Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra
Fa finoana no andehanantsika (2 Korintiana 5:7)
“Tena manampy ny mahatsiaro fa -ny fahagagana dia tsy miteraka finoana, fa ny finoana matanjaka no ateraky ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.-”
Taona vitsy lasa izay, raha filohan’ny misiôna aho, dia nandray antso iray avy tamin’ny mpitarika iray tao amin’ny Ivon-toerana Fiofanan’ny Misiônera (IFM) tao Provo (Utah) indray alahady alina. Nozarainy tamiko fa ny misiônera iray izay voatendry hiasa ao amin’ny misiônanay—izay ho tonga ny ampitson’io—dia nandalo fitsapam-pinoana. Raha tao amin’ny IFM izy dia nanomboka nametra-panontaniana raha toa ka tena nino marina izay nampianarina azy nandritra ny fiainany manontolo. Dia niantso ny ray aman-dreniny izy ka nilaza fa tokony hody satria tsy nanana fijoroana ho vavolombelona. Be fitiavana sy fanohanana izy ireo kanefa namporisika azy ho any amin’ny sahan’ny misiôna na dia iray andro monja fotsiny aza. Nanaiky tamim-pihambahambana izy ary ny ampitso dia niara-nipetraka taminy nanao ny tafa sy dinika fifankahafantarana izahay. Tamin’ny tahotra no namariparitany fa tsy hainy izay mety hahatonga azy ho misiônera kanefa tsy fantany akory raha toa ka marina ny Fiangonana sy ireo fampianarany.
Tonga tato an-tsaiko ny fanontaniana nentanim-panahy iray: “Elder, inona no fantatrao fa marina?”
“Fantatro fa tia ahy ny fianakaviako”.
Dia nolazaiko taminy fa hampiarahako amin’ny mpiara-mitory mahafinaritra iray izy ary nankahereziko izy handeha fotsiny ka hizara fijoroana ho vavolombelona ny amin’izay fantany fa marina—dia ny fomba nitahiana ny fiainany tamin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany be fitiavana. Nozaraiko taminy ny fijoroako ho vavolombelona fa rehefa mandalina ny Bokin’i Môrmôna isan’andro izy ary hanao izay rehetra angatahina amin’ny misiônera iray, dia hanampy azy hahazo fijoroana ho vavolombelona ny Fanahy. Nekeny tamin’ny tahotra ny hanandrana izany, ary raha nandao ny birao izy dia nosoratako teo amin’ny fandraisan-tsoratro ny hoe 50% (izay midika fa misy fahafahana 50/50 hahavitany ny herinandro voalohany).
Nandritra ny herinandro maninjitra dia natahotra aho ny amin’ity misiônera be hitsim-po sy tsara ity, izay nanana ahiahy betsaka sy nametra-panontaniana ny amin’ny finoany. Niaretako ny tsy hiantso azy sy hahalala hoe nanao ahoana izy izay, satria fantatro fa ny fanaovana izany dia mety hahamora ny fangatahany hampodiana azy. Koa nandrasako tamim-pientanentanana ny taratasy ho an’ny filohan’ny misiôna momba ny herinandrony voalohany. Feno ny fifaliako rehefa namaky izao manaraka izao aho:
Ry Filoha Palmer malala,
Afaka milaza am-pahatsorana aho fa nanana herinandro tena nahafinaritra. Rehefa niresaka taminao aho nandritra ny tafa sy dinika nataontsika dia ny tahotra ny amin’izay hitranga raha mody aho no hany zavatra nanosika ahy handroso. Tena tsy nanana faniriana hijanona sy hanao asa fitoriana mandritra ny roa taona aho.
Kanefa raha ny amin’izao ankehitriny izao dia tena faly aho fa nalako tao izany. Tsy mbola fantatro ny zavatra rehetra tokony ataoko. Kanefa tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa dia lasa takatro ny fomba hitondran’ny Fiangonana fiovana sy fifaliana eo amin’ny fiainan’ny olona. Izany no hampifotorako ny fijoroana ho vavolombelona ananako. Fantatro fa mbola betsaka no tokony hataoko hampitomboana ny finoako, saingy efa dingana goavana ho ahy ity. Tafajanona teo anelanelan’izay nianarako tany am-piangonana sy izay nambaran’ny saiko fa mitombina kokoa aho. Kanefa nahatsapa ny Fanahy Masina aho.
Tamin’ny sabotsy alina dia nampianatra lehilahy iray antsoina hoe Cory izahay. Nitondra ny Fanahy tamin’ny fomba mahery vaika ny mpiara-mitory amiko, ary fantatro fa tena nahatsapa izany toa ahy i Cory. Rehefa tonga ny fotoana hitenenako dia nanazava aho fa namaky tao amin’ny Jakoba i Joseph Smith ka nivavaka avy teo mba hahalalana raha toa ka marina izany. Zara raha afa-niaina aho rehefa nitanisa ny Fahitana Voalohany. Nidoboka haingana ny foko. Tena nahafinaritra izany.
Araka ny nambarako tetsy aloha dia tsy mbola manana fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra rehetra aho, kanefa ny zavatra iray tsy azoko lavina dia hoe tsy ho toy ny teo aloha intsony ny fiainan’i Cory. Tsy vitanay hatramin’ny farany akory ny fanasana ho amin’ny batisa dia efa niteny hoe eny izy. Tsy nampino ahy izany. Mitamberina atao an-tsaiko foana ny nambaran’ny reniko mialoha ny nandaozako ny IFM, dia hoe tsy tena mbola nanome fahafahana ho amin’izany aho. Tsy mbola mahafantatra amin’ny tenako aho. Kanefa manao drafitra ny hanao izany aho ankehitriny.1
Lasa misiônera niavaka io tovolahy io, izay nanjary nihanatanjaka ny finoany rehefa tsy nitsaha-nitombo ny fahatakarany ny filazantsara tamin’ny alalan’ny fandalinana am-pahazotoana—ary koa nahazo tenivavolombelona mahery vaika avy tamin’ny Fanahy rehefa nizara ny fijoroany ho vavolombelona tamin’ny hafa.
Nandritra ny taona maro dia nisaintsaina momba io zavatra niainana io aho rehefa mihaona amin’ireo izay mametra-panontaniana raha toa ka mbola manana fijoroana ho vavolombelona izy ireo na koa miady amin’ny ahiahy. Rentsika foana eny amin’ny polipitra isaky ny alahady fifadian-kanina ny fijoroana ho vavolombelona miantomboka amin’ny teny hoe “Fantatro”. Inona anefa no ataontsika raha toa ka toy ny an’ilay misiônera voafariparitra etsy ambony ny fontsika ka tsy mahazo antoka firy?
Ny valinteny tsotra dia hoe ny finoana no andehanantsika ary manao asa amim-pinoana isika, manam-panirina ny hahafantatra kanefa manaiky ihany koa fa ampy ny mino, ny manantena, ny mikatsaka ary ny manao asa. Afaka ny ho tahaka ireo apôstôly fahiny isika izay nahafantatra manokana sy niara-nandeha tamin’ny Mpamonjy—kanefa mbola nitalaho taminy hoe: “Tompo, ampitomboy ny finoanay.”2
Ny mpikamban’ny Fiangonana tsara sy marin-toetra sasany dia mahatsapa fa satria izy ireo tsy afaka milaza fa izy ireo dia “mahafantatra fa marina ny fiangonana”, dia tsy misy toerana ho azy ireo ao amin’ny Fiangonana. Izany anefa dia mandà ilay tena famaritana ny finoana izay “tsy fahalalana tomombana ny zavatra; noho izany, raha manam-pinoana ianareo, dia manantena ny zavatra izay tsy hita kanefa marina.”3
Ny mpikambana sasany hafa dia misamboaravoara eo anelanelan’ny finoana sy ny ahiahy. Kanefa raha manohy manao asa amim-pinoana izy ireo, mametraka ny finoany amin’ny Tompo Jesoa Kristy, dia afaka ny ho toy ilay ray ao amin’ny Testamenta Vaovao izay nanambara tamin’ny ranomaso hoe: “Mino aho; vonjeo aho mba ho afaka amin’ny tsy finoako.”4
Ny hafa dia natoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelon’izy ireo taloha kanefa nahita vato misakana teny amin’ny lalam-piainany, fanontaniana iray izay toa tsy misy valiny, angamba fotopampianarana na fombafomba manokana izay mampiahiahy azy ireo. Izao no torohevitr’i Môrônia ny amin’izany: “aza mitohika, satria tsy mahita ianareo, satria tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo.”5
Na i Nefia ilay mpaminany lehibe sy marina aza dia nanambara hoe: “Tsy fantatro ny hevitry ny zava-drehetra.”6 Kanefa, tahaka ilay misiônera namako, dia nahatsapa ny fitiavan’ny Rainy any An-danitra izy ary afaka nilaza tao anatin’ny fehezan-teny iray hoe: “Fantatro fa tia ireo zanany Izy.”7
Ny fanontaniana manan-danja ho antsika rehetra dia hoe: Amin’ny fomba ahoana no hampatanjahantsika ny finoantsika?
Afaka mianatra lesona manan-danja vitsivitsy isika avy amin’ny zavatra niainan’io misiônera tanora io.
Voalohany, noho ny famporisihan’ireo olona tia azy dia vonona izy ny hanao asa. Amin’ny maha-misiônera azy, izany dia midika hoe fandalinana isan’andro ny soratra masina miaraka amin’ny mpiara-mitory aminy, fivavahana sy fandrosoana isan’andro mba hanompo ny hafa.
Izany mihitsy no lamina nampianarin’ny Loholona Dale G. Renlund, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, vao tsy ela izay: “Ny hany fomba ahafahan’ny finoana hitombo dia ny fanaovan’ny olona iray asa amim-pinoana . . . tsy maintsy misafidy isika ny hanao zavatra manorina finoana, toy ny mivavaka, mandalina soratra masina, mandray ny fanasan’ny Tompo, mitandrina ireo didy ary manompo ny hafa.”8
Faharoa, tena vonona ny hihaino ireo fijoroana ho vavolombelon’ny mpanompon’ Andriamanitra hafa izay nanana finoana izy, anisan’izany ny mpiara-mitory taminy, ny filohan’ny misiôna ary ireo tenin’ny mpaminanin’ Andriamanitra tao amin’ny fiantsoana azy ho misiônera.
Nampianatra mazava i Joseph Smith hoe: “Ny finoana dia tonga amin’ny alalan’ny fihainoana ny tenin’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelon’ireo mpanompon’ Andriamanitra”.9
Fahatelo, nampiseho fahamarinana sy fankatoavana izy. Rehefa nanao izany izy dia afaka nandray anjara tamin’ny fahagagan’ny fiovam-po ka nahita ny finoany nitombo. Amin’ny teny hafa dia nitombo ny fijoroany ho vavolombelona rehefa nandray anjara tamin’ny fitarihana naman’ny fiangonana be fanetrentena iray mba handray tenivavolombelona avy amin’ny Fanahy izy, saingy tsy nahazo ny tenivavolombelony izy raha tsy taorian’ny fizahan-toetra ny finoany.10
Tena manampy ny mahatsiaro fa “ny fahagagana dia tsy miteraka finoana, fa ny finoana matanjaka no ateraky ny fankatoavana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy; amin’ny teny hafa, ny finoana dia tonga amin’ny alalan’ny fahamarinana, na dia matetika aza ny fahagagana no manamafy ny finoan’ny olona iray.”11
Fahefatra, tsy milavo lefona izy—fa vonona ny hanandrana amin’ny teny izay nomena azy sy namela ny faniriany hino mba hiasa ao anatiny. Izany dia toy ny nampianaran’i Almà tao anatin’ny lahateniny lalim-paka momba ny finoana izay hita ao amin’ny Almà 32:26–43. Tsy nandroaka ny voa tsara (ny tenin’ Andriamanitra) izy ary tsy nanohitra ny Fanahin’ny Tompo. Nohazavaina ny fahatakarany ary fy izany.12 Tamin’ny fanarahana tamim-panentrentena ny lamina nofaritan’i Almà, dia misy ireo zavatra izay nosoloina fahalalana ny finoana tao anatin’izany ka afaka nanandrana ilay voa sarobidy fantatsika amin’ny hoe ilay fitiavan’ Andriamanitra.13 Araka ny tenin’ilay misiônera dia “tena nahafinaritra izany.”
Nandritra ity fotoana voatahy hanompoana eto Afrika ity dia nanenika ahy ireo fijoroana ho vavolombelona madio zaraina isaky ny alahady fifadian-kanina, sy ireo fanehoam-pinoana lehibe hitako eo amin’ny fiainan’ny mpikambana. Mbola misy anarana maron’ireo izay nania anefa ireo rakitsoratry ny Fiangonana. Ho an’ireo izay mety manana olana amin’ny ahiahy, manasa anareo aho mba hanaraka ny ohatr’ilay misiônera tanora namako ka hanao asa araka ny fahamarinana. Azonareo atomboka amin’ny fitohizana amin’ny fahatongavana any am-piangonana sy fanaovana ireo zavatra izay mamela ny Fanahy hiasa ao anatinareo izany. Raha toa ianareo mahatsapa ho tsy isan’ny mpino satria marefo ny finoanareo, ary mahatsapa ho tsy afaka hanambara hoe “Fantatro” ianareo, dia takaro azafady fa misy, ary hisy hatrany, toerana iray ho anareo ato anatin’ity Fiangonana ity. Tsy torotoro ianareo, tsy very ianareo, tsy adinoana ianareo. Ary rehefa tsy te-hivavaka ianareo dia fantaro fa tsy misy fotoana manan-danja kokoa hanaovana izany fangatahana fijoroana ho vavolombelona izany amin’ny alalan’ny vavaka sy fifadian-kanina.14
Ry namako malala, indrindra ianareo tanora namako, avelao ny faniriana hino hitsiry ao aminareo, ary hampatanjahana ny finoanareo rehefa ataonareo ho fahafinaretana ny Sabata sy rehefa mirotsaka ao amin’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra ianareo, indrindra ny Bokin’i Môrmôna.15 Ny fampanantenako dia hoe hanamafy ny fahamarinan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ny Fanahy ary hampatanjahana ny finoanareo Azy, hijinja ny valisoan’ny faharetanareo ianareo16 ary hiaina fahagagana—anisan’izany ny fahagagana lehibe indrindra amin’ny rehetra, dia ny fiovam-po marina.
I S. Mark Palmer dia nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2016. Manambady an’i Jacqueline Ann Wood izy; manana zanaka enina izy ireo.