Tahirim-pitaovana
“Nalahelo anao izahay Eddie a!”


Hafatra avy amin’ny Fiadidian’ny Vondromparitra

“Nalahelo anao izahay Eddie a!”

Mizara ny hery avy amin’ny fanatonana am-pitiavana ireo rahalahy sy anabavintsika amin’izao vanim-potoanan’ny Krismasy izao ny Loholona Dube.

Eo am-piandrandrantsika rehetra izao Krismasy ho avy izao, dia enga anie isika handray am-po ny fananaran’ny Mpamonjy antsika manao hoe: “Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy” (Dikantenin’i Joseph Smith, Lioka 15:4–5.)

Marina fa faly isika rehetra rehefa mahita ireo olon-tiantsika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana, kanefa faly koa isika rehefa mahita ireo izay nasaintsika ho tonga ato amin’ny Fiangonana mandroso sy mianoka ireo fitahian’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Efa mba nanontany tena ve isika hoe ahoana no fifalian’ireo mpikambana ireo noho ny amintsika?

Iray anatin’ny sivy amby sivifolo

Amin’ireo 39 taona mahery naha tato amin’ny Fiangonana ahy dia afaka milaza marina aho fa indray mandeha monja no tsy nandehanako tany Am-piangonana! Mahavariana, sa tsy izany? Indray Alahady maraina dia tsy maintsy nanapa-kevitra aho, raha nihazona ny soratra masina tamin’ny tanako ila, hoe tokony handeha any am-piangonana ve aho sa handeha hamonjy barbecue? Nisafidy ny hanatrika ilay barbecue aho. Nisy fankalazana lehibe tao amin’ny tanànan’i Mbizo, Kwekwe, tao amin’ny toerana nipetrahako. Nifanohitra ny fihetseham-poko.

Tamin’ny voalohany dia nilaza tamin’ireo namako aho, izay tsy mpikamban’ny Fiangonana, fa hiaraka amin’izy ireo aho rehefa avy any am-piangonana. Nifanaraka tamin’izy ireo aho hoe hivoaka aho aorian’ny ora voalohany. Fantatry ny namako ny fahalemeko sy ny zavatra tiako indrindra. Niady hevitra toy izao izy ireo: “Raha mankany am-piangonana aloha ianao, dia tsy hahita ilay ampahany tsara indrindra amin’ilay fankalazana! Rehefa vita ilay barbecue vao ho tonga any ianao”. Noho izany, nisafidy ny handeha ho any amin’ilay barbecue aho ary tsy nankany am-piangonana.

Rehefa reko ny marainan’io fa nofoanana ilay fankalazana, dia tara loatra ka tsy afaka nankany am-piangonana intsony aho. Nijanona tao an-tranoko fotsiny aho: ilay trano iray ahitana efitra iray izay nisy lambam-baravarana nanasaraka izany tamin’ny trano iray manontolo. Nahatsapa ho very aho—nisy banga lehibe tao anatiko.

Tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany tolakandro, dia nandre feo tany ivelany aho nilaza hoe: “Mipetraka eto ve i Eddie Dube?” Tsy nino aho. “Manonofy ve aho?” hoy aho nanontany tena aho.

Tamin’izay fotoana izay, ny hany tao an-tsaiko dia ny niafina. Raha nijery ny toerana teo ambanin’ny fandriako aho, satria io no hany toerana azo niafenana dia nijoro tao ambadik’ilay lambam-baravarana nanasaraka ny efitranoko tamin’ny efitra hafa i John sy Jean Newbold. Tamim-pahalainana no namelako ny filohan’ny sampana nisy ahy sy ny vady malalany hiditra tao. Raha nahatsapa ny ahiahiko i Jean vadiny dia izy no niteny voalohany nanao hoe: “Eddie, mipetraka ao amin’ny tanana iray azo antoka tsara ianao. Tianao ve ity toerana ity?” hoy izy nanontany. Taorian’ny valin-teniko, dia nilaza tamiko tamim-pitiavana momba ireo lahateny nandritra ny Fanasan’ny Tompo izy ireo, ary nilaza izy ireo fa nalahelo ahy tany am-piangonana. Niresaka elaela izahay ary avy eo dia lasa izy ireo.

Nanakoako tsy an-kijanona tao an-tsaiko ny tolakandro sy ny alina manontolo ilay tenin’ izy ireo hoe: “Nalahelo anao izahay Eddie a. Nalahelo anao izahay tany am-piangonana androany!” Nampahery ahy hatramin’izao ireo teny ireo. Ny zanako, ary ny zafikeliko ankehitriny dia mahafantatra io tantara momba an’i John sy i Jean io, izay nandao ny sivy amby sivifolo ka lasa nitady ilay iray. Ho fantatr’ireo zafiafiko sy ny taranako ihany koa io tantara io indray andro any!

Manampy amin’ny asan’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanompoana

Izao ny fanasana feno fanetren-tena apetrako aminareo ry rahalahiko sy anabaviko. Hitady olona iray azonao asaina hiverina any am-piangonana ho fanomezana Krismasy ho an’i Jesoa Kristy Mpamonjy ve ianao?

Mety tsy hitondra ny vokatra andrasana ny fanasana iray, toy ny nitranga tamiko. Mety ho mora ho an’ny rehetra ny tsy fandehanana any am-piangonana mandritra ny iray andro, ka raha tsy voahara-maso dia vetivety dia ho lasa fahazarana izany. Azonao an-tsaina ve raha tsy tonga tamin’io alahady io i John sy i Jean? Mety ho nanao zavatra hafa aho na nisy fanelingelenana hafa mety ho nanakana ahy. Afaka niverina mora foana tamin’ny fahazaran-dratsiko aho. Akory ny hafaliako fa tonga izy ireo!

Raha miresaka momba ny fifaliana niainan’i John sy i Jean sy ny fifaliana izay niainako isika dia ahoana kosa ny fahatsapan’ny Tompo sy ny Ray any An-danitra momba izany rehetra izany? “Ary ankehitriny, indro, lehibe ny fifaliako, hatrany amin’ny fahafenoana aza, noho ny aminareo sy ity taranaka ity koa; eny, ary na dia ny Ray aza dia mifaly, ary ny anjely masina rehetra koa, noho ny aminareo sy ity taranaka ity; fa tsy misy very aminy.” (3 Nefia 27:30). Azonao sary an-tsaina ve ny ho tsapanao; ho toy ny ahoana ny fahatsapan’ilay olona mifandray aminao, ary ambonin’izany rehetra izany dia ny fifaliana tsapan’ny Tompo sy ny Ray any An-danitra amin’ny ezaka ataonao amin’izao Krismasy izao!

Tsy ny vokatra no zava-dehibe, fa ny fahavononana sy ny ezaka mafy ataonao. Ny fahombiazanao amin’io andraikitra io dia refesina amin’ny fahavononanao sy ny ezaka mafy ataonao amin’ ny famantarana sy ny fiarahanao miasa amin’io olona io mba hahatongavany ato am-piangonana. Manana ny fahafahany misafidy ireo mpikambana ireo. Izy ireo anefa dia mila ahy sy anao hanolotra fanasana. Mianatra isika ao amin’ny Torio ny Filazantsarako fa: “Rehefa nanao izay tsara indrindra vitanao ianao dia mety mbola hiaina fahadisoam-panantenana, nefa tsy ho diso fanantenana aminao ianao. Afaka mahatoky ianao fa faly ny Tompo rehefa mahatsapa ny Fanahy miasa amin’ ny alalanao ianao”.1

Faly noho ny amintsika ny Tompo noho ireo safidy izay nataontsika mba hijanonana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana. Henoy ny teniny mampitony sy manentana fanahy ary mankahery: “Indro, mba tiako ho takatrareo; fa ny tiako holazaina dia ireo izay velona ankehitriny amin’ ity taranaka ity; ary tsy misy very aminy; ary ao aminy no ananako ny fahafenoan’ny fifaliana” (3 Nefia 27:31).

Ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy teo amin’ny fanompoana

Naneho ohatra amin’ny fanompoana amin’ny fomba maro ny Mpamonjy. Ny iray izay manohina ahy dia ny fotoana nanompoan’ny Mpamonjy ireo Nefita sisa velona. Ao amin’ny 3 Nefia 11, izay fotoana nampahafantaran’ny Ray ny Zanaka sy nanombohan’i Jesoa Kristy nanompo ireo Nefita sisa velona izay nandalo korontana, fahaketrahana sy tebiteby ary famoizam-po: “Indro, Izaho no Jesoa Kristy izay nambaran’ny mpaminany fa ho avy eo amin’izao tontolo izao. Mitsangàna ary mankanesa aty Amiko, hahazoanareo mitehika ny lanivoako amin’ny tananareo, ary koa mba hahazoanareo mitsapa ny diam-pantsika amin’ny tanako sy amin’ny tongotro mba hahafantaranareo fa Izaho no Andriamanitr’i Isiraely sy Andriamanitry ny tany manontolo, ary efa novonoina noho ny fahotan’izao tontolo izao.” (3 Nefia 11:10; 14).

Efa avy nitsangana tamin’ny maty ny Tompo no tonga teo anivon’izy ireo, rehefa avy niaraka tamin’ny Ray . Tonga Izy mba hampionona ny vahoaka. Ho avy Izy hampionona antsika, raha avelantsika hanao izany amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa. Alaivo sary an-tsaina miaraka amiko, raha tianao, ny fahatsapan’ireo olona ireo ny tenin’ny Mpamonjy nitondra hafanana tao an-tsain’izy ireo feno hetaheta hahafantatra. Tsapao raha sitrakao, ny mety ho tsapan’izy ireo, rehefa nalain’ny Mpamonjy avy tao anatin’ny famoizam-po lalina – ilay fahatsapana tony fa mendrika, izay azo antoka fa tsapan’izy ireo. Izany tenin’ny Mpamonjy izany dia nisy fiantraikany tamin’izy ireo toy ny feon’ny reny iray mampitony ny; nanenika ny eritreritr’izy ireo ny hafaliana ary nandrakotra ny sain’izy ireo tamin’ny fiadanana mahasambatra. Tsy mbola nahatakatra ny hatsaram-pon’ny Mpamonjy toy izany izy ireo hatramin’izay.

Fitahiana nampanantenaina

Ho fitahiana nampanantenaina ho an’ity fanasana ity ny hahita olona iray izay azonao asaina “hiverina sy hisakafo eo amin’ny latabatry ny Tompo”,2 dia manolotra izao fampanantenana avy amin’ny Mpamonjy izao aho: “Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany” (Matio 16:25).

Ny fitaomam-panahy lehibe indrindra nananako tamin’ny fiezahana hamelona sy hanafy ary hanome fialofana ho an’ny ankohonako dia tonga rehefa nanompo ny hafa aho. Isika rehetra izay efa nanao asa fitoriana dia hanamarina fa ny toerana nahatakarantsika ny tenantsika indrindra dia tany amin’ny sahan’ny misiôna.

Ny Mpanjaka Benjamina izay ohatra ihany koa tamin’ny fanompoana tamin’ny fahanterany, dia nanamafy fa ny hany takin’ny Tompo amintsika dia ny fitandremana ny didiny ary ho setrin’izany dia mampanantena Izy fa hiroborobo eo amin’ny tany isika (Môzià 2:22).

Enga anie isika ry rahalahy sy anabavy mba hitaky ireo fitahiana avy amin’ny fanompoana rehefa mankalaza ity Krismasy ity ary manolotra fanomezana ho an’ny Tompontsika, satria izaho sy ianao dia mahafantatra fa voafatotra ny Tompo rehefa manao izay lazai[ny] [isika].

Tsoratra

  1. Preach My Gospel: A Guide to Sharing the Gospel of Jesus Christ, [2023], p. 14.

  2. Teachings of Presidents of the Church: Howard W. Hunter, [2015], 170.