Pejy eo an-toerana
Tsy tonga hatreto aho, mba ho tonga hatreto fotsiny ihany
“Tsy tonga hatreo amin’izay farany nahatongavantsika ao amin’ny drafitry ny famonjena isika mba ho tonga hatreo fotsiny ihany. Vonona ny hitondra antsika avy amin’ity tontolo telestialy ity ho any amin’ny tontolo selestialy i Jesoa Kristy Mpamonjy.”
Nandritra ny iray tamin’ireo famindram-paritra anisan’izay tena fanamby ho ahy tamin’ny naha mpitory ny filazantsara ahy tany Rwanda dia tsaroako fa noraketiko tao anaty diariko ny fahatsapana rehetra izay nananako tamin’izany fotoana izany ary nofaranako ny soratro tamin’izao fanambarana izao: “Tsy tonga hatreto aho, mba ho tonga hatreto fotsiny ihany”—Tom Brady1.
Rehefa tsaroako izany fahatsiarovana toa lavitra sy kely avy amin’ny asa fitoriako izany dia tsapako fa ny tena marina dia nanohy nampihatra tsy nahy an’izany fanambarana izany aho tamin’ny lafiny maro teo amin’ny fiainako.
Ohatra, rehefa tonga hatreo tamin’ny naha -tafiditra ahy handalina ny fianarana izay nosafidiako aho ka nahatsapa fa mety ho tsy manana ny fahaizana hahavita an’izany, dia nisy nampahatsiahy ahy fa tokony hanohy hianatra aho. Rehefa tonga hatreo amin’ny fanekena antso iray tao amin’ny paroasiko sy voatokana aho ka taty aoriana vao mahatsapa fa betsaka tokoa ny zavatra izay sahaniko, dia nisy nampahatsiahy ahy mba hitandrina ny teniko sy hanao an’izany asa fanompoana izany na dia eo aza izany. Rehefa tonga hatreo amin’ny fahatsapana ampahany amin’ny hery manavotry ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy aho kanefa manao hadisoana izay mitondra alahelo lehibe amiko, dia misy mampahatsiahy ahy mba hibebaka na dia toa inona ny fahatsapako ho tsy misy fanantenana.
Amin’ireo fotoana lehibe izay nanadinoako foana hoe hatraiza no efa nitondran’ny Tompo ahy satria vesaran’ny halavirana izay mbola halehako aho no tena lasa miantraika be amiko ny tantara ao amin’ny Jaona 6. Vao avy namarana ny fampianarany mikasika ny maha-tena mofo avy any an-danitra Azy ny Mpamonjy, izay fampianarana tsy ankasitrahan’ny maro satria “hatramin’izany fotoana izany dia maro tamin’ireo mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
“Dia hoy Jesoa tamin’ireo Roambinifolo lahy hoe: Hianareo koa va mba te-hiala?
“Avy eo i Simona Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.
“Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra”2. Ny fiheverana ny Mpamonjy manontany ahy an’izany fanontaniana izany dia mitondra ahy hihevitra ireo lalako sy hanam-paniriana ny handroso hatrany. Na dia i Petera aza dia nahatakatra fa tsy efa niara-nandeha tamin’i Jesoa Kristy hatreo izy mba hiverin-dalana amin’ny fotoana izay tsy hahazoan’aina na tsy ampy fahatakarana.
Rehefa manao jery todika aho dia manontany tena raha toa afaka nianatra an’ity fitsipika manan-danja momba ny faharetana ity raha tsy izaho ilay misiônera nanao asa fitoriana niezaka nandresy ny fanambiny dia toa misy zavatra miteny amiko hoe: mety ho tsia. Tsy inoako hoe ho nisy fiantraikany tamiko tamin’ny fomba izay nisian’izany tamiko izany fanambarana tao amin’ny diariko izany raha toa ka novakiako sy nosoratako tao anatina tranga hafa izany. Ny mpaminany Joseph Smith dia nahatsapa ireo teny ao amin’ny Jakoba 1:5 ho nanindrona azy tao am-pony satria tamin’izany fotoana izany dia nandalo toe-javatra izay nanomana azy mba handray fahamarinana mandrakizay izy. Nanjary takatro fa misy fahamarinana mandrakizay izay hita sy azo ianarana rehefa miezaka ny manao ny sitrapon’ny Tompo isika na dia sarotra toa inona aza izany. Amiko ny fanaovana asa fitoriana dia tsy fahafoizan-tena satria tsy namery na inona na inona aho kanefa dia nahazo ny zava-drehetra. Nihevitra aho fa ny fandaozako ny fianakaviako mandritra ny 18 volana dia zavatra tena goavana be saingy rehefa niverina aho, ary araka ny hevitro manokana, dia tia ahy bebe kokoa ny renibeko satria tsapany ho tena nangina ny trano rehefa tsy teo aho sy ny resako tsy misy fiafarany ary koa ny fientanentanako indraindray. Ny fianarako, ireo namako, ny fialamboliko, ny tambanjotran-tseraserako sns, dia naverina tamiko avokoa saingy nitombo avo roa heny satria ankehitriny ireo dia tonga miaraka amin’ny traikefa avy amin’ny asa fitoriana izay mitondra fanamasinana izay manampy ahy mba hanavaka ny fanafihan’ny fahavalo izay miafina ao anatin’izy ireny.
Ny fahavalo, ilay fahavalon’ny fahamarinana, dia miezaka ny manamavo ireo fitahiana avy amin’ny fanaovana asa fitoriana ho an’ireo izay mbola miomana, ireo izay efa eo am-panaovana izany ary ho an’ireo mpitory ny filazantsara efa niverina satria fantany fa ireo traikefa ireo dia mitondra ny zanak’Andriamanitra lavidavitra mihoatra ny toerana izay misy azy ireo ankehitriny. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy tonga hatreo amin’izay farany nahatongavantsika ao amin’ny drafitry ny famonjena isika mba ho tonga hatreo fotsiny ihany. Vonona ny hitondra antsika avy amin’ity tontolo telestialy ity ho any amin’ny tontolo selestialy i Jesoa Kristy Mpamonjy. Saingy Izy dia tsy liana fotsiny amintsika izay eto ankehitriny. Miaraka ao anatin’izany ireo izay tsy mahafantatra ny filazantsarany tafaverina amin’ny laoniny sy ny isam-batan’olona hatrany amin’ny fianakaviantsika mandrakizay. Mivavaka aho ary manantena fa tsy misy amintsika izay hiala amin’ireo fampanantenana izay efa nataontsika tamin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika. Tiako Izy, tiako ny filazantsarany ary dia feno fankasitrahana aho fa tafaverina amin’ny laoniny ny fahefan’ny fisoronana amin’izao vanon’androntsika izao.
I Judith Mahlangu dia mpianatry ny oniversite amin’ny fotoana feno sy mpikambana ao amin’ny Paroasy faharoa an’i Johannesburg, tsatòkan’i Johannesburg, Afrika Atsimo.