HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA
Miaritra am-pifaliana
“Ny krismasy, izay vanim-potoana fanomezana, dia fotoana tena tsara hanompoana amin’ny nahim-po sy hampitodihana ny fontsika sy ny saintsika amin’ireo manodidina antsika ka hanolotra fotoana sy fanompoana.”
Tena tiako ny krismasy ary mampahatsiahy ny fianakaviako foana aho, mandritra ireo fankalazana ataonay, hoe nahoana izahay no mankalaza izany. Miteny amin’izy ireo aho mialoha ny hitsofanay rano ny sakafon’ny Krismasy hoe . . . “Tsarovy fa izao fisakafoana miavaka ataontsika izao dia ho fankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy izao tontolo izao—dia i Jesoa Kristy, ilay fanomezana ho antsika avy amin’ny Ray any An-danitra.” Dia tononiko ny hoe: “Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay”1. Mianatra isika avy amin’izany fa ny fiainana maharitra mandrakizay, na ny fiainana mandrakizay no fanomezana lehibe indrindra azontsika raisina avy amin’ny Ray any An-danitra . . . saingy io fanomezana io dia miankina amin’ny fananantsika finoana an’i Jesoa Kristy sy ny faharetana amin’ny fanekempihavanana.
Te-hamorona teny vaovao iray aho hoe: “Miari-paly.” Ny dikan’izany dia hoe “Miaritra am-pifaliana,” vokatry ny fijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Mamelà ahy hilaza ny antony.
Tamin’ny andron’ny Krismasy 2019 dia andian’olona maro nahitana fianakaviana sy namana no tao an-tranonay nankalaza izany. Andro nahafinaritra izany izay nahitana fifaliana sy fiadanana teo amin’ny fiarahanay. Rehefa avy nisakafo antoandro dia nilalao an-tsehatra ny Fahaterahan’i Jesoa zazakely ireo ankizy, nanao fitafy toa an’i Josefa sy i Maria ary ireo mpandray anjara rehetra tamin’ny Fahaterahan’i Jesoa.
Rehefa nandeha ny fotoana tamin’io andro io dia nipetraka nanodidina ny dobo filomanosana izahay nankafy sy nijery fiaraha-mientana nahafinaritra. Tampoka teo dia nisy loza nitranga . . . nanomboka nifanintona tampoka teo i Joslyn zanakay vavy, izay nanana ny fahasembanana paralisisan’ny atidoha hatrany am-bohoka. Nihazakazaka nanampy azy aho, na dia efa fantatro aza avy amin’ny zavatra niainako fa tsy misy na inona na inona azonay natao afa-tsy ny miandry ny hijanonan’izany. Fantatray fa arakaraka ny faharetan’ilay fanintona no mety hanahiana bebe kokoa ny ainy. Raha nanohana azy teo izahay dia hitanay fa nanana fahasoratana be izy niaina, ary nihanivadika manga ny molony. Tsaroako kivy aho, nieritreritra fa tsy mbola nahita azy nijaly be toy izay izahay taloha ary nahatsapa fa nila nentina haingana tany amin’ny hôpitaly izy.
Navelanay sy i Mandy vadiko ireo vahininay dia lasa izahay. Tao anatin’ny fiara dia nihena ny faninton’i Joslyn ary afaka niaina kely izy, saingy niverina mafy fanindroany indray izany avy eo. I Mandy no nitondra ny fiara fa izaho kosa nipetraka tao aoriana niaraka taminy mba ho afaka nanome tsodranon’ny fisoronana. Rehefa tonga tany amin’ny hôpitaly izahay dia tena ratsy ny toe-pahasalaman’i Joslyn. Nampidirina haingana tao amin’ny sampam-pitsaboana fameloman’aina izy haraha-maso ara-pahasalamana.
Nody izahay ny alin’io Noely io, samy nahatsapa ho reraka ara-batana sy ara-tsaina izaho sy i Mandy. Teny an-dalana nody tao anaty fiara dia niresaka momba ny nandaozanay ireo vahininay tamin’izany krismasy izany izahay, saingy fantatray fa takatr’izy ireo tsara ilay fahamehana. Fantatray fa efa nody any an-tranony avokoa izy rehetra, ary hanadio ny tranonay izany no handanianay ny alinay. Saingy rehefa tonga tao an-trano izahay dia tena nietry ary tena feno fankasitrahana nahita ny tranonay nadio tanteraka, ny lovia voasasa sy voampirina, ny gorodona voadio, ny fanaka sy ny kilalao voalamina—tsy misy tomika ny rehetra.
Nahatsapa fankasitrahana lehibe izahay noho ny fiahian’ireo havanay sy namanay raha niray hina nanadio izy ireo. Nientana ny fanahinay, satria nahazo tombony tamin’ny hatsaram-panahy toy izany rehefa avy niaina zava-tsarotra. Tena nahatsapa ho notompoina izahay tamin’io alina io.
Tao amin’ny fameloman’aina i Joslyn nandritra ny herinandro manaraka izay, nahazo tsodranon’ny fisoronana izy, sitrana izy ary nahatsapa fiadanana izahay.
Vanim-potoan’ny fanomezana
Ny krismasy, izay vanim-potoana fanomezana, dia fotoana tena tsara hanompoana amin’ny nahim-po sy hampitodihana ny fontsika sy ny saintsika amin’ireo manodidina antsika ka hanolotra fotoana sy fanompoana. Rehefa manompo ny manodidina antsika isika dia mamerina any amin’ny Mpamonjy antsika ny fanomezana ny fanekentsika sy ny fankasitrahantsika ny fanomezany antsika ny fiainana mandrakizay.
“Ny Mpamonjy no loharanon’ny tena fiadanana,” hoy ny Loholona Quentin L. Cook, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Na eo aza ireo fitsapana amin’ny fiainana, noho ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny famindram-pony, dia hahazoana valisoan’ny fiadanana manokana ny fiainana amim-pahamarinana”2. Ny fahatakarana fa i Jesoa Kristy no Andrianan’ny Fiadanana dia afaka manampy antsika hahita fiadanana anaty sy mampitombo ny finoantsika Azy.
Indray mandeha tamin’ny asako dia nandeha tany Isiraely imbetsaka aho. Nandritra ny fotoana nampalalaka ahy dia nandeha nitsangatsangana aho. Nandritra ireo fotoana ireo dia tsapako fa velona ny Baiboly. Tiako manokana ny nitsidihako an’i Jerosalema, niverina matetika tao aho. Nitsidika an’i Getsemane aho, izay toerana nitondran’i Jesoa Kristy ny fahotan’izao tontolo izao. Nitsidika an’i Golgota aho, izay toerana nanomboana ny Mpamonjy, zavatra nataony farany tamin’ny sorompanavotany. Ao Jerosalema no misy ilay fasana izay nametrahana ny vatan’ny Mpamonjy mialoha ilay fitsanganany tamin’ny maty be voninahitra.
Nandritra ny fiainako manontolo aho dia nihira ny hiran’ny Noely ary namaky momba an’i Jerosalema ao amin’ny Baiboly. Tsaroako aho, nandritra ny iray tamin’ireo fitsidihako an’i Isiraely, nijoro teo amoron’io tanàna kely io, nijery ireo tendrombohitr’i Jodia sady naka sary an-tsaina ireo mpiandry ondry nandeha teo mba hahita ny zavatra izay nolazain’ireo anjely… “Fa Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’ i Davida, dia Kristy Tompo”3. Mihira isika hoe “Gloria in Excelsis Deo” na “Voninahitra ho an’ Andriamanitra avo indrindra” (Cantiques 125) sy ireo hiran’ny Krismasy hafa, misaotra an’ Andriamanitra noho ilay fanomezany tsy hay lazaina, dia ny Mpamonjy antsika. Fisaorana anie ho an’ Andriamanitra noho ny fitiavany madio sy ny famindram-pony amin’ny zanak’olombelona.
Ankehitriny, rehefa avy nandalo taona tena sarotra, dia afaka mankalaza ny fahaterahany indray isika amin’ity krismasy ity. Afaka maneho ny fitiavantsika sy ny fisaorantsika ny Ray any An-danitra isika ary mitsaoka Azy noho ny fanomezany ny Zanany amin’ny alalan’ny vavaka sy fihirana ireo hiran’ny Noely, sady manana fanantenana mamiratra ny hisian’ny taona tsara kokoa manoloana antsika.
I Glenn M. Holmes dia nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra ny aprily 2019. Vadin’i Amanda Mary Asgeir-Nielsen izy ary manan-janaka efatra izy ireo. Mipetraka ao Benoni, Afrika Atsimo izy ireo.