2016
Tafapetraka soa aman-tsara tao anatin’ny fisafotofotoana
Febroary 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, Febroary 2016

Tafapetraka soa aman-tsara tao anatin’ny fisafotofotoana

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

Vao tsy ela izay i Harriet vadiko sy ny tenako no teny amin’ny seranam-piaramanidina iray nijery ny fahatongavan’ireo fiaramanidina goavana. Nandrivotra ny andro tamin’izay, ary ny fifofofofon’ny rivotra mahery vaika izay nanohitra ireo fiaramanidina tonga nanatona, dia nahatonga azy ireo tsirairay avy hivily handeha amin’ny lalan-kafa sy hihovitrovitra mafy nandritra ny fanatonana ny toerana hijanonana.

Rehefa nijery ny fifanoherana nisy teo amin’ny natiora sy ireo fiaramanidina ireo izahay, dia nitamberina tany amin’ny fiofanana mikasika ny fanamoriana fiaramanidina izay nataoko sy ireo fitsipika izay nianarako—ary taty aoriana dia nampianatra izany tamin’ireo mpiofana ho mpanamory fiaramanidina hafa tao anatin’ny fiofanana.

Matetika aho no nilaza tamin’izy ireo hoe: “Aza miezaka ny mifehy ny familiana mandritra ny fisafotofotoan’ny rivotra mahery toy izany.” “Mitonia hatrany. Aza mihotakotaka. Afantohy eny amin’ ilay tsipika afovoan’ny lalana tokony haleha ny masonao. Raha toa ianao ka mivily miala amin’ilay lalana tokony haleha, dia manaova fanitsiana haingana kanefa voarefy. Matokisa amin’ny tanjaky ny fiaramanidina entinao. Mivoaha amin’ilay rivotra misafotofoto.”

Ireo mpanamory fiaramanidina ampy traikefa dia mahatakatra fa tsy afaka ny hifehy lalandava ny zava-mitranga manodidina azy izy ireo. Tsy afaka ny hiala fotsiny amin’ny fisafotofotoan’ny rivotra izy ireo. Izy ireo dia tsy afaka ny hampanjavona tampoka ny orana na ny oram-panala. Tsy afaka ny hanajanona ny rivotra tsy hitsoka na hanova ny lalana alehan’ izany izy ireo.

Kanefa mahatakatra ihany koa izy ireo fa hadisoana ny fatahorana ny fisafotofotoan’ny rivotra na ny rivo-mahery—ary indrindra indrindra ny tonga malemy tanteraka rehefa sendra azy ireny. Ny fametrahana ny fiaramanidina amin’ny fomba tsy ahitan-doza rehefa tsy dia tsara loatra ny toe-java-misy dia ny fijanonana amin’ ilay lalana marina sy ny fampidinana tsikelikely ilay fiaramanidina araka ny tokony ho izy sy araka izay azo atao.

Rehefa nijery ny fahatongavan’ ireo fiaramanidina nifanesy teo aho, sy nahatsiaro ireo fitsipika izay nianarana nandritra ny taona maro naha-mpanamory fiaramanidina ahy, dia nanontany tena aho raha toa ka misy lesona azo tsoahina avy amin’izany eo amin’ny fiainantsika andavanandro.

Tsy afaka ny hifehy lalandava ireo sedra apetraky ny fiainana eo amin’ny lalantsika isika. Indraindray ireo zavatra ataontsika dia tsy mandeha araka ny hieritreretantsika azy. Mety ho mahatsiaro tena ho voahozongozona isika sy avezivezin’ny fisafotofotoana misy noho ny fahadisoam-panantenana, ahiahy, tahotra, alahelo, na fahasorenana.

Mandritra ireo fotoana ireo, dia lasa mora variana amin’ny zava-drehetra izay tsy mandeha araka ny tokony ho izy isika sy mampifantoka ny saintsika any amin’ny olana ananantsika. Ny fakam-panahy dia ny mifantoka amin’ireo fitsapana izay atrehintsika toy izay amin’ny Mpamonjy sy amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika mikasika ny fahamarinana.

Kanefa tsy izany no fomba tsara indrindra hamakivakiana ireo fanamby misy eo amin’ny fiainana.

Tahaka ny mpanamory fiaramanidina iray manan-traikefa izay tsy mampifantoka ny sainy amin’ny tafio-drivotra fa amin’ilay lalam-piaramanidina eo afovoany sy ny faritra marina tokony hipetrahany no tokony hampifantohantsika koa ny saintsika amin’ny ivon’ny finoantsika —ny Mpamonjy antsika, ny filazantsarany, sy ny drafitry ny Raintsika any An-danitra—ary amin’ny tanjona lehibe izay ananantsika—dia ny ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny toerana hisy antsika any an-danitra. Isika dia tokony hatoky an’ Andriamanitra sy hampifantoka ny ezaka ataontsika amin’ny tsy fialana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra. Tokony hampifantoka ny masontsika sy ny fontsika ary ny saintsika amin’ilay fomba fiainana izay fantantsika fa tokony hiainantsika isika.

Hitondra fifaliana sy voninahitra ho antsika ny fanehoantsika ny finoantsika sy ny fahatokiantsika ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fitandremana amim-pifaliana ny didiny. Ary raha toa isika ka mijanona eo amin’ ilay lalana, dia ho tafavoaka hatrany isika na inona na inona rivotra mahery mifofofofo—na toa inona no mety ho fisehon’ny tanjak’ izany—ary ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fonenantsika any an-danitra.

Na mazava na mandrahona ny lanitra manodidina antsika, amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy dia mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny fahamarinany aloha isika ao anatin’ny fahafantarana fa raha manao izany isika dia hahazo ny zavatra hafa rehetra izay ilaintsika (jereo ny Matio 6:33).

Tena lesona lehibe eo amin’ny fiainana izany!

Arakaraka ny hifantohantsika amin’ireo fahasarotana, olana, ahiahy ary tahotra izay ananantsika no hahatonga ireo zavatra ho lasa sarotsarotra kokoa. Kanefa arakaraka ny hifantohantsika bebe kokoa any amin’ilay toerana izay hisy antsika any an-danitra amin’ny farany sy amin’ireo fifaliana noho ny fanarahana ilay lalana amin’ny maha- mpianatra—mitia an’Andriamanitra sy manompo ireo manodidina antsika—no hahafahantsika hamakivaky ireo fotoan-tsarotra sy feno fikorontanana amim-pahombiazana bebe kokoa.

Ry namana malala na dia mafy toa inona aza ny rivotry ny fiainana an-tany izay mifofofofo manodidina antsika, ny filazantsaran’ i Jesoa Kristy dia hanolotra lalandava ilay lalana tsara indrindra mba hahatongavana soa aman-tsara any amin’ny fanjakan’ny Raintsika any An-danitra.

Fampianarana avy amin’ity Hafatra ity

Nampianatra antsika ny Filoha Uchtdorf fa “isika dia tokony hatoky an’ Andriamanitra sy hampifantoka ny ezaka ataontsika amin’ny tsy fialana eo amin’ny lalan’ny maha-mpianatra.” Saintsaino ny hanontany ireo izay ampianarinao mikasika ny fomba nampifantohan’izy ireo ny sainy “tamin’ ilay toerana izay hisy antsika any an-danitra amin’ny farany sy tamin’ireo fifaliana noho ny fanarahana ilay lalan’ny maha-mpianatra” nandritra ireo fotoana izay niatrehan’izy ireo fitsapana. Azonao atao ny manasa azy ireo hieritreritra fomba izay ahafahan’izy ireo mifantoka amin’ny fijoroany ho vavolombelona sy amin’i Kristy mandritra ny fotoan-tsarotra ary hanapa-kevitra ombam-bavaka mikasika ny hoe ahoana no hampiharana ny iray na ny maro amin’ireo hevitra ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Hamoaka printy