2018
Filoha Russell M. Nelson: Voatarika, vonona, feno fanoloran-tena
Filoha Russell M. Nelson


Filoha Russell M. Nelson: Voatarika, vonona, feno fanoloran-tena

Rehefa avy nanamboatra fon’olona am-polo taona maro amin’ny maha-mpandidy fo fanta-daza azy ary avy eo nikasika fon’olona amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo azy, dia manolo-tanana sy fitiavana tsy misy fetra ho an’ny asa fanompoany ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny maha-Filohan’ny Fiangonana azy.

Sary
President Russell M. Nelson seated in black chair

Rehefa maty ny Filohan’ny Fiangonana, dia maro no mifantoka amin’ny dingana hanendrena ny solony. Raha ny marina, izany dingana izany, izay tarihin’ny Tompo, dia nanomboka taona maro mialoha. I Russell M. Nelson dia nanana fiainana feno fiomanana ho amin’ity antso masina ity. Efa nahita maso ny maro amin’izany fiomanana izany aho.

Ny fiomanan’ny Filoha Russell M. Nelson dia hita miharihary amin’ny zavatra niainany sy vitany nandritra ny fiainany manontolo. Izy dia malaza ho nisantatra ny fandidiana fo. Mpanoratra sy mpandahateny mahay izy, ary afaka miresaka amin’ny fiteny maro. Mahafantatra sy tia olona izy, ary mahatakatra ny vokatry ny fandraisana fanapahan-kevitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mahafantatra sy tia ny soratra masina sy ny tempoly masina izy. Mpiandraikitra za-draharaha izy izay manao fanapahan-kevitra haingana sy hentitra.

Ny Filoha Nelson dia nahafantatra manokana ireo Filohan’ny Fiangonana 10, tamin’ireo 16 teo aloha, ary efa nisy fotoana maro nampianaran’izy ireo azy. Ankehitriny, amin’ny maha-Filoha faha-17 azy dia manomboka ny fanompoany amin’ny maha-filoha azy izy amin’ny fanomezana toky ny Olomasin’ny Andro Farany fa mbola hanohy hitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy.

“Ny Tompo dia nanome torolalana sy nanentana ny fanahin’ireo mpaminaniny foana ary mbola hanome torolalana sy hanentana ny fanahin’izy ireo foana” hoy izy nandritra ny fampitana ny filazana tamin’ny 16 janoary 2018. “Ny Tompo no mitarika. Izahay izay notendrena mba hijoro ho vavolombelona momba ny Anarany Masina manerana an’izao tontolo izao dia hanohy hikatsaka ny hamantatra ny sitrapony sy hanaraka izany.”1

Ny fiahian’ny Filoha Monson ny mahasoa mandrakizay an’ireo zanak’ Andriamanitra dia avy amin’ny fiainana feno fanompoana tamin-kitsimpo. Tahaka ny nikasihany ara-bakiteny fo maro amin’ny maha-mpandidy azy no nikasihany ara-tsarinteny ny fon’ireo Olomasina maneran-tany amin’ny alalan’ny fampianarany mahery vaika, ny fanompoany tsy misy tambiny ary ny fitiavany tsy misy fetra. Araka ny nolazainy tamin’ny fampitana ara-tantara tamin’ny janoary teo hoe izany fitiavana izany dia “nitombo tao anatin’ny fihaonana taminareo sy tao anatin’ny fiarahana mitsaoka aminareo ary tao anatin’ny fanompoana anareo am-polo taonany maro izay.”2

Fiomanana manan-danja

Betsaka no fantatra momba ny fahombiazana arak’asa an’ny Dr. Nelson amin’ny maha-anisan’ny voalohany azy amin’ny maha-mpikaroka sy mpahay siansa ary mpandidy fon’olombelona azy. Izany rehetra izany, miaraka amin’ny fiainam-pianakaviany izay faka tahaka, no anisan’ny fototry ny fiomanany.

Sary
young Russell M. Nelson with his parents and siblings

Ny Filoha Nelson dia teraka tamin’ny 9 Septambra 1924, zanak’i Marion C. sy i Edna Anderson Nelson. Samy nalaindaina tao amin’ny Fiangonana ny rainy sy ny reniny nandritra ny fahazazan’i Russell, saingy naneho fitiavana lehibe ny zanany izy ireo ary nandefa azy ireo tany amin’ny Sekoly Alahady indraindray. Tamin’ny voalohany i Russell kely dia tsy liana tamin’ny Fiangonana, fa naleony nilalao baolina niaraka tamin’ireo namany. Fa rehefa feno 16 taona izy dia nanomboka nandray ireo fahamarinan’ny filazantsara ny fony dia natao batisa izy sy ny mpiray tampo aminy. Taona maro taty aoriana, noho ny ohatra nasehon’ireo zanany sy ny fiantraikany dia niverina navitrika ny ray aman-dreny Nelson.

Namaly ny fahafahany hahazo fanabeazana ihany koa i Russell kely. Nahatsikaritra izy, araka ny nampianariny taty aoriana, fa ny fandrantoana fianarana dia andraikitra ara-pivavahana. Nahavita ny fianarany teny amin’ny Lycée izy tamin’ny faha-16 taonany ary tafiditra tao amin’ny Oniversiten’i Utah izy raha nanakana azy tsy handeha hanompo tamin’ny fotoana feno ny korontana tamin’ny Ady Lehibe faharoa.

Raha teo amin’ny fanomanany hahazo ny mari-pahaizana licence i Russell dia naharesy lahatra azy handray anjara amin’ny fifantenana ho amin’ny kilalao an-tsehatra iray tao amin’ny oniversite ny talenta nananany tamin’ny mozika. Nanintona ny sofiny sy ny masony ny mpihira mpitarika feo voalohany, dia i Dantzel White. Natao mariazy izy ireo fotoana fohy taorian’ny nandraisany ny mari-pahaizana licence tamin’ny taona 1945. Nahavita ny fianarany tao amin’ny Oniversiten’i Utah niaraka tamin’ny mari-boninahitra ambony ho dokotera mpitsabo izy tamin’ny faha-22 taonany. Nanohy ny fianarany tao amin’ny Oniversiten’i Minnesota izy. Tao izy dia mpikambana manan-danja tao amin’ilay ekipa izay nisantatra ny fivoaran’ny fandidiana fo misokatra. Nanao internat en chirurgie tao Minnesota sy tao amin’ny Massachusetts General Hospital tao Boston, Massachusetts, Etazonia izy avy eo.

Teo anivon’ny fianarany sy ny fitomboan’ny fianakaviany i Dr. Nelson dia nantsoina hanompo nandritra ny Ady tany Korea satria tena nilain’ireo miaramila ny mpitsabo. Noho ny fianarana mandidy nataony dia nalefa tany Washington D.C. izy, izay nananganany sampan-draharaham-pikarohana momba ny fandidiana tao amin’ny Walter Reed National Military Medical Center. Tamin’ny 1953, rehefa nahatanteraka ny adidy miaramilany izy dia nijanona herintaona tao amin’ny Harvard Service tao Massachusetts General Hospital ao Boston. Ary nahavita ny mari-pahaizany doctorat izy tao amin’ny Oniversiten’i Minnesota tamin’ny 1954.

Sary
Russell M. Nelson with his wife (Dantzel) and children

Na dia teo aza ny fianarany ho mpitsabo sy ny asany izay nitaky fotoana betsaka, dia nametraka ny fianakaviany ho lohalaharana eo amin’ny fiainany foana i Dr. Nelson. Nijoro teo anilany sy nanohana ny vadiny tamin’izay rehetra nataony tato am-piangonana sy tamin’ny asany ary tamin’ny fanompoana ara-miaramila i Dantzel White Nelson. Ny fifandraisan’izy ireo tsy miova sy mifanohana ary feno fitiavana dia aingam-panahy sy fitarihana mahery vaika ho an’ireo zanany miisa 10: sivy vavy ary lahy tokana. “Tena mamy sy feno fifanohanana” ny fifandraisan’izy ireo hoy i Sylvia Webster zanaka vavin’izy ireo. Nilaza i Russell Nelson Zanany hoe: “Hita mibaribary foana fa tena nifankatia ny ray aman-dreniko.”3

Tsy nampoizina fa maty taloha kelin’ny tsingerintaona faha-60 nifanambadian’izy ireo i Dantzel Nelson. Taorian’ny fotoana tena naha-irery ny Loholona Nelson dia nanambady an’i Wendy Watson izy, vehivavy tsy mbola nanambady. Ny mari-pahaizany doctorat sy ny maha-profesora azy tao amin’ny Oniversite Brigham Young ary ny fitiavany ny fianakaviambe Nelson no nahatonga azy ho sakaiza tena tsara ho an’ny Loholona sy Filoha Nelson.

Sary
Russell M. Nelson with Wendy, his second wife

“Azoko antoka fa sarotra ny miditra ao amin’ny fianakaviana iray izay misy olona mihoatra ny 200 ka hahatsapa hoe namana akaiky ianao,” hoy i Sylvia zanaka vavy. “Nanao ezaka i Wendy ary tena nahavariana izy.”4 Hoy i Russell zanany: “Saikaiza tena nahafinaritra ho azy i Wendy. … Tena hitako ny fomba nanomanana azy nanditra ireo taona maro ho amin’ity toerana ity, ary anisan’ny singa iray manan-danja amin’izany ny fisian’i Wendy teo amin’ny fiainany.”5

Amin’ny fotoana anoratana izao ny fianakaviana Nelson dia ahitana zanaka miisa 10, zafikely 57, ary zafiafy 116 miampy roa efa ho tonga. Ireo rehetra izay afaka dia miangona isam-bolana amin’ny tokantrano samy hafa mba hankalaza daty nahaterahana sy tsingerintaona.

“Manana lalàna izay nomena ny fanjakana rehetra”

Raha mbola tany amin’ny sekoly fianarana ho mpitsabo i Russell M. Nelson dia nampianarina izy fa tsy tokony hisy dokotera hikasika fon’olombelona, satria raha vantany vao kasihina ny fo dia hijanona tsy hidoboka intsony izany. Taona vitsy taty aoriana fotsiny anefa ny Dr. Nelson sy ireo mpikaroka namany dia nitatitra ny fahombiazan’ny fampiasana fitaovana voalohany misolo fo sy avokavoka tamin’ny alika. Ilay fitaovana misolo fo sy avokavoka no nisahana ny fikorinan’ny ra, izay nahafahana nanao fandidiana ny fo izay tsy mitempo. Tsy ela io zava-baovao vitan’ny Dr. Nelson sy ny mpiara-miasa aminy io dia natao tamin’ny olombelona ary ankehitriny dia nahatonga fandidiana fo misokatra mihoatra ny dimy hetsy sy iray tapitrisa atao isan-taona manerana izao tontolo izao.

Ny aingam-panahy izay nitarika io zavatra hita io dia tonga tamin’ny Dr. Nelson raha nisaintsaina ireto andininy avy tao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana manaraka ireto izy:

“Manana lalàna izay nomena ny fanjakana rehetra. …

“Ary ho an’ny fanjakana tsirairay dia misy ny lalàna nomena; ary ho an’ny lalàna tsirairay dia misy koa ny fetra sy ny fepetra” (F&F 88:36, 38).6

Nieritreritra ny Dr. Nelson hoe raha miasa, mianatra, ary mametra ireo fanontaniana tokony hapetraka izy sy ny ekipany dia ho afaka mianatra ireo lalàna izay mifehy ny fitempon’ny fo. “Tamin’ny alalan’ny fahatakarana ny soratra masina sy ny –fampitahana– azy ireny amin’ity sahan-kevitra ity” hoy izy “no nanamora tamiko ny sehatra lehiben’ny fandidiana fo araka ny ahafantarantsika azy amin’izao.”7

Nandritra ny fiainany dia nitahy ny Filoha Nelson sy ny fianakaviany, sy ny Fiangonana ary izao tontolo izao io fahaizana mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara io. Anisan’ny singa iray manan-danja tamin’ny fiomanany ho amin’ny antsony ho Apôstôly sy izao Filohan’ny Fiangonana izao izany.

Tao amin’ny fiainany arak’asa ny Dr. Nelson dia mpandidy sy mpitsabo mpikaroka nahazo laza vetivety. Tamin’ny 1955 izy dia nanaiky toerana iray ho mpampianatra fikarohana momba ny fandidiana tao amin’ny Oniversiten’i Utah. Tao izy dia nanamboatra fitaovana misolo fo sy avokavoka izay nampiasainy hanatanterahana ny fandidiana fo misokatra voalohany tao Utah, ny fandidiana voalohany tahaka izany tao andrefan’ny Reniranon’i Mississippi. Nanao valandresaka sy nanoratra toko maro ho an’ny boky torolalana ho an’ny mpitsabo izy ary lahatsoratra mihoatra ny 70 voamarina mpitsabo tao amin’ny fanontana hafa. Talohan’ny niantsoana azy ho Apôstôly dia nahavita fandidiana efa ho 7.000 izy.8

Ankoatra ny fahaizany mitsabo dia mpampianatra nanentana fanahy sy mpitantana nahomby ihany koa ny Dr. Nelson, toetra izay nahatonga azy ho tena nilaina teo amin’ny sehatry ny fitsaboana sy nampiavaka azy teo amin’ny antsony tato am-piangonana taty aoriana.

“Ny andraikitry ny dokotera voalohany indrindra dia ny mampianatra,” hoy ny Dr. Nelson. Dia nampiany hoe: “Tena miasa amin’ny farany ambony vitany tokoa ny dokotera rehefa mampianatra ny marariny ny tsy mety sy ny zavatra azony atao manoloana izany.”9

Sary
Russell M. Nelson as a doctor and during a visit to China

Nasehon’ny Dr. Nelson io fahavononana sy fahalianana amin’ny fampianarana sy fianarana io tamin’ny fandehanana amin’ireo firenena any ivelany mba hampiseho sy hampianatra fomba fanao ara-pitsaboana. Ho fanampiana azy amin’ny fampianarana dia nianatra fiteny maro be izy, anisan’izany ny frantsay, ny pôrtogey, ny alemana, ny rosiana, ary ny espaniola mba hahafahany mifandray tsara kokoa amin’ireo mpitsabo sy mpikaroka avy amin’ny firenen-kafa ary mampianatra azy ireo. Rehefa avy nanatrika fivoriana iray izay nanomezan’ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) torohevitra mba hianatra teny sinoa ny Dr. Nelson sy i Dantzel vadiny dia nanomboka nianatra mandarin avy hatrany izy ireo. Ny fahaizany io fiteny io no nanome fahafahana azy hiara-hiasa akaiky amin’ireo mpitsabo tany Chine, izay nanaovany valandresaka sy nanatanterahany fandidiana, izay nanavotra ny ain’ny iray amin’ireo maherifon’ny firenena sinoa.10

Mikatsaka ny fanjakan’ Andriamanitra aloha

Na dia nahatalanjona toy izany aza ny zava-bitan’ny Filoha Nelson teo amin’ny resaka fitsaboana, dia nihazona ny fifantohany tamin’ny Tompo sy ny asany izy. Maro ny mpikambana no tsy mahafantatra fa misiôneran’ny Temple Square izy nanomboka tamin’ny 1955 hatramin’ny 1965, nitari-dalana mpitsidika nanomboka tamin’ny 4 ora ka hatramin’ny 5 ora hariva isaky ny alakamisy. Anisan’ny fotoana tery indrindra taminy izany tamin’ny naha-mpadidy azy. Nanoratra izy taty aoriana hoe “tamin’ny 1964 dia vao nanomboka an’ilay fanambin’ny fanoloana valviola mihitsy izahay teo amin’ny sehatry fitsaboana. Ambony ny taham-pahafatesana, ary ny fotoana natokana tamin’ny marary tsirairay dia tena ambony tokoa, fihaonana mivantana efa ho ora maro dia maro, indraindray aza andro vitsivitsy mihitsy.”11

Ho an’ny ankamaroan’ny mpikamban’ny Fiangonana, izany zava-misy izany dia tsy ahafahana manao antso izay mandany fotoana kokoa. Saingy tsy ho an’ny Dr. Nelson izany. Tamin’ny 1964, taorian’ny nanaovana dinidinika azy sy ny olona hafa izay mety ho filohan’ny tsatòka dia niteny taminy ny Loholona Spencer W. Kimball, niaraka tamin’ny Loholona LeGrand Richards (1886–1983) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mahatsapa izahay fa mila anao ny Tompo mba hiahy ity tsatòka ity. Nandritra ireo dinidinika maro nataonay dia mitovy foana ny valinteny isaky ny voatonona ny anaranao: -Tsy ho tsara izy- na -Tsy manam-potoana izy- na izy roa. Na izany aza dia nahatsapa izahay fa mila anao ny Tompo. Koa raha mahatsapa ianao izao fa sahirana loatra ka tsy tokony hanaiky ny antso dia afaka manao izany ianao.- …

“Novaliako tsotra izy fa efa noraisinay izany fanapahan-kevitra izany tamin’ny 31 aogositra 1945, raha nivady tao amin’ny tempoly izaho sy ny Rahavavy Nelson. Nanolo-tena izahay tamin’izay fa ‘[hikatsaka] aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany,’ sady nahatoky fa hanampy ho anay ny zavatra hafa rehetra, araka ny nampanantenain’ny Tompo (Jereo ny Matio 6:33.)”12

Ny faneken’ny Dr. Nelson an’ilay antso dia maneho an’ilay nantsoin’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo vao tsy ela hoe: “ny fanetrentena sy ny fahatsorana tahaka ny an’ny ankizy ao amin’ny finoan’i Russell Nelson. … Tena feno fanetrentena izy, manana toetra tahaka ny ankizy izy, amin’ny zavatra rehetra sy amin’ny fifandraisany rehetra amin’ny olon-kafa izay nahitako azy.”13

Nanome tsodrano an’ny Dr. Nelson ny Loholona Kimball, sady nampanantena fa ny taham-pahafatesana izay mifandray amin’ny fandidiana valviola dia hidina ary tsy haka be ny fotoany sy ny heriny intsony ny fomba fanatanterahana izany.

“Ny taona manaraka izay, dia tena nihena tokoa ny fotoana takiana tamin’ny fandidiana, ary nanana ny fotoana nilaina hanompoana tao amin’izany antso izany sy tamin’ny antso hafa aho,” hoy ny Dr. Nelson. “Eny tokoa, nidina … ambany be ary azo ekena sy leferina ny taham-pahafatesantsika. Mahaliana fa izany mihitsy ilay fandidiana nataoko ho an’ny Filoha Kimball valo taona taty aoriana.”14

Sary
Russell M. Nelson and Spencer W. Kimball; Russell M. Nelson with Dantzel, his first wife

Ny fitakian’ny asany sy ny antsony ao amin’ny Fiangonana dia nidika fa tena ho voafetra be ny fahafahany hanana fotoana malalaka ao an-tokantrano. Na izany aza dia nanao izay rehetra azony natao izy mba hanaovana ny vadiny sy ireo zanany 10 ho lohalaharana. Isaky ny ao an-trano izy dia atokany tanteraka ho an’ny fianakaviany ny fotoany. Amin’ireo dia maro ataony manerana izao tontolo izao, dia matetika entiny manaraka azy ny vadiny na ny iray amin’ireo zanak’izy ireo. Rehefa nikarakara tsara ny zanak’izy ireo i Dantzel nandritra ny tsy naha-teo azy dia feno fankasitrahana izy noho ny fanokanany tena ho azy ireo rehefa misy fotoana malalaka amin’ny asany sy ny antsony izay nitaky fotoana betsaka izy. “Rehefa ao an-trano izy dia tena ao an-trano tokoa!” hoy izy indray mandeha tamin’ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973), izay filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’izany fotoana izany.15 Matetika naverin’ny Filoha Lee io teny io rehefa manoro hevitra ireo mpitarika ao amin’ny Fisoronana izay sahirana izy mba hifantoka amin’ny fianakavian’izy ireo.

Manaraka ireo mpaminany

Nahita maso sy nandray anjara kely tamin’ny tranga iray manan-danja teo amin’ny fiainana arak’asan’ny Dr. Russell M. Nelson sy i Dantzel vadiny aho. Nitranga izany tamin’ny nihaonako voalohany tamin-dry Nelson tamin’ny 1965, efa 52 taona lasa. Ao amin’ny tantaram-piainany ny Dr. Nelson dia milaza ny fomba nanolorana azy ny toeran’ny profesora momba ny fandidiana sy filohan’ny Sampana Mpandidy Fo sy Tratra tao amin’ny Oniversiten’i Chicago. Izany tolotra izany, hoy ny nosoratany, dia “nanome loharano ahy ho nahafahako hahazo fanampiana ara-bola, labôratoara fikarohana ary fanohanan’ny mpiasa izay hanatanteraka ny nofinofin’ny mpampianatra rehetra. Mba hamparesy lahatra kokoa dia nahitana fianarana efatra taona any amin’ny sekoly ambaratonga ambony ho an’ny zanakay sivy amin’izay toeram-pianarana safidin’izy ireo ilay tolotra, ka haloan’ny Oniversiten’i Chicago avokoa ny faktiora rehetra.” Hoy ny filohan’ilay oniversite tamin’ny Dr. Nelson: “Ny antony iray tena ilanay anao dia satria fantatray fa Môrmôna tsara ianao. Tianay ho anisan’ny mpampianatra ato aminay ianao. Ilainay eto ianao mba hitondra ny fitaomana azon’ny Môrmôna entina amin’ity Oniversite ity.”16

Tao anatin’ny fangatahana an’ity dokotera mahavariana ity ho mpiasa, ilay filoha dia niantso ahy mba handresy lahatra ny fianakaviana Nelson mba hifindra tany Chicago. Mpampianatra momba ny lalàna tao amin’ny Oniversiten’i Chicago aho tamin’izay ary nahafantatra an’ilay filohan’ny sampam-pianarana momba ny fitsaboana satria niara-niasa tao amin’ny filankevi-pitantanan’ilay oniversite. Nangataka ahy ilay filoha mba hanasa an-dry Nelson hisakafo tao an-tranonay. Namporisika ahy izy mba hilaza azy ireo ny mikasika ny Fiangonana tao Chicago satria fantany fa io no tena zava-dehibe tamin’izy ireo.

Koa Itompokovavy June vadiko niaraka tamiko no nihaona tamin’i Dantzel sy i Russell Nelson ary nanasa azy ireo hisakafo sy hitsidika ny tranonay tao Chicago ny alahady 21 nôvambra 1965. Nataonay izay azonay natao handresen-dahatra azy ireo hifindra tany Chicago. Naheno aho taty aoriana avy tamin’ny tantaram-piainany fa “tena liana be tamin’io tolotra io izy ireo ary efa nifidy trano iray tamin’iray amin’ireo toeram-ponenana tao Chicago izay azon’[izy ireo] hitaizana ny fianakavian’[izy ireo].”17

Fa ny zava-nitranga dia fanehoana ny fomba nitarihan’ny aingam-panahin’ny Tompo ny fanapahan-kevitra sy ny fiomanan’i Russell M. Nelson. Rehefa niverina tany Salt Lake City izy dia nikatsaka torohevitra avy tamin’ny Filoha David O. McKay (1873–1970) mba hitari-dalana azy ireo amin’ny fanapahan-kevitra manan-danja horaisin’izy ireo. Nivavaka ny mpaminany ary tonga ny valiny: “Tsia.”

Sary
David O. McKay; Russell M. Nelson looking at model of heart

Hoy ny Filoha McKay: “Efa mipetraka amin’ny tanàna tsara indrindra eto an-tany ianao. Manana fomba fiainana izay tsy hisy hitovy aminy na aiza na aiza eto amin’izao tontolo izao ianao. Eto ireo zanakao vavy dia hahazo ny tontolo tsara indrindra azo omena azy ireo. Manan-danja kokoa ho anao izy ireo noho izay laza na hoavy izay mety ho tonga aminao any amin’ny oniversite. Tsia, Rahalahy Nelson, eto Salt Lake City ny toerana tokony hisy anao. Hanatona anao ny olona avy amin’izao tontolo izao satria eto ianao. Tsy mieritreritra aho hoe tokony ho any Chicago ianao.”18

Heniky ny finoana ny Dr. Nelson dia nandà ilay tolotra ho any Chicago ary nijanona tao Salt Lake City. Tao izy, taona maro taty aoriana, dia nanatanteraka fandidiana fo misokatra ary nanalava ny fiainan’ny marary feno fankasitrahana maro, anisan’izany ny Filoha Kimball, ny Loholona Richard L. Evans (1906–71), Filoha Boyd K. Packer (1924–2015), ary mpitarika sy mpikambana maro hafa ato amin’ny Fiangonana miaraka amin’ny fianakaviany.

Ho ahy sy i June, ilay fihaonana tao Chicago no fiantombohan’ny finamanana ela sy mamy tamin’i Russell sy i Dantzel Nelson. Enina taona taty aoriana dia nisaorana tamin’ny naha-filohan’ny tsatòka azy izy ary nantsoina ho filohan’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Tamin’io taona io ihany dia notendrena ho filohan’ny Oniversite Brigham Young aho. Nandritra ny taona maro dia nanompo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izahay ary izao izahay dia hiara-hiasa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao anatin’ny finamanana izay nanomboka tany Chicago teo amin’ny mpampianatra roa niaraka tamin’ny vadiny 52 taona lasa izay.

Manova fo

Tamin’ny 1 aprily 1984 ny Dr. Nelson dia notendrena ho Apôstôly ary natokana ho mpikambana tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Tao anatin’ny fotoana fohy,” hoy izy, “ilay fifantohana tamin’ny fitsaboana sy ny fandidiana tao anatin’izay 40 taona lasa izay dia niova ho fanolorana ny fiainako sisa ho amin’ny fanompoana amin’ny fotoana feno an’i Jesoa Kristy Tompoko sy Mpanavotro.”19

Sary
Russell M. Nelson with other members of the Quorum of the Twelve Apostles

Tamin’ny niantsoana azy ho Apôstôly ny Loholona Nelson dia nanambara hoe “Ny asa izay irotsahako izao no zavatra manan-danja indrindra eto an-tany. Mahafaoka ny zava-drehetra izany, mahafinaritra izany, ary misy fanamby izany. Ary tsy maintsy manao izay tsara azoko atao aho, satria manana andraikitra ho an’ity fitantanana ity aho.”20

Hatramin’ny nahalasa Apôstôly azy, sy ny naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy nanomboka tamin’ny 2015, dia nanohy nandeha nanerana izao tontolo izao ny Filoha Nelson, mizara ny tenin’ny fiainana mandrakizay ary manova fo. Ny iray amin’ireo asa nanirahana azy voalohany dia ny fanokafana ny varavarana ho an’ny asa fitoriana any Eoropa Atsinanana. “Tao anatin’ny … dimy taona dia nanao dia miisa 27 aho tany amin’ny firenena 31 tany Eoropa,” hoy ny Filoha Nelson. “Talohan’ny nahafatesan’ny Filoha [Ezra Taft] Benson dia … afaka nanao tatitra taminy aho fa vitanay ny asa nanirahana anay: voaorina any amin’ny firenena rehetra ao Eoropa Atsinanana izao ny Fiangonana.”21

Sary
Russell M. Nelson greeting Saints in Moscow, Russia

Nitokana firenena miisa 27 ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara ihany koa ny Filoha Nelson, tafiditra amin’izany i Bulgarie, i Croatie, i El Salvador, i Ethiopie, i Polynésie Française, i Kazakhstan ary i Russie. Indray mandeha tao anatin’ny efatra andro dia nitokana firenena enina samy hafa izy.22 Nandritra ny naha-Apôstôly azy dia efa nitsidika firenena miisa 133 izy izao.23

Tamin’ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Russell M. Nelson dia efa nanompo nandritra ny taona maro ho filohan’ireo filankevitra fototra telo ao anatin’izany: dia ny filankevitra misahana ny asa fitoriana, ny Tempoly sy ny Tantaram-pianakaviana, ary ny filankevitra mpanatanteraky ny Fisoronana (izay lasa filankevitra mpanatanteraky ny Fisoronana sy ny fianakaviana amin’izao).

Nandalo fiovana lehibe maro ny Fiangonana nandritra ireo taona nahatao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny Loholona Nelson, izay nanompoany teo ambany Filohan’ny Fiangonana anankidimy. Hatramin’ny 1984 ny Fiangonana dia nitombo ho avo roa heny, avy tamin’ny mpikambana niisa 6 tapitrisa ka lasa 16 tapitrisa mahery. Namoaka fanambarana roa ny Apôstôly Roambinifolo sy ny Fiadidiana Voalohany: dia ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” tamin’ny 1995 ary ny “Ilay Kristy Velona” tamin’ny 2000. Nitombo ny isan’ny tempoly am-perinasa izay 30 tamin’ny 1984 ka tonga 159 tamin’ny 2017. Tamin’ny 2010, tamin’ny niantsoana ny Loholona Nelson ho filohan’ny filankevitra mpanatanteraka misahana ny asa fitoriana dia 58.000 ny isan’ireo misiôneran’ny Fiangonana. Ankehitriny, taorian’ilay fitomboana goavana tamin’ny nampihenana ny taona ahafahana manompo dia mihodinkodina eo amin’ny 67.000 eo ilay isa.

Toetra manokana

Ny ankamaroan’ny zavatra nojerena momba ny Dokotera sy Loholona ary izao Filoha Nelson dia mahakasika ny zavatra hitan’ny olona ivelany. Izao aho dia hanisy resaka ny amin’ny toetrany manokana izay hitako nandritra ireo taona maro.

Voalohany, i Russell M. Nelson dia olona tena mahafinaritra ary namana sy mpiara-miasa tena tsara. Tena tsara fanahy sy be fangorahana foana izy amin’ny fifandraisany manokana amin’olona. Modely mahavariana tsara alain-tahaka izy, mazoto sy mitandrina amin’ny fanatanterahana ireo andraikiny (ao amin’ny fianakaviany, ato amin’ny Fiangonana ary any amin’ny asa). Ary mahafinaritra ery rehefa eo izy.

Sary
Russell M. Nelson on a swing

Amin’ny fomba fitarihany dia mahafinaritra sy mora hatonina foana izy. Izany no tena toetra ilaina amin’ny mpitarika ambony. Rehefa miaraka aminy dia tsy mampisalasala mihitsy ny mitondra lohahevitra manokana iray na ny mieritreritra hoe hahasorena azy ny fanaovana izany. Tsy matahotra mihitsy izahay ny miresaka aminy momba ny zavatra manokana iray. Ny Filoha Nelson dia tsy miavonavona, tena mora hatonina ary mora iresahana.

Rehefa mandray fanapahan-kevitra ny Filoha Nelson dia miahiahy ny amin’ny fiantraikan’izany amin’ny ankapobeny. Tena mahay mieritreritra ny mety ho vokatry ny fandraisana fanapahan-kevitra na fitsipika na ny fampiharana fotopampianarana eo amin’ireo vondron’ny mpikambana samihafa izy, toy ny be taona, ny tanora, ny malaindaina, ireo mpitarika ato amin’ny Fiangonana ary ny hafa. Nahita izany toetra izany aho tamin’ireo mpitarika hafa, saingy miavaka ny fahitan’ny Filoha Nelson an’ity resaka ity. Angamba avy tamin’ny zavatra niainany amin’ny maha-mpitsabo azy izany, izay tsy afaka manome fanafody ho an’ny faritra iray amin’ny vatana raha tsy mijery ny vokatr’izany amin’ny faritra hafa.

Ny Filoha Nelson dia tena mahay manome andraikitra, mihoatra ny ankamaroan’ireo mpitarika izay efa hitako any amin’ny resaka asa sy ato am-piangonana. Mety mifandray amin’ny asan’ny mpandidy ihany koa izany, izay manao asa iray aorian’ny (sy alohan’ny) hanaovan’ny hafa ny azy.

Ny toetra lehibe iray hafa ananan’ny Filoha Nelson dia ny faharetany. Misoroka ny fifandonana izy rehefa mamaha olana na mamita zavatra. Laviny am-pahendrena ilay tetika hoe “ndeha vitaintsika izao dia izao ity” mba hananana fotoana kely mba hahitana raha toa ka ho mety ho azy ny zavatra. Tena manan-danja amin’ny maha-mpitarika azy izany toetra izany, tahaka ny nandritra izay roa taona sy tapany naha-Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo azy izay.

Rehefa avy nidera ny faharetan’ny Filoha Nelson dia tsy maintsy hidera toetrany iray hafa izay manan-danja ihany koa aho. Tsy mba miahotrahotra izy rehefa manapa-kevitra. Rehefa amin’ny fotoana maha-mety izany sy rehefa vonona handraisana fanapahan-kevitra ilay olana dia manapa-kevitra haingana sy hentitra izy. Hainy tsara ny manavaka ny hoe oviana ny zavatra iray no mila faharetana sy ady hevitra kokoa ary oviana isika no tokony hisafidy amina safidy maromaro misy dia handroso amin’ny asan’ny Tompo. Tian’ireo mpiara-mitarika aminy izany.

Mpampihavana ihany koa ny Filoha Nelson. Mandravina fomba fijery tsy mitovy izy ary mampiray olona samy hafa fijery. Tena toetra mahafinaritra izany ho an’ny mpitarika mpikambana izay manana fanoloran-tena ho amin’ny fotopampianarana masina iray saingy avy amina kolotsaina sy fombafomba samy hafa.

Sary
Russell M. Nelson with young adults

Manana fanomezam-pahasoavana voajanahary ho diplaomaty izy izay hitako manokana. Ampiasainy izy io amin’ny fandraharahany arak’asa, eny fa na hatrany Chine aza. Hatramin’ny niantsoana azy ho ao amin’ny Roambinifololahy dia nanokatra varavarana ho an’ny Fiangonana tany Eoropa atsinanana izy tao anatina tranga mahagaga maro nifanesy. Ankoatra izany dia nitsidika firenena samihafa 133 izy tamin’ny naha-mpanompon’ny Tompo azy. Tena fiomanana mahavariana ho amin’ilay toerana lehibe izay niantsoana azy izao izany.

Ny toetra lehibe iray hafa ananan’ny Filoha Nelson, izay tsy ampoizin’ny sasany, dia ny fahaizany manoratra. Ny fifandraisany an-tsoratra dia maodely amin’ny fahazavany, ary ny fanitsiany ny asa soratry ny sasany dia manampy foana. Ny mpikambana ao amin’ny Roambinifololahy dia mifanakalo andran-tsoratra mba hahazo sosokevitra hanatsarana ny lahatsoratr’ireo lahateny manan-danja. Ao anatin’izany dingana izany aho dia nianatra fa tsy misy olona ankoatra ny Filoha Nelson afaka manoro fanatsarana tsara kokoa ho an’ny lahateniko. Amin’ny maha-olona niasa tamin’ny teny ahy nandritra ny fiainako arak’asa dia gaga aho fa olona izay niasa tamin’ny vatana nandritra ny asany manontolo no mahavita manitsy ahy tsara toy izany. Nahatony ahy ny nahafantatra fa ny asa sorany izay tena tsara dia vokatry ny asa mafy. Indray mandeha, raha nasaina nijery ny iray tamin’ireo soratanany aho dia hitako fa izany no andrana fahavalo nataony. Raha nahafantatra ny rakitsoratr’ireo lahatsoratra arak’asa an’ny Dr. Nelson aho dia tsy ho gaga aho raha toa ka tsy misy mpanoratra tsaratsara kokoa noho izy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Sary
Russell M. Nelson on family ski outing

Betsaka no lasa eritreritra ny amin’ny taonan’ny filohantsika vaovao: 93 taona! Izahay izay miara-miasa akaiky aminy dia sahirana amin’ny ezaka ataonay mba haharaka azy. Tena mahavariana fa mavitrika izy, ara-batana sy ara-tsaina. Mahavariana ny fitadidiany. Manao ski matetika izy nefa zara raha miala sasatra. Mbola mampiasa ny fitaovany fanalana lanezy izy, eo amin’ny lalana tandrify ny tranony sy ny mpifanolobodirindrina aminy.24 Mahita ny fahavitrihany tsy misy fetra aho isaky ny alakamisy. Rehefa mahavita ny fivorianay ao amin’ny Tempolin’i Salt Lake izahay, ny sasany dia mandray ascenseur rehefa hidina amin’ny rihana ambany ary ny sasany kosa mandeha an-tongotra amin’ilay tohatra lava avy amin’ny rihana ambony. Midina haingana ny tohatra foana ny Filoha Nelson. Miezaka ny manatratra azy foana aho fa tsy vitako.

Manolo-tena ho an’ny Mpamonjy

Nilaza ny Filoha Nelson hoe: “Ny andro tsirairay hanaovan’ny Apôstôly asa fanompoana dia andro fianarana sy fiomanana handray andraikitra bebe kokoa amin’ny ho avy.”25 Ho azy ny fotoana fiomanana mba hitarihana ny Fiangonana dia efa vita, ary efa nahazo ilay fahefana masin’ny maha-Filohan’ny Fiangonan’ i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy izy. Mitarika antsika hiandrandra inona ny fiomanany mandritra ny fotoana maha-mpitarika azy?

Ny tena manan-danja indrindra dia ny fanolorantenany amin’i Jesoa Kristy Tompo, izay lohan’ny Fiangonany. Araka ny nolazain’ny Filoha Nelson tamin’ny hafany tamin’ny volana janoary izay notononina teo aloha teo hoe: “Isika dia … hanohy hikatsaka ny hamantatra ny sitrapony sy hanaraka izany.”26 Ankoatra izany ireo fampianarana entanim-panahy omen’ny Filoha Nelson dia ahitana lohahevitra mety hohamafisina.

Nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana tamin’ny ôktôbra 2017 ny Filoha Nelson dia nampahatsiahy ny mpikambana ny maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna. Nizara ny vokatry ny fandalinany manokana ny Bokin’i Môrmôna izy, tafiditra amin’izany ny lisitry ny atao hoe Bokin’i Môrmôna, sy izay amafisiny, sy izay heveriny, sy izay tanterahiny, sy izay hazavainy, ary izay ambarany. Namporisika ny mpikambana izy mba handalina sy hisaintsaina isan’andro ilay boky.27

Sary
Russell M. Nelson and his counselors during press conference

Tamin’ny 16 janoary 2018 izy, roa andro taorian’ny nanokanana ny Filoha Nelson ho filohan’ny Fiangonana dia nanambara fa ny Fiadidiana Voalohany dia hanomboka ny fanompoany “amin’ny fieritreretana ny fiafarany.” Izany “fiafarany” izany dia ny famonjena ny olona tsirairay, sy ny famehezana ny fianakaviana ao amin’ny tranon’ny Tompo. “Noho izany antony izany no iresahanay aminareo miainga avy eto amin’ny tempoly androany,” hoy ny Filoha Nelson avy teo amin’ny trano mifanila amin’ny Tempolin’i Salt Lake.

“Ny tanjona ifoforantsika tsirairay dia ny mba handray hery ao amin’ny tranon’ny Tompo, mba hofehezina amin’ny maha-fianakaviana, ary mba ho mahatoky amin’ireo fanekempihavanana natao tany amin’ny tempoly izay ahafahantsika mahazo ilay fanomezana faran’izay lehibe avy amin’ Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay. Ireo ôrdônansin’ny tempoly sy ireo fanekempihavanana ataonao any dia zava-dehibe eo amin’ny fanamafisana orina ny fiainanao, ny fanambadianao sy ny fianakavianao, ary ny fahafahanao manohitra ny fanafihan’ny fahavalo. Ny fitsaohana ataonao any amin’ny tempoly sy ny asa fanompoana ataonao any dia hanome fanambarana ho an’ny tena manokana sy fiadanana bebe kokoa ho anao ary hanamafy orina ny fanoloran-tenanao hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana.”28

Nanao antso avo ho an’ny Olomasina ihany koa ny Filoha Nelson mba hijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana: “Ny fanoloranao tena mba hanaraka ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana Aminy ary avy eo mitandrina ireo fanekempihavanana ireo dia hanokatra ny varavarana hahazoana ireo fitahiana ara-panahy rehetra sy ireo tombontsoa natokana ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy na aiza na aiza.” Ho an’ireo izay nivily lalana dia hoy izy hoe: “Manasa anao miaraka amin’ny fanantenana rehetra ato anatin’ny foko aho mba hiverina. Na inona na inona olana na fanamby atrehanao dia misy toerana ho anao ato amin’ity Fiangonan’ny Tompo ity. Ianao sy ireo taranaka mbola tsy teraka dia ho voatahy amin’ny alalan’ny asa ataonao ankehitriny mba hiverina eo amin’ilay lalan’ny fanekempihavanana.”29

Ito misy zavatra iray hafa manan-danja: “Ny soratra masina izay lasa tantara miaina ho ahy dia hita ao amin’ny fizarana faha-88 ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, izay ilazan’ny Tompo hoe: –Hafainganiko amin’ny fotoany ny asako–,” hoy ny nolazain’ny Filoha Nelson. “Ary niaina aho … mba hahita izany fanafainganana izany.”30 Izao izy dia mitarika izany.

Ny Filoha Nelson dia nijoro ho vavolombelona foana ny amin’ny maha-Andriamanitra an’i Jesoa Kristy sy ny fahamarinan’ny drafitry ny famonjena izay nomen’ny Ray any An-danitra sy ny Zanany Malala mba hanoro lalana sy hitarika antsika. Eo am-pitarihan’ny Filoha Nelson ny Fiangonana mankany amin’ny hoavy dia afaka mahazo toky tsara ny Olomasin’ny Andro Farany amin’ny fahafantarana fa hitarika azy ireo mifanaraka amin’ny sitrapon’ny lanitra izy. “Ambarako ny fanoloran-tenako amin’ Andriamanitra Raintsika Mandrakizay sy i Jesoa Kristy Zanany,” hoy izy. “Fantatro sy tiako Izy ireo ary manome toky aho fa hanompo Azy ireo, sy ianareo mandritra ny androm-piainako sisa.”31

Tiako ity mpanompon’ny Tompo, sy mpiara-miasa ary namana hatry ny ela ity, dia ny Filoha Russell M. Nelson. Miaraka amin’ireo mpiara-mivavaka amiko ato amin’Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany dia ankafiziko ny fampianarany ary miandrandra ny fitarihany nentanim-panahy amin’ny maha-mpaminaninay azy. Mijoro ho vavolombelona aho fa nantsoin’ Andriamanitra izy mba hitarika ny Fiangonana amin’izao androntsika izao.

Fanamarihana

  1. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” Liahona, apr. 2018, 6.

  2. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 7.

  3. Sylvia Webster sy i Russell Nelson zanany, ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Get to Know President Russell M. Nelson, a Renaissance Man,” Church News, 16 jan. 2018, lds.org/church/news.

  4. Sylvia Webster, ao amin’ny Sarah Jane Weaver, “Get to Know President Russell M. Nelson.”

  5. Russell Nelson zanany, ao amin’ny Tad Walch, “Who Is President Russell M. Nelson? A Man of Heart, Compassion and Faith,” Deseret News, 16 jan 2018, deseretnews.com.

  6. Jereo ny Russell M. Nelson, “Begin with the End in Mind” (Brigham Young University fireside, 30 sep 1984), 2, speeches.byu.edu.

  7. Russell M. Nelson, “Begin with the End in Mind,” 3.

  8. Jereo ny Tad Walch, “Who Is President Russell M. Nelson?”

  9. Ao amin’ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle (2003), 140.

  10. Jereo ny Russell M. Nelson, “Mijoroa ho tena zanaky ny arivo taona,” Liahona, ôkt. 2016, 52–53.

  11. Ao amin’ny “Elder Russell M. Nelson of the Quorum of the Twelve Apostles,” Ensign, may 1984, 87.

  12. Russell Marion Nelson, From Heart to Heart: An Autobiography (1979), 114.

  13. Jeffrey R. Holland, ao amin’ny Tad Walch, “Who Is President Russell M. Nelson?”

  14. Ao amin’ny “Elder Russell M. Nelson of the Quorum of the Twelve Apostles,” 88.

  15. Dantzel White Nelson, ao amin’ny Lane Johnson, “Russell M. Nelson: A Study in Obedience,” Ensign, aug. 1982, 23.

  16. Russell Marion Nelson, From Heart to Heart, 149.

  17. Russell Marion Nelson, From Heart to Heart, 149.

  18. David O. McKay, tao amin’ny Russell Marion Nelson, From Heart to Heart, 150.

  19. Ao amin’ny Spencer J. Condie, Russell M. Nelson: Father, Surgeon, Apostle, 186.

  20. Ao amin’ny Marvin K. Gardner, “Elder Russell M. Nelson: Applying Divine Laws,” Ensign, jona 1984, 13.

  21. Pejy Facebook an’i Russell M. Nelson, horonantsary navoakany tamin’ny 11 sept. 2014, facebook.com/lds.russell.m.nelson/videos.

  22. Jereo ny pejy Facebook an’i Russell M. Nelson, horonantsary navoakany tamin’ny 11 sept. 2014.

  23. Jereo ny Tad Walch, “Who Is President Russell M. Nelson?”

  24. Jereo ny Tad Walch, “Who Is President Russell M. Nelson?”

  25. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 6.

  26. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 6.

  27. Russell M. Nelson, “Ny Bokin’i Môrmôna: hanao ahoana re ny fiainanao raha tsy nisy azy?Liahona, nôv. 2017, 60–63.

  28. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 7.

  29. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 7.

  30. Pejy Facebook an’i Russell M. Nelson, horonantsary navoakany tamin’ny 11 sept. 2014.

  31. Russell M. Nelson, “As We Go Forward Together,” 7.

Hamoaka printy