.’
“Nisaintsaina ireo teny ireo ny raiko. Nanomboka nihaona tamin’ireo misiôneran’ny tsatòka izy ary tsy ela dia natao batisa. Taona iray mihoatra kely monja dia vita fifamatorana tany amin’ny tempoly i Neny, i Dada ary ny zanany.”8
Nanangana zaza efatra fanampiny ny Loholona sy Rahavavy Scott taty aoriana.
Nanompo ho filohan’ny misiôna
Nahavita ny mari-pahaizana mitovy lenta amin’ny doctorat en génie nucléaire ny Loholona Scott nandritra ny fotoam-piasany tao amin’ny fandaharan’asan’ny tafika andranomasina tao Oak Ridge, Tennessee. Tsy nomena mari-pahaizana izy tamin’izany satria tsiambaratelom-panjakana ilay seham-pianarana. I Hyman Rickover, izay mpamaky lay teo amin’io sehatra io no Miaramila manam-boninahitry ny tafika an-dranomasina izay nitaona an’i Richard hanaraka izany fandaharan’asa nokleary izany. Niara-niasa nandritra ny 12 taona izy ireo—mandra-pahazoan’i Richard ny antso ho filohan’ny misiôna tao Argentine ny taona 1965. Nazavain’ny Loholona Scott ny fomba nandraisany ilay antso:
“Teo am-piatrehana fivoriana aho indray alina niaraka tamin’ireo mpiandraikitra ny fampiroboroboana ny tetikasa fototra ao amin’ny toeram-pamokarana fitaovana atômika. Niditra ny mpitantsoratro sady nilaza hoe: ‘Misy lehilahy miantso anao an-tariby izay milaza fa raha holazaiko aminao ny anarany dia horaisainao ny antsony.’
“‘Iza no anarany?’ hoy aho.
“‘Harold B. Lee’ hoy izy.
“‘Marina izany,’ hoy aho namaly. Noraisiko ny antso an-tariby. Nangataka ahy ny Loholona Lee, izay lasa Filohan’ny Fiangonana taty aoriana, raha afaka mihaona aminy aho tamin’izany alina izany ihany. Tany New York City izy ary izaho kosa tany Washington, D.C. Nandeha fiaramanidina aho mba hihaona aminy ary nanao dinidinika izahay izay nitarika tamin’ny fiantsoana ahy ho filohan’ny misiôna.”
Nahatsapa ny Loholona Scott fa tokony hampahafantatra avy hatrany ny Amiraly Rickover, izay mpiasabe sy olona tsy azo hialana eo amin’ny sehatra io, ny antsony izy.
“Somary tezitra izy rehefa nazavaiko taminy ny hoe antso hitory ny filazantsara sy ny vokatr’izany dia ny fialako amin’ny asako. Ningonongonona zavatra tsy hay lazaina izy sady nanimba ilay fitoeran-taratasy teo ambony latabany ary nametraka zavatra roa mazava tamin’ireto filazany manaraka ireto:
“‘Izao ry Scott a! Tena zava-dehibe tokoa ny zavatra hazoninao amin’ity fandaharan’asa fiarovana ity ka handany taona iray maninjitra ny fitadiavana izay ho solonao, noho izany tsy afaka mandeha ianao. Faharoa, raha handeha ihany ianao dia mpamadika tanindrazana tsotra izao.’
“‘Afaka manofana izay hisolo ahy aho mandritra ny roa volana farany hijanonanko, ary tsy hisy loza mitatao izany amin’ny tanindrazana,’ hoy aho.
“Mbola nitohitohy teo ny resaka fa tamin’ny farany dia hoy izy: ‘Tsy hiresaka aminao intsony aho. Tsy te hahita anao intsony. Izay no vita ny aminao. Tsy ato ihany fa aza mieritreritra ny hiverina hiasa ato amin’ity sehatr’asa nokleary ity intsony.’”
“Hoy aho namaly, ‘Ry Amiraly, afaka foananao ny momba ahy ato amin’ity birao ity, kanefa raha toa ka tsy sakananao kosa dia ho atolotro ho ataon’olon-kafa ity andraikitra ity.’”
Nitsahatra nifampiresaka tamin’ny Loholona Scott ilay amiraly, araka izay efa nolazainy. Mandefa iraka izy rehefa misy fanapahan-kevitra tsy maintsy horaisina. Nanolotra olona haka ny toeran’ny Loholona Scott izy, izay nofanin’ny Loholona Scott.
Nangataka fotoana ihaonana amin’ilay amiraly ny Loholona Scott ny andro farany niasany tao amin’ny toeram-piasany. Tena zendana noho izany ny mpitantsorany. Niditra ny birao niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmôna ny Loholona Scott. Nazavainy ny zava-nitranga avy eo:
“Nijery ahy izy sady niteny hoe: ‘Mipetrapetraha ianao ry Scott, inona no nahazo anao? Niezaka tamin’ny fomba rehetra aho hanerena anao mba hiova hevitra. Inona iny an-tananao iny?’ Narahin’ny resaka tamim-pitoniana nahaliana izany. Nisy kokoa ny fihainoana nanomboka teo.
“Nilaza izy fa hamaky ny Bokin’i Môrmôna. Nisy zavatra nitranga avy eo izay tsy noeritreretiko hitranga velively. Nampiany hoe: ‘Rehefa avy miverina amin’ny misionanao ianao dia mba antsoy aho. Hisy asa ho anao amin’izay.’”9
Nizara lesona nianarany avy tamin’ny traikefany ny Loholona Scott: “Hisy fanamby sy fanapahan-kevitra sarotra ho raisina mandritra ny fiainanao. Kanefa izao dia manapaha hevitra hatrany ny hanao ny tsara ary hanaraka avy eo ny vokany. Hitondra soa ho anao hatrany ny vokany.”10
Filohan’ny misiona hentitra tamin’ny asa kanefa be famindrampo ny Filoha Richard G. Scott, nandritra ny fanompoany tany Argentine. Tsaroan’i Wayne Gardner, izay iray tamin’ireo misiônerany, ny fotoana nandrindrana ny hanaovana fotoam-pivorian’ny misiônera tamin’ny toerana lavitra ny trano fonenan’ny filohan’ny misiona ary niandraiketany ny fitsenana ny Loholona Scott teny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsy afaka nampiasaina tamin’ny fotoana farany ilay trano fivoriana nofandrihan’ny Elder Gardner hanaovana ilay fivoriana. Tara tamin’ny fitsenana ny Filoha Scott izy sy ny namany mpiara-mitory taminy noho izany. Nanadino nilaza tamin’ilay mpitondra taxi koa izy ireo mba hiandry kely hany ka tsy nahita taxi ary dia tafajanona teo.
“Na dia tsikaritro ho nisy fahasorenana aza teo amin’ny mason’ny filoha,” hoy i Elder Gardner nitantara, “dia nofihininy tamin’ny sandriny aho ary nolazainy fa tiany. Feno faharetana sy malemy fanahy izy. Antenaiko fa tsy hanadino izany lesona izany aho.”11
Niantehitra tamin’ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Scott ho loharanon’ny fitaomam-panahy ho azy sy ireo misiônerany. Indray mandeha dia nisy misiônera nanana olana tonga tao amin’ny biraony. Nozarain’ny Loholona Scott hoe:
“Teo am-piresahany dia nanomboka nisaintsaina tao an-tsaiko ireo fanolorantena manokana izay hanampiana azy hamaha ny fanambiny izay natrehany aho. Rehefa tapitra izay nolazainy dia hoy aho hoe:, ‘Haiko tsara ny fomba hanampiana anao.’ Nijery ahy tamim-pahalinana izy kinanjo dify tao an-tsaiko ny zavatra noeritreretiko. Tsy tsaroako ny zava-drehetra nomaniko holazaina aminy.
“Tanatin’ny tebiteby no namadimbadihako ny Bokin’i Môrmôna teny an-tanako mandra-pifantohan’ny saiko tamin’ny soratra masina manan-danja iray izay novakiko taminy. Intelo no nitrangan’ izany. Nifanandrify tamin’ny toe-javatra nilainy ny soratra masina tsirairay. Avy eo, tsaroako ilay torohevitra nomaniko omena azy, toy ireny nisy voaly nanakona ireny nisava teo anoloako. Nanana lanjany tsara lavitra kokoa izany satria nampiarahana tamin’ny soratra masina manan-danja. Teo am-pamaranana dia hoy izy tamiko: ‘Fantatro fa voaray avy tamin’ny fanahy ny torohevitra nomenao ahy satria naverinao tamiko ireo andinin-tsoratra masina telo nolazaina tamiko fony aho natokana ho mpitory ny filazantsara.’”12
Asa fanompoana tsy misy fitsaharany ao amin’ny fireneny na any ivelany
Rehefa niverina tany Washington, D.C. ry Scott taorian’ny asa fanompoany dia mbola nanohy niasa teo amin’ny sehatry ny industrie de l’ingénierie nucléaire ny Loholona Scott. Nangataka azy mba hiasa ao amin’ny toeram-piasana tsy miankina ny sasantsasany tamin’ireo mpiara-miasa taminy talohan’ny misiônany. Niasa tao amin’izany orinasa izany izy tamin’ny 1969 ka hatramin’ny 1977. Mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny tsatòka izy tato am-piangonana ary taty aoriana dia nantsoina ho solontenan’ny vondrom-paritra.
Nantsoina tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy ny Loholona Scott tamin’ny 1977, valo taona taorian’ny naha filohan’ny misiona azy. Isan’ireo andraikitra voalohany nosahaniny ny naha Tale mpanatanteraka ao amin’ny Departemantan’ny Fisoronana ary avy eo dia Mpiandraikitra mpanatanteraka misahana an’i Mexique sy Amerika afovoany. Nipetraka tany Mexico City nandritra ny telo taona nanantontosany izany andraikitra izany izy sy ny fianakaviany. Nankasitrahan’ireo mpikambana tany Amerika Latina ny fomba fitantanany tamin’ny naha mpitarika azy, ny fahaizany ny fiteny Espaniôla ary ny fitiavany amin-kitsimpo ireo olona.
Na dia efa Manampahefana Ambony aza izy dia nanana fanetrentena be nianatra avy tamin’ireo mpampianatra sy mpitarika teo an-toerana. Tsaroany ny fandraisany fanambarana teo am-panatrehana ny fivorian’ny fisoronana tao amin’ny sampan’i Mexico City:
“Tena tsaroako tsara ny fahasahiranan’ity mpitarika Meksikana manetry tena iray ity teo am-pampitany ireo fahamarinan’ny filazantsara ao amin’ny lesona tao anaty bokiny. … Raha ny fihetsiny dia hita porofo ny fitiavana madion’ny Mpamonjy sy ny fitiavany ireo izay nampianariny.
“Niteraka tanjaka ara-panahy nanenika ny efitrano ny fahitsimpony, ny faniriana madion’ny fony, ary ny fitiavany. Nampihetsi-po ahy izany. Nandray fahatsapana manokana aho ho fanampin’ireo fitsipika nampianarin’izany mpampianatra be fanetrentena izany. …
“Nosoratako tsara izany isaky ny misy fahatsapana voaraiko. Nandray fahamarinana sarobidy izay nilaiko tokoa mba hahatonga ahy ho mpanompo mahombin’ny Tompo aho tanatin’izany fisehoan-javatra izany.”13
Taorian’ny fiverenany avy tany Mexique dia nahazo andraikitra nitondra soa iray hafa izy dia ny nahavoatendry azy ho tale mpitantana ny Departemantan’ny Tantaram-pianakaviana. Tsy vitan’ny nanampy hanara-maso ny asan’ny tantaram-pianakavian’ny Fiangonana fotsiny izy fa nanao ny tantaram-pianakavian’ny tenany manokana koa. Noho ny naha mpikambana niova fo an’ny Fiangonana ny rain’ny Loholona Scott dia nisy asa fikarohana maro natao tamin’izany lafiny izany. Nanokana fotoana nikaroka ny tantaram-pianakaviany ny Loholona Scott sy ny vadiny, ary ireo ray aman-dreniny.
Nanomboka naka anjara toerana lehibe teo amin’ny asan’ny tantaram-pianakaviana ny teknôlôjia teo anelanelan’ny taona 1980 ka hatramin’ny 1990 teo hoe kanefa “na dia eo aza ny fanampian’ny solosaina dia misy ary hisy hatrany ny fitakiana ny olona hanao izany asa izany,” hoy ny Loholona Scott, “mba hahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana hahazo ireo traikefa ara-panahy avy amin’izany.”14
Tonga ilay antso miavaka sy lehibe tamin’ny taona 1988. Nandroso ny antso mba ho Apôstôlin’ny Tompo tamin’ny Loholona Scott ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) tamin’ny fihaonan’izy ireo, “tanatin’ny hatsaram-panahy sy fitiavana ary fahatakarana ny toe-javatra misy.” “Tsy tanako ny ranomasoko,” hoy ny Loholona Scott mikasika izany zavatra nitranga izany. “Niresaka tamin-katsara-panahy feno mikasika ny antsony avy eo ny Filoha Benson mba hanomezana antoka ahy. Nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fiavian’ny antsoko izy. Ho tsaroako lalandava izany fiahiana sy fahatakarana ny toe-javatra misy avy tamin’ny mpaminanin’ny Tompo izany.”15 Notohanana ny 1 ôktôbra nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ny Loholona Scott.
Fanambadiana
Nankafy karazan-javatra maro ny Loholona Scott sy ny vadiny, Jeanene, toy ny fitazanana vorona, fanaovana sary hosodoko (nampiasa peinture à l’eau izy raha crayon-pastel kosa no nampiasain’i Jeanene), ary nihaino mozika jazz sy vakondrazana Amerikanina tatsimo.
Nahatsapa ny fitiavan’ny Loholona Scott ny vadiny Jeanene ireo izay nandre ny lahateniny amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana. Niresaka mahakasika azy matetika izy, na taorian’ny fahalasanany aza. Tamin’ny lahateny voalohan’ny fihaonamben’ny Fiangonana izay nataony tamin’ny naha mpikambana vaovao azy tao amin’ny Kôlejy Voalohan’ny Fitopololahy tamin’ny taona 1977, dia nanolotra fiderana ho an’ny vadiny ny Loholona Scott ka niantso azy ho: “namana tiana sy tsy foy. … Ohatra naneho fijoroana ho vavolombelona marina, sy fitiavana ary fanoloran-tena hatrany i Jeanene. Fanovozana hery ho ahy izy.”16
Vao tsy ela izay, nandritra ny lahateny manentana fanahy tamin’ny fihaonambe mikasika ny fanambadiana, no nizarany ireo endrim-panehoana fitiavana maro nifanaovany tamin’i Jeanene izay nanamafy ny fanambadian’izy ireo. Nofaranany izany hoe: “Fantatro izany hoe mitia ny zanakavavin’ny Ray any An-danitra izany, izay nampiasa tamin-katsarana sy tamim-pahavitrihana ilay hery anaty ananan’ny vehivavy. Matoky aho fa rehefa hitako any ankoatry ny voaly indray izy amin’ny hoavy, dia hahatsapa izahay fa efa lasa nifankatia lalina tokoa. Hifankatia bebe kokoa izahay noho ny fisarahanay tamin’ny alalan’ny voaly nandritra izay fotoana izay.”17
Ankehitriny tafaraka indray izy ireo.
© 2015 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana.