Hafatry ny fiadidian’ny vondromparitra
Ny fizakan-tena: Fandrefesana ny tena maha-mpianatry ny Tompo
“Ny Tompo dia mamela ireo mpianany tena izy hiaina ny fiasan’ny heriny ao amin’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo hamoa betsaka. Manatanteraka izay zavatra rehetra ilainy izy ireo ary mitombo mankamin’ny fahafenoan’ny fifaliana.”
Tao amin’ny lahateniny voalohany tamin’ny fihaonambe maneran-tany, tamin’ny naha-filohan’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany vao notohanana azy dia niangavy, eny nitalaho mihitsy aza ny Filoha Russell M. Nelson hoe:
“Ry rahalahy sy anabavy, ahoana no hahafahantsika ho lasa lehilahy sy vehivavy, mpanompo tahaka an’i Kristy, izay tian’ny Tompo hahatongavantsika? Ahoana no hahafahantsika mahita ny valin’ireo fanontaniana izay mampisavorovoro ny saintsika? . . . Inona no fahendrena tsy anananareo? Inona no tsapanareo fa ilainareo fantarina na takarina haingana?
“Mitadiava toerana mangina azonareo aleha foana. Manetre tena eo anoloan’ Andriamanitra. Aborahy amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. . . . Mivavaha amin’ny anaran’i Jesoa momba ny zavatra manahirana ny sainareo, ny tahotrareo, ny fahalemenareo, eny, ny zavatra tena irian’ny fonareo. Dia mihainoa avy eo! Soraty ny eritreritra izay tonga ao an-tsainareo. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanareo ary araho asa izay bitsihin’ny Fanahy aminareo fa tokony hataonareo.
“. . . Mampanantena aho anefa fa rehefa manohy mankatò ianao, sy maneho fankasitrahana noho ireo fitahiana rehetra omen’ny Tompo anao, ary rehefa manaja amim-paharetana ny fotoan’ny Tompo ianao, dia homena ny fahalalana sy ny fahatakarana izay katsahinao. Ho tonga aorian’izay ireo fitahiana rehetra nomanin’ny Tompo ho anao, ary fahagagana ihany koa aza.
“Misafidiana ny hanao ireo asa ara-panahy takiana mba hahazoana ny fanomezana ny Fanahy Masina sy handrenesana ny feon’ny Fanahy matetika kokoa sy mazava kokoa.”1
Tao anatin’izany fiangaviana vokatry ny fo ho an’ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra izany dia nampahatsiahy antsika ny fanalahidin’ny fivoarana manokana ny Filoha Nelson. Nijoro ho vavolombelona izy ary namerimberina ilay fanasana manokana avy amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy hoe:
“Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ny voaloboka izy, dia toy izany koa hianareo, raha tsy miray amiko.
“Izaho no voaloboka, hianareo no sampany: Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. . . .
“Raha miray amiko hianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
“Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo”2.
Ny lalana mankamin’ny fizakan-tena maharitra eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo dia feno asa atao amim-pinoana an’i Jesoa Kristy Mpamonjy avy amin’ireo mpianatra tsirairay avy. Ny finoana dia mitarika ny mpianatr’i Kristy tena izy hampitombo ny faniriana hanaraka ny fanasan’ny Mpamonjy hitoetra ao Aminy amin’ny “[fitondrana] ny zioga[ny], ka miana[tra] ami[ny]”3. Ny fitondrana ny ziogany eo amintsika dia ny fampiasana ny fombany amin’ny famahana ireo olantsika sy ny fiatrehana ireo fanambintsika. Raha ara-tsarinteny dia lasa miray zioga Aminy isika rehefa lasa ny fombatsika ny fombany eo amin’ny fitondrana ireo enta-mavesatra hoentitsika eo amin’ny fiainana. Rehefa lasa mahafantatra kokoa ny fanetrentenany sy ny faharetany isika eo anatrehan’ireo olana goavana, dia velombelona indray ny fanantenantsika, ary lasa manana bebe kokoa ny toetra ananany isika, dia ny “malemy fanahy sady tsy miavona am-po” izany4. “Fitsaharana ho an’ny fanahi[ntsika]” avy eo no ho tonga rehefa tonga ao amintsika ny Fanahy Masina manome antsika fitarihana sy herimpo vaovao, ka izany dia hahafahantsika manatanteraka zavatra izay tsy noheverintsika ho vitantsika mihitsy teo aloha. Manomboka miaina fifaliana lalina isika ao anatin’izany dian’ny finoana izany.
Fony aho Fitopololahy Manampahefana Ambony vaovao tato amin’ny Fiangonana iraika ambin’ny folo taona lasa izay, isaky ny nahazo iraka ampanaovina amin’ny fihaonamben’ny tsatòka eny anivon’ireo tsatòka any Amerika Avaratra aho dia tonga nanjombona ny saiko foana ny tsy fahaizako rehetra sy ny tahotra. Ahoana izany hoe izaho dia hampianatra olona teraka tao amin’ny Fiangonana, nihalehibe tao amin’ny filazantsara, ary mahafantatra ny fitantanana ny Fiangonana hatry ny ela teo amin’ny fiainany avy amin’ny fandinihana ireo mpitarika azy ireo, izay ray aman-dreniny ny betsaka amin’izany? Inona no mba holazaiko ka tsy handany ny fotoan’izy ireo eo am-pihainoan’izy ireo ahy? Tsy efa ren’izy ireo tany aloha tany ve izany? Ahoana no hanombohako azy? Ny fiomanana ho amin’ny iraka nampanaovina tsirairay avy dia lasa nisian’ny fahasahiranana isak’izay mandeha, ary drafitra ana lahateny navela ka tsy natao. Tsaroako imbetsaka aho niari-tory ny alina manontolo niezaka nitady ny hafatra izay hanan-danja amin’ny Olomasina mandritra ny fivoriana ho an’ny daholobe amin’ny alahady amin’ny fihaonamben’ny tsatòka. Tao anatin’ny fahasahiranako, noho ny famindrampo feno fitiavana natolotry ny Tompo ahy, dia tafaray tamina Apôstôly iray aho indray andro. Rehefa nisalasala ihany aho dia nanangona ny herim-poko hikatsahana torohevitra avy aminy. Mpankafy be ny lahateny ataony aho, ary ny fehezan-teny rehetra ao amin’izany dia raisiko ho toy ny soratra masina. Nanontaniako azy ny tsiambaratelon’ny fahafahana mamoaka hafatra tena mahaliana toy izany. Teo anatrehan’ny toe-javatra nisy ahy tamin’izany fotoana izany dia nanaitra ahy ihany ny valinteny nomeny. Niato kely izy ary dia nilaza fa nahatsapa hatrany ny vesatry ny andraikitry ny antsony manoloana ny Olomasina, koa dia nikatsaka tamim-pahazotoana ny fanampian’ny Tompo izy isak’izay hanomana hafatra. Raha nahatsapa izy fa noraisina tsara ilay hafatra dia manolotra vavaka fankasitrahana ho an’ny Tompo izy. Raha tsy izay no izy dia manatona ny Tompo izy miangavy ny hanampiana azy hahavita zavatra tsara kokoa amin’ny manaraka. Nampiany hoe izany dia niainany nandritra ny roapolo taona mahery tamin’ny naha-Apôstôlin’ny Tompo azy.
Ny ohatra nasehony sy ny fijoroany ho vavolombelona dia mampahatsiahy ahy ny rakitsoratra masina momba ny mpaminany toa an’i Almà izay “niasa am-panahy fatratra, nifampitolona tamin’ Andriamanitra tamin’ny faherezana nivavaka”5, ary i Enôsa izay nanoratra mikasika ny “tolona izay natao[ny] teo anoloan’ Andriamanitra.”6 Izany lesona izany dia nampianatra ahy tamin-kery indray fa ny fiezahana mifandray akaiky amin’ny Fanahin’ Andriamanitra dia fandrefesana ny tena maha-mpianatry ny Tompo.
Ny Tompo dia mamela ireo mpianany tena izy hiaina ny fiasan’ny heriny ao amin’izy ireo, mba hahafahan’izy ireo “hamoa [betsaka]”7. Manatanteraka izay zavatra rehetra ilainy izy ireo8 ary mitombo mankamin’ny fahafenoan’ny fifaliana9. Amin’ny alalan’ny fitoerana ao amin’i Kristy dia lasa mizaka tena amin’ny lafiny rehetra izy ireo.
Notohanana ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2009 i Joseph W. Sitati. Manambady an’i Gladys Nangoni izy ary manan-janaka dimy izy ireo.