2021
Ny hafatra feno voninahitry ny Paska
Aprily 2021


HAFATRY NY FIADIDIAN’NY VONDROMPARITRA

Ny hafatra feno voninahitry ny Paska

“Rehefa mifantoka amin’izay azontsika fehezina mba hiaina amim-pahamarinana isika dia tsy tokony hatahotra fahafatesana fa hiaina kosa ny fifaliana avy amin’ny fahazoana ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra, dia ny Fiainana Mandrakizay.”

Nitsangana tamin’ny maty Izy. Ivon’ny hafatra sy ny fotopampianaran’ny maha-Kristianina ny hoe tsy mifarana amin’ny fahafatesana ny fiainana. Ny hafatra feno voninahitry ny Paska dia ny hoe na dia nampandriana tao amin’ilay fasan’i Josefa avy any Arimatia aza ny vatan’i Kristy—rehefa nandeha hijery Azy i Maria Magdalena dia foana tokoa ilay fasana. Kanefa dia nosokafana ny masony rehefa nahafantatra ny feon’ny Tompo tao anatin’ny fitomaniany izy, izay nanonona tamim-pitiavana ny anarany ary nanasa azy handeha hilaza amin’ireo Apôstôly fa nahita ny Tompony izy.1 Samy lasa vavolombelona manokana ny amin’ny fitsanganan’ny Tompony tamin’ny maty i Petera sy ireo Apôstôly folo hafa avy eo ka nandany ny androm-piainan’izy ireo sisa tamin’ny fitoriana tamim-pahasahiana sy tamin-kery ny fahalalany azo antoka fa nanangana an’i Jesoa Kristy Zanakalahiny tamin’ny maty Andriamanitra.2

Lasa miantefa amintsika manokana izany rehefa misy olon-tiana nodimandry ka misaona ny fahalasany isika. Ny taona 2020 lasa teo indrindra indrindra dia nangirifiry ho an’ny maro tamintsika. Tena marina fa isan’ny fitsapana lehibe indrindra eo amin’ny fiainana ny fahalasan’ny olon-tiana iray. Mangetaheta valim-panontaniana isika. Lasa inona izy ireo? Inona no ataony amin’izao? Hahita azy ireo indray ve isika? Ary ahoana ny amintsika tsirairay avy rehefa tonga ny fotoana hialana amin’ity fiainana ity? Inona no ho fiantraikan’io fahalalana io amin’ny zavatra ataontsika amin’ny fiainana andavanandro?

Lasa inona ireo izay maty ary inona no ataony amin’izao?

Nampianatra an’i Kôriantôna zanakalahiny i Almà fa “ny fanahin’ny olon-drehetra, raha vantany vao miala ity vatana mety maty ity . . . dia entina mody any amin’ilay Andriamanitra izay nanome aina azy.” Nampiany ihany koa hoe “ny fanahin’ireo izay marina dia raisina ao amin’ny toetry ny fahasambarana . . . izay hialany sasatra amin’ny fahasahiranana rehetra sy ny fiahiahiana rehetra ary ny alahelo.”3

Hahita azy ireo indray ve isika?

Tsy isalasalana fa eny ny valiny. Ary tsy hoe hahita azy ireo indray fotsiny isika fa hahatsapa fifaliana lehibe ihany koa. Nanomana ny mpianany ho amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin’ny maty i Jesoa tamin’ny filazana hoe: “Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo . . .

“Hitomany sy hisaona ianareo, ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.

“Hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo.”4

Ary ahoana ny amintsika tsirairay avy rehefa tonga ny fotoana hahafatesantsika?

Eto am-panoratako ity lahatsoratra ity dia mandry any amin’ny hôpitaly ny reniko izay 93 taona, ary ireo dokotera dia milaza aminay fa tsy misy azon’izy ireo atao intsony mba hamonjena ny ainy raha eo amin’ny lafiny ara-pitsaboana. Nanana fiainana niavaka sy marina feno fanoloran-tena ho an’ny Tompo ary fianatra ho an’ireo rehetra izay mahafantatra azy izy. Nomeny toky aho fa tsy matahotra fahafatesana izy ary anatin’ny fiadanana izy eo am-pahafantarana fa mety izao no fotoany.5 Raha ny marina dia nozarainy nandritra ny taona maro ny fiandrandrany ilay fifaliana lehibe hihaonany indray amin’ilay namany malala mandrakizay izay maty telopolo taona mahery lasa izay. Mampianatra antsika ny Tompo “[tsy h]atahotra na dia ny ho faty aza; fa eo amin’izao tontolo izao dia tsy feno ny fifalianareo, fa ao Amiko dia feno ny fifalianareo.”6

Inona no ho fiantraikan’io fahalalana io amin’ny fiainantsika andavanandro?

Tamin’ny jolay lasa teo dia nahazo fitahiana aho niara-nipetraka tamin’ny Filoha Nelson nandritra ny fotoana fohifohy, tamin’ny fotoana izay nampirongatra ny valanaretina COVID-19 teto amin’izao tontolo izao. Napetrako taminy izao fanontaniana izao: “Filoha Nelson, hiverina any Afrika Atsimo aho ato ho ato. Inona no hafatra tianao hampitaiko amin’ireo Olomasina malala tena tiana ao amin’ny Vondromparitra Afrika Atsimo?”

Nisaintsaina nandritra ny fotoana fohy izy dia namaly toy izao: “Mba lazao azy ireo fa ny zavatra sasany dia tsy azontsika fehezina. Saingy tokony hifantoka amin’ireo zavatra izay azontsika fehezina isika. Faritako manokana amin’izany ny fomba iainantsika. Tokony ho amin’ny fomba mahavonona antsika mandrakariva hihaona amin’Ilay Mpahary antsika no iainantsika ny fiainantsika.”

Nanomboka tamin’izay aho dia nieritreritra matetika momba izany zavatra lalina sy tsotra nolazain’ny mpaminanintsika velona izany, izay mampianatra antsika hanana fomba fijery mandrakizay amin’izay zavatra rehetra safidiantsika atao. Torak’izany koa no nampianarin’ny mpaminany fahiny iray antsika fa “izao fiainana izao no fotoana . . . hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra.”7

Eto am-pamaranana, rehefa fakafakaintsika ilay fahamarinana feno voninahitra fa ho velona indray isika ary ny fahafatesana dia tsy tokony atahorana fa dingana kosa ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra, dia zaraiko aminareo ity fifanahafana avy amin’ny fahazazako ity:

Fony aho zazalahy dia nipetraka teo amin’ny toerana eo amin’ny havoana izay nahafahana nahita ny tanàna midadasik’i Auckland, Nouvelle Zélande izahay. Nisy varavarakely lehibe azo akisakisaka vita amin’ny fitaratra teo anoloan’ny tranonay. Rehefa mirehitra ny jiro ao an-trano dia hita mazava tsara ny ao anatin’ny trano saingy rehefa mijery ny haizina any ivelany izahay dia ny endrikay mitaratra avy amin’ireo varavarankely lehibe ireo no hany tazanay. Izany no nandrakotra ny fahitanay ary sambatra izahay. Fa rehefa vonoina kosa anefa ny jiro ao amin’ny efitrano dia tontolo mahatalanjona no misokatra aminay rehefa mahita ireo jiro tsara tarehin’ilay tanàna lehibe eo anoloanay miaraka amin’ireo sambo feno jiro eny lavitra eny mifamezivezy eny amin’ny seranan-tsambo izahay. Nahavariana izaitsizy izany. Mazava ho azy fa tsy hoe nisy zavatra niova teo satria efa teo foana ireo zavatra nisy teo ami’ilay toerana, saingy ny fahitanay sy ny fahafahanay mahita izay niafina teo aloha no novelarina tampoka. Izany fifanahafana izany dia manampy ahy hahazo an-tsaina kokoa ilay dingana manaraka izay antsointsika hoe fahafatesana. Izany dia toy ny hoe novonoina ireo jiron’ny fiainantsika tety an-tany ka tsy mifantoka amin’izay manodidina antsika mivantana intsony isika, fa tontolo midadasika izay manana fahatsarana sy ahitana fahafahana mandrakizay kosa no misokatra eo anoloantsika. Matoky aho fa ho voninahitra lehibe ny hoe hahita izay any an-koatra ny fahitantsika voafetra amin’ny maha-olombelona antsika.

Ny fijoroako ho vavolombelona momba ireo zava-nitranga feno voninahitra tamin’ilay marainan’ny Paska dia ny hoe azo antoka ho antsika ny fiainana aorian’ny fahafatesana noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy antsika tamin’ny maty. Rehefa mifantoka amin’izay azontsika fehezina mba hiaina amim-pahamarinana isika dia tsy tokony hatahotra fahafatesana fa hiaina kosa ny fifaliana avy amin’ny fahazoana ny fanomezana lehibe indrindra avy amin’ Andriamanitra, dia ny Fiainana Mandrakizay.8 Izany fanomezana lehibe indrindra amin’ireo fanomezana rehetra izany dia misy ary ho an’ny rehetra, isika dia mbola hahita indray ireo olon-tiantsika izay efa maty, ary hivadika ho fifaliana ny alahelontsika.

Nantsoina ho Fitopololahy Manampahefana Ambony tamin’ny aprily 2016 i S. Mark Palmer. I Jacqueline Ann Wood no vadiny; manan-janaka enina izy ireo.

Naoty

  1. Jereo ny Jaona 20:1–18.

  2. Jereo ny Asan’ny Apostoly 3:15.

  3. Almà 40:11–12.

  4. Jaona 16:19–20, 22.

  5. Jereo ny Mpitoriteny 3:1–2.

  6. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:36.

  7. Almà 34:32.

  8. Jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 14:7.