Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, jolay 2016
Miorim-paka amin’ny finoan’ireo razambentsika
43 taona i John Linford tamin’ny fotoana nanapahan’izy sy i Maria vadiny ary ny telo tamin’ireo zanak’izy ireo lahy hevitra ny handao ny tranon’izy ireo tao Gravely Angletera mba hanao dia anarivony kilaometatra mba hiaraka amin’ireo Olomasina tao amin’ny lohasahan’ny Great Salt Lake. Navelan’izy ireo tany ny zanany lahy fahefatra izay nanao asa fitoriana, namidiny ireo fananany, ary nandeha nandray ilay sambo Thornton tany Liverpool izy ireo.
Nandeha sambo nankany New York City izy ireo ary avy tao no nandeha namakivaky tanety nankany Iowa, izay dia tsy mba nanahirana. Nanomboka anefa ny olana fotoana fohy taorian’ny nialan-dry Linford mianakavy sy ireo Olomasin’ny Andro Farany izay nandeha tamin’ilay sambo Thornton tao Iowa City tamin’ny 15 jolay 1856, rehefa niaraka tamin’ilay andiany mpitarika sarety ratsy vintana notarihin’i James G. Willie izy ireo.
Ilay toetrandro ratsy dia ratsy sy ilay dia sarotra dia niteraka aretina sy fahafatesana teo amin’ny olona maro tao amin’ilay andiany, ka tafiditra tao anatin’izany i John. Lasa narary mafy sy osa tokoa izy tamin’ny farany ka dia tsy maintsy notarihina tao anaty sarety notarihin-tanana. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ilay andiany tao Wyoming dia niharatsy fatratra ny toe-pahasalamany. Nisy ekipa iray mpanavotra avy any Salt Lake City tonga tamin’ny 21 ôktôbra, ora vitsivitsy monja taorian’ny nahafatesan’i John. Nodimandry vao mangiran-dratsy teo amoron’ny reniranon’i Sweetwater izy tamin’io maraina io.
Nalahelo ve i John hoe nanakalo ny fiadanam-piainana sy ny fahamorana tamin’ireo fahasahiranana sy ny tsy fisiana ary ny fahasarotana tamin’ny fitondrana ny fianakaviany tany Ziona?
“Tsia ry Maria,” hoy izy tamin’ny vadiny talohan’ny nahafatesany. “Faly aho fa nankaty isika. Tsy ho tonga velona any Salt Lake aho, fa ianao sy ireo zanatsika kosa dia ho tonga any, ary tsy anenenako ireo zavatra rehetra nolalovantsika raha afaka mihalehibe sy manorina ny fianakaviany ao Ziona ireo zanatsika lahy.”1
Nahatontosa ilay dia i Maria sy ireo zanany lahy. Rehefa nodimandry i Maria teo ho eo amin’ny 30 taona taorian’izay dia namela lovan’ny finoana sy ny asa fanompoana sy ny fanolorantena ary ny fahafoizantena izy sy i John.
Izany hoe Olomasin’ny Andro Farany izany dia mpamaky lay, satria ny famaritana ny mpamaky lay dia hoe “olona iray izay mandeha mialoha manomana na manokatra ny lalana harahin’ny hafa.”2 Ary izany hoe mpamaky lay izany dia ny fahafantarana tsara ny fahafoizantena. Na dia tsy angatahina handao ny tokantranony intsony aza ireo mpikamban’ny Fiangonana mba handeha ho any Ziona dia matetika izy ireo no tsy maintsy mamela ireo fahazarana tany aloha sy ireo fomban-drazana hatry ny ela ary ireo namana lalaina. Ny sasany dia mandray ilay fanapahan-kevitra tsy hay zakaina mba handao ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay manohitra ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ny Fiangonana. Mandroso hatrany anefa ny Olomasin’ny Andro Farany ka mivavaka mba hahatakaran’ireo olona sarobidy amin’izy ireo sy hanekeny.
Tsy mora ny lalana diavin’ny mpamaky lay iray, kanefa manaraka ny dian’ny Mpamaky lay lehibe indrindra isika—dia ny Mpamonjy—izay nialoha lalana ka naneho antsika ny lalana tokony harahina.
“Avia, manaraha Ahy,”3 hoy Izy nanasa.
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana,”4 hoy Izy nanambara.
“Mankanesa aty Amiko,”5 hoy Izy niantso.
Mety ho sarotra tokoa ny lalana. Sarotra ho an’ny sasany ny mizaka ireo fanesoesoana sy fanaratsiratsiana ataon’ny olona tsy manan-tsaina izay manabanty ny fahadiovam-pitondrantena, ny fahamarinan-toetra ary ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra. Efa nambanian’izao tontolo izao hatramin’izay ny fanarahana fitsipika. Rehefa nomena toromarika hanao sambofiara i Noà dia nanesoeso sy nihomehimehy ireo vahoaka tsy manan-tsaina raha nijery ny lanitra tsy nahitan-drahona—mandra-piavian’ny orana.
Taonjato maro lasa izay teo amin’ny kaontinanta Amerikana dia niahiahy sy niady ary tsy nankatò ny olona mandra-pandevon’ny afo an’i Zarahemlà sy nandrakofan’ny tany an’i Môrônihà ary niteleman’ny rano an’i Môrônia. Tsy nisy intsony ny fihomehezana sy ny fanesoana sy ny fahavetavetam-piteny ary ny fahotana. Nosoloin’ny fahanginana feno alahelo sy ny haizin-kitroka izy ireo. Tapitra ny fe-potoan’ny faharetan’ Andriamanitra ary tontosa ny fandaharam-potoany.
Tsy very mihitsy ny finoan’i Maria Linford na dia teo aza ny fanenjehana tao Angletera, ny fahasarotan’ny diany nankany amin’“ilay toerana [nomanin’ Andriamanitra,]”6 ary ireo fitsapana taty aoriana izay niaretany ho an’ny fianakaviany sy ny Fiangonana.
Tamin’ny fombafomba fanao teny akaikin’ny fasana izay natokana mba hahatsiarovana an’i Maria tamin’ny taona 1937 dia nanontany ny taranany ny Loholona George Albert Smith (1870–1951) hoe: “Hiaina amim-pahatokiana ny zavatra ninoan’ireo razambenareo ve ianareo? … Miezaha ny ho mendrika ireo fahafoizantena rehetra nataon’[izy ireo] ho anareo.”7
Rehefa mikatsaka ny hanorina an’i Ziona ao am-pontsika isika, ao an-tokantranontsika, ao anatin’ny fiaraha-monintsika, ary ao amin’ny firenentsika dia enga anie isika mba hahatsiaro ny herim-po feno fahasahiana sy ny finoana mafy orina nananan’ireo izay nanome izay nananany rehetra mba hahafahantsika migoka ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny, omban’ny fanantenana sy ny fampanantenana entin’izany amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.
© 2016 an’ny Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Natonta tao Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 6/16. Fankatoavana ny fandikana: 6/16. Fandikana ny First Presidency Message, July 2016. Malagasy. 12867 654