“Tonga Izy,” Ho zatovo mahery!, des. 2021.
Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! desambara 2021
Tonga Izy
Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana dia mijoro ho vavolombelona fa tonga teto an-tany i Jesoa Kristy, mampianatra antsika hahafantatra hoe iza Izy ary inona ny zavatra nentiny ho an’ny olona rehetra.
Delivered (Voavonjy) , nataon’i Jenedy Paige
“Satria teo amin’izao tontolo izao Aho ary nanao ny nofo ho tabernakeliko sy nitoetra teo anivon’ny zanak’olombelona.”
“Izaho no Jesoa Kristy, Ilay Zanak’ Andriamanitra. Tonga tany amin’ny Ahy Aho, ary ny Ahy tsy nandray Ahy.”
Tonga Izy mba hanao ny sitrapon’ny Ray
Ety an-tany tahaka ny any an-danitra , nataon’i Justin Kunz
“Izaho no Jesoa Kristy; tonga Aho noho ny sitrapon’ny Raiko, ary ataoko ny sitrapony.”
And the Child Grew and Waxed Strong in Spiri (Ary ny Zaza dia nitombo ka nihahery) , nataon’i Walter Rane
“Tsy nandray hatramin’ny voalohany ny fahafenoana Izy fa nanohy ny fahasoavana niampy fahasoavana ambara-pandraisany ny fahafenoana;
“Ary dia toy izany no niantsoana Azy ho Zanak’ Andriamanitra, satria tsy nandray ny fahafenoana hatramin’ny voalohany Izy.”
Tonga Izy mba hanavotra ny olona rehetra
Christ in Gethsemane (Kristy tao Getsemane) , nataon’i Michael Malm
“Izaho no Andriamanitra izay efa naniraka ny Zanako Lahitokako ho eo amin’ izao tontolo izao ho fanavotana izao tontolo izao.”
“Indro, Izaho no Jesoa Kristy, ny Mpamonjy izao tontolo izao.”
Maniraka ny hafa Izy hijoro ho vavolombelona momba Azy
Sary nataon’i Justin Kunz
“Ambarao vaovao mahafaly ny mponin’ ny tany.”
“Koa ambarao ny zavatra izay efa renareo sy inoanareo marina tokoa ary fantatrareo fa marina.”
Little Lamb (Zanakondry kely) , nataon’i Jenedy Paige
“Izaho no Alfa sy Omega, ny fiandohana sy ny fiafarana, ny fahazavana sy ny fiainan’izao tontolo izao—fahazavana izay mamirapiratra ao amin’ny haizina ary ny haizina tsy mahazo izany.”
“Izaho no fahazavana marina izay manazava ny olona rehetra izay tonga eo amin’izao tontolo izao”
© 2021 an’ny Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. Natonta tany Etazonia Amerika. Fankatoavana ny tamin’ny teny anglisy: 6/19. Fankatoavana ny fandikana: 6/19. Fandikana ny Monthly For the Strength of Youth Message, December 2021. Malagasy. 17476 654