“Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy,” Namana, ôkt. 2021.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Namana ôktôbra 2021
Nanome anarana ny Fiangonany i Jesoa Kristy
Nolazain’ny Tompo tamin’i Joseph Smith ny anarana hiantsoana ny Fiangonana. Nilaza Izy fa hantsoina hoe “Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany” izany.
Ny teny hoe Jesoa Kristy no ampahany manan-danja indrindra ao anatin’ny anaran’ny Fiangonana. Satria Fiangonan’i Jesoa Kristy izany dia antsoina amin’ny anarany.
Ny hoe Olomasin’ny Andro Farany dia midika hoe ireo mpikamban’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao.
Nampianatra ireo mpaminany sy apôstôly fa manan-danja ny fampiasana ny anarana marin’ny Fiangonana. Manampy ny hafa hahafantatra izany fa isika dia mino an’i Jesoa Kristy.
Rehefa manontany ahy ny hafa hoe inona no zavatra inoako dia afaka milaza aho hoe, “Mino an’i Jesoa Kristy aho. Mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho.”
© 2021 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly Friend Message, October 2021. Malagasy. 17467 654