Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano, Aogôsitra 2016
Fianakaviana mifampikolokolo
Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantatra izay tokony hozaraina. Nahoana no hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahy ireo izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano ny fahatakarana ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’izao tontolo izao”? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.
Ny “mpivady dia manana ny andraikitra feno voninahitra mba hifankatia sy hifampikarakara ary hanao toy izany koa amin’ny zanany.”1 “Ny tokantrano no tokony ho toerana hampianaran’ Andriamanitra antsika ny fitiavana sy ny fanompoana,” hoy ny Filoha Russell M. Nelson, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.
“Tian’ny Raintsika any An-danitra hifampatoky ny mpivady ary hanome lanja sy hitondra ireo zanany ho toy ny lova avy amin’ny Tompo.”2
I Jakôba ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nilaza fa ny fitiavan’ny lahy ny vadiny sy ny fitiavan’ny vavy ny vadiny, ary ny fitiavan’izy roa ireo zanany no anisan’ny nahatonga ny Lamanita ho marina kokoa noho ny Nefita tamin’ny fotoana iray (jereo ny Jakôba 3:7).
Ny fomba iray tsara indrindra hanasana ny fitiavana sy ny filaminana ao an-tokantranontsika dia ny firesahana amin-katsaram-panahy amin’ireo fianakaviantsika. Ny fitenenana amin-katsaram-panahy dia mitondra ny Fanahy Masina. Nangataka antsika ny Rahavavy Linda K. Burton, Filohan’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany mba handinika hoe: “Impiry isika no mifanao teny feno hatsaram-panahy?”3
Soratra Masina Fanampiny
Romana 12:10; Môsià 4:15; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25:5
Tantara marina
Ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara traikefa iray tamin’ny fahazazany izay nampiditra tao anatiny ny lanjan’ny fianakavina mifankatia. Fony mbola kely izy sy ireo rahalahiny dia tsy maintsy nandalo fandidiana ny reniny noho ny homamiadana ka nahatonga ny tanany ankavanana hanaintaina rehefa hetsehina. Lahy avokoa ny tao amin’ny fianakaviana ka betsaka noho izany ny lamba ho pasohina, kanefa rehefa mipasoka ny reniny dia mitsahatra matetika izy ary nankany an’efitranony mba hitomany mandra-pitonian’ilay fanaintainana.
Rehefa hitan’ny rain’ny Loholona Christofferson ny zava-nitranga dia tsy nisakafo antoandro an-tsokosoko izy nandritra ny herin-taona mba hanangonam-bola hividianana fitaovana hanamorana ny fipasohana. Tamin’ny fitiavany ny vadiny dia nasehony tamin’ireo zanany lahy ny ohatry ny fikolokoloana misy ao amin’ny fianakaviana. Vokatr’izany fifandraisana feno hatsaram-panahy izany dia nilaza ny Loholona Christofferson hoe: “Tsy nahafantatra ny fahafoizan-tenan’ny raiko sy ny fitiavana nasehony tamin-dreniko aho tamin’izany fotoana izany, fa satria fantatro kosa izany amin’izao fotoana dia milaza amin’ny tenako aho hoe: ‘Misy ny tena lehilahy.’”4
© 2016 Intellectual Reserve, Inc. Zo rehetra voatokana. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny Anglisy: 6/16. Fankatoavana ny fandikana: 6/16. Fandikana ny Visiting Teaching Message, August 2016. Malagasy. 12868 654