HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA EO AN-TOERANA
Finoana, fitsipiky ny asa sy hery
“Valo andro katroka no nanelanelana ny andro nahafantaranay an’ireo misiônera mpivady sy ny andro nanaovana batisa anay.”
Tokony ho tamin’ny faran’ny taona 1989, dia nody tao amin’ilay tanàna kelinay tao Dangamvura, ao Mutare Zimbabwe i Gregory Mutete namako iray. Nilaza tamiko sy i Christopher Bangwayo namako iray hafa izy fa mpanao zaridainan’ny misiônera mpivady antsoina hoe Grant sy Sharol Wilson. Notoloran’izy ireo boky iray antsoina hoe Bokin’i Môrmôna izy saingy nandà ny handray izany, satria te-haka antoka avy aminay roalahy aloha izy. Amin’ny maha-mpinamana tanora mpitovo tsy mifankafoy anay dia tsy maintsy nifanaraka foana izahay rehetra mialoha ny hanapahana hevitra ho amina zavatra iray, izay neritreretinay fa izany koa no tokony hatao teo. Tsy nahafantatra izahay hoe izany no ho fiantombohan’ny dia iray izay hizaha toetra mafy ny finoanay. Nampiroanahana anay ny amin’ireo misiônera ireo, araka ireo lesona voarainay tany an-tsekoly, koa vonona tsara izahay ny hanaporofo ny mahadiso ireo tsangan-kevitra hozarain’izy ireo taminay.
Tapaka ary ny hevitra fa hanasa ireto mpivady i Gregory mba hitsidika anay ka hamaly fanontaniana vitsivitsy avy taminay. Ny ampitson’io dia nitondra an’i Gregory tao an-tranonay ireto mpivady sady nanatitra Bokin’i Môrmôna, izay nampahafantarin’izy ireo anay miaraka amin’ny tantaran’i Joseph Smith. Toy ireny angano ireny izany rehetra izany. Ahoana no ahafahan’ny ankizilahy efatra ambin’ny folo taona mahita an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zanany ka hiresaka mivantana amin’izy ireo? Tsy mitombina mihitsy izany, izay no azo lazaina. Sambany aho tamin’io no nampihatra ny finoako ary nanandrana ny fanasana natolotra anay ka hahita amin’ny tenako manokana amin’ny alalan’ny vavaka tahaka ny nataon’i Joseph Smith.
Araka ny fisainako, izaho izay sivy ambin’ny folo taona tamin’izay, dia hoy aho hoe i Joseph Smith izay efatra ambin’ny folo taona aza dia afaka nahita an’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, vao mainka ve aho izay sivy ambin’ny folo taona no tsy afaka hiaina zavatra toy izany na tsaratsara kokoa. Nisintaka nankeny amin’ny tendrombohitra avo iray teo akaikin’ny tranonay aho, dia nahita toerana nangina, ary nandohalika sy nanolotra ny fitalahoako tamin’ Andriamanitra. Niresaka tamin’ Andriamanitro aho nandritra ny dimy ambin’ny folo minitra farafahakeliny. Mety efa fantatrareo sahady ny zavatra niseho taorian’izany vavaka avy tamin’ny fo izany. Tsy niseho tamiko Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, fa kosa rehefa niverina nody aho dia nanana fahatsapana fiadanana sy fifaliana nanenika ny aiko manontolo. Tamin’izay fotoana izay dia tsy fantatro hoe inona izany raha tsy efa taty aoriana rehefa fantatro fa izany no fitenin’ny Fanahy Masina nanamafy tamiko fa marina ny zavatra nampianarina ahy. Taorian’io zavatra mahatalanjona niainako io dia natao batisa izahay telo. Valo andro katroka no nanelanelana ny andro nahafantaranay an’ireo misiônera mpivady sy ny andro nanaovana batisa anay.
Avy tamin’io zavatra niainako izay tena manan-danja io dia nianatra fitsipika lehibe anankiroa aho:
Voalohany, ny finoana dia fitsipiky ny asa sy hery. Mety ho nanapa-kevitra ny tsy hanao na inona na inona aho mahakasika ilay fanasana dia tsy mbola nahazo ilay fanamafisana nilaiko mba hanorenana ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, ny rahalahin’ i Jareda dia nanam-pinoana ka nampian’ Andriamanitra niampita ny ranomasimbe. Tsy nipetra-potsiny izy ka niandry, fa nihanika ny tendrombohitr’i Selema izay avo be ary nandrendrika vato ka nahazo vato kely fotsy sy mazava ary mangatsakatsaka enina ambin’ny folo, izay nokasihan’ny Tompo tamin’ny ratsan-tanany, dia namoaka ny hazavana nilaina izany1.
Ireo mpaminany sy apôstôly maoderina dia nanasa ireo mpikambana manerana izao tontolo izao mba hanompo amin’ny fomba vaovao sy masina kokoa, mba hampiasa ny tena anaran’ny Fiangonana, mba hampiasa fomba fianarana ny filazantsara mifototra ao an-tokantrano ary tohanan’ny Fiangonana amin’ny alalan’ny fandaharam-pianarana “Avia, hanaraka Ahy,” mba handalina isan’andro ny Bokin’i Môrmôna manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana, ary hanao takarivan’ny mpianakavy isan-kerinandro. Nangataka antsika izy ireo mba hanangona an’Isiraely amin’ny lafiny roa amin’ny voaly amin’ny alalan’ny asa fitoriana ny filazantsara sy ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny tantaram-pianakaviana, mba handoa fahafolon-karena feno sy hanome fanatitra amim-kalalahan-tanana. Ny fanatanterahana ireo rehetra ireo dia mitaky finoana be.
Faharoa, ny ankamaroan’ireo fampanantenan’ny Tompo raha tsy izy rehetra dia miankina amin’ny zavatra ataontsika: “Aoka ho mpankatò ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny”2. Dia nanambara Izy avy eo hoe: “Izaho Tompo dia voafatotra rehefa ataonareo izay lazaiko; fa rehefa tsy ataonareo kosa izay lazaiko, dia tsy manana fampanantenana ianareo”3. Ao amin’ny fianianana sy fanekempihavanan’ny fisoronana, ny ampahany amin’izany fanekena izany dia hoe: “Fa ianareo dia hivelona amin’ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra”4.
Rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminany sy apôstôly velona isika ary mampihatra finoana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany dia ho azontsika ireo fitahiana rehetra izay nampanantenaina.
I Dunstan G. B. T. Chadambuka dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondrom-paritra tamin’ny aprily 2019. Manambady an’i Pertunia Mudarikwa izy. Manan-janaka telo izy ireo.