2017
Ny fiainan’ny mpianatra
August 2017


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany, aogôsitra 2017

Ny fiainan’ny mpianatra

Telopolo taona lasa izay tany Ghana dia nisy mpianatry ny oniversite vao herotrerony iray antsoina hoe Doe, izay sambany niditra tao amin’ny trano fiangonan’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nasain’ny namany iray hiaraka aminy i Doe, ary dia liana i Doe ny hahafantatra hoe manao ahoana ny Fiangonana

Tsara fanahy sy nandray tsara ireo olona tao hany ka nanontany tena izy hoe: “Karazana fiangonana inona ity?”

Tena talanjona i Doe ka dia nanapa-kevitra izy ny hianatra bebe kokoa mikasika ny Fiangonana sy ny olona mivavaka ao, izay safononoky ny fifaliana. Saingy vantany vao nanomboka nanao izany izy, dia nanomboka nanakana azy tamin’ny fomba rehetra avokoa ireo namana sy fianakaviana izay nihevitra ny hahasoa azy. Nilaza zavatra ratsy be mikasika ny Fiangonana izy ireo ary nanao izay vitan’izy ireo mba hampiova hevitra azy.

Saingy nahazo fijoroana ho vavolombelona i Doe.

Nanana finoana izy ary tia ny filazantsara, izay nameno fifaliana ny fiainany. Ka noho izany dia natao batisa izy.

Taorian’izay izy dia nianoka tao anatin’ny fandalinana sy ny vavaka. Nifady hanina sy nikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainany izy. Vokatr’izany dia nihanatanjaka sy nihalalina ny fijoroana ho vavolombelona nananan’i Doe. Taty aoriana dia nanapa-kevitra ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno ho an’ny Tompo izy.

Rehefa niverina avy any amin’ny asa fitoriana nataony izy dia nampiaraka tamin’ny misionera iray efa nahavita asa fitoriana izay nanambady azy. Ilay misiônera nanao batisa azy taona vitsy lasa ihany izany. Ary dia nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Johannesbourg Afrika Atsimo izy ireo taty aoriana.

Taona maro izay no efa lasa hatramin’ny fotoana nahatsapan’i Doe Kaku voalohany ny fifaliana avy amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Nandritra izany fotoana izany dia tsy nahafinaritra foana ny fiainany. Niaritra ny anjara ratram-po sy hakiviany izy, tao anatin’izany ny nahafatesan’ny roa tamin’ireo zanany, ny fisaonana lalina noho izany famoizany ny zanany izany dia mbola mamesatra tokoa ny fony.

Saingy izy sy ny vadiny, Anthony, dia niezaka mba hifanakaiky sy hanakaiky ny Ray any An-danitra malalan’izy ireo, izay tian’izy ireo amin’ny fony manontolo.

Ankehitriny, 30 taona taorian’ny nirobohany tao amin’ny ranon’ny batisa dia vao avy nahavita fanompoana tamin’ny fotoana feno iray hafa indray Ranabavy Kaku, ka tamin’ity indray mitoraka dia teo anilan’ny vadiny izay filohan’ny misiôna tany Nigeria.

Ireo izay mahafantatra an-dranabavy Kaku dia milaza fa misy zavatra tena mampiavaka azy. Mamirapiratra izy. Tena sarotra izany hoe hiaraka aminy ka tsy hahatsapa ho faly ihany koa.

Mafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananany: “Fantatro fa ny Mpamonjy dia mahita ahy toy ny zanany vavy sy namany (jereo ny Môsià 5:7; Etera 3:14),” hoy izy. “Ary dia mianatra sy miezaka mafy ny ho namany ihany koa aho, tsy amin’ny zavatra lazaiko ihany fa amin’ny zavatra ataoko ihany koa.”

Mpianatra isika

Ny tantaran-dranabavy Kaku dia mitovy amin’ny tantaran’ny maro hafa. Nanana faniriana ny hahafantatra ny marina izy, nanao ny ezaka hahazoana fahazavana ara-panahy, naneho ny fitiavany an’ Andriamanitra sy ny mpiara-belona aminy izy, ary tao anatin’izany rehetra izany dia nandalo fahoriana sy alahelo koa izy.

Kanefa na dia toa inona aza ny fanoherana, na nanao ahoana ny alahelo dia nanohy nandroso tamim-pinoana izy. Ary tsy latsa-danja amin’izany fa voatazony ihany koa ny fifaliany. Tsy ny fomba haharetana tao anatin’ny fahasarotan’ny fiainana ihany no hitany fa ny fomba handrosoana ihany koa na dia teo aza ireo fahasarotana ireo.

Mitovy amin’ny ahy sy ny anao ny tantarany.

Mahalana ny mahamora ny lalantsika mankany amin’ny fivoarana miaraka amin’ny fitsapana, na hoe tsy misy fitsapana.

Samy manana ny ratram-pontsika sy ny fahadisoam-panantenantsika ary ny alahelontsika isika.

Mety mahatsiaro ho kivy mihitsy aza isika na vesaran-javatra maro indraindray.

Saingy ireo izay miaina ny fiainan’ny mpianatra, izay mitoetra ho mahatoky ary manohy mandroso amim-pinoana; izay matoky an’ Andriamanitra sy mitandrina ny didiny;1 izay miaina ny filazantsara isan’andro, isan’ora; izay manompo ny hafa tahaka izay nataon’i Kristy, asa soa iray isaky ny mandeha, izy ireo no mitondra fiovana lehibe noho ireo asa soa kely ataony.

Ireo izay tsara fanahy kokoa, mamela heloka kokoa, ary mamindra fo kokoa no ireo mpamindra fo izay hahazo famindram-po.2 Ireo izay manatsara ity tontolo ity, amin’ny alalan’ny asa feno fiahiana sy feno fitiavana amin’ny fotoanany, sy ireo izay miezaka ny miaina ny fiainana voatahy sy mahafa-po ary feno fiadanan’ny mpianatr’i Jesoa Kristy no ireo izay hahita fifaliana amin’ny farany.

Ho fantatr’izy ireo fa ny “fitiavan’ Andriamanitra izay miely patrana any am-pon’ ny zanak’ olombelona … dia io no mahatsiriritra indrindra amin’ ny zava-drehetra … ary io no mampiravoravo indrindra ny fanahy.”3