2023
Mila tonga lafatra izao ankehitriny izao ve isika?
Febroary 2023


“Mila tonga lafatra izao ankehitriny izao ve isika?” Ho zatovo mahery! feb. 2023.

Hafatra isam-bolana ao amin’ny Ho zatovo mahery! febroary 2023

Mila tonga lafatra izao ankehitriny izao ve isika?

Sary
zatovolahy mamaky soratra masina

Sary nataon’i Emily E. Jones

Ny soratra masina dia nosoratana mba hitahy sy hankahery antsika, ary tena manao izany tokoa izy ireny. Saingy tsikaritrareo ve fa indraindray misy andinin-tsoratra masina izay toa mampahatsiahy antsika fa somary lavo kely isika? Ohatra: Koa amin’izany aoka ho tanteraka ianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo … any an-danitra” (Matio 5:48). Te hiverina hatory isika dia hanarona lamba ny lohantsika, manoloana izany didy izany. Toa tsy ho azontsika tratrarina ny tanjona selestialy toy izany. Saingy azo antoka fa tsy hanome antsika didy izay fantany fa tsy ho voatandrintsika na oviana na oviana ny Tompo.

Sary
zatovovavy mielo amin’ny orana

“Eny, manatòna an’i Kristy, ary aoka hatao tanteraka ao Aminy,” hoy ny fiangavian’i Môrônia. “Tia an’ Andriamanitra amin’ny herinareo, ny sainareo ary ny tanjakareo rehetra ianareo, amin’izany dia … amin’ny fahasoavany no hahatonga anareo ho tanteraka ao amin’ i Kristy” (Môrônia 10:32; nampiana fanamafisana). Ny hany fanantenantsika ho an’ny fahalavorariana tanteraka dia amin’ny fandraisana izany ho toy ny fanomezana avy any an-danitra, ary tsy ho “azontsika samirery” izany.

Sary
zatovovavy mandeha an-tongotra mianika havoana miaraka amin’ny alika

Ankoatra ny an’i Jesoa, dia tsy mbola nisy fiainana tonga lafatra teto amin’ity diantsika eto an-tany ity, koa mandritra ity fiainana eto an-tany ity dia ndeha isika hiezaka mafy mba hivoatra hatrany ary hisoroka ny zavatra tafahoatra izay andrandraina ho vitan’ny tenantsika sy ny hafa.

Sary
sambo eo amin’ny ranomasina misamboaravoara

Raha maharitra isika dia ho vita sy tontosa any amin’ny mandrakizay any ny fanadiovana antsika, izay dikan’ny hoe tanteraka ao amin’ny Testamenta Vaovao.