2021
‘Andriamanitra no eo amin’ny familiana ary hijanona eo Izy’
Jona 2021


HAFATRA AVY AMIN’NY MPITARIKA AO AMIN’NY FISORONANA

‘Andriamanitra no eo amin’ny familiana ary hijanona eo Izy’

Ny fijanonana ao amin’i “Ziona ilay sambo taloha” dia hahafahantsika mahazo fitahiana lehibe, dia ny fifaliana amin’ity fiainana ity sy ny fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.

Raha olona vao niova fo niditra ho mpiakamban’ny Fiangonana tamin’ny faha-17 taonako aho dia mbola tsaroako ny fiadanam-po izay nentin’ireo misiônera niaraka tamin’izy ireo rehefa tonga tao an-tranonay izy ireo mba hampianatra ny Filazantsara naverina tamin’ ny laoniny tamin’ny fianakavianay. Ho ahy dia toa nitombo izany rehefa nampianatra izy ireo ary avy eo nihanalefaka tsimoramora rehefa lasa izy ireo. Nampianarina aho taty aoriana fa ireo fahatsapana ireo dia fitaoman’ny Fanahy Masina.

Ireo fahatsapana ireo dia natanjaka indrindra rehefa nipetraka teo anilan’ny mpanazatra ahy aho, raha mbola misiônera vaovao tao amin’ny Misiônan’i Manchester Angletera, nihaino azy nampianatra ireo resadresaka ataon’ny misiônera amin’ireo izay tsy mahafantatra momba ny Fiangonana. Tsapako ny fahatsapan’ny Mpaminany Joseph Smith rehefa avy namaky ny andalan-tsoratra tao amin’ny Jakoba, rehefa nitantara ireo fahatsapana tonga tao aminy izy: “Toa niditra tamin-kery tany amin’ny tsiratsiraky ny foko rehetra izany.”1 Toy ny hoe nanamafy tamiko ny Tompo fa nahita ny fahamarinana nampianarina aho, fa teo amin’ny toerana sy fotoana tokony hisy ahy teo amin’ny fiainako aho, dia ny manao asa fitoriana. Nampitombo be ny finoako ireo traikefa ireo.

Nampatanjahana ny finoako rehefa nipetraka nihaino nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo, Sekoly Alahady, takarivan’ny mpianakavy ary mazava ho azy, ny Fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho. Eto indray dia niovaova ny fihetseham-poko, avy amin’ny ranomaso avy ao amin’ny masoko, fahatsapana fifaliana, na fanesorana fisalasalana tao an-tsaiko. Na dia isan-karazany aza ireo zavatra niainana ireo dia narahin’ny fiadanam-po foana ireo: ny toetran’ny fahatoniana, filaminana ary tsy misy korontana.

Niresaka momba ireo zavatra niainana ireo tamin’i Oliver Cowdery ny Tompo, araka ny voarakitra ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana: “Tsy nilaza fiadanana tamin’ny sainao va Aho momba izany? Inona no vavolombelona lehibe kokoa mety ho azonao noho izay avy amin’Andriamanitra?”2

Izany teny fitoniana izany no ambara matetika amin’ilay hoe “feo tony sy malefaka”.3

Endrey tena misaotra ny Raiko any An-danitra aho noho ireo zavatra niainana mankahery ireo.

Ampahafantarin’ny Tompo amin’ireo rehetra mikatsaka amin’ny finiavana ny fahamarinan’ny filazantsara, satria “Haneho ny fahamarinan’izany aminareo Izy amin’ny herin’ny Fanahy Masina.”4

Tsaroako ny fotoana iray namakiako ny Bokin’i Môrmôna. Rehefa namaky aho dia hoy ny eritreritro hoe tsy misy olombelona afaka nanoratra izany boky izany raha tsy nisy ny fanomezam-pahasoavana sy herin’Andriamanitra. Saingy tsy ampy ny finoana araka ny lôjika sy ny zava-miseho. Mila ny fanamafisan’ny Fanahy Masina isika, satria izany no hitondra tenivavolombelona ao am-pontsika.5

Mila mahatsiaro ireny zavatra niainana sy fahatsapana ireny isika, satria tsy fantatsika velively raha toa ka hotsapaina ny finoantsika indray andro any amin’ny hoavy. Raha toa ka mahatsiaro ireny fahatsapana ireny isika dia hanome antsika tanjaka hijanonana ho mahatoky amin’ny filazantsara izany satria efa nandray tenivavolombelona avy tamin’ny Tompo isika.

Manome fahafahana maro hampatanjahana ny finoantsika ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Izany no fitaovan’ny Tompo hanomanana antsika amin’ny fanjakana selestialy.

I Brigham Young dia nilaza fa ny Fiangonana dia toa an’i “Ziona ilay sambo fahiny”6 ary nampahatsiahy antsika izy fa “ao amin’ilay Ziona sambo fahiny isika. . . . [Andriamanitra] no eo amin’ny familiana ary hijanona eo Izy. . . . Mety ny zava-drehetra, hihira Aleloia, satria eo ny Tompo. Izy no mibaiko, manoro lalana ary mitarika. Raha manana fahatokisana tanteraka an’Andriamaniny ny vahoaka ary tsy hahafoy ny fanekempihavanany na ny Andriamaniny dia hitarika antsika marina Izy.”7 Fantatro fa marina izany.

Taona maro lasa izay, fony zatovo ny zanakay, dia nividy sambo ski izahay. Fotoana kely taorian’ny nividiananay ilay sambo dia nanapa-kevitra izahay sy ny zanako lahy roa hitondra izany handehandeha alohan’ny filentehan’ny masoandro. Raha teny ambony rano dia nitambokona tampoka nandritra ny segondra vitsy ny motera dia nijanona avy teo. Nanambara ny famantaran-tsolika fa mbola nanana ampahefatry ny fasian-tsolika izahay, saingy ny fanadihadiana haingana dia nahalalana fa tena lany ny solikay raha ny tena marina. Nifandray tamin’ny fianakavianay tany an-dranomasina izahay izay nandamina ny fanavotana anay hanampiana anay. Voafitaky ny famantaran-tsolika diso izahay.

Tsy toy ny famantaran-tsolika diso, i “Ziona ilay sambo taloha” dia tsy hamitaka antsika na oviana na oviana. Ny fijanonana ao amin’i “Ziona ilay sambo taloha” na ny fijanonana ho mazoto ary marina amin’ny Filazantsara dia hiteraka finoana, fahasambarana ary fitomboana tsy mitsaha-mitombo.

Ato amin’ity fiangonana ity no hahafantarantsika an’i Jesoa Kristy, izay tokony hiorenan’ny finoantsika. Izy no fototra iorenantsika, ary mila mianatra izay nataony ho antsika isika. Misy lanjany lehibe ny fampitomboana ny finoantsika, satria hahatonga antsika tsy hivadika sy haharitra hatramin’ny farany izany. Ny fanjakana selestialy no ho valisoantsika.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia mivavaka, “mba hananan’izy ireo mandrakariva ny Fanahiny miaraka aminy”.8 Tsy ampy hamafisina izany. Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika dia mankamamy ny fitahian’ny fanomezana ny Fanahy Masina isika. Ny mijanona ho mendrika an’io fanomezana io dia mendrika ny ezaka rehetra. Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe: “Tsy misy safidy izay mandà ny fiarahan’ny Fanahy Masina na ireo fitahian’ny mandrakizay ka ho mendrika ny ho asiantsika lanjany.”9

Vao tsy ela akory izay dia nampianatra antsika ny filoha Russell M. Nelson hoe “aoka Andriamanitra no hanjaka” eo amin’ny fiainantsika. Hoy izy: “Ry ry rahalahy sy ranabavy malalako, mitaky finoana sy herim-po ny mamela an’ Andriamanitra hanjaka. Mitaky asa ara-panahy tsy tapaka sy henjana ny mibebaka sy manala ny maha-olona araka ny nofo amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Mitaky ezaka tsy tapaka isan’andro ny mamolavola fahazaran’ ny tena manokana handalina ny filazantsara, hianatra bebe kokoa momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, ary hikatsaka sy hamaly ny fanambarana ho an’ny tena manokana.”10 Ny fanarahana ny Mpaminany malalantsika sy ny fampiharana ny teniny eo amin’ny fiainantsika dia hampitombo ny finoantsika.

Mijoro ho vavolombelona aho fa rehefa mijanona eo amin’i “Ziona ilay sambo taloha” isika ka “mamela an’ Andriamanitra hanjaka”, dia hitombo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy. Izany, miaraka amin’ny fiezahana tsy tapaka ny hanana ny Fanahy Masina miaraka amintsika, dia ahafahantsika mahazo fitahiana lehibe, dia “fifaliana amin’ity fiainana ity sy fiainana mandrakizay any amin’ny tontolo ho avy.”11

Nantsoina ho Fitopololahin’ny Vondromparitra ny Loholona Glenn Holmes tamin’ny aprily 2019. Manambady an’i Amanda Mary Asgeir-Nielsen izy ary manan-janaka efatra izy ireo. Mipetraka ao Benoni Afrika Atsimo izy ireo.

Fanamarihana

  1. Joseph Smith—Tantara 1:12.

  2. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:23.

  3. 1 Nefia 17:45.

  4. Môrônia 10:4.

  5. Jereo ny 2 Nefia 33:1.

  6. Teachings of the Presidents of the Church: Brigham Young [1997], 82–83.

  7. Brigham Young, “Remarks,” Deseret News, Nov. 18, 1857, 291.

  8. Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77.

  9. Neil L. Anderson, “Ny masom-pinoana”, Liahona, mey 2019, 37.

  10. Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka”, Liahona, nôv. 2020, 95.

  11. “Ilay Kristy Velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly,” Liahona, aprily 2000; ChurchofJesusChrist.org.