Ho an’ny Zatovo
Fototra iorenan’ny Fijoroako ho Vavolombelona
Ny mpanoratra dia monina any Idaho Etazonia.
Fony aho 16 taona, dia nisy namako iray tonga tao an-tranonay niaraka tamin’ireo misiônera. Iray volana taorian’ny lesona voalohany izay nataonay, dia voavaly mazava tsara avokoa ireo fanontaniana rehetra izay nananako. Nahatsapa ny Fanahy Masina aho izay nijoro ho vavolombelona mikasika ny fahamarinan’ireo hafatra momba ny famerenana amin’ny laoniny. Fahatsapana tsy mbola nananako hatramin’izay izany ary nahafantatra aho fa marina avokoa izany.
Na dia izany aza anefa dia niatrika fanilihana sy fanoherana bebe kokoa mihoatra noho ny teo aloha aho. Nahatsapa tena ho irery, reraka, sy very hevitra aho. Raha toa aho ka nanao ny marina, nahoana aho no niatrika zava-tsarotra be dia be toy izany? Tsy takatro ny fomba mety hitondran’ireo fitsapana izay natrehako ireo soa ho ahy. Ireo misiônera dia nampianatra ahy hifady hanina sy hivavaka, na dia teny anelanelan’ny andro fianarana teny aza. Rehefa tsy zaka intsony ireo zava-nisy, dia mamboraka ny ao am-poko aho ary avy hatrany dia mahatsapa ny fankaherezan’ny Fanahy.
Feno fitsapana ilay herinandro hanaovana ny batisako. Nandrahona ahy ny mpampiasa ahy fa homeny olon-kafa ny toerako raha toa ka tsy foanako ny batisako, voan’ny calculs rénaux aho koa dia tany amin’ny hôpitaly no niafarako, ary ny ray aman-dreniko dia nangataka ahy mba hiala amin’ny tranonay. Teo anatrehan’ireo zavatra maro izay tsy voafehiko ireo dia ny nitodika tany amin’ny Tompo no hany azoko natao.
Ny tsirairay avy tamin’ireo fitsapana ireo dia lasa tombontsoa ho ahy. Izy ireo dia nanampy ahy hianatra ireo fotopampianaran’ny filazantsara, izay nanome ahy fototra iray iorenan’ny fijoroako ho vavolombelona.