“Ny Tenin’ny Fahendrena,” Namana, aog. 2021.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana, aogositra 2021
Ny Tenin’ny Fahendrena
Nanao fivoriana i Joseph Smith mba hampianarana ny olona momba ny filazantsara. Matetika ireo lehilahy no mifoka sigara sy mihinana paraky.
Nampanahy an’i Emma Smith izany. Mampisy korontana sy fako be ny setroka sy ny paraky, ary nisy zavatra tsy nilamina momba izany. Nanontany tena i Emma sy i Joseph ny amin’izay mety ho tsapan’ Andriamanitra momba izany.
Nivavaka i Joseph, dia namaly ny Tompo. Nampitandrina ny mpikamban’ny Fiangonana ny Tompo ny amin’ny sigara sy ny paraky. Nilaza Izy fa tsy tsara ho an’ny vatantsika izany. Nampitandrina azy ireo ihany koa Izy ny amin’ny fisotroana dite sy kafe ary toaka.
Nilaza Andriamanitra ny hihinanana voankazo, sy legioma ary sakafo hafa mahasalama. Antsointsika hoe ny Tenin’ny Fahendrena ireo fampianarana ireo.
Afaka miaina ny Tenin’ny Fahendrena aho. Hitahy ahy ny Ray any An-danitra rehefa mikarakara ny vatako aho.
© 2021 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, August 2021. Malagasy. 17471 654